Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Taorian’ny namonoan’i Davida an’i Goliata, dia nanontany azy i Saoly Mpanjaka hoe: “Zanak’iza moa hianao, ry zatovo?” Nahoana i Saoly no mbola nametraka io fanontaniana io ihany, nefa i Davida efa mpanompony?—1 Samoela 16:22; 17:58.

Mety hisy hilaza hoe fohy ihany ny fotoana nihaonan’izy ireo voalohany, ka angamba hadinon’i Saoly hoe iza i Davida. Tsy mitombina anefa izany, rehefa jerena ny 1 Samoela 16:18-23. Hita ao mantsy fa efa fantatr’i Saoly hoe zanak’iza i Davida, tamin’izy naniraka olona hampaka azy. Voalaza ao koa fa nanjary tiany be i Davida, ka nataony mpitondra ny fiadiany. Tsy maintsy ho efa fantatr’i Saoly tsara àry i Davida.

Misy manam-pahaizana momba ny Baiboly milaza fa andinin-teny natsofoka tatỳ aoriana ny 1 Samoela 17:12-31 sy ny 1Sa 17:55–18:5. Tsy ahitana an’ireo andininy ireo mantsy ny Baiboly sasany Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo, izay vita tamin’ny taonjato faharoa T.K. Tsy voatery ho marina anefa ny hoe andinin-teny natsofoka izy ireo, satria fotsiny hoe tsy ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo. Hita ao amin’ny maro amin’ireo Baiboly sora-tanana fahiny azo itokisana mantsy ireo andininy ireo.

Hita fa tsy hoe te hahalala ny anaran’ny rain’i Davida fotsiny i Saoly, rehefa nanontany azy sy Abnera. Naniry hahafantatra kosa izy hoe olona manao ahoana marina no nitaiza an’i Davida. Nisy toetra tsara hafa hitany mantsy tao amin’i Davida. Nanana finoana matanjaka sy be herim-po izy, ary izany no nahatonga azy haharesy an’i Goliata. Angamba i Saoly nieritreritra ny hanendry an’i Jese, rain’i Davida, na ny fianakaviany hafa ho miaramilany, satria mety ho be herim-po sy sahisahy toa an’i Davida koa izy ireo.

Marina fa fohy kely ny valin-tenin’i Davida, rehefa jerena ny 1 Samoela 17:58. Hoy fotsiny izy: “Zanak’i Jese Betlehemita mpanomponao aho.” Hita eo amin’ny andinin-teny manaraka anefa fa mety ho niresaka lava kokoa izy ireo. Hoy i C. Keil sy F. Delitzsch, manam-pahaizana momba ny Baiboly: ‘Miharihary avy amin’ireo teny ao amin’ny 1 Samoela 18:1 manao hoe “rehefa nitsahatra niteny tamin’i Saoly izy”, fa niresaka tamin’i Saoly naharitraritra momba ny fianakaviany i Davida.’

Inona àry no tian’i Saoly ho fantatra rehefa nanontany an’i Davida izy hoe: “Zanak’iza moa hianao, ry zatovo?” Tsy ny anaran’ny rain’i Davida no tiany ho fantatra, satria efa fantany izany. Te hahalala ny fanabeazana azon’i Davida sy ny momba ny fianakaviany kosa izy.

[Sary, pejy 31]

Nahoana i Davida no nanontanian’i Saoly hoe zanak’iza izy?