Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Atao Raha Te Hifandray Amin’Andriamanitra?

Inona no Atao Raha Te Hifandray Amin’Andriamanitra?

Inona no Atao Raha Te Hifandray Amin’Andriamanitra?

HOY ny apostoly Paoly: “Ny fampifantohana ny saina amin’ny nofo dia fahafatesana, fa ny fampifantohana ny saina amin’ny fanahy kosa fiainana sy fiadanana.” (Romanina 8:6) Mifandray tsara amin’Andriamanitra ny olona mampifantoka ny sainy amin’ny fanahy, na olona araka ny fanahy. Manaraka ny fanirian’ny nofo kosa ny olona araka ny nofo. Asehon’ilay tenin’i Paoly etsy ambony fa tena iankinan’ny aina ny fifandraisana amin’Andriamanitra, fa tsy resaka safidy na zavatra tiana fotsiny. Nahoana no lazaina fa mahazo ‘fiainana sy miadana’ ny olona araka ny fanahy? Milaza ny Baiboly fa miadan-tsaina sy mifandray tsara amin’Andriamanitra ny olona toy izany dieny izao, ary hahazo fiainana mandrakizay amin’ny hoavy. (Romanina 6:23; Filipianina 4:7) Tsy mahagaga raha nilaza i Jesosy hoe: “Sambatra ny mahatsapa fa mila an’Andriamanitra.”—Matio 5:3.

Te hifandray amin’Andriamanitra ianao matoa mamaky an’ity gazety ity, ary tena fahendrena izany. Samy hafa be anefa ny hevitry ny olona, mahakasika ny fomba ifandraisana amin’Andriamanitra. Mety hanontany tena àry ianao hoe: ‘Ahoana no tena ahafahana mifandray amin’Andriamanitra?’

“Manana ny sain’i Kristy”

Noresahin’ny apostoly Paoly fa tena ilaina sady mahasoa ny mifandray tsara amin’Andriamanitra. Maro koa ny zavatra nolazainy mahakasika ny fomba ifandraisana amin’Andriamanitra. Rehefa nanoratra ho an’ny Kristianina tany Korinto, ohatra, izy dia nanazava ny maha samy hafa ny olona araka ny nofo sy ny olona araka ny fanahy. Hoy izy: “Ny olona araka ny nofo dia tsy mandray izay an’ny fanahin’Andriamanitra, satria hadalana aminy izany.” Ny olona araka ny fanahy kosa “manana ny sain’i Kristy.”—1 Korintianina 2:14-16.

Ny hoe “manana ny sain’i Kristy” dia midika hoe ‘manana toe-tsaina mitovy amin’ny an’i Kristy Jesosy.’ (Romanina 15:5; Filipianina 2:5) Manana toe-tsaina toy ny an’i Jesosy àry ny olona araka ny fanahy, sady manaraka ny modely nomeny. (1 Petera 2:21; 4:1) Rehefa mitovy kokoa amin’ny an’i Kristy ny toe-tsain’ny olona iray, dia hihatsara ny fifandraisany amin’Andriamanitra, ary azo antoka kokoa fa hahazo ‘fiainana sy hiadana’ izy.—Romanina 13:14.

Ahoana no ahalalana “ny sain’i Kristy”?

Tsy hanana ny sain’i Kristy isika, raha tsy mahafantatra azy io. Mila mahalala ny fomba fisainan’i Jesosy àry ny olona iray, vao afaka mifandray tsara amin’Andriamanitra. Ahoana anefa no ahalalanao ny fomba fisainan’ny olona iray niaina 2 000 taona lasa izay? Mahalala ny tantaran’ireo olo-malaza teo amin’ny firenenao ianao, rehefa mamaky ny boky miresaka momba azy. Mila mamaky ny tantaran’i Jesosy koa ianao, raha te hahalala ny fomba fisainany.—Jaona 17:3.

Boky efatra no mitantara ny fiainan’i Jesosy, dia ny Filazantsaran’i Matio, Marka, Lioka ary Jaona. Ho fantatrao ny fomba fisainan’i Jesosy sy ny fihetseham-pony ary ny antony nanaovany zavatra, raha mamaky tsara an’ireo tantara ireo ianao. Rehefa misaintsaina izay vakinao momba an’i Jesosy ianao, dia ho azonao sary an-tsaina hoe olona nanao ahoana izy. Mila mamaky sy misaintsaina ny tantarany ianao, na dia efa mihevitra ny tenanao ho mpanara-dia azy aza. Raha manao izany ianao, dia ‘hitombo hatrany amin’ny fahalalana an’i Jesosy Kristy Tompo sy Mpamonjy antsika [ary amin’ny] hatsaram-panahy tsy manam-paharoa.’—2 Petera 3:18.

Andeha àry isika handinika andinin-teny sasany ao amin’ny Filazantsara, mba hahitana hoe ahoana no nahafahan’i Jesosy nifandray tsara tamin’Andriamanitra. Eritrereto avy eo ny fomba anahafanao ny modely nomeny.—Jaona 13:15.

Manana “ny vokatry ny fanahy”

Nilaza i Lioka fa “feno fanahy masina” i Jesosy tamin’izy natao batisa, satria nirotsaka taminy ny fanahy masina. (Lioka 3:21, 22; 4:1) Nantitranterin’i Jesosy tamin’ny mpianany fa tena ilaina ny mahazo ny tari-dalan’ny fanahy masin’Andriamanitra, na ny hery ampiasainy. (Genesisy 1:2; Lioka 11:9-13) Nahoana? Satria ny fanahin’Andriamanitra dia afaka manova tsikelikely ny fomba fisainan’ny olona iray, mba hitovy amin’ny an’i Kristy. (Romanina 12:1, 2) Izy io no mahatonga ny olona hanana “fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, hatsaram-panahy, fanaovan-tsoa, finoana, fahalemem-panahy, fifehezan-tena.” Antsoin’ny Baiboly hoe “vokatry ny fanahy” ireo toetra ireo, ary ny olona manana azy ireo no tena olona araka ny fanahy. (Galatianina 5:22, 23) Ny olona tarihin’ny fanahin’Andriamanitra àry no atao hoe olona araka ny fanahy.

Nasehon’i Jesosy nandritra ny fanompoany fa nanana ny vokatry ny fanahy izy. Tena hita, ohatra, fa nanana fitiavana sy hatsaram-panahy ary hatsaram-po izy, rehefa nifandray tamin’ny mahantra. (Matio 9:36) Mariho ity fitantaran’ny apostoly Jaona ity: “Nahita lehilahy jamba hatrany an-kibon-dreniny [i Jesosy], raha iny nandalo iny.” Nahita an’ilay lehilahy ny mpianatr’i Jesosy, kanefa nihevitra azy ho mpanota. Hoy izy ireo: “Iza no nanota, io lehilahy io sa ny ray aman-dreniny?” Nahita azy io koa ny mpiara-monina taminy, fa ny hany fantany dia hoe mpangataka izy io. Hoy izy ireo: “Tsy ilay lehilahy nipetraka nangataka ve ity?” I Jesosy anefa nahita fa nila fanampiana io lehilahy jamba io. Niresaka taminy izy ary nanasitrana azy.—Jaona 9:1-8.

Manao ahoana ny sain’i Kristy raha io zava-nitranga io no jerena? Voalohany: Tsy nanao tsinontsinona ny mahantra izy fa nangoraka azy ireo. Faharoa: Nanampy ny hafa izy. Manahaka izany modely nomen’i Jesosy izany ve ianao? Toy ny an’i Jesosy ve ny fiheveranao ny olona? Manampy azy ireo ve ianao mba hananany fiainana tsara kokoa dieny izao ary fanantenana kanto amin’ny hoavy? Sa tianao kokoa ny olona manankarena fa tsy raharahainao ny mahantra? Tena manahaka ny modely nomen’i Jesosy ianao, raha mihevitra ny olona toy ny niheveran’i Jesosy azy ireny.—Salamo 72:12-14.

Tia mivavaka

Resahin’ny Filazantsara fa nivavaka tamin’Andriamanitra i Jesosy matetika. (Marka 1:35; Lioka 5:16; 22:41) Nanokana fotoana hivavahana tamin’ilay Rainy any an-danitra izy, nandritra ny fanompoany teto an-tany. Hoy i Matio: “Rehefa avy nandrava ny vahoaka [i Jesosy], dia niakatra irery tany an-tendrombohitra mba hivavaka.” (Matio 14:23) Nahazo hery izy isaky ny avy niresaka tamin-dRainy toy izany. (Matio 26:36-44) Manokana fotoana hivavahana koa ny olona araka ny fanahy. Fantatr’izy ireo fa hanamafy ny fifandraisany amin’ny Mpamorona izany, sady hahatonga azy hanana fomba fisaina mitovy kokoa amin’ny an’i Kristy.

Matetika i Jesosy no nanokana fotoana maharitra mba hivavahana. (Jaona 17:1-26) Talohan’ny hifidianany an’ireo apostoliny 12, ohatra, dia “nankany an-tendrombohitra izy mba hivavaka, ary nandritra ny alina manontolo izy no nivavaka tamin’Andriamanitra.” (Lioka 6:12) Manahaka ny modely nomen’i Jesosy ny olona araka ny fanahy, na dia tsy voatery hivavaka mandritra ny alina manontolo aza. Mivavaka maharitra kokoa izy ireo rehefa handray fanapahan-kevitra lehibe. Mitady ny tari-dalan’ny fanahy masina izy ireo rehefa misy safidy ataony, mba hahatsara ny fifandraisany amin’Andriamanitra.

Nasehon’i Jesosy tamin’izy nivavaka koa ny fihetseham-po tokony hananantsika rehefa mivavaka. Mariho ny fomba niresahany tamin’ny Rainy, tamin’ny alina talohan’ny nahafatesany, araka ity tenin’i Lioka ity: “Nihamafy ny fijaliany, ka vao mainka nivavaka mafimafy kokoa hatrany izy, ary nanjary tahaka ny ra nitete teo amin’ny tany ny hatsembohany.” (Lioka 22:44) Efa nivavaka tamin’ny fony manontolo i Jesosy talohan’io. “Mafimafy kokoa” noho izany anefa ny vavaka nataony rehefa niatrika ny fitsapana mafy indrindra izy, ary nahazo valim-bavaka. (Hebreo 5:7) Manahaka an’i Jesosy ny olona araka ny fanahy. Mivavaka “mafimafy kokoa” amin’Andriamanitra izy ireo, mba hahazoana ny tari-dalany sy ny fanampiany ary ny fanahiny.

Tena tia nivavaka i Jesosy, ka tsy mahagaga raha naniry hanahaka azy ny mpianany. Nangataka taminy àry izy ireo hoe: “Tompo ô, mba ampianaro mivavaka izahay.” (Lioka 11:1) Manahaka ny modely nomen’i Jesosy momba ny vavaka koa ireo olona araka ny fanahy sady maniry hotarihin’ny fanahy masina. Tena tia mivavaka àry ny olona araka ny fanahy.

Tia mitory ny vaovao tsara

Hitantsika ao amin’ny Filazantsaran’i Marka fa nanasitrana olona maro i Jesosy hatramin’ny alina be. Ny ampitso maraina be, raha mbola nivavaka samirery izy, dia tonga tany aminy ny apostoly ary nilaza fa misy olona maro mitady azy, angamba te hositranina. Hoy anefa i Jesosy: “Andeha isika ho any an-toeran-kafa, ho any amin’ny tanàna manodidina, mba hitoriako any koa.” Nahoana? Satria ‘izany no nahatongavany.’ (Marka 1:32-38; Lioka 4:43) Ny fitoriana ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra no tena antony nanirahana an’i Jesosy, na dia zava-dehibe taminy aza ny fanasitranana.—Marka 1:14, 15.

Mbola mampiavaka ny olona manana ny sain’i Kristy koa ankehitriny ny fitoriana ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Nandidy an’izay rehetra te ho lasa mpanara-dia azy i Jesosy hoe: “Mandehana àry, ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra ... Ampianaro izy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo.” (Matio 28:19, 20) Efa nambarany mialoha koa hoe: “Ho vita manerana ny tany onenana ny fitoriana ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany.” (Matio 24:14) Milaza ny Tenin’Andriamanitra fa ho vita ny asa fitoriana noho ny fanampian’ny fanahy masina. Tena olona araka ny fanahy àry izay mazoto mandray anjara amin’io asa io.—Asan’ny Apostoly 1:8.

Olona an-tapitrisany no mila mifarimbona, mba hanatontosana maneran-tany ny fitoriana ny hafatra momba ilay Fanjakana. (Jaona 17:20, 21) Tsy vitan’ny hoe tokony ho araka ny fanahy àry ireo olona mandray anjara amin’io asa io, fa tokony ho voalamina tsara koa izy ireo. Fantatrao ve hoe iza ireo olona manaraka ny dian’i Kristy sady mitory maneran-tany ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana?

Mahafeno an’ireo fepetra ireo ve ianao?

Marina aloha fa mbola misy lafin-javatra hafa mampiavaka ny olona araka ny fanahy, na ny olona mifandray tsara amin’Andriamanitra. Fenonao ve anefa ireo fepetra efa voaresaka teo aloha? Mba hamalianao izany, dia afaka manontany tena ianao hoe: ‘Mamaky Baiboly tsy tapaka ve aho, ary misaintsaina izay novakiko? Hita eo amin’ny fiainako ve fa manana ny vokatry ny fanahy aho? Tia mivavaka ve aho? Tia miara-miasa amin’ireo olona mitory maneran-tany ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra ve aho?’

Raha mandini-tena amim-pahatsorana ianao, dia mety ho hitanao na mifandray tsara amin’Andriamanitra tokoa ianao na tsia. Ampirisihinay àry ianao hanao ireo ezaka rehetra ilaina, dieny izao. Mety hahazo ‘fiainana sy hiadana’ ianao raha manao izany.—Romanina 8:6; Matio 7:13, 14; 2 Petera 1:5-11.

[Efajoro/​Sary, pejy 7]

NY OLONA ARAKA NY FANAHY DIA:

◆ Tia ny Tenin’Andriamanitra

◆ Manana ny vokatry ny fanahy

◆ Mivavaka tsy tapaka sy avy amin’ny fo

◆ Mitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana

[Sary, pejy 5]

Manampy anao hahalala “ny sain’i Kristy” ny Baiboly