Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahita Anao ve Andriamanitra?

Mahita Anao ve Andriamanitra?

Mahita Anao ve Andriamanitra?

MAHITA ve i Jehovah, ilay Mpamorona Faran’izay Mahay? Mazava ho azy! Hoy ny Baiboly: “Ny Mpamorona ny maso va tsy hahita?” (Salamo 94:9) Afaka mahita zavatra maro be tsy hitan’ny olombelona i Jehovah. Tsy ny etỳ ivelan’ny vatantsika ihany no hitany. “Mpamantatra ny fo” sy “Mpandanja ny fo” koa izy. (Ohabolana 17:3; 21:2) Mahay mamantatra ny eritrerintsika sy ny antony anaovantsika zavatra ary ny faniriantsika any am-po tsy miloaka izy.

Fantatr’i Jehovah ny olana manjo antsika, ary mamaly ny vavaka ataontsika izy. Hoy ny mpanao salamo: “Ny mason’i Jehovah dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany. Akaikin’izay manana fo mangorakoraka Jehovah ary mamonjy izay torotoro fanahy.” (Salamo 34:15, 18) Tena mampahery ny mahalala fa mahatsapa izay manjo antsika i Jehovah, ary manampy antsika rehefa mitalaho aminy amin’ny fontsika isika!

Hitan’i Jehovah Andriamanitra, na dia ny zavatra ataontsika miafina aza. “Ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy miharihary eo imason’ilay manao ampamoaka antsika.” (Hebreo 4:13) Hitan’Andriamanitra daholo àry izay rehetra ataontsika, na tsara na ratsy. (Ohabolana 15:3) Milaza, ohatra, ny Genesisy 6:8, 9 hoe: ‘Noa nahita fitia teo imason’i Jehovah ary niara-nandeha tamin’Andriamanitra’ izy. Nankasitrahan’i Jehovah sy notahiny tokoa i Noa satria nankatò ny toro lalany marina. (Genesisy 6:22) Nahery setra sy ratsy fitondran-tena kosa ny mpiara-belona tamin’i Noa. Tsy niafina tamin’Andriamanitra izany. “Hitan’i Jehovah fa be ny faharatsian’ny olona tambonin’ny tany, ka izay fisainana rehetra avy amin’ny fony dia ratsy ihany mandritra ny andro.” Naringan’i Jehovah ny ratsy fanahy nony farany, fa narovany kosa i Noa sy ny fianakaviany.—Genesisy 6:5; 7:23.

Hankasitraka anao ve i Jehovah, rehefa mahita izay ataonao? Ny mason’i Jehovah mantsy “mijery eny tontolo eny eran’ny tany rehetra, mba hisehoany aman-kery hamonjy izay manana fo mahitsy aminy.” (2 Tantara 16:9) Tsy ho ela izy dia handringana indray ny ratsy fanahy ary hamonjy ny mpandefitra.—Salamo 37:10, 11.