Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ankafizo ny Zavaboary ary Fantaro Ilay Namorona Azy

Ankafizo ny Zavaboary ary Fantaro Ilay Namorona Azy

Ankafizo ny Zavaboary ary Fantaro Ilay Namorona Azy

ASA ianao raha efa nahare momba ilay Italianina mpanao hoso-doko sy sary sokitra, atao hoe Michel-Ange. Angamba mbola tsy nahita ny sangan’asany ianao. Tena mahay anefa izy ka nilaza ny mpahay tantara iray momba ny zavakanto, fa “mpanao asa tanana mampitolagaga sy tsy manan-tsahala” izy. Tsy misy afaka mandà fa nanan-talenta i Michel-Ange. Rehefa mahita asa tanana tsara tarehy tokoa isika, dia tsy maintsy miaiky fa nisy olona manan-talenta nanao azy.

Eritrereto kosa izao ny amin’ireo zavamananaina eto an-tany. Isan-karazany sy be pitsiny izy ireny, ka mampitolagaga. Tsy mahagaga raha nilaza toy izao ny mpampianatra siansa iray, tao amin’ny Gazetin’i New York: “Hita fa noforonina ny zavamananaina, rehefa dinihina ny lafiny samihafa aminy. ... Rehefa mandinika ny zavaboary isika, dia mahita porofo be dia be fa noforonina izy ireny.” Tsy hafahafa ve anefa ny hoe talanjona noho ny fomba namoronana ny zavaboary, nefa tsy mety miaiky fa tena nisy namorona izy ireny?

Tia nandinika ny nanodidina azy ny apostoly Paoly. Nilaza izy fa nisy olona “nanompo sy nivavaka tamin-javatra noforonina, fa tsy tamin’ny Mpamorona.” (Romanina 1:25) Tsy mety manaiky ny olona sasany hoe tsy maintsy misy ny nahary matoa misy ny zavaboary. Miely patrana mantsy ny fampianarana momba ny evolisiona, ka misy vokany eo aminy. Tena marina ve anefa ny evolisiona, rehefa jerena ny siansa? Hoy i Christoph Schönborn, arseveka any Vienne, tao amin’ny Gazetin’i New York: “Mampianatra hevi-dravina fa tsy mampianatra ny tena siansa, ny olona mandà na tsy miraharaha ireo porofo maro be mampiharihary fa nisy namorona ny zavamananaina.”

Tsy handroso intsony ve ny siansa?

Misy mihevitra fa “tsy hanao fikarohana ara-tsiansa intsony” ny olona, raha ekena fa misy ny Mpamorona. Nanahy momba izany ny mpanoratra iray ao amin’ny gazety Mpahay Siansa Vaovao (anglisy), ka nilaza hoe: ‘Ho tapitra hatreo ny fikarohana ara-tsiansa, na dia heverina ho tsy manam-petra aza. Tsy hitady ny antony isian’ny zavatra miavaka eo amin’ny zavaboary intsony ny olona, satria hieritreritra hoe: “Efa izay no nanaovan’ilay nahary azy.” ’ Marim-pototra ve izany? Tsia. Ny mifanohitra amin’izany aza no marina. Nahoana?

Tsy hiezaka intsony hitady fanazavana marim-pototra momba ny nampisy an’izao rehetra izao sy ny zavamananaina isika, raha mino fa kisendrasendra sy evolisiona no nahatonga izany. Raha ekentsika kosa fa nisy Mpamorona tena mahay nanao ny zava-drehetra, dia hanjary hazoto hamantatra ny asa tanany isika, mba hahalalana ny fahaizany sy ny fomba nampiharany izany. Ity misy ohatra: Nanao sary hoso-doko miavaka antsoina hoe “Mona Lisa” ilay Italianina atao hoe Léonard de Vinci. Fantatry ny mpahay tantara momba ny zavakanto hoe izy no nanao ilay sary, nefa tsy nahasakana azy ireo tsy hamantatra ny hevitra sy ny fitaovana nampiasainy izany. Tsy tokony hahasakana antsika tsy hamantatra amin’ny an-tsipiriany momba ny zavaboary koa àry, ny fahafantarana fa nisy namorona izy ireny.

Tsy misakana ny olona tsy hanao fikarohana ny Baiboly, fa mampirisika azy ireo kosa hitady ny valin’ny fanontaniany, na momba ny siansa na momba an’Andriamanitra. Nandinika ny vatany, ohatra, i Davida Mpanjaka. Hitany fa tena mahay ilay nanao azy io, ka hoy izy: “Mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy; mahagaga ny asanao; ary fantatry ny fanahiko marimarina izany.” (Salamo 139:14) Milaza koa ny Baiboly fa nanontanian’ny Mpamorona i Joba hoe: “Moa efa voadinikao ny hatrany amin’ny fahalalahan’ny tany?” (Joba 38:18) Izany no porofo fa tsy misakana ny olona tsy hikaroka sy hanadihady momba ny zavaboary ilay Mpamorona Tena Mahay. Manasa antsika handinika azy ireny kosa izy. Nampirisika antsika koa i Isaia mpaminany mba hamantatra bebe kokoa an’io Mpamorona io. Hoy izy: “Asandrato ny masonareo, ka mijere; iza no nahary ireny?” (Isaia 40:26) Tsara homarihina fa nilaza zavatra mifanaraka tanteraka amin’ny siansa i Isaia avy eo. Nilaza izy fa nila nampiasa tanjaka sy hery goavana ny Mpamorona, rehefa nanao izao rehetra izao.

Marina fa tsy voatery ho voavaly foana ny fanontaniantsika momba ny zavaboary. Voafetra mantsy ny zavatra takatry ny saintsika, ary mbola tsy fantatsika tanteraka ny momba izao rehetra izao. Niaiky ny amin’izany i Joba. Nidera ny Mpamorona izy satria vitan’izy io ny mampihantona ny tany amin’ny tsy misy sy mampihevaheva ny rahona eny amin’ny habakabaka, nefa feno rano be ao anatiny. (Joba 26:7-9) Nilaza anefa i Joba fa vao ampahany kely amin’ny zava-bitan’ny Mpamorona izany. (Joba 26:14) Azo antoka fa mbola naniry hahalala bebe kokoa momba ny tontolo nanodidina azy izy. Niaiky koa i Davida fa voafetra ihany ny zavatra fantany momba ny zavaboary. Hoy izy: “Fahalalana mahagaga ahy loatra izany, eny, avo loatra ka tsy tratro.”—Salamo 139:6.

Tsy misakana ny fandrosoan’ny siansa àry ny fanekena fa misy ny Mpamorona. Tsy hanam-petra ny fikarohana momba ny zavaboary sy ny Mpamorona. Hitohy mandrakizay izany. Nitsotra toy izao ny mpanjaka iray fahiny, na dia efa nahalala zavatra maro aza: “Ny mandrakizay dia efa nataony tao am-pony, kanefa tsy hitan’ny olona ny asan’Andriamanitra hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany.”—Mpitoriteny 3:11.

Natao hamenoana ny fanazavana tsy ampy fotsiny ve?

Misy milaza hoe: ‘Sao dia natao hamenoana ny fanazavana tsy ampy fotsiny ny filazana hoe nisy Andriamanitra namorona ny zava-drehetra?’ Izao no tian’izy ireo holazaina: Hanjary tsy haka sarotra intsony ny olona isaky ny misy zavatra tsy ahitany fanazavana marim-pototra sy mifanaraka amin’ny siansa. Hiteny fotsiny izy hoe: ‘Efa izay no nanaovan’Andriamanitra azy.’ Inona anefa no zavatra tsy ahitana fanazavana marim-pototra? Zavatra madinika ve? Tsia. Fanazavana lehibe momba ny zavamananaina kosa ilay izy, ary tsy voazavan’ny fampianaran’i Darwin. Ny mpino ny evolisiona àry no tena tsy maka sarotra rehefa misy fanazavana tsy ampy, satria mianina amin’ny tombantombana nampianarin’i Darwin fotsiny.

Tsy natao hamenoana ny fanazavana tsy ampy anefa no antony ilazan’ny Baiboly fa misy ny Mpamorona. Io Mpamorona io mihitsy, raha ny marina, no nahary ny zava-drehetra hatramin’ny madinika indrindra, ary araka ny karazany sy tamin’ny fotoanany avy. Nohamafisin’ny mpanao salamo fa i Jehovah no namorona ny zava-drehetra. Hoy izy: “Ianao no nampisy ny zavamananaina rehetra, ary ny fahazavanao no ahitanay fahazavana.” (Salamo 36:9, Dikan-teny Anglisy Ankehitriny) Voalaza mazava fa izy no “nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny zava-drehetra ao amin’ireo.” (Asan’ny Apostoly 4:24; 14:15; 17:24) Marina àry ny tenin’ny mpampianatra iray tamin’ny taonjato voalohany, fa Andriamanitra no “namorona ny zava-drehetra.”—Efesianina 3:9.

Namorona “ny lalàn’ny lanitra” koa Andriamanitra, dia ny lalàn’ny natiora, izay mifehy ny zavaboary sy ny hery ananan’izy ireo. Mbola mianatra ireny lalàna ireny ny mpahay siansa hatramin’izao. (Joba 38:33) Tonga lafatra ny zavatra noforonin’Andriamanitra, ary nisy antony nanaovany azy. Nanao ny tany izy, mba honenan’ny zavamananaina isan-karazany mahavariana.

Mandiniha amin’ny saina tsy miangatra

Farany, andeha hodinihintsika raha mitombina tokoa ny hoe tsy maintsy misy ny nahary matoa misy ny zavaboary. Hoy i John Horgan, mpanoratra momba ny siansa, rehefa niresaka momba ny fampianarana ara-tsiansa isan-karazany: ‘Tsy tokony hisalasala handinika amin’ny saina tsy miangatra isika, rehefa tsy mahazo antoka na marina na tsia ny porofo omen’ny mpahay siansa.’

Mitombina tokoa ve ny filazana hoe kisendrasendra fotsiny na hery tsy misy mibaiko no nampisy ny zavamananaina? Marina fa malaza eran-tany izany. Olona maro anefa no nandinika tsara, ka resy lahatra fa misy ny Mpamorona iray misaina. Mpahay siansa ny sasany aminy. Milaza ny mpampianatra siansa iray fa “mino ny ankamaroan’ny olona hoe nisy namorona ny zavamananaina. Tena miaiky ny amin’izany izy ireo rehefa avy nandinika tsara.” Nahoana? Satria hitan’izy ireo fa tsy azo iadian-kevitra ity tenin’ny apostoly Paoly ity: “Mazava ho azy fa ny trano rehetra dia samy nisy nanao azy, fa ilay nanao ny zava-drehetra kosa dia Andriamanitra.” (Hebreo 3:4) Rehefa jerena io andinin-teny io, dia hita fa tsy mandinika tsara ny olona iray raha miaiky fa tsy maintsy nisy nanao ny trano, nefa milaza fa tsy nisy nanao ny sela iray be pitsiny.

Hoy ny Baiboly momba an’ireo tsy mety manaiky fa misy ny Mpamorona: “Ny adala manao anakampo hoe: Tsy misy Andriamanitra.” (Salamo 14:1) Mananatra an’ireo tsy mety resy lahatra momba ny fisian’Andriamanitra ny mpanao salamo eo. Tsy mety mandinika amin’ny saina tsy miangatra izy ireny, fa miziriziry amin’ny heviny fotsiny. Manetry tena kosa ny olona hendry, ka manaiky fa misy ny Mpamorona.—Isaia 45:18.

Maro amin’izy ireny no mahita porofo tsy azo lavina fa misy ny Mpamorona Fara Tampony.

Afaka mahalala ny Mpamorona ianao

Raha noforonina tokoa isika, inona no antony namoronana antsika? Nahoana isika no velona? Tsy mahavita manome valiny mahafa-po amin’ireo fanontaniana lehibe ireo, raha ny siansa fotsiny. Ilana valiny marina sy mahafa-po anefa ireo. Afaka manome izany ny Baiboly. Voalaza ao fa i Jehovah no Mpamorona, ary manana antony tsara izy matoa manao zavatra iray. Lazain’ny Baiboly amintsika ny antony namoronany ny olona, ka mahatonga antsika hanana fanantenana izany.

Iza marina anefa i Jehovah? Andriamanitra manao ahoana izy? Manasa anao izahay Vavolombelon’i Jehovah mba hamantatra an’io Mpamorona Tena Mahay io. Tena misy izy. Afaka mamantatra ny toetrany sy ny dikan’ny anarany ary ny fomba ifandraisany amin’ny olona ianao. Ho hitanao ao amin’ny Baiboly hoe nahoana isika no tsy tokony hianina fotsiny amin’ny fandinihana ny fomba miavaka namoronana ny zavaboary, fa tokony hanome voninahitra an’ilay namorona azy koa.—Salamo 86:12; Apokalypsy 4:11.

[Sary, pejy 4]

Michel-Ange

[Sary, pejy 5]

Tsy diso izay mino ny Mpamorona, rehefa jerena ny zavatra marim-pototra hitan’ny mpahay siansa

[Sary, pejy 6]

Isan-karazany ny zavaboary, ary mahay miaina eo amin’ny toerana misy azy. Porofo izany fa tena mahay ilay namorona azy

[Sary, pejy 7]

Tsy maintsy misy ny nahary matoa misy ny zavaboary