Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Fahagagana” Roa Tamin’ny Fivoriambe Tany Géorgie

“Fahagagana” Roa Tamin’ny Fivoriambe Tany Géorgie

“Fahagagana” Roa Tamin’ny Fivoriambe Tany Géorgie

NISY “fahagagana” roa tsy hay hadinoina tany Géorgie, tamin’ny 2006. Natao tamin’ny toerana enina nanerana ilay firenena, ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Akaiky ny Fanafahana!”, ny 7 ka hatramin’ny 9 Jolay. Nandray sakafo ara-panahy tondraka ireo mpanatrika 17 000 mahery tamin’izany.

Tamin’ny Janoary 2006 dia efa nanomboka nitady toerana mahazaka olona an’arivony ny Vavolombelon’i Jehovah. Tao Tbilissi renivohitra no nokasaina hanaovana ny fandaharana, fa ireo toerana hafa kosa hampifandraisina amin’ny alalan’ny telefaonina.

Nihena tsikelikely ny fanoherana fivavahana tany Géorgie, nandritra ireo taona faramparany. Naneho fikirizana ny Vavolombelona, na dia niaritra fanenjehana be aza taloha. Natoky izy ireo fa hahita toerana hanaovana fivoriambe tao an-drenivohitra. Sariaka sy tia mandray vahiny ny olona any Géorgie. Nankahala ny Vavolombelon’i Jehovah anefa ny manam-pahefana sasany. Hamela ny Vavolombelona hanofa toerana hanaovana fivoriambe àry ve izy ireo?

Nijery kianja sy toerana fanaovana fanatanjahan-tena maro ireo rahalahy anisan’ny Komitin’ny Fivoriambe. Nampanantena hampanofa toerana ireo tompon’andraikitra, nefa nanda indray rehefa tena ho raikitra ny daty. Gaga àry ireo rahalahy rehefa nanaiky hampanofa efitrano malalaka, ny mpiandraikitra ny Orkesitr’i Tbilissi. Fanaovana an’ireo fampisehoana malaza indrindra ilay izy, ary tao afovoan’ny renivohitra no nisy azy.

Faly ireo rahalahy fa nody ventiny ihany ny rano nantsakaina. Nanomboka nandamina ny fivoriambe àry ilay komity. Nokarakaraina koa ny fivoriambe tany amin’ireo tanàn-dehibe hafa nanerana an’i Géorgie. Anisan’izany i Tsnori, Kutaisi, Zugdidi, Kaspi, ary Gori. Asa be ny nampifandray an’ireo toerana ireo tamin’ny alalan’ny telefaonina, mba ho afaka hanaraka ny fandaharana amin’ny fotoana mitovy ny rehetra. Vita daholo àry ny fanomanana. Herinandro talohan’ilay fivoriambe anefa, dia nofoanan’ny mpiandraikitra ny Orkesitr’i Tbilissi tampoka ilay fifanekena. Tsy nohazavainy ny antony.

“Fahagagana” voalohany

Inona àry no hataon’ireo rahalahy, nefa efa fohy ny fotoana? Tsy nanan-tsafidy izy ireo fa tsy maintsy nankany Marneuli, 40 kilaometatra miala an’i Tbilissi. Fivoriambe maro no efa natao tany, teo amin’ny toeram-pambolen’ny fianakaviana iray Vavolombelon’i Jehovah. Zaridaina izy io taloha. Tao ihany no afaka nanao fivoriambe ireo fiangonana tao Tbilissi, nandritra ny folo taona. Efa imbetsaka koa anefa ny Vavolombelona no niharan’ny herisetra tany Marneuli.

Tamin’ny 16 Septambra 2000, ohatra, dia tsy navelan’ny polisin’i Marneuli hankany amin’ilay toerana hanaovana fivoriambe ireo Vavolombelona. Nisy bisy maromaro tonga avy eo, nitondra andian-jiolahy notarihin’i Vasili Mkalavishvili, pretra ortodoksa niongana. Nosakanan’izy ireo ny fiara sy bisy hankeny amin’ilay fivoriambe. Vavolombelona maro no nosintonin’izy ireo avy ao anaty fiara, ary novonovonoiny tsy nisy indrafo. Nalainy an-keriny koa ny entana, anisan’izany ny Baiboly sy boky ara-baiboly.

Efa notafihin’ny andian’olona niisa 60 koa ny mpanatrika fivoriambe tany Marneuli, ka Vavolombelona 40 no naratra. Nisy nanindrona antsy ny tratran’ny rahalahy iray. Nitondra basy poleta ireo mpanafika romotra, ary nanao tifi-danitra. Nanambana basy an’ilay anabavy tompon’ilay toerana ny mpanafika iray, ary nangataka ny volany sy ny firavaka tany aminy. Norobain’izy ireo avy eo ny tranony, izay teo amin’ilay faritra ihany, ka nangalariny ny zava-tsarobidy tao. Novakiny ny varavarankely rehetra, ary nodorany ny boky sy ireo sezalava namboarina ho an’ilay fivoriambe. Boky iray taonina sy sasany no potika. Tsy nisakana an’izany anefa ny polisy, fa vao mainka koa aza namely an’ireo Vavolombelona. *

Natahotra ny hiverenan’izany herisetra izany àry ny Komitin’ny Fivoriambe. Sahiran-tsaina koa izy ireo satria olona 5 000 no ho tonga, nefa 2 500 ihany no zakan’ilay toerana. Inona àry no hatao nefa ny fotoana efa antomotra? Toy ny nisy fahagagana tamin’izay, satria nanatona an’ireo rahalahy ny tompon’ny tanimboly roa teo akaiky, ka nilaza fa azo hofana ny tanin’izy ireo.

Tena tsy mora ny namadika an’ireo tanimboly ireo ho toerana azo anaovana fivoriambe. Vao mainka nanasarotra izany ny toetrandro, satria avy foana ny orana nandritra ny herinandro talohan’ilay fivoriambe. Nisy ovy naniry teo amin’ilay faritra, ka tsy maintsy nangonina aloha. Mpiasa an-tsitrapo maro no nihady an’ireo ovy tao anatin’ny oram-be. Nesorina ny fefy, ary nasiana tafo ilay toerana, mba hiarovana ny mpanatrika amin’ny hainandro sy orana. Tsy maintsy nampiana koa ny sezalava, ary napetaka ny fitaovana fanamafisam-peo. Niasa andro aman’alina ireo mpiasa an-tsitrapo mba hamitana izany rehetra izany, ka nisy aza tsy natory mihitsy.

Nanahy ny rehetra hoe: “Dia ahoana raha tsy mitsahatra ny orana mandritra ny fivoriambe? Tsy ho difotry ny fotaka ao ve ny mpanatrika?” Nividy mololo ireo rahalahy, mba hanaronana ilay tany mando. Nipoaka ihany anefa ny masoandro! Tsara foana ny andro nandritra ilay fivoriambe.

Toerana nahafinaritra no hitan’ny mpanatrika rehefa tonga izy ireo. Toa taratry ny tontolo vaovao ilay izy, satria tena nilamina. Nahazo aina tsara ny mpanatrika, voahodidina aviavy sy voankazo hafa, ary tanin-katsaka sy voatabiha. Voaloboka kosa no nandravaka ny teo aorian’ny lampihazo. Indraindray ny mpanatrika nandre akoholahy naneno, na akohovavy nikoràka rehefa nangonina ny atodiny. Nisy feo hafa koa fandre any ambanivohitra. Nahafinaritra ny mpanatrika fotsiny izany, fa tsy nanelingelina azy ireo. Tsy dia voamariny akory aza izany, satria nifantoka tanteraka tamin’ireo lahateny ara-baiboly nahaliana izy ireo. Tsy izay ihany anefa no tena niavaka tamin’iny fivoriambe iny.

“Fahagagana” faharoa

Nisy zavatra tsy nampoizin’ny mpanatrika, tamin’ny faran’ny fandaharana ny zoma maraina. Nambaran’i Geoffrey Jackson, anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ny fivoahan’ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao manontolo amin’ny teny géorgien. * Taitra ny rehetra, ary maro no latsa-dranomaso. Nientam-po erỳ ny fianakaviana iray nilaza hoe: “Faly be izahay. Tena fahagagana ilay izy, fahagagana nataon’i Jehovah! Asa be no vita tao anatin’ny fotoana fohy!”

Nanaraka an’ilay fandaharana tamin’ny alalan’ny telefaonina ny anabavy iray tany Tsalendjikha. Hoy izy: “Tsy hitako izay teny hilazana ny hafaliako, rehefa navoaka ilay Baiboly manontolo. Misaotra betsaka anareo fa tena niavaka iny fivoriambe telo andro iny. Fotoan-dehibe tsy hay hadinoina ilay izy.” Misy fianakaviana iray, anisan’ilay fiangonana manamorona ny Ranomasina Mainty, any amin’ny faritra andrefan’i Géorgie. Hoy izy ireo: “Baiboly iray ihany no nitambaranay mianakavy taloha. Izao anefa izahay efa-mianaka samy manana ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Samy afaka mianatra Baiboly samirery àry izahay izao.”

Tsy hoe nandeha tsara daholo anefa ny zava-drehetra, saingy tsy fantatry ny mpanatrika. Vita pirinty sy nalefa sambo ara-potoana ihany, ohatra, ireo Baiboly vaovao, nefa tsy navelan’ny Doanina hankany Géorgie. Nitaraina tany amin’ny Mpiaro ny Zon’ny Vahoaka àry ireo rahalahy, ka tonga ihany ireo Baiboly, taloha kelin’ilay fivoriambe. Nirahin’ilay manam-pahefana hankany Marneuli mihitsy aza ny mpanampy azy, mba haka Baiboly vaovao tany amin’ilay fivoriambe, ho an’ilay sampan-draharaha.

Fomba fiarahabana any Géorgie

Mbola nisy antony hafa koa tena nampiavaka ny fivoriamben’ny vondrom-paritra tany Marneuli, ho an’ireo Vavolombelon’i Jehovah tany Géorgie. Tonga tany mantsy ny rahalahy iray anisan’ny Filan-kevi-pitantanana. Tena nientam-po ny mpanatrika rehetra, ka nandeha tsirairay niarahaba azy araka ny fanaon’ny mponina any. Tsy maintsy nitsangana nandritra ny ora maro àry ny Rahalahy Jackson, taloha sy taoriana ary nandritra ny fivoriambe. Faly anefa izy na izany aza.

Nisy rahalahy nanatrika fivoriambe toa an’iny, tamin’ny 1903. Hoy izy tamin’izany, rehefa tapitra ilay fandaharana: “Na mahantra aza aho, dia tsy hatakaloko vola aman-karena mihitsy ny soa noraisiko tamin’ity fivoriambe ity.” Efa zato taona mahery izany no nitranga, nefa toy izany koa no tsapan’ny Vavolombelona nanatrika ilay fivoriambe niavaka tany Géorgie, tamin’ny 2006!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 10 Manazava momba ny fanenjehana ny Vavolombelon’i Jehovah tany Géorgie, ny Mifohaza! 8 Febroary 2002, pejy 18-24.

^ feh. 16 Efa nivoaka tamin’ny 2004 Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao tamin’ny teny géorgien.

[Efajoro, pejy 19]

‘Ny Kely Tonga Arivo’

Tanteraka tany Géorgie ilay teny ao amin’ny Isaia 60:22 hoe: “Ny kely ho tonga arivo, ary ny malemy ho tonga firenena mahery; Izaho Jehovah no hanafaingana izany amin’ny fotoany.” Mpitory latsaka ny 100 no tany Géorgie, 20 taona lasa izay. Nitombo ho 16 000 eo ho eo anefa izy ireo. Mitarika fampianarana Baiboly efa ho 8 000 isan-kerinandro ireo mpitory be zotom-po ireo. Azo antoka àry fa mbola hisy fitomboana be any Géorgie!

[Kisary/​Sarintany, pejy 16]

(Jereo ny gazety)

FEDERASIONAN’I ROSIA

GÉORGIE

⇨ Zugdidi

⇨ Kutaisi

Marneuli ⇨ Gori

⇨ Kaspi

⇨ Tsnori

TBILISSI

TORKIA

ARMENIA

AZERBAÏDJAN

[Sary nahazoan-dalana]

Gilaoby: Based on NASA/Visible Earth imagery

[Sary, pejy 16]

Sarivongana any Tbilissi

[Sary, pejy 17]

Nampitaina an-telefaonina tamin’ny toerana dimy hafa, ilay fivoriambe tany Marneuli

[Sary, pejy 18]

Tsy nampoizin’ny mpanatrika ny fivoahan’ny “Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao” tamin’ny teny géorgien