Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nanampy Azy Hiatrika Fahoriana ny Finoany

Nanampy Azy Hiatrika Fahoriana ny Finoany

Nanampy Azy Hiatrika Fahoriana ny Finoany

“Matoa voarainareo ity taratasy ity, dia tsy nety izay ilay fandidiana natao tamiko, ka maty aho, ary tsy eo anilanareo intsony.”

IZANY no nanombohan’i Carmen ny taratasy nosoratany ho an’ny zanany telo vavy, izay 25 sy 19 ary 16 taona. Vavolombelon’i Jehovah izy. Nampalahelo fa tsy nety tokoa ilay fandidiana natao taminy, ka maty izy.

Mafy ho an’ny reny ny mieritreritra hoe tsy maintsy hamela kamboty telo. Tena nino an’i Jehovah sy ny fampanantenany anefa i Carmen, ka izany no nanampy azy hiatrika ny fahoriany sy ho tony. Hita miharihary ny fahatoniany ao amin’ilay taratasy mampihetsi-po nosoratany. Hoy izy tamin-janany:

“Voalohany indrindra, dia tiako ny milaza aminareo fa tena tia anareo amin’ny foko manontolo aho. ... Mbola tsy nahita zaza hendry toa anareo mihitsy aho, ka mirehareha manana anareo.”

“Mba nanantena aho hoe hiaraka foana isika efa-mianaka, ary hiara-miditra ao amin’ny tontolo vaovao nampanantenain’Andriamanitra. ... Indrisy anefa fa tsy ho tanteraka izany. Nangataka tamin’i Jehovah àry aho mba hanampiany anareo tsy hivadika aminy, toy ny hatramin’izay. Niara-niaritra fitsapana maro isika, nefa mbola tsy nandao antsika mihitsy i Jehovah. ... Tadidio foana àry fa mahasoa ny toromarika omeny amin’ny alalan’ny fandaminany. Tohano hatrany ny fiangonana sy ny anti-panahy. Mitoria matetika araka izay azo atao, ary tiavo ny mpiara-manompo rehetra.”

“Vetivety fotsiny isika no hisaraka. ... Mifona aho tamin’ny fahadisoana rehetra vitako taminareo. Mifona aho raha tsy nahatakatra ny mahazo anareo indraindray. Mifona koa aho raha hadinodinoko indraindray ny nilaza taminareo fa tena tiako ianareo. ... Fantatro fa samy manana ny zavatra ilainareo avy ianareo telo vavy. Mahalala izany mihoatra noho ianareo i Jehovah, ka hanome izay rehetra ilainareo, ary hamaly soa anareo noho ny zava-drehetra iaretanareo.”

“Aza hadinoina mihitsy ny tanjonareo, dia ny hiaina ao amin’ny tontolo vaovao. Miezaha foana hanatratra izany. Jehovah anie hitahy sy hampahery anareo, mba tsy hivadika hatramin’ny farany ianareo. ... Aza malahelo ry sombinaiko. Tia anareo aho!”

Mety hanjo antsika foana ny loza. Hoy i Solomona Mpanjaka: “Ny fotoana sy ny sampona dia samy mahazo azy rehetra.” (Mpitoriteny 9:11) Miombon-kevitra amin’ny apostoly Paoly anefa ireo tena mino an’Andriamanitra. Hoy izy: “Matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, ... na zavaboary hafa, dia tsy hisy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra, izay aseho amin’ny alalan’i Kristy Jesosy Tompontsika.”—Romanina 8:38, 39; Hebreo 6:10.