Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahatsapa ny Fetran’ny Mety ho Vitany i Barzilay

Nahatsapa ny Fetran’ny Mety ho Vitany i Barzilay

Nahatsapa ny Fetran’ny Mety ho Vitany i Barzilay

‘NAHOANA aho no mbola ho enta-mavesatra aminao?’, hoy i Barzilay, lehilahy 80 taona, tamin’i Davida mpanjakan’ny Israely. Milaza ny Baiboly fa “mpanjatobe indrindra” izy, angamba noho ny harenany. (2 Samoela 19:33, 36) Nonina tany Gileada, toerana be tendrombohitra any atsinanan’ny Reniranon’i Jordana izy.—2 Samoela 17:27; 19:32.

Tamin’ny toe-javatra nanao ahoana no nilazan’i Barzilay an’izany teny izany? Ary nahoana io lehilahy zokiolona io no nilaza izany?

Fikomiana tamin’ny mpanjaka

Notandindomin-doza ny ain’i Davida. Nandrombaka ny seza fiandrianana mantsy i Absaloma zanany, rehefa ‘voafetsiny ho azy ny fon’ny lehilahy tamin’ny Israely.’ Nenjehiny izay rehetra tsy nivadika tamin’ny rainy. Nandao an’i Jerosalema àry i Davida sy ny mpanompony. (2 Samoela 15:6, 13, 14) Nampian’i Barzilay i Davida rehefa tonga tany Mahanaima, any atsinanan’i Jordana.

Nalala-tanana i Barzilay sy ny lehilahy roa hafa atao hoe Soby sy Makira, ka nanome vatsy sy zavatra betsaka an’i Davida. Nasehon’ireo lehilahy nahatoky ireo fa takany tsara ny tarehin-javatra sarotra nisy an’i Davida. Izao àry no nolazainy momba an’i Davida sy ireo namany: “Noana sy sasatra ary mangetaheta atỳ an-efitra ny vahoaka.” Nanao izay rehetra azony natao izy telo lahy mba hikarakarana izay nilain’i Davida sy ireo namany, ka nanome azy ireo fandriana, vary tritika, vary hordea, koba, lango, tsaramaso, voanemba, tantely, rononomandry, ondry ary zavatra hafa.—2 Samoela 17:27-29.

Nampidi-doza ny nanampy an’i Davida. Azo inoana fa tsy navelan’i Absaloma ho afa-maina fotsiny izay rehetra nanohana an’ilay tena mpanjaka. Be herim-po àry i Barzilay rehefa naneho tsy fivadihana tamin’i Davida.

Nivadika ny rasa

Tsy ela taorian’izay dia nifanandrina ny tafika mpikomin’i Absaloma sy ireo naman’i Davida. Raikitra ny ady tao anaty alan’i Efraima, izay mety ho tsy lavitra an’i Mahanaima. Resy ny tafik’i Absaloma, “ka be dia be no ringana androtrizay.” Na dia niezaka nandositra aza izy, dia novonoina ho faty taoriana kelin’izay.—2 Samoela 18:7-15.

Hita teo indray fa i Davida no tena mpanjakan’ny Israely. Tsy voatery niafina intsony ireo mpomba azy. Lasa nohajain’i Davida sy nankasitrahany koa izy ireo, satria tsy nivadika taminy.

Rehefa hody tany Jerosalema i Davida, dia ‘nidina avy tany Rogelima i Barzilay Gileadita mba hanatitra azy hita an’i Jordana.’ Nanasa an’io lehilahy efa zokiolona io i Davida, ka nanao hoe: “Andeha hiara-mita amiko hianao hovelomiko any amiko any Jerosalema.”—2 Samoela 19:16, 32, 34.

Tsy isalasalana fa tena nankasitraka ny fanampian’i Barzilay i Davida. Tsy hoe naniry hamaly soa azy ka hanome izay rehetra nilainy fotsiny anefa izy. Tsy nila fanampiana toy izany mantsy i Barzilay, satria mpanankarena. Naniry handray an’io lehilahy be taona io tany an-dapa i Davida, angamba noho izy tsara toetra. Nety ho nahazo voninahitra tokoa i Barzilay raha nipetraka tany, satria nety ho lasa naman’ny mpanjaka.

Nanetry tena sy nijery zavatra araka ny tena izy

Hoy i Barzilay ho valin’ilay fanasana nataon’i Davida Mpanjaka: “[Hafiriana] intsony moa no andro hahavelomako, no hiara-miakatra amin’ny mpanjaka hankany Jerosalema aho? Valo-polo taona izay no andro nahavelomako, ka mahalala izay soa sy ratsy intsony va aho? Mahatsiaro ny tsiron-javatra haniko sy sotroiko intsony va aho mpanomponao? Mahare izay feon’ny mpihiralahy sy ny mpihiravavy intsony va aho?” (2 Samoela 19:35, 36) Nolavin’i Barzilay tamim-panajana àry ilay fanasana, ka tsy nanaiky hahazo tombontsoa tena tsara izy. Fa nahoana?

Nanda i Barzilay, angamba noho izy efa nandroso taona, ka voafetra ny zavatra mety ho vitany. Nety ho nahatsapa izy fa tsy ho velona maharitra intsony. (Salamo 90:10) Nanao izay rehetra azony natao izy mba hanohanana an’i Davida. Tsapany koa anefa fa voafetra ny zavatra mety ho vitany noho izy efa be taona, ka tsy sodokan’ny toerana ambony sy ny voninahitra mety ho azony izy. Tsy nitovy tamin’i Absaloma izay fatra-paniry laza izy, fa nanetry tena ka nampiseho fahendrena.—Ohabolana 11:2.

Nolavin’i Barzilay koa ilay fanasana, satria tsy tiany raha voasakantsakana ny asan’ilay mpanjaka notendren’Andriamanitra, noho izy tsy mahavita zavatra firy intsony. Nanontany izy hoe: “Nahoana ny mpanomponao no mbola ho enta-mavesatra amin’ny mpanjaka tompoko?” (2 Samoela 19:36) Marina fa nanohana an’i Davida foana i Barzilay, nefa ninoany fa lehilahy tanora no tena afaka hiantsoroka andraikitra amin’ny fomba tsara kokoa. Ny zanany angamba no tiany horesahina rehefa nilaza izy hoe: “Indro Kimama mpanomponao; aoka izy no hiaraka amin’ny mpanjaka tompoko, ary ataovy aminy izay sitrakao.” Tsy sosotra anefa i Davida Mpanjaka fa nanaiky ny fanoloran-kevitr’i Barzilay. ‘Norohany i Barzilay sady notsofiny rano’ mihitsy, talohan’ny niampitany an’i Jordana.—2 Samoela 19:38-40.

Ilaina ny mahay mandanjalanja

Asongadin’ny tantaran’i Barzilay fa ilaina ny mahay mandanjalanja. Amin’ny lafiny iray, dia tsy mety raha mandà tombontsoam-panompoana isika na tsy miezaka hahazo izany, satria fotsiny hoe tsy tiantsika ho voahelingelina ny fiainantsika, na koa mahatsapa isika fa tsy hahay hiantsoroka andraikitra. Afaka manampy antsika amin’izay zavatra tsy haintsika Andriamanitra, raha miantehitra aminy isika mba hahazoana hery sy fahendrena.—Filipianina 4:13; Jakoba 4:17; 1 Petera 4:11.

Mila miaiky anefa isika fa voafetra ny zavatra mety ho vitantsika. Mety ho efa betsaka, ohatra, ny andraikitra ara-pivavahana sahanin’ny Kristianina iray. Tsapany fa raha mbola manaiky handray andraikitra hafa izy, dia mety hanao an-tsirambina ireo adidiny araka ny Soratra Masina, toy ny fikarakarana ny fianakaviany eo amin’ny lafiny ara-panahy sy ny famelomana azy. Amin’ny toe-javatra toy izany, dia tena manetry tena sy mahay mandanjalanja tokoa izy, raha mandà tsy handray tombontsoa fanampiny aloha.—Filipianina 4:5; 1 Timoty 5:8.

Namela ohatra tsara i Barzilay, ary tena tokony hisaintsaina an’izany isika. Tsy nivadika izy, be herim-po, nalala-tanana ary nanetry tena. Ambonin’ny zava-drehetra, dia vonona ny hametraka ny tombontsoan’Andriamanitra alohan’ny an’ny tenany izy.—Matio 6:33.

[Sarintany, pejy 15]

(Jereo ny gazety)

Nanao dia lavitra nandreraka i Barzilay izay efa 80 taona, mba hanampiana an’i Davida

GILEADA

Rogelima

Sokota

Mahanaima

Reniranon’i Jordana

Gilgala

Jeriko

Jerosalema

EFRAIMA

[Sary, pejy 13]

Nahoana no nolavin’i Barzilay ny fanasan’i Davida?