Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Ezekiela—Fizarana II

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Ezekiela—Fizarana II

Velona ny Tenin’i Jehovah

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Ezekiela—Fizarana II

TAMIN’NY Desambra 609 T.K. no nitranga ny tantara. Nanao fahirano farany an’i Jerosalema ny mpanjakan’i Babylona. Nilaza hafatra ho an’ny Jiosy babo tany Babylona i Ezekiela. Faminaniana momba ny handravana an’i Jerosalema, tanàna malalan’izy ireo ilay izy. Hisy firenena ho faly amin’izany fahavoazan’ny vahoakan’Andriamanitra izany. Naminany momba ny loza hanjo azy ireny koa i Ezekiela. Rava tokoa i Jerosalema, herintaona sy tapany tatỳ aoriana. Ny famerenana amin’ny laoniny ny fivavahana marina indray àry no lasa votoatin’ny hafatr’i Ezekiela.

Mirakitra faminaniana momba an’ireo firenena nanodidina ny Israely sy ny fanafahana ny vahoakan’Andriamanitra, ny Ezekiela 25:1–48:35. * Milahatra araka ny foto-kevitra ireo faminaniana ireo. Nosoratana arakaraka ny fotoana nisehoany koa izy ireo, afa-tsy ny Ezekiela 29:17-20. Anisan’ny Soratra Masina avy tamin’ny herin’ny fanahin’Andriamanitra ny bokin’i Ezekiela. “Velona sy mahery” àry ny hafatra raketiny.—Hebreo 4:12.

‘HO TAHAKA NY SAHA EDENA ITY TANY ITY’

(Ezekiela 25:1–39:29)

Nasain’i Jehovah naminany ny hamelezana an’i Amona, Moaba, Edoma, Filistia, Tyro, ary Sidona i Ezekiela. Tsinjony mantsy fa ho faly noho ny faharesen’i Jerosalema izy ireo. Horobaina koa ny fananan’i Ejipta. Tahaka ny hazo sedera hotapahin’ny “sabatry ny mpanjakan’i Babylona” i ‘Farao, mpanjakan’i Ejipta, sy ny vahoakany maro be.’—Ezekiela 31:2, 3, 12; 32:11, 12.

Enim-bolana teo ho eo, taorian’ny nandravana an’i Jerosalema tamin’ny 607 T.K., dia nisy olona afa-nandositra avy tany, nitatitra tamin’i Ezekiela hoe: “[Resy] ny tanàna.” “Tsy moana intsony” àry ilay mpaminany, fa nanambara faminaniana tamin’ny Jiosy babo, momba ny hamerenana azy ireo any amin’ny taniny. (Ezekiela 33:21, 22) ‘Hanangana Mpiandry iray ho azy ireo [i Jehovah], dia i Davida Mpanompony.’ (Ezekiela 34:23) Ho lao i Edoma, fa ny tanin’i Joda kosa ho “tahaka ny saha Edena.” (Ezekiela 36:35) Nampanantena i Jehovah fa hiaro ny olony amin’ny fanafihan’i “Goga.”—Ezekiela 38:2.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

29:8-12—Oviana i Ejipta no lao nandritra ny 40 taona? Nandositra tany Ejipta ny olona sisa tao Joda, taorian’ny nandravana an’i Jerosalema tamin’ny 607 T.K., na dia efa nandrara azy ireo aza i Jeremia. (Jeremia 24:1, 8-10; 42:7-22) Tsy voavonjy ihany anefa izy ireo, satria notafihin’i Nebokadnezara i Ejipta ka resiny. Azo inoana fa lao nandritra ny 40 taona i Ejipta taorian’izay. Tsy ahitana porofo momba izany ny boky tsy ara-pivavahana. Matoky anefa isika fa tena nitranga ilay izy, satria Mpanatanteraka faminaniana i Jehovah.—Isaia 55:11.

29:18—Inona no dikan’ny hoe “efa samy tonga sola avokoa ny lohany, sady niendaka ny sorony”? Tena niasa mafy ny miaramilan’i Nebokadnezara, rehefa nanao fahirano an’i Tyro. Lasa sola àry ny lohan’izy ireo, satria nikasokasoka tamin’ny fiarovan-dohany. Niendaka koa ny sorony, satria nibata enta-mavesatra hanaovana tilikambo sy manda izy ireo.—Ezekiela 26:7-12.

Lesona ho antsika:

29:19, 20. Kely fotsiny ny harena azon’i Nebokadnezara Mpanjaka tao Tyro, satria nentin’ny mponina nandositra tany amin’ilay nosin’izy ireo ny ankamaroan’ny zava-tsarobidy. Marina aloha fa mpanompo sampy i Nebokadnezara, sady tia tena sy nirehareha. Namaly soa azy anefa i Jehovah noho ny fanompoana nataony, ka nanome azy an’i Ejipta, mba ho “karaman’ny miaramilany.” Tokony hanahaka an’Andriamanitra koa isika, ka handoa hetra ho an’ny fanjakana, noho ny asa ataony ho antsika. Marina fa mety hanao ny tsy marina ny mpitondra, ary tsy fantatra izay hampiasany an’ilay vola. Adidintsika foana anefa ny mandoa hetra.—Romanina 13:4-7.

33:7-9. Tsy tokony hitsahatra hitory mihitsy ireo mpitily ankehitriny, dia ny sisa voahosotra, ary toy izany koa ny vahoaka be. Tsy maintsy mitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana izy ireo, ary mampitandrina momba ilay “fahoriana lehibe” ho avy.—Matio 24:21.

33:10-20. Mila miala amin’ny lalan-dratsy sy manao izay takin’Andriamanitra isika, satria miankina amin’izany ny famonjena antsika. Azo antoka fa tena “marina” ny lalan’i Jehovah.

36:20, 21. Nandoto ny anaran’Andriamanitra teo amin’ireo firenena ny Israelita. Nantsoina hoe “olon’i Jehovah” mantsy izy ireo, nefa tsy niaina nifanaraka tamin’izany. Tsy tokony ho mpanompon’i Jehovah anarany fotsiny isika.

36:25, 37, 38. “Ondry aman-osy masina”, izany hoe olona masina maro be, no ao amin’ilay paradisa ara-panahy ankehitriny. Mila miezaka mafy àry isika, mba hadio foana izy io.

38:1-23. Tena mampahery ny mahalala fa hamonjy ny vahoakany i Jehovah, rehefa hanafika i Goga avy any Magoga! Nantsoina hoe Goga i Satana Devoly, “mpitondra an’izao tontolo izao”, taorian’ny nandroahana azy avy any an-danitra. Ny hoe Magoga dia manondro ny faritra manodidina ny tany, izay misy an’i Satana sy ny demoniany.—Jaona 12:31; Apokalypsy 12:7-12.

“AOKA NY FONAO HANDINIKA IZAY REHETRA HASEHOKO ANAO”

(Ezekiela 40:1–48:35)

Efatra ambin’ny folo taona izay no lasa, taorian’ny nandravana an’i Jerosalema. (Ezekiela 40:1) Mbola hisy 56 taona vao ho tapitra ny sesitany. (Jeremia 29:10) Efa ho 50 taona i Ezekiela, tamin’izay. Nahazo fahitana izy, ary toy ny hoe tafaverina tany amin’ny tanin’ny Israely. Izao no nambara taminy: “Ry zanak’olona, mijerè amin’ny masonao, ary mihainoa amin’ny sofinao, ary aoka ny fonao handinika izay rehetra hasehoko anao.” (Ezekiela 40:2-4) Azo antoka fa nientam-po erỳ i Ezekiela nahita tempoly vaovao, tao amin’ilay fahitana!

Nisy vavahady 6, efitra fisakafoana 30, Masina sy Masina Indrindra, alitara hazo, ary alitara ho an’ny fanatitra dorana, tao amin’ilay tempoly be voninahitra hitan’i Ezekiela. Nisy rano “niboika” avy tao amin’io tempoly io, ary lasa ony ilay izy. (Ezekiela 47:1) Hitan’i Ezekiela tao amin’ny fahitana koa, fa nahazo anjara tany ireo fokon’ny Israely. Nozarazaraina avy any atsinanana niankandrefana ilay faritany. Nasiana faritra iray voatokana teo anelanelan’ny faritanin’i Joda sy Benjamina. Tao no nisy “ny fitoerana masin’i Jehovah”, sy ilay “tanàna” antsoina hoe “Jehovah no ao.”—Ezekiela 48:9, 10, 15, 35.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

40:3–47:12—Inona no mifanitsy amin’ilay tempoly an’ohatra? Fahitana fotsiny io tempoly goavana hitan’i Ezekiela io, fa tsy tena naorina. Mifanitsy amin’ilay tempoly ara-panahin’Andriamanitra izy io, izany hoe ny fandaharana nataony mba hanompoana azy amin’izao andro izao. (Ezekiela 40:2; Mika 4:1; Hebreo 8:2; 9:23, 24) Tanteraka amin’ny “andro farany” ny faminaniana momba an’io tempoly io, rehefa nozahan-toetra ireo mpisorona na voahosotra. (2 Timoty 3:1; Ezekiela 44:10-16; Malakia 3:1-3) Ao amin’ny Paradisa izy io vao ho tanteraka amin’ny fomba feno. Noho ilay fahitana momba ny tempoly anefa, dia nahazo toky ny Jiosy babo fa haverina amin’ny laoniny indray ny fivavahana marina. Hahazo anjara tany ny fianakaviana tsirairay amin’izay.

40:3–43:17—Inona no dikan’ny fandrefesana ilay tempoly? Porofo izany fa tsy maintsy ho tanteraka ny fikasan’i Jehovah mifandray amin’ny fivavahana marina.

43:2-4, 7, 9—Inona no tiana holazaina amin’ireo “sampin’ny mpanjakany”, izay tsy maintsy nesorina tao amin’ny tempoly? Ny Fandikan-teny Katolika dia mandika azy io hoe “fatim-panjakany.” Nandoto ny tempolin’Andriamanitra tamin’ny sampy ireo mpitondra sy vahoaka tao Jerosalema. Nataony toy ny mpanjakany ireny sampy ireny.

43:13-20—Manondro inona ilay alitara tao amin’ny fahitan’i Ezekiela? Izy io dia manondro ny sitrapon’Andriamanitra mifandray amin’ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy. Ambara fa marina ny voahosotra, noho io sorona io. Ny “vahoaka be” koa manjary madio eo imason’Andriamanitra. (Apokalypsy 7:9-14; Romanina 5:1, 2) Tsy nisy ‘tavin-drano boribory lehibe’, fisasan’ny mpisorona, toy ny tao amin’ny tempolin’i Solomona, ilay tempoly an’ohatra. Ny anton’izany angamba dia satria samy efa madio ny voahosotra sy ny vahoaka be.—1 Mpanjaka 7:23-26.

44:10-16—Iza no mifanitsy amin’ireo mpisorona? Ny Kristianina voahosotra ankehitriny. Nozahan-toetra izy ireo tamin’ny 1918, rehefa nipetraka “handrendrika sy hanadio” tao amin’ny tempoly ara-panahiny i Jehovah. (Malakia 3:1-5) Afaka nanohy ny fanompoany ireo nadio sy ireo nibebaka. Tsy maintsy niezaka mafy izy ireo taorian’izay, mba “tsy ho voapentimpentin’izao tontolo izao.” Tokony ho modely ho an’ireo foko tsy mpisorona, izany hoe ny “vahoaka be”, izy ireo.—Jakoba 1:27; Apokalypsy 7:9, 10.

45:1; 47:13–48:29—Inona no mifanitsy amin’ilay “tany” sy ny fizarana azy io? Manondro ny faritany anompoan’ny vahoakan’Andriamanitra ilay hoe “tany.” Ao amin’io tany io avokoa ny mpanompon’i Jehovah, na aiza na aiza misy azy, raha mbola manaraka ny fivavahana marina izy. Ao amin’ny tontolo vaovao, vao tena ho tanteraka ny fizarana ilay tany, rehefa hahazo zara tany ara-bakiteny ny olona mahatoky rehetra.—Isaia 65:17, 21.

45:7, 16—Inona no mifanitsy amin’ilay anjara omen’ny vahoaka ho an’ny mpisorona sy ny mpanjaka? Manampy sady miara-miasa amin’ny voahosotra sy ny mpiandraikitra, ao amin’ilay tempoly ara-panahy, ny Kristianina. Izany no mifanitsy amin’ilay anjara omen’izy ireo.

47:1-5—Manondro inona ilay renirano tao amin’ny fahitan’i Ezekiela? Manondro ireo fandaharana nataon’i Jehovah mba hanomezana fiainana ho an’ny olona ilay rano. Anisan’izany ny sorom-panavotan’i Kristy Jesosy, sy ny fahalalana an’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly. (Jeremia 2:13; Jaona 4:7-26; Efesianina 5:25-27) Mihalalina hatrany ilay renirano, mba ho ampy an’ireo vaovao maro be manaraka ny fivavahana marina. (Isaia 60:22) Ny ranon’aina izay mamelona sy manasitrana, no hikoriana avy amin’io renirano io, mandritra ny Fanjakana Arivo Taona. Anisan’ny rano an’ohatra avy amin’izy io koa ny zava-baovao hianarana ao amin’ireo “horonam-boky” hovelarina amin’izany.—Apokalypsy 20:12; 22:1, 2.

47:12—Manondro inona ireo hazo mamoa? Manondro ny fandaharana hataon’Andriamanitra mba hahatonga ny olombelona ho lavorary indray izy ireo.

48:15-19, 30-35—Manondro inona ilay tanàna tao amin’ny fahitan’i Ezekiela? Toerana “tsy masina” no misy an’ilay tanàna antsoina hoe “Jehovah no ao”, ka midika izany fa manondro zavatra etỳ an-tany izy io. Angamba ilay izy manondro an’ireo mpiandraikitra, izay mikarakara ny olona ho anisan’ilay “tany vaovao” hitoeran’ny fahamarinana. (2 Petera 3:13) Mora idirana ilay tanàna satria misy vavahady ny lafiny rehetra. Tokony ho mora hatonina àry ny mpiandraikitra eo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra.

Lesona ho antsika:

40:14, 16, 22, 26. Misy sarina hazo rofia eo amin’ireo fidirana amin’ilay tempoly, ka midika izany fa izay tsara fitondran-tena ihany no mahazo miditra ao. (Salamo 92:12) Tsy hankasitrahan’i Jehovah àry ny fanompoantsika, raha tsy manao izay mahitsy isika.

44:23. Tena ankasitrahantsika ny fanompoana ataon’ireo mpisorona ankehitriny, izany hoe ny “mpanompo mahatoky sy malina”! Manome antsika sakafo ara-panahy amin’ny fotoana mety izy ireo, mba hahaizantsika hanavaka izay madio sy maloto eo imason’i Jehovah.—Matio 24:45.

47:9, 11. Manasitrana eo amin’ny lafiny ara-panahy ny fahalalana an’Andriamanitra ankehitriny. Anisan’ilay rano an’ohatra izy io. Manjary velona eo amin’ny lafiny ara-panahy ny olona mandray azy io, na aiza na aiza misy azy. (Jaona 17:3) Izay tsy mety mandray an’ilay rano manome fiainana kosa dia “havela ho sira”, izany hoe ho ringana mandrakizay. Zava-dehibe àry ny ‘hanaovantsika izay azo atao mba hanazavana ny tenin’ny fahamarinana amin’ny fomba marina tsara’!—2 Timoty 2:15.

“Hohamasiniko ny anarako lehibe”

Tsy nisy taranak’i Davida nanjaka intsony, rehefa nandeha ny fotoana. Ela be tatỳ aoriana anefa vao nomen’Andriamanitra an’ilay “tena tompony tokoa” ny fanjakana. Na izany aza, dia tsy nohadinoiny ny fifanekeny tamin’i Davida. (Ezekiela 21:32; 2 Samoela 7:11-16) Hoy izy, araka ny faminanian’i Ezekiela: ‘Ho mpiandry sy mpanjaka i Davida mpanompoko.’ (Ezekiela 34:23, 24; 37:22, 24, 25) I Jesosy Kristy nahazo fahefan’ny mpanjaka no tiany holazaina amin’izany. (Apokalypsy 11:15) ‘Hanamasina ny anarany lehibe’ i Jehovah, amin’ny alalan’ny Fanjakan’ny Mesia.—Ezekiela 36:23.

Haringana tsy ho ela izay rehetra mandoto ny anarana masin’Andriamanitra. Hiaina mandrakizay kosa ireo manamasina ny anaran’i Jehovah, ka manompo azy amin’ny fomba ankasitrahany. Aoka àry isika handray tsara ny ranon’aina tondraka ankehitriny. Aoka ny fanompoana an’Andriamanitra no ho zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainantsika.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Manazava ny Ezekiela 1:1–24:27 ny lahatsoratra hoe “Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Ezekiela—Fizarana I”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Jolay 2007.

[Sary, pejy 9]

Ilay tempoly be voninahitra tao amin’ny fahitan’i Ezekiela

[Sary, pejy 10]

Inona no mifanitsy amin’ilay ranon’aina tao amin’ny fahitan’i Ezekiela?

[Sary nahazoan-dalana]

Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.