Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tena Voninahitra Lehibe ny Manompo An’i Jehovah

Tena Voninahitra Lehibe ny Manompo An’i Jehovah

Tantaram-piainana

Tena Voninahitra Lehibe ny Manompo An’i Jehovah

Notantarain’i Zerah Stigers

Maty tamin’ny 1938 ny vadiko, izay namako nahatoky teo amin’ny fanompoana manontolo andro. Tsy maintsy nikarakara ny zanakay lahy folo taona sy ny zanakay vao menavava àry aho. Mbola naniry hanompo manontolo andro foana anefa aho. Inona àry no azoko natao? Aleo hotantaraiko kely aloha ny fiainako, vao hamaly an’izany aho.

TERAKA tamin’ny 27 Jolay 1907 aho, tany Alabama, Etazonia. Nifindra tany Géorgie ny ray aman-dreniko taoriana kelin’izay, niaraka taminay efatra mianadahy. Nankany Tennessee izahay tatỳ aoriana, ary avy eo tany akaikin’i Tampa, any Floride. Tany no nahitako an’ilay “Fampisehoana An-tsary ny Famoronana”, tamin’ny 1916. Mbola vitsy ny filma tamin’izany, ka tena tian’ny olona ilay izy!

Tia namaky Ny Tilikambo Fiambenana sy ireo boky ara-baiboly hafa ny ray aman-dreniko. Tsy nazoto niaraka tamin’ny Mpianatra ny Baiboly, na Vavolombelon’i Jehovah, anefa i Dada tamin’izany. I Neny kosa nitondra anay ankizy tany am-pivoriana. Nifindra tany Niles, any Michigan izahay, tatỳ aoriana. Tany Bend Atsimo, any Indiana, tany amin’ny 16 kilaometatra avy eo, izahay no nivory. Nandeha lamasinina foana izahay tamin’izany.

Nanolo-tena ho an’i Jehovah aho tatỳ aoriana, ary natao batisa tamin’ny 22 Jolay 1924. Nandamina ny fiainany i Neny tsy ela taorian’izay, mba hanaovany ny asan’ny mpisava lalana, na Vavolombelon’i Jehovah manompo manontolo andro. Naniry hanao an’io asa io koa aho, noho ny ohatra tsara navelan’i Neny sy ny mpisava lalana hafa.

Nahazo namana

Nihaona tamin’i James Stigers avy any Chicago aho, tamin’ny fivoriambe iray tany Indianapolis, tamin’ny 1925. Hitako avy hatrany fa mpanompon’i Jehovah nafana fo izy, ary nahafinaritra ahy izany. Tany amin’ny 160 kilaometatra avy eo Chicago no nisy ahy, ka tsy afaka nihaona matetika izahay. Fiangonana iray monja no tao amin’io tanàn-dehibe io tamin’izany. Efitra ambony rihana nohofana no nivoriana. Nanoratra ho ahy matetika i James mba hampaherezana ahy. Nivady izahay tamin’ny Desambra 1926, ary niteraka an’i Eddie zanakay lahimatoa, herintaona teo ho eo tatỳ aoriana.

Niara-nanomboka ny asan’ny mpisava lalana izahay sy James, tsy ela taorian’izay. Fanjakana valo no niasanay, dia i Michigan, Louisiane, Mississippi, Dakota Atsimo, Iowa, Nebraska, Kalifornia, ary Illinois. Ny fotoana niarahanay tamin’izany no nahafinaritra anay indrindra. Nifarana anefa izany rehefa narary i James.

Sahirana ara-bola izahay vokatr’izany, ka niverina tany Chicago tamin’ny 1936. Niara-nipetraka tamin’ny rafozambaviko izay Vavolombelona koa izahay tany. Niasa tao amin’ny hotely iray aho, tamin’ny faramparan’ny fotoana nahararian’i James, ary nikarama iray dolara isan’andro. Bevohoka ny zanako faharoa aho tamin’izany. Nanome anay sakafo ampy tsara ilay rafozako, nefa tsy nampandoa vola anay mihitsy. Tena nahafa-po anay ny fikarakarany.

Fanaintainan’ny atidoha no nahavoa an’i James. Narary nandritra ny roa taona teo ho eo izy vao maty, ny Jolay 1938. Tsy afaka nitondra fiara sy nitory isan-trano intsony izy, rehefa narary. Nanararaotra ny fotoana rehetra azony nitoriana anefa izy. Najanoko ny fanompoana manontolo andro, mba hamelomako ny fianakaviako. Nahita asa isan-karazany aho, saingy tsy naharitra izy ireny.

Teraka i Bobby zanakay ny 30 Jolay 1938, valo andro monja taorian’ny nahafatesan-drainy. Tsy navelan’ny rafozako hiteraka tany amin’ny hopitalim-panjakana anefa aho. Nalefany tany amin’ny hopitaly tsara kokoa aho, mba hokarakarain’ny dokoterany. Izy koa no nandoa ny lany rehetra. Tena nankasitrahako ny fitiavana nasehony.

Nanompo manontolo andro indray

Rehefa feno 2 taona i Bobby ary 12 taona i Eddie, vao tsy nipetraka tao amin’ny rafozako intsony izahay. Tsy maintsy nizatra tamin’ny fiainako vaovao aho, nefa mbola naniry mafy hanompo an’i Jehovah manontolo andro foana. Nahita mpivady mpisava lalana aho tamin’ny fivoriambe iray tany Detroit, any Michigan, tamin’ny 1940. Nampirisika ahy hanao mpisava lalana tany Caroline Atsimo izy ireo. Niomana hifindra àry aho ka nividy fiara Pontiac nitentina 150 dolara (292 500 Ariary). Niainga izahay telo mianaka tamin’ny 1941, taona nidiran’i Etazonia tamin’ny Ady Lehibe II. Nanompo manontolo andro indray àry aho.

Nankany Camden aloha izahay raha vao tonga tany Caroline Atsimo, avy eo nankany Little River, ary tany Conway taorian’izay. Nahazo tranofiara kely aho tany Conway. Nahazo nijanona teo akaikin’ny fivarotan-dasantsy iray aho, satria tsara fanahy ilay tompony. Nomeny gazy sy elektrisite koa aho, ary navela hampiasa ny trano fivoahana. Voafetra anefa ny habetsahan’ny lasantsy azo nampiasaina nandritra ny Ady Lehibe II, ka tsy nahazo solika intsony aho. Nividy bisikileta efa nampiasaina àry aho. Saika tsy nanao mpisava lalana intsony aho tamin’ny 1943, satria lany ny volanay. Tamin’izay indrindra aho no voatendry ho mpisava lalana manokana, ka nahazo vola kely isam-bolana hividianana izay nilainay. Tena nanampy ahy foana i Jehovah, nandritra ireny taona ireny!

Tsy nisy Vavolombelona hafa tany Conway tamin’izany, ka sarotra taminay telo mianaka ny nandeha nitory irery. Nangataka mpisava lalana manokana àry aho mba ho namako. Faly be aho tamin’ny 1944 fa nahazo an’i Edith Walker, izay namana tena nahafinaritra! Niara-nanompo tany amin’ny toerana maro izahay, nandritra ny 16 taona. Nampalahelo fa tsy salama izy taorian’izay, ka voatery nody tany Ohio.

Fitahiana tsy hay hadinoina

Maro ny fahatsiarovana mamy tsy hay hadinoina, nandritra ireny taona ireny. Anisan’izany ny tantaran’i Albertha, 13 taona, izay nikarakara ny renibeny kilemaina sy ny zandriny mirahalahy, tany Conway. Tiany be ny fahamarinana avy ao amin’ny Baiboly nampianariko azy, ary naniry hiresaka izany tamin’ny hafa izy. Tena naniry ny ho mpisava lalana koa izy, ka nanomboka an’io asa io rehefa vita ny fianarany tany amin’ny lise, tamin’ny 1950. Mbola manompo manontolo andro foana izy izao, 57 taona mahery atỳ aoriana!

Voatendry hanompo vetivety tany Rock Hill, any Caroline Atsimo, izahay sy Edith tamin’ny 1951. Vitsy kely ny Vavolombelona tany. Nifindra tany Elberton, any Géorgie, indray izahay avy eo, ary nanompo tany nandritra ny telo taona. Niverina tany Caroline Atsimo izahay tamin’ny 1954, ary nijanona tany hatramin’ny 1962. Nisy vehivavy marenina efa zokiolona, atao hoe Nettie, hitako tany ambanivohitr’i Walhalla. Nipetra-drery izy io. Izao no nataonay rehefa nianatra Baiboly: Mamaky fehintsoratra iray izy. Tondroiko avy eo ny fanontaniana erỳ ambany mifandray amin’ilay izy, ary tondroiny izay valiny ao amin’ny fehintsoratra.

Rehefa nisy zavatra tsy azony, dia nosoratany tamin’ny taratasy ny fanontaniany. Nosoratako teo akaiky ny valiny. Nitombo ny fitiavan’i Nettie ny fahamarinana, tatỳ aoriana. Nanomboka nanatrika fivoriana izy, ary nitory isan-trano. Nandeha irery izy, nefa tsy nilaozako lavitra. Teny ampitan’ny arabe fotsiny aho, ary vonona hanampy azy rehefa nilaina izany.

Efa antitra ilay fiarako ka simba, tamin’izaho tany Walhalla. Nisy fiara 100 dolara (roa hetsy Ariary eo ho eo) azoko novidina. Mora be izany nefa tsy nanam-bola aho. Nankany amin’ny Vavolombelona iray mpandraharaha aho, ary nampindraminy an’io vola io. Naharay taratasy tsy nampoizina avy tamin’ny rahavaviko aho, tsy ela taorian’izay. Nolazainy tao hoe tamin’izay vao fantatry ny iray tam-po tamiko, fa mbola nisy volan’i Dada tany amin’ny banky, tamin’izy maty. Rehefa niara-nidinika, hono, ry zareo, dia samy nanaiky fa halefa ho ahy ilay vola. Zato dolara ilay izy!

Mpisava lalana niaraka tamin’ny zanako

Niara-nitory isan-trano tamiko foana i Eddie sy Bobby, tamin’ny mbola kely. Mbola tsy maro ny olona nidoroka zava-mahadomelina tamin’izany, ary tsy dia tena mafy ny fitaomana haloto fitondran-tena. Tsotra foana ny fiainanay, ary nifantoka tamin’ny asa fitoriana izahay. Tsy dia sahirana loatra àry aho nanampy ny zanako hanompo an’i Jehovah, tsy toy ny ray aman-dreny ankehitriny.

Nianatra tany Camden i Eddie, mandra-pahavitany ny kilasy T8. Naniry hanao mpisava lalana niaraka tamiko izy taorian’izay. Faly be izahay mianaka niara-nanompo nandritra ny taona vitsivitsy. Te hiasa tany amin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any Brooklyn, New York, izy avy eo. Nanompo tany izy, tamin’ny 1947 ka hatramin’ny 1957. Nanambady an’i Albertha, ilay nampianariko Baiboly taloha, izy tamin’ny 1958, ary niara-nanao mpisava lalana ry zareo. Faly be izahay telo mianaka tamin’ny 2004, rehefa niara-nanatrika ny Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana!

Ity misy zava-nitranga efa ela be nefa mbola tsaroako. Reko i Bobby kely indray mandeha nivavaka tamin’i Jehovah, mba hanampy ahy hahazo lasantsy handehanako any amin’ireo olona ampianariko Baiboly. Hita tamin’ny fiainany manontolo fa tia manompo izy. Mpisava lalana nandritra ny taona maro izy. Nampalahelo fa nidonam-pahoriana koa ny fianakaviany. Maty tamin’ny 1970 ny vadiny, 22 volana monja taorian’ny mariaziny, rehefa niteraka kambana. Tsy azo koa ireo zaza ireo. Nifanakaiky foana ny toerana nisy anay sy Bobby, ary tena nifandray am-po izahay.

Mbola mpisava lalana foana!

Tamin’ny 1962 aho no voatendry teto amin’ny fiangonana eto Lumberton, Caroline Avaratra, ary mbola eto aho izao, 45 taona atỳ aoriana. Efa 80 taona mahery aho vao tsy nitondra fiara intsony. Fianakaviana Vavolombelona mipetraka eto akaiky eto izao no mitondra ahy mivory sy mitory.

Manana fitaovana manampy ahy handeha aho sady manana seza misy kodiarana. Tsy mila mampiasa azy ireo anefa aho, satria mbola afaka mandeha tsara. Velom-pankasitrahana an’i Jehovah aho satria tena salama. Vao haingana ihany ny masoko no nanomboka tsy nahita tsara. Tsy manapatapaka fivoriana mihitsy aho, raha tsy hoe tena marary angaha. Mbola mpisava lalana aho, na dia tsy itakiana ora betsaka aza.

Efa 70 taona mahery aho izao no mpisava lalana. Tena mahafaly ahy izany, ary afaka milaza aho fa nanampy ahy i Jehovah nandritra izany fotoana rehetra izany. * Tsy hoe manam-pahaizana be aho, ary tsy mpiasa kinga koa, nefa fantatr’i Jehovah ny zavatra mety sy tsy mety ho vitako. Velom-pisaorana azy aho, satria fantany fa miezaka aho ary mampiasa ahy izy.

Amiko dia zava-dehibe ny manompo an’i Jehovah araka izay azo atao, satria izy no manome antsika ny zava-drehetra. Ny ho mpisava lalana foana no tiako, raha mbola vitako koa. Tena voninahitra lehibe mantsy izany! Enga anie ka mba ho azon’i Jehovah ampiasaina mandrakizay aho!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 30 Nodimandry tamin’ny 20 Aprily 2007, ny Anabavy Stigers. Zato taona latsaka telo volana izy. Mampahery ny mahafantatra fa nanompo tamim-pahatokiana nandritra ny taona maro izy. Faly isika fa nahazo ny valisoany any an-danitra izy.

[Sary, pejy 13]

Nampiasa an’ity fiara ity izahay mivady rehefa nanao mpisava lalana

[Sary, pejy 14]

Izaho sy ireo zanako, 1941

[Sary, pejy 15]

Miaraka amin’i Eddie sy Bobby, vao haingana