Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Ataon’ny Olona mba Hifandraisana Amin’Andriamanitra?

Inona no Ataon’ny Olona mba Hifandraisana Amin’Andriamanitra?

Inona no Ataon’ny Olona mba Hifandraisana Amin’Andriamanitra?

HOY i Jesosy tao amin’ilay toriteny malaza teo an-tendrombohitra: “Sambatra ny mahatsapa fa mila an’Andriamanitra.” (Matio 5:3) Maro no miaiky fa mety ho sambatra izy raha mifandray tsara amin’Andriamanitra. Ilaintsika anefa aloha ny mahafantatra azy. Inona no dikan’ny hoe mahafantatra an’Andriamanitra?

Mahafantatra an’Andriamanitra isika, rehefa mahafantatra tsara ny fomba fisainany sy ny fomba fanaovany zavatra. Mifandray amin’Andriamanitra kosa isika, raha miraiki-po aminy sady tena manaja an’izay rehetra mifandray amin’ny fivavahana aminy.

Ahoana no ahafahana mifandray tsara amin’Andriamanitra? Samy manana ny heviny ny fivavahana. Milaza ny mpivavaka sasany fa ho voavonjy izy ireo raha manatrika an’ilay fotoam-pivavahana antsoiny hoe fifohazam-panahy. Mamonjy Lamesa kosa ny hafa mba hahafahany hifandray amin’Andriamanitra. Tena manampy ny olona hifandray tsara amin’Andriamanitra ve izany?

Maro no milaza hoe tsia. Mino izy ireo fa afaka mifandray tsara amin’Andriamanitra izy, na dia tsy manana fivavahana aza. Ny hafa indray te hiadan-tsaina sy ho afa-po amin’ny fiainana fotsiny. Mihevitra izy ireo fa afaka manatratra izany tanjona izany izy, na dia tsy manana fivavahana sy tsy mifandray amin’Andriamanitra aza. Izay ao am-pony ihany, hono, no mila fantariny, anisan’izany ny fihetseham-pony sy ny faniriany. Izao no nolazain’ny mpanoratra iray: “Tsapanao ao anatinao ao [io fahafaham-po io], ary hita taratra amin’ny fomba anehoanao fitiavana sy amin’ny fifandraisanao amin’ny olona manodidina anao. Tsy hahatsapa izany ianao, na dia mandeha miangona sy manaiky ny fampianaran’ny fiangonana aza.”

Samy manana ny heviny tokoa ny olona. Boky an’arivony no manoro ny fomba ifandraisana amin’Andriamanitra. Tsy mahafa-po sy mampikorontan-tsaina anefa izy ireny matetika. Misy boky iray mirakitra toromarika azo itokisana anefa. Tsy inona izany fa ilay boky avy amin’Andriamanitra, dia ny Baiboly. (2 Timoty 3:16) Andeha hojerentsika izay lazain’izy io momba ny fomba ifandraisana amin’Andriamanitra sy ny hasarobidin’izany.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 2]

FONONY: Eo andamosina: © Mark Hamblin/age fotostock