Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Fanomezana Lehibe” ho An’i Polonina

“Fanomezana Lehibe” ho An’i Polonina

“Fanomezana Lehibe” ho An’i Polonina

NANAMBARA i Albrecht, Andrianan’i Hohenzollern, tamin’ny 6 Jolay 1525, fa hatao fivavaham-panjakana ny Fivavahana Loteranina. Nanjary i Prusse àry no fanjakana voalohany tany Eoropa, nanaraka tamin’ny fomba ofisialy ny fampianaran’i Martin Luther. Anisan’ny faritra niadidian’i Polonina i Prusse tamin’izay, ary teo ambany fitondran’ny andriana.

Tian’i Albrecht hatao foibe ara-kolontsaina protestanta i Königsberg, renivohitr’i Prusse Atsinanana. Nanangana oniversite tany izy, ary nanohana ara-bola ny fanaovana pirinty boky loteranina tamin’ny fiteny maromaro. Namoaka didy koa izy tamin’ny 1544, fa tokony hihaino famakiana ny Soratra Masina amin’ny fiteniny, ny Poloney rehetra ao amin’ny fanjakany. Mbola tsy nisy Baiboly tamin’ny teny poloney anefa tamin’izany.

Baiboly amin’ny “fiteny andavanandro”

Nitady olona mahay àry i Albrecht, mba handika ny Soratra Grika Kristianina amin’ny teny poloney. Nanakarama an’i Jan Seklucjan izy tamin’ny taona 1550 tany ho any. Mpanoratra sy mpivaro-boky ary mpanao pirinty izy io. Nahavita fianarana tao amin’ny Oniversiten’i Leipzig i Seklucjan, ary nalaza ho nampahatezitra ny Eglizy Katolika, noho izy nampiely ny fampianarana protestanta. Efa nankany Königsberg mihitsy aza izy mba handositra ny fitsarana azy.

Nazoto hamoaka ny Soratra Masina tamin’ny teny poloney i Jan Seklucjan. Herintaona monja taorian’ny nanirahana azy hanao ilay asa, dia vita pirinty ny Filazantsaran’i Matio. Misy fanazavana amin’ny an-tsipiriany ao amin’io fanontana voalohany io, ary misy fanamarihana mampiseho fomba hafa mety ho azo nandikana ny andalan-teny sasany. Nandrindra ny fanaovana pirinty ny Filazantsara efatra mitambatra i Seklucjan, tsy ela taorian’izay. Vitany pirinty tao anatin’ny telo taona monja ny Soratra Grika Kristianina manontolo.

Nijery ny Baiboly tamin’ny teny grika ilay mpandika teny mba ho marina tsara ny fandikan-teniny. Milaza ny sasin-tenin’ilay fanontana tamin’ny 1551, fa nampiasa fandikan-teny latinina sy “tamin’ny fiteny hafa” koa izy. “Mahafinaritra sy misosa tsara” ny fomba nanoratana ilay Baiboly poloney, hoy i Stanisław Rospond, nanoratra ilay boky hoe Fandinihana ny Fiteny Poloney Tamin’ny Taonjato Faha-16. Tsy nampiasa “teny niangaliana be” ilay mpandika teny, hoy i Rospond. Niezaka nampiasa teny poloney “manakaiky ny fiteny andavanandro” kosa izy.

Niharihary fa tsy i Seklucjan akory no nandika ilay Baiboly, na dia izy aza no nandrindra ilay tetikasa. Iza àry ilay manam-pahaizana nanao izany? I Stanislaw Murzynowski, tovolahy 23 taona teo ho eo, tamin’izy nokaramain’i Seklucjan hanao ilay asa sarotra.

Teraka tany amin’ny tanàna kely iray i Murzynowski. Nalefan’ny rainy ho any Königsberg anefa izy rehefa ampy taona, mba hianatra ny teny grika sy hebreo. Nianatra tany amin’ny Oniversiten’i Wittenberg, any Alemaina, i Murzynowski avy eo, ary nihaona tamin’i Martin Luther angamba izy tany. Nihaino ny fampianaran’i Philipp Melanchthon izy, ary azo antoka fa nanampy azy mba hahafehy tsara ny teny grika sy hebreo izy io. Niverina tany Königsberg i Murzynowski, rehefa avy nanohy fianarana tany Italia. Nangataka tamin’ny Andriana Albrecht izy mba handray azy hiasa.

Izao no nosaratan’i Maria Kossowska tao amin’ilay bokiny hoe Ny Baiboly Amin’ny Fiteny Poloney: “Niasa mafy i Murzynowski ary nahomby, nefa tsy nisarika ny saina tamin’ny tenany, na nitady toerana ambony, na nangataka ny hametrahana ny anarany teo amin’ilay Baiboly.” Niaiky mihitsy aza io tovolahy io hoe: “Samy tsy tena haiko tsara na ny teny latinina na ny teny poloney.” Tena nanampy ny Poloney hanana ny Tenin’Andriamanitra i Murzynowski, na izany aza. Nilaza i Seklucjan, mpiara-miasa taminy, fa “fanomezana lehibe” ho an’i Polonina ilay Baiboly navoakan’izy ireo.

Anisan’ny fanomezana lehibe indrindra

Nisy fandikan-teny maro hafa taorian’ny nivoahan’iny Baiboly voalohany amin’ny teny poloney iny. Tamin’ny 1994 no nivoaka Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny poloney. Tamin’ny 1997 kosa Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Niezaka nandika ny Tenin’Andriamanitra tamin’ny fomba marina tsara ny mpandika teny, izay tsy nisarika ny saina ho amin’ny tenany. Nampiasa teny manakaiky ny fiteny andavanandro amin’izao fotoana izao koa izy ireo, fa tsy ny fiteny tamin’ny taonjato faha-16.

Misy amin’ny fiteny 2 400 eo ho eo ankehitriny ny Baiboly manontolo na ny ampahany aminy. Raha misy amin’ny fiteninao ny Tenin’Andriamanitra ary voadika amin’ny fomba marina tsara, dia izany no anisan’ny fanomezana lehibe indrindra mety ho azonao. Fanomezana avy amin’i Jehovah Andriamanitra izany mba hitari-dalana anao.—2 Timoty 3:15-17.

[Sary, pejy 20]

Vato ho fahatsiarovana an’i Stanisław Murzynowski, ilay nandika ny “Testamenta Vaovao” tamin’ny teny poloney

[Sary, pejy 21]

Ny toko faha-3 amin’ny bokin’i Matio, nadikan’i Stanisław Murzynowski

[Sary nahazoan-dalana]

Dzięki uprzejmości Towarzystwa Naukowego Płockiego