Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Mitandrema Amin’izay Rehetra Mety ho Fitsiriritana”

“Mitandrema Amin’izay Rehetra Mety ho Fitsiriritana”

“Mitandrema Amin’izay Rehetra Mety ho Fitsiriritana”

“Na manam-be aza ny olona, dia tsy miankina amin’ny zavatra ananany ny ainy.”—LIOKA 12:15.

1, 2. a) Inona no tena mibahana ao an-tsain’ny olona sy katsahiny fatratra? b) Inona no mety ho vokatr’izany eo amintsika?

VOLA, harena, toerana ambony, asa be karama, ary vady aman-janaka. Mihevitra ny ankamaroan’ny olona fa izay manana an’ireo no tafita, na manana hoavy azo antoka. Izay hampanan-karena sy hahatafita azy no mibahana ao an-tsain’ny olona maro sy katsahiny fatratra, na any amin’ny tany manankarena izany, na any amin’ny tany mahantra. Ny fitiavam-pivavahana kosa anefa mihena hatrany hatrany. Misy aza tsy liana amin’izany mihitsy.

2 Tanteraka tokoa ilay voalazan’ny Baiboly hoe: “Amin’ny andro farany dia hisy fotoan-tsarotra tsy mora setraina. Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ... ho tia fahafinaretana fa tsy ho tia an’Andriamanitra, jerena toa mpivavaka be nefa tsy misy heriny eo amin’ny fiainany ny maha mpivavaka azy.” (2 Timoty 3:1-5) Mifanerasera amin’ireny olona ireny isan’andro ny tena Kristianina, ka eo foana ny fakam-panahy hanaraka ny fisainany sy ny fomba fiainany. Inona àry no hanampy antsika hanohitra an’ity tontolo ity, ka tsy ho voatarika ‘hiray lasitra aminy’?—Romanina 12:2, Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara.

3. Inona no torohevitra nomen’i Jesosy, izay hodinihintsika ato?

3 Nampita lesona mafonja momba izany i Jesosy Kristy, ‘ilay Solontena Lehibe Indrindra sy Mpandavorary ny finoantsika.’ (Hebreo 12:2) Teo am-piresahana tamin’ny vahoaka izy indray mandeha, ary nanome fanazavana momba ny fivavahana marina. Nanapaka ny teniny anefa ny lehilahy iray, ka nilaza hoe: “Mpampianatra ô, teneno ny rahalahiko mba hizara lova amiko.” Nomen’i Jesosy torohevitra tena lehibe izy sy izay rehetra nanatrika teo. Nampitandrina mafy i Jesosy fa tsy mety ny mitsiriritra. Nilaza fanoharana mampisaintsaina koa izy mba hanamafisana an’izany. Ilaintsika ny mandinika izany torohevitra izany sy mahafantatra ny soa azo avy amin’ny fampiharana an’ilay izy.—Lioka 12:13-21.

Tsy nety ny fangatahan’ilay lehilahy

4. Nahoana no tsy tokony ho nanapaka ny tenin’i Jesosy ilay lehilahy?

4 Nampitandrina ny mpianany sy ny olon-kafa mba tsy hihatsaravelatsihy i Jesosy talohan’izay. Nampirisika azy ireo izy mba ho sahy hanaiky eo anatrehan’ny olona fa tafaray amin’ny Zanak’olona. Nanoro azy ireo ny fomba hahazoana ny fanampian’ny fanahy masina koa izy. (Lioka 12:1-12) Zava-dehibe ireo, ary nila notadidin’ny mpianany. Nandritra izany lahateny nampisaintsaina izany anefa no nitsatsaingoka tampoka ilay lehilahy, ary nangataka an’i Jesosy mba handamina ny adiadin’izy mianakavy momba ny fizarana fananana. Na izany aza, dia misy zava-dehibe ianarantsika avy amin’io zava-nitranga io.

5. Inona no ianarantsika momba an’ilay lehilahy, rehefa jerena ny zavatra nangatahiny?

5 “Izay alehan’ny sain’ny olona eo am-pihainoana toriteny matetika no ahafantarana ny toetrany”, hoy ny mpanoratra iray. Inona no noeritreretin’ilay lehilahy, nandritra ny fanazavan’i Jesosy hevi-dehibe momba ny fivavahana? Izay fomba hahazoany vola angamba. Tsy voalazan’ny Baiboly raha nanana ny rariny tamin’ilay ady lova izy, na tsia. Fantany fa nanana fahefana i Jesosy, ary nalaza ho nahay nitsara ny raharahan’ny olombelona, ka angamba te hanararaotra an’izany izy. (Isaia 11:3, 4; Matio 22:16) Na ahoana na ahoana, dia hita tamin’ilay fangatahana nataony fa nanana olana izy: Tena tsy nankasitraka ny zavatra nifandray tamin’ny fivavahana izy. Tsy mandrisika antsika handini-tena ve izany? Mora miriorio, ohatra, ny saintsika any am-pivoriana. Mety hieritreritra izay hataontsika aorian’ny fivoriana koa isika. Mila mihaino tsara anefa isika, ary mieritreritra ny fomba hampiharana ny torohevitra omena antsika any. Ho afaka hanatsara ny fifandraisantsika amin’i Jehovah Raintsika any an-danitra sy ny mpiray finoana amintsika isika amin’izay.—Salamo 22:22; Marka 4:24.

6. Nahoana i Jesosy no tsy nanaiky hanao ny zavatra nangatahin’ilay lehilahy?

6 Na inona na inona antony nahatonga an’ilay lehilahy hangataka fanampiana, dia tsy nety nanao ny zavatra nangatahiny i Jesosy. Hoy kosa izy: “Fa iza moa, ralehilahy, no nanendry ahy ho mpitsara na mpizara fananana eo aminareo?” (Lioka 12:14) Fantatry ny olona tsara ny tian’i Jesosy holazaina tamin’izany. Araka ny Lalàn’i Mosesy mantsy, dia ny mpitsara tao an-tanàna no voatendry hikarakara ny raharaha toy ireny. (Deoteronomia 16:18-20; 21:15-17; Rota 4:1, 2) Nanana zava-dehibe kokoa hatao i Jesosy: Nila nanambara ny marina momba ilay Fanjakana izy, ary nampianatra ny olona hanao ny sitrapon’Andriamanitra. (Jaona 18:37) Manahaka an’i Jesosy isika, ka tsy varimbariana amin’ny olana mpitranga eo amin’ny fiainana. Mampiasa ny fotoanantsika sy ny herintsika kosa isika, mba hitoriana ny vaovao tsara sy ‘hanaovana mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra.’—Matio 24:14; 28:19.

Mitandrema mba tsy hitsiriritra

7. Inona no nolazain’i Jesosy, ka mampiseho fa mahay mamantatra ny ao am-po izy?

7 Mahay mamantatra ny ao am-po tsy miloaka i Jesosy. Noho izany, dia fantany fa nisy antony lalina kokoa nahatonga an’ilay lehilahy hanao an’iny fangatahana iny. Tsy hoe nanda tsy hanao an’ilay izy fotsiny àry i Jesosy, fa nanazava ihany koa ny tena fototr’ilay olana. Hoy izy: “Aoka ianareo ho mailo, ary mitandrema amin’izay rehetra mety ho fitsiriritana, satria na manam-be aza ny olona, dia tsy miankina amin’ny zavatra ananany ny ainy.”—Lioka 12:15.

8. Inona no atao hoe mitsiriritra? Inona no mety ho vokany?

8 Ny hoe mitsiriritra dia tsy midika fotsiny hoe te hahazo vola na zavatra hafa. Mety hilaina mantsy ireo. Mitsiriritra kosa ny olona iray, rehefa tafahoatra ny faniriany hahazo harena, na fananan’olona, na zavatra hafa. Tsy mety afa-po mihitsy izy, fa te hahazo foana. Mba te hanana fotsiny angamba izy, ka tsy mieritreritra raha tena ilainy ilay izy. Tsy raharahainy koa izay mety ho vokatr’izany eo amin’ny hafa. Avelany hibahana ao an-tsainy ilay zavatra iriny, ary ataony izay rehetra hahazoana azy, hany ka lasa toy ny andriamaniny mihitsy ilay izy. Tadidio anefa fa nilaza ny apostoly Paoly hoe mpanompo sampy ny olona manana faniriana tsy mety afa-po, ka tsy handova ny Fanjakan’Andriamanitra.—Efesianina 5:5; Kolosianina 3:5.

9. Ahoana avy no fomba isehoan’ny fitsiriritana? Manomeza ohatra.

9 Mariho fa nampitandrina antsika tamin’izay “rehetra mety ho fitsiriritana” i Jesosy. Midika izany fa misy endriny maro isehoan’ny fitsiriritana. Tanisaina ao amin’ny farany amin’ny Didy Folo ny sasany amin’izany. Izao no voalaza ao: “Aza mitsiriritra ny tranon’ny namanao; aza mitsiriritra ny vadin’ny namanao, na ny ankizilahiny, na ny ankizivaviny, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho an’ny namanao akory aza.” (Eksodosy 20:17) Mitarika ho amin’ny fahotana lehibe ny fitsiriritana, ary misy ohatra maro momba izany ao amin’ny Baiboly. I Satana, ohatra, no voalohany nitsiriritra ny fananan’ny hafa, dia ny voninahitra sy ny haja ary ny fahefana izay an’i Jehovah irery ihany. (Apokalypsy 4:11) I Eva indray nitsiriritra ny zo hahaleo tena. Voafitaka izy tamin’izany, ka namindra ota sy fahafatesana tamin’ny taranak’olombelona. (Genesisy 3:4-7) Ankoatra izany, dia teo ireo demonia, na anjely tsy afa-po tamin’ny “toerany tany am-boalohany.” “Nandao ny fonenana sahaza azy” izy ireo, mba hahazoany zavatra tsy natao ho azy. (Joda 6; Genesisy 6:2) Eritrereto koa i Balama, Akana, Gehazy, ary Jodasy. Tsy afa-po tamin’izay efa nananany izy ireo, fa matimatin-karena ka nanararaotra ny fatokisan’ny olona azy. Niharan-doza izy ireo noho izany.

10. Ahoana no hampiharantsika ilay torohevitr’i Jesosy hoe: “Aoka ianareo ho mailo”?

10 Tena mety ny nilazan’i Jesosy hoe: “Aoka ianareo ho mailo”, talohan’ny nampitandremany antsika mba tsy hitsiriritra. Nahoana? Satria mora amin’ny olona ny mahita hoe mitsiriritra na matimatin-karena ny hafa, saingy mahalana izy vao mahatsapa tena ho toy izany. Nanantitrantitra anefa ny apostoly Paoly fa “ny fitiavam-bola no fototry ny karazan-javatra ratsy rehetra.” (1 Timoty 6:9, 10) Nanazava koa i Jakoba mpianatra fa “rehefa kolokoloina [ny fanirian-dratsy], dia miteraka fahotana.” (Jakoba 1:15) Tokony hanaraka ny tenin’i Jesosy àry isika, ka ho “mailo.” Tsy midika izany hoe hojerentsika ny hafa raha mitsiriritra. Mandini-tena kosa isika ary mijery izay tena mibahana ao am-pontsika ao, mba ‘hitandremana amin’izay rehetra mety ho fitsiriritana.’

Azo antoka ve ny fiainan’ny olona manam-be?

11, 12. a) Araka ny tenin’i Jesosy, nahoana koa isika no tsy tokony hitsiriritra? b) Nahoana isika no mila manaraka an’io fampitandremana io?

11 Misy antony hafa mahatonga antsika hitandrina mba tsy hitsiriritra. Hoy i Jesosy: “Na manam-be aza ny olona, dia tsy miankina amin’ny zavatra ananany ny ainy.” (Lioka 12:15) Tena mampisaintsaina tokoa izany, indrindra amin’izao andro izao. Mihevitra mantsy ny olona fa izay manankarena no sambatra sy tafita. Nasehon’i Jesosy tamin’ireo teniny ireo anefa, fa tsy ny fananana no tena mahatonga ny fiainana hisy dikany sy hahafa-po, na betsaka toy inona aza izany.

12 Mety tsy hanaiky izany anefa ny olona sasany. Mihevitra angamba izy hoe miadana kokoa ny olona rehefa manana, sady mahafinaritra kokoa ny fiainany, ka lasa misy dikany kokoa. Noho izany, dia mifofotra izy manao zavatra, mba hahazoana izay entana sy fitaovana elektronika rehetra irin’ny fony. Izay no heveriny fa hahatsara ny fiainany. Hita amin’izany anefa fa tsy azony ny tian’i Jesosy holazaina.

13. Ahoana no tokony hiheverantsika ny aina sy ny fananana, raha mahay mandanjalanja isika?

13 I Jesosy akory tsy nivalampatra nanazava hoe mety na tsy mety ny manam-be. Nantitranteriny kosa fa tsy miankina amin’ny ‘zavatra ananan’ny’ olona ny ainy, izany hoe tsy miankina amin’izay efa eo am-pelatanany. Fantatsika rehetra fa tsy voatery hanana zavatra betsaka isika vao afaka miaina, na mivelona. Sakafo kelikely sy akanjo ary toerana atoriana dia efa ampy. Manana betsaka amin’ireo ny mpanankarena, fa ny mahantra kosa mety hiady mafy vao mahazo izay ilainy. Tsy misy maha samy hafa ny manana sy ny tsy manana anefa, rehefa tonga Rafahafatesana. Tsy hahasoa azy intsony ny fananany. (Mpitoriteny 9:5, 6) Araka izany, dia tsy tokony ho variana amin’ny fananantsika na ho revo mikatsaka harena isika, raha tena tiantsika hisy dikany ny fiainantsika. Hazava amintsika izany, rehefa mandinika tsara ny tenin’i Jesosy isika.

14. Inona no tian’i Jesosy holazaina, rehefa nilaza izy fa tsy miankina amin’ny zavatra ananan’ny olona ny ainy?

14 Rehefa nilaza i Jesosy fa ‘tsy miankina amin’ny zavatra ananan’ny olona ny ainy’, dia te hilaza izy fa tsy miankina tanteraka amintsika ny halavan’ny androm-piainantsika, na mpanana isika na mahantra, na miadana toy inona na mitrongy vao homana. Tsy fantatsika akory aza raha mbola ho velona isika rahampitso. Hoy i Jesosy tao amin’ny Toriteny teo An-tendrombohitra: “Iza aminareo no mahay manalava ny androm-piainany, na kely monja aza, rehefa manahy?” (Matio 6:27) Asehon’ny Baiboly mazava tsara fa i Jehovah irery no “loharanon’aina.” Izy irery no afaka manome ny “tena fiainana” ho an’ny olona mahatoky, izany hoe “fiainana mandrakizay” eto an-tany na any an-danitra.—Salamo 36:9; 1 Timoty 6:12, 19.

15. Nahoana ny olona maro no miantehitra amin’ny vola aman-karena?

15 Nasehon’i Jesosy tamin’ireo teny ireo, fa mora manana hevi-diso momba ny fiainana ny olona. Tsy lavorary ny olombelona rehetra, na mahantra izy na manankarena, ary mitovy daholo ny hiafarany. Hoy i Mosesy: “Fito-polo taona no andron’ny taonanay, ary raha tàhiny mateza aza, dia valo-polo taona, nefa fahasasarana sy zava-poana ny voninahiny, fa mihelina faingana izany, ka lasa manidina izahay.” (Salamo 90:10; Joba 14:1, 2; 1 Petera 1:24) Matetika àry ireo tsy niezaka hifandray tsara tamin’Andriamanitra no manana izao toe-tsaina noresahin’ny apostoly Paoly izao: “Aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty.” (1 Korintianina 15:32) Ny hafa indray mahita fa tsy maharitra ny fiainana sady tsy azo antoka, ka ny vola aman-karena no heveriny fa hampandeha tsara ny fiainany sy hiaro azy. Heveriny angamba fa ho azo antoka kokoa ny fiainany, raha manan-javatra betsaka izy. Noho izany, dia mikely aina izy ireo mangoron-karena tsy misy farany, satria heveriny fa izany no hahatonga ny fiainany ho azo antoka sy hahasambatra azy.—Salamo 49:6, 11, 12.

Hoavy azo antoka

16. Tsy miankina amin’ny inona no tena hampisy dikany ny fiainana?

16 Ekena fa mety hiadana kokoa ny olona, raha tsara kokoa ny fari-piainany, izany hoe raha betsaka kokoa ny sakafony sy ny akanjony, lehibe kokoa ny tranony, ary manana zavatra hafa lafo vidy izy. Mety hahazo fitsaboana tsara kokoa mihitsy aza izy, ka hiampy taona vitsivitsy ny androm-piainany. Kanefa tena misy dikany sy azo antoka kokoa ve ny fiainany? Tsy ny hamaroan’ny taona iainana na ny habetsahan’ny fananana no mampisy dikany ny fiainana. Nasehon’ny apostoly Paoly fa mety hiteraka voka-dratsy ny fianteherana be loatra amin’ireo. Nanoratra toy izao ho an’i Timoty izy: “Anaro ny manankarena eto amin’ity tontolo ity, mba tsy hiavonavona, na hametraka ny fanantenany amin’ny harena tsy azo antoka, fa amin’Andriamanitra izay manome antsika be dia be ny zava-drehetra mba hifaliantsika.”—1 Timoty 6:17.

17, 18. a) Tokony hanahaka an’iza isika, ary nahoana? b) Inona no fanoharana nolazain’i Jesosy, izay hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

17 Tsy hendry izay mametraka ny fanantenany amin’ny harena, satria “tsy azo antoka” izany. Nanan-karem-be i Joba, nefa tsy nahavonjy azy izany, rehefa namely tampoka ny loza. Vetivety dia fongana ny fananany rehetra. Ny fifandraisany akaiky tamin’Andriamanitra no niaro azy, nandritra ny fitsapana sy ny fahoriana rehetra nahazo azy. (Joba 1:1, 3, 20-22) Mpanana koa i Abrahama, nefa tsy nisakana azy tsy hanaiky ny asa sarotra nampanaovin’i Jehovah azy izany. Nahazo valisoa izy, satria lasa “rain’ny firenena maro.” (Genesisy 12:1, 4; 17:4-6) Tena tokony hanahaka an’ireo olona ireo sy izay mitovy aminy isika. Samy mila mandini-tena àry isika, na antitra na tanora, ka hijery hoe inona no tena zava-dehibe amintsika, ary inona no ametrahantsika ny fanantenantsika.—Efesianina 5:10; Filipianina 1:10.

18 Misy heviny lalina sy ianaran-javatra tokoa ireo teny vitsivitsy nolazain’i Jesosy momba ny fitsiriritana sy ny fomba tokony hiheverantsika ny fiainana. Nisy hevitra hafa tiany hampitaina anefa, ka nilaza fanoharana mampisaintsaina izy. Momba ny lehilahy iray nanan-karena nefa tsy nisaina tsara ilay izy. Inona no ifandraisan’io fanoharana io amin’ny fiainantsika ankehitriny? Inona no ianarantsika avy amin’ilay izy? Hovaliana ao amin’ny lahatsoratra manaraka izany.

Ahoana no Havalinao?

• Tsy nety nanao ny zavatra nangatahin’ny lehilahy iray i Jesosy. Inona no ianarantsika avy amin’izany?

• Nahoana isika no tsy maintsy mitandrina mba tsy hitsiriritra? Inona no hanampy antsika mba tsy hanao izany?

• Nahoana ny aina no tsy miankina amin’ny fananana?

• Inona no tena mahatonga ny fiainana hisy dikany sy ho azo antoka?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 23]

Nahoana i Jesosy no tsy nety nanao ny zavatra nangatahin’ny lehilahy iray?

[Sary, pejy 23]

Mety hahitan-doza ny fitsiriritana

[Sary, pejy 25]

Ahoana no nampisehoan’i Abrahama fa tsy niantehitra tamin’ny harenany izy?