Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Manankarena Amin’Andriamanitra” ve Ianao?

“Manankarena Amin’Andriamanitra” ve Ianao?

“Manankarena Amin’Andriamanitra” ve Ianao?

“Izany koa no hanjo ny olona mihary harena ho an’ny tenany, nefa tsy mba manankarena amin’Andriamanitra.”—LIOKA 12:21.

1, 2. a) Mahafoy zavatra betsaka mba hahazoana inona ny olona? b) Inona no zavatra sarotra tsy maintsy ataon’ny Kristianina? Inona no mety ho voka-dratsin’izany?

ASA ianao raha efa nahita ankizy nanao lalao tsipy vola? Izay hampitomboana ny volany no tanjon’izy ireo amin’izany. Amin’ny olon-dehibe anefa, dia tsy kilalao fotsiny ny fitadiavam-bola, ary izany no izy hatramin’izay na taiza na taiza. Eto amintsika, ohatra, dia maro ny olona mirohotra mankany Ilakaka, mba hitady ilay vatosoa atao hoe safira. Mandao ny fonenany sy ny fianakaviany izy ireo, mba hitadiavana harena any amin’ny tanàna tsy fantany sy sarotra iainana. Maro tokoa, araka izany, no vonona hanao vivery ny ainy sy hahafoy zavatra betsaka, mba hahazoana harena.

2 Marina fa tsy ny olona rehetra no mandeha mifindra monina toy izany, mba hitady harena. Voatery miasa mafy anefa ny ankamaroan’ny olona mba hitadiavana fivelomana. Mety ho sarotra sy hitaky ezaka mafy ary handreraka be mihitsy izany, eto amin’ity tontolo ity. Mora amin’ny olombelona ny ho variana loatra mitady sakafo sy fitafiana ary trano hipetrahana, ka mety ho lasa an-tsirambina na hadino mihitsy aza ireo zava-dehibe kokoa. (Romanina 14:17) Mampiseho izany mazava tsara ny fanoharana iray nolazain’i Jesosy, ao amin’ny Lioka 12:16-21.

3. Fintino ilay fanoharan’i Jesosy ao amin’ny Lioka 12:16-21.

3 Nilaza an’io fanoharana io i Jesosy tamin’ilay fotoana nampitandremany momba ny fitsiriritana, izay nodinihina tamin’ny an-tsipiriany tao amin’ilay lahatsoratra teo aloha. Niresaka momba ny lehilahy iray mpanankarena izy, tao amin’ilay fanoharana. Nanana trano fitehirizana io lehilahy io, ary efa feno zava-tsoa ilay izy. Tsy afa-po anefa izy, ka narodany ireo trano ireo, ary nanorina trano lehibe kokoa izy, mba hanangonana zava-tsoa betsaka kokoa. Niomana haka aina sy hankafy ny fiainana amin’izay izy avy eo. Tamin’izay indrindra anefa Andriamanitra no nilaza taminy fa ho faty izy, ka olon-kafa no hahazo ny zava-tsoa rehetra nangoniny. Hoy i Jesosy rehefa namarana an’ilay fanoharana: “Izany koa no hanjo ny olona mihary harena ho an’ny tenany, nefa tsy mba manankarena amin’Andriamanitra.” (Lioka 12:21) Inona àry no ianarantsika avy amin’io fanoharana io? Ahoana no hampiharantsika ny lesona raketiny?

Nanana olana ilay lehilahy

4. Karazan’olona nanao ahoana ilay lehilahy noresahin’i Jesosy?

4 Be mpahalala io fanoharana io. Mariho fa rehefa nanomboka nilaza azy io i Jesosy, dia niteny fotsiny hoe: “Namokatra be ny tanin’ny lehilahy mpanan-karena anankiray.” Tsy nilaza izy hoe fitaka na zavatra hafa tsy ara-dalàna no nahazoan’izy io ny harenany. Tsy olon-dratsy àry izy io. Toa lehilahy nazoto niasa kosa izy. Azo inoana aloha fa nitsinjo ny vodiandro ho merika izy ka nanao tahiry. Izay hahasoa ny fianakaviany angamba no notadiaviny tamin’izany. Raha jerena fotsiny amin’izao àry, dia lehilahy nazoto niasa sy namita tsara ny adidiny izy io.

5. Inona no olana natrehin’ilay lehilahy tao amin’ny fanoharan’i Jesosy?

5 Nilaza i Jesosy fa mpanankarena io lehilahy io, izany hoe efa be dia be ny fananany. Nilaza koa anefa izy fa nanana olana izy io. Namokatra betsaka lavitra noho ny nantenainy mantsy ny taniny. Nihoatra lavitra noho izay nilainy sy azony nokarakaraina mihitsy aza ny vokatra. Inona no tokony hataony?

6. Inona avy no safidy manoloana ny mpanompon’Andriamanitra maro ankehitriny?

6 Miatrika toe-javatra mitovy amin’ny an’ilay lehilahy mpanankarena ny mpanompon’i Jehovah maro ankehitriny. Miezaka mafy mba hanao ny marina sy hazoto ary hanao tsara ny asany ny tena Kristianina. (Kolosianina 3:22, 23) Ny sasany miasa amin’olona, ary ny hafa kosa miasa tena. Mahomby amin’ny ataony izy ireo mazàna, ary tena mahay. Vokatr’izany, dia mety hahazo fisondrotana izy, na mety hahita fomba hahazoana vola bebe kokoa. Tsy maintsy manapa-kevitra àry izy raha hiroso ho amin’izany. Maro koa ny tanora Vavolombelona no tena mahay any am-pianarana. Noho izany, dia mety hotolorana vatsim-pianarana izy hahafahany hanao fianarana ambony any amin’ny sekoly malaza. Tokony hanaraka ny fanaon’ny besinimaro fotsiny ve izy, ka hanaiky izany?

7. Inona no vahaolana hitan’ilay lehilahy tao amin’ny fanoharan’i Jesosy?

7 Hiverenantsika indray ilay fanoharan’i Jesosy. Inona no nataon’ilay mpanankarena, rehefa hitany fa tsy omby hasiana vokatra intsony ny trano fitehirizany? Nanapa-kevitra izy fa harodany ireo trano ireo, ary hanorina trano lehibe kokoa izy mba hametrahana ny vokatra azony sy ny zava-tsoany rehetra. Nihevitra izy fa hilamina amin’izay ny fiainany ary afa-po izy, ka nanao anakampo hoe: “Hilaza amin’ny tenako aho hoe: ‘Ralehilahy ô, manana zava-tsoa maro voatahiry ho amin’ny taona maro ianao. Mialà sasatra, mihinàna, misotroa, mifalia.’ ”—Lioka 12:19.

Fa nahoana no hoe “tsy misaina”?

8. Inona no zava-dehibe tsy noraharahain’ilay lehilahy tao amin’ny fanoharan’i Jesosy?

8 Nasehon’i Jesosy anefa fa tsy tena nampilamina ny fiainan’ilay lehilahy ny vahaolana hitany. Marina fa hoatran’ny hahomby ilay izy, kanefa nisy zava-dehibe tsy noraharahainy, dia ny sitrapon’Andriamanitra. Tsy nieritreritra afa-tsy ny tenany izy, ka ny hiala sasatra, hihinana, hisotro ary hifaly ihany no tao an-tsainy. Nihevitra izy fa hiaina mandritra ny “taona maro”, satria nanana “zava-tsoa maro.” Nampalahelo anefa fa tsy araka ny nantenainy ny zava-nitranga. Nilaza tokoa i Jesosy fa “na manam-be aza ny olona, dia tsy miankina amin’ny zavatra ananany ny ainy.” (Lioka 12:15) Nafoin’ilay lehilahy tamin’io alina io ny fananana rehetra nisasarany. Nilaza taminy mantsy Andriamanitra hoe: “Ry tsy misaina, anio alina dia hisy haka aminao ny ainao, koa ho an’iza ireto zavatra nangoninao?”—Lioka 12:20.

9. Nahoana ilay lehilahy tao amin’ny fanoharana no nolazaina fa tsy misaina?

9 Hitantsika eo ny hevi-dehibe ao amin’ilay fanoharana. Nilaza Andriamanitra fa “tsy misaina” ilay lehilahy. Mety hiseho amin’ny endriny samihafa ilay teny grika nadika hoe “tsy misaina.” “Midika foana hoe tsy mandinika tsara” izy io, araka ny Diksionera Mamakafaka ny Testamenta Vaovao (anglisy). Voalaza ao fa rehefa nampiasa an’io teny io Andriamanitra ao amin’ilay fanoharana, dia te hanasongadina fa “hevitra an-taingina fotsiny ny tetik’ilay mpanankarena.” Tsy olona bado no tiana holazaina amin’ilay hoe “tsy misaina”, fa olona “tsy mety manaiky hoe mila miantehitra amin’Andriamanitra izy.” Rehefa mamaky ny fomba niresahan’i Jesosy momba an’ilay lehilahy mpanankarena isika, dia mahatsiaro ny zavatra nolazainy tatỳ aoriana tamin’ny Kristianina tany Laodikia, any Azia Minora. Niteny tamin’izy ireo izy hoe: “Hoy ianao: ‘Manankarena aho ary efa nahazo harena ka tsy mila na inona na inona intsony.’ Tsy fantatrao anefa fa ory sy mampalahelo sy mahantra sy jamba ary mitanjaka ianao.”—Apokalypsy 3:17.

10. Nahoana no tsy voatery hiaina mandritra ny “taona maro” isika, na dia manana “zava-tsoa maro” aza?

10 Mila saintsainintsika tsara izany lesona izany. Mety hitovy amin’ilay lehilahy tao amin’ilay fanoharana ve isika? Miasa mafy ve isika mba hahazoana “zava-tsoa maro”, nefa tsy manao izay tokony hatao mba hiainana mandritra ny “taona maro”? (Jaona 3:16; 17:3) Hoy ny Baiboly: “Ny harena dia tsy mahasoa amin’ny andro fahatezerana”, ary “izay matoky ny hareny dia ho lavo.” (Ohabolana 11:4, 28) Izany no nahatonga an’i Jesosy hananatra toy izao, rehefa namarana an’ilay fanoharana: “Izany koa no hanjo ny olona mihary harena ho an’ny tenany, nefa tsy mba manankarena amin’Andriamanitra.”—Lioka 12:21.

11. Nahoana no tsy misy dikany ny fametrahana ny fanantenana amin’ny harena?

11 Inona no tian’i Jesosy holazaina tamin’ilay hoe “izany koa”? Midika izany fa hitovy fiafarana amin’ilay mpanankarena ny olona mametraka tanteraka ny fanantenany amin’ny harena, ary miantehitra amin’izany mba hampandeha tsara ny fiainany. Tsy ilay ‘mihary harena ho an’ny tena’ loatra no tsy mety, fa ilay hoe tsy “manankarena amin’Andriamanitra.” Nilaza fampitandremana mitovy amin’izany koa i Jakoba mpianatra. Hoy izy: “Ianareo manao hoe: ‘Hankany an-tanàna hafa izahay anio na rahampitso, ka hitoetra any herintaona, ary hanao raharaham-barotra ka hahazo tombony.’ Tsy fantatrareo akory anefa izay hitranga aminareo rahampitso.” Inona àry no tokony hataon’izy ireo? Hoy ihany i Jakoba: “Tokony hilaza kosa ianareo hoe: ‘Raha sitrapon’i Jehovah ka velona izahay, dia hanao izao na izao.’ ” (Jakoba 4:13-15) Na betsaka toy inona aza ny fananan’ny olona iray, dia tsy hisy dikany daholo izany, raha tsy manankarena amin’Andriamanitra izy. Inona àry no dikan’ny hoe manankarena amin’Andriamanitra?

Manankarena amin’Andriamanitra

12. Inona no tokony hataontsika, raha tiantsika ny hanan-karena amin’Andriamanitra?

12 Nasehon’i Jesosy fa mifanohitra ny hoe manankarena amin’Andriamanitra sy ny hoe mihary harena ho an’ny tena, na manao izay hampanan-karena ny tena. Nohazavainy tamin’izany fa tsy ny fanangonana harena, na ny fankafizana izay efa ananantsika, no tokony ho zava-dehibe indrindra amintsika. Tokony hampiasa ny fananantsika kosa isika, mba hanatsarana ny fifandraisantsika amin’i Jehovah. Azo antoka fa hanan-karena amin’Andriamanitra isika amin’izay. Nahoana? Satria ahazoana fitahiana maro avy aminy izany. Hoy ny Baiboly: “Ny fitahian’i Jehovah no mampanan-karena, ary tsy azon’ny fisasarana ampiana izany.”—Ohabolana 10:22.

13. Nahoana no lazaina fa “mampanan-karena” ny fitahian’i Jehovah?

13 Ny tsara indrindra foana no omen’i Jehovah ny vahoakany, rehefa manome fitahiana azy ireo izy. (Jakoba 1:17) ‘Tany tondra-dronono sy tantely’, ohatra, no nomeny ny Israelita. Marina fa toy izany koa no fomba nilazana an’i Ejipta. Kanefa nisy lafiny lehibe iray, fara fahakeliny, naha hafa an’ilay tany nomen’i Jehovah ny Israelita. “Tany izay tandreman’i Jehovah Andriamanitrao” izy io, hoy i Mosesy tamin’ny Israelita. Midika izany fa hiadana izy ireo, satria hokarakarain’i Jehovah. Nahazo fitahiana tondraka tamin’i Jehovah ny Israelita, rehefa tsy nivadika taminy. Niharihary koa fa tsara lavitra noho ny an’ny firenena nanodidina ny fomba fiainan’izy ireo. Ny fitahian’i Jehovah tokoa no “mampanan-karena”!—Nomery 16:13; Deoteronomia 4:5-8; 11:8-15.

14. Inona no tombontsoa ananan’ny olona manankarena amin’Andriamanitra?

14 Raha te ‘hanan-karena amin’Andriamanitra’ koa isika, dia ny fomba fiheverany antsika no tokony ho zava-dehibe amintsika, fa tsy ny fiheveran’ny olona antsika. Mazàna no mieritreritra izay mety ho fiheveran’ny olona azy ny mpanana. Hita amin’ny fomba fiainany izany matetika. Te hanaitra ny sain’ny olona izy, ka ‘mampideradera fananana’, araka ny ilazan’ny Baiboly azy. (1 Jaona 2:16) Mifanohitra amin’izany kosa ny olona manankarena amin’Andriamanitra. Mahazo ny fankasitrahany izy ireo, omeny be dia be amin’ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa, ary mifandray akaiky aminy. Tena sarobidy izany, ary mahasambatra sy mampilamin-tsaina kokoa noho ny harena. (Isaia 40:11) Inona àry no tsy maintsy ataontsika mba hanan-karena eo imason’Andriamanitra isika?

Manankarena eo imason’Andriamanitra

15. Inona no tsy maintsy ataontsika, raha te hanan-karena amin’Andriamanitra isika?

15 Tsy nieritreritra afa-tsy izay hampanan-karena azy ilay lehilahy tao amin’ny fanoharan’i Jesosy, ary niasa mafy izy mba hahatanteraka izany. Noho izany, dia voalaza fa tsy nisaina izy. Raha te hanan-karena amin’Andriamanitra àry isika, dia tsy maintsy miezaka mafy sy mazoto mandray anjara amin’ireo asa izay tena tsara sy misy dikany eo imasony. Anisan’izany ilay didy nomen’i Jesosy hoe: “Mandehana ... ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra.” (Matio 28:19) Tsara raha mampiasa ny fotoanantsika sy ny herintsika ary ny fahaizantsika isika mba hitoriana ilay Fanjakana sy hanaovana mpianatra, fa tsy mba hanatsarana ny fiainantsika fotsiny. Azo oharina amin’ny olona manao izay hampitomboana ny volany isika amin’izay. Mahazo tombony be eo amin’ny lafiny ara-panahy tokoa izay manao izany. Manaporofo izany ireto tantara manaraka ireto.—Ohabolana 19:17.

16, 17. Milazà fitantarana mampiseho ny fomba fiaina mampanan-karena eo imason’Andriamanitra.

16 Nikarakara ordinatera no asan’ny lehilahy kristianina iray tany Azia, ary tena be karama izy. Ny asany no tena nandany ny fotoanany, hany ka lasa nahatsiaro ho nahantra ara-panahy izy. Tsy nitady hahazo toerana ambony tao am-piasana àry izy, fa naleony niala. Lasa mpanamboatra gilasy izy ary nivarotra izany teny an-dalana, mba hanam-potoana bebe kokoa hanatsarana ny fifandraisany amin’Andriamanitra sy hanaovany ny andraikiny teo anivon’ny fiangonana. Naneso azy ny mpiara-miasa taminy. Inona anefa no vokatr’ilay safidy nataony? Hoy izy: “Nahazo vola betsaka noho ny teo aloha aho. Nahatsiaro ho sambatra kokoa aho, satria tsy miady saina sy be fanahiana toy ny tamin’ilay asako teo aloha. Ny zava-dehibe indrindra anefa, dia lasa mifandray akaiky kokoa amin’i Jehovah aho.” Afaka nanompo manontolo andro io Kristianina io, noho ilay fiovana nataony. Manompo ao amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny taniny izy ankehitriny. Tena “mampanan-karena” tokoa ny fitahian’i Jehovah!

17 Mitovitovy amin’izany koa ny tantaran’ny vehivavy iray. Nihevitra ny fianakaviany fa zava-dehibe ny fianarana ambony. Nianatra tany amin’ny oniversite tany Frantsa sy Meksika ary Soisa izy, ary efa azo antoka fa hahazo asa tena tsara. Hoy izy: “Tafita aho, ary nanana toerana ambony sy tombontsoa maro hafa. Tsapako anefa fa nisy zavatra tsy ampy teo amin’ny fiainako, ary tena tsy afa-po aho.” Nianatra momba an’i Jehovah izy tatỳ aoriana. Hoy izy: “Rehefa nandroso teo amin’ny lafiny ara-panahy aho, dia naniry hampifaly an’i Jehovah sy hanao izay kely mba vitako ho valin’ny soa nataony tamiko. Ny fanompoana manontolo andro no hitako fa fomba tsara hanaovana izany.” Niala tamin’ny asany io vehivavy io, ary tsy ela dia natao batisa. Efa 20 taona izay no nanaovany ny fanompoana manontolo andro, ary mahatsiaro ho sambatra izy. Hoy izy: “Misy mihevitra fa verivery fotsiny ny fahaizako, nefa miaiky koa izy ireo fa sambatra aho ary tena tsara ny fitsipika arahiko. Mivavaka isan’andro aho mba hampian’i Jehovah hanetry tena, ka hahazo sitraka aminy.”

18. Ahoana no hahatonga antsika hanan-karena amin’Andriamanitra toa an’i Paoly?

18 Afaka nanana asa tena tsara i Saoly, izay lasa apostoly Paoly. Nilaza anefa izy tatỳ aoriana hoe: “Tena heveriko ho fatiantoka koa ny zava-drehetra, satria tsy misy toa azy ny hasarobidin’ny fahalalana an’i Kristy Jesosy Tompoko.” (Filipianina 3:7, 8) Tamin’i Paoly, dia sarobidy lavitra noho izay mety ho azony teto amin’ity tontolo ity ny harena azony tamin’ny alalan’i Kristy. Afaka ny hanan-karena eo imason’Andriamanitra koa isika, raha tsy mitady izay hanatsarana ny fiainantsika fotsiny, fa miezaka hahafoy tena ho an’Andriamanitra. Manome toky antsika ny Teniny hoe: “Ny valin’ny fanetren-tena sy ny fahatahorana an’i Jehovah dia harena sy voninahitra ary fiainana.”—Ohabolana 22:4.

Hainao Hazavaina Ve?

• Inona no olana natrehin’ilay lehilahy tao amin’ny fanoharan’i Jesosy?

• Nahoana izy no nolazaina fa tsy misaina?

• Inona no dikan’ny hoe manan-karena amin’Andriamanitra?

• Inona no azontsika atao mba hanan-karena amin’Andriamanitra isika?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 26]

Nahoana no voalaza fa tsy nisaina ilay lehilahy mpanankarena?

[Sary, pejy 27]

Nahoana no mety ho lasa fitsapana ny fampirisihana hanaiky fisondrotana?

[Sary, pejy 28, 29]

“Ny fitahian’i Jehovah no mampanan-karena”