‘Jehovah ô, Zahao Toetra ny Foko’
‘Jehovah ô, Zahao Toetra ny Foko’
‘JEHOVAH no Mpamantatra ny fo.’ (Ohabolana 17:3) Nahoana izany no tokony hampahery antsika rehetra? Satria “mijery ny fo” ilay Raintsika any an-danitra, fa tsy toy ny olombelona izay mijery ny miseho ivelany fotsiny.—1 Samoela 16:7.
Tsy tena mahalala ny antony manosika sy ny faniriana lalina indrindra ao am-pontsika, na dia ny tenantsika aza. Nahoana? Satria “ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy azo sitranina; iza moa no mahafantatra ny aminy?” Andriamanitra irery, satria hoy izy: “Izaho Jehovah no Mpandinika ny fo sy Mpamantatra ny voa.” (Jeremia 17:9, 10) Fantatr’i Jehovah àry ‘ny fontsika’, na ny antony manosika antsika. Fantany koa ‘ny voantsika’, na ny eritreritra sy fihetseham-po lalina indrindra ao anatintsika.
Nahoana no ilaina ny fizahan-toetra?
Hoy i Davida Mpanjaka tamin’Andriamanitra: “Diniho aho, Jehovah ô, ka fantaro; izahao toetra ny voako sy ny foko.” (Salamo 26:2) Tsy nisy nokianina ve ny toetran’i Davida sy izay nolazainy, ka tsy nisy tokony hatahorany raha nizaha toetra azy i Jehovah? Tsy izany mihitsy! Tsy lavorary toa antsika rehetra i Davida, ka tsy nahavita nanaraka an-tsakany sy an-davany ny fitsipik’Andriamanitra. Nanana fahalemena izy, ka nanao fahadisoana lehibe maro. ‘Nandeha tamin’ny fahitsian’ny fony’ anefa izy. (1 Mpanjaka 9:4) Ahoana no nanaovany izany? Nanaiky fananarana sy nanitsy ny fomba fiainany izy, ka nanaporofo fa tena tiany i Jehovah. Nahafoy tena tanteraka ho an’Andriamanitra i Davida.
Ary ahoana ny amintsika? Fantatr’i Jehovah fa tsy lavorary isika, ka mety hanota amin’ny teny sy ny atao. Tsy mamantatra mialoha izay hataontsika anefa izy, na dia azony atao aza izany. Nomeny safidy malalaka kosa isika, ary hajainy ny safidy ataontsika.
Azo lazaina hoe mizaha toetra antsika anefa i Jehovah indraindray, ka mamantatra ny antony manosika antsika. Mety hataony, ohatra, izay hahafahantsika hanaporofo hoe manao ahoana ny toe-pontsika. Mety hisy toe-javatra na olana avelany hitranga koa, mba hahitana ny tena faniriantsika. Azontsika porofoina àry raha tena tia an’i Jehovah sy tsy mivadika aminy tokoa isika. Avelany hitranga ireny fizahan-toetra ireny, mba hahitana raha matanjaka ny finoantsika. Izany koa no hanaporofo raha ‘lavorary sy tsy misy tsiny amin’ny lafiny rehetra isika, ka tsy hisy tsy ampy na amin’inona na amin’inona.’—Jakoba 1:2-4.
Fitsapam-pinoana taloha
Efa hatry ny ela no nisy mpanompon’i Jehovah nozahan-toetra. Ohatra amin’izany i Abrahama. ‘Nizaha toetra azy Andriamanitra.’ (Genesisy 22:1) Efa notsapaina ny finoan’i Abrahama, taona maro talohan’ny nilazana an’ireo teny ireo. Nasain’i Jehovah niala tao Ora, tanàna nanankarena, izy mianakavy, mba hankany amin’ny tany mbola tsy fantany. (Genesisy 11:31; Asan’ny Apostoly 7:2-4) Azo inoana fa nanana trano tao Ora i Abrahama. Tsy nanana an’izany mihitsy anefa izy tany Kanana, na dia nipetraka tany nandritra ny zato taona aza. (Hebreo 11:9) Nifindrafindra monina izy mianakavy, ka nety ho niharan-doza noho ny mosary, jiolahy, na filoha mpanompo sampy. Voaporofo nandritra ireny fotoana ireny anefa, fa tena natanjaka ny finoan’i Abrahama.
Nizaha toetra azy indray i Jehovah tatỳ aoriana, ary mafimafy kokoa ilay izy. Hoy izy: “Ento ny zanakao, ny lahitokanao, izay tianao, dia Isaka, ka ... atero any izy ho fanatitra odorana.” (Genesisy 22:2) Tena sarobidy tamin’i Abrahama i Isaka. Tsy nanan-janaka afa-tsy io mantsy izy sy Saraha vadiny. I Isaka no hany fanantenany, mba handovan’ny ‘taranany’ ny tany Kanana sy hitahiana ny firenena maro, araka ny nolazain’Andriamanitra. Izy ilay zanaka nampanantenain’Andriamanitra an’i Abrahama, ary fahagagana ny nahaterahany!—Genesisy 15:2-4, 7.
Azo antoka fa tena sarotra tamin’i Abrahama ny nahatakatra ny antony nanomezana an’ilay didy. I Jehovah ve dia hitaky sorona olombelona? Tsy izy ihany ve no nanome an’i Isaka? Faly erỳ i Abrahama fa nanan-janaka, na dia efa antitra aza. Koa nahoana no nasainy natao sorona indray ilay zaza? *
Nankatò avy hatrany i Abrahama, na tsy fantany aza ny valin’ireo fanontaniana ireo. Nandeha lalana telo andro izy, vao tonga tany amin’ilay tendrombohitra nolazain’i Jehovah. Nanao alitara izy, ary nasiany kitay teo amboniny. Tonga àry ilay fotoana nampitaintaina indrindra! Nandray antsy izy, ary efa handeha hamono ny zanany mihitsy. Tamin’izay indrindra i Jehovah no nampiasa anjely mba hisakana azy, ary nilaza hoe: “Hitako izao fa matahotra an’Andriamanitra hianao, ka tsy narovanao tamiko ny zanakao, dia ny lahitokanao.” (Genesisy 22:3, 11, 12) Azo antoka fa dibo-kafaliana i Abrahama rehefa nandre izany! Voaporofo izao fa nanam-pinoana tokoa izy, araka ny efa nantenain’i Jehovah. (Genesisy 15:5, 6) Nanao sorona ondrilahy àry i Abrahama, ho solon’i Isaka. Naverin’i Jehovah avy eo ilay fampanantenany momba ny taranak’i Abrahama. Tsy mahagaga raha nantsoina hoe sakaizan’i Jehovah izy.—Genesisy 22:13-18; Jakoba 2:21-23.
Tsapaina koa ny finoantsika
Tsy maintsy iharam-pitsapana koa ny mpanompon’Andriamanitra ankehitriny. Tsy izay asain’i Jehovah atao anefa no tena mafy amintsika, fa izay avelany hitranga.
Hoy ny apostoly Paoly: “Henjehina koa izay rehetra te hiaina ao anatin’ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra sady tafaray amin’i Kristy Jesosy.” (2 Timoty 3:12) Mety ho avy amin’ny mpiara-mianatra izany fanenjehana izany, na avy amin’ny namana, havana, mpiray tanàna, na manam-pahefana diso hevitra momba antsika. Mety hanevateva na hahery setra izy ireo, na koa hanasarotra ny asa fivelomantsika. Iharan’ny olana mpahazo ny rehetra koa ny Kristianina, anisan’izany ny aretina, fahadisoam-panantenana, ary tsy rariny. Misedra ny finoantsika ireny fitsapana ireny.
Nilaza ny apostoly Petera fa misy mahatsara azy ny fitsapam-pinoana. Hoy izy: ‘Ampalahelovina amin’ny fitsapana maro samihafa ianareo. Amin’izay ny finoanareo vita sedra, dia ho hita fa hitondra fiderana sy voninahitra ary haja, rehefa haharihary i Jesosy Kristy. Ny finoana vita sedra tokoa mantsy dia sarobidy lavitra noho ny volamena, izay mety simba na dia voasedra tamin’ny afo aza.’ (1 Petera 1:6, 7) Azo oharina amin’ny fisedrana volamena amin’ny afo ny fitsapana. Rehefa sedraina ilay izy dia miala ny loto, ary miavaka ny tena volamena. Toy izany koa no mitranga amin’ny finoantsika, rehefa mandalo fitsapana isika.
Mety hiharan’ny lozam-pifamoivoizana na ny hetraketraky ny natiora, ohatra, ny Kristianina sasany. Tsy manahy be loatra anefa ireo tena manam-pinoana. Mampionona azy ireo ilay toky nomen’i Jehovah hoe: “Tsy handao anao mihitsy aho, ary tsy hahafoy anao mihitsy.” (Hebreo 13:5) Ataony loha laharana foana ny fifandraisany amin’Andriamanitra. Matoky mantsy izy fa hitahy ny ezaka ataony i Jehovah, mba hahazoany izay tena ilainy. Ny finoany no manatanjaka azy amin’ny fotoan-tsarotra. Tsy manahy be loatra àry izy, satria vao mainka hanampy trotraka ny fahasahiranany izany.
Mahasoa koa ny fitsapana, satria mety hampiharihary ny fahalementsika. Ho hitantsika àry izay fanitsiana tokony hatao, mba hanatanjahana ny finoantsika. Tokony hanontany tena ny tsirairay hoe: ‘Ahoana no hanatanjahako ny finoako? Mila manokana fotoana bebe kokoa ve aho, mba hivavahana sy hisaintsainana momba ny Tenin’Andriamanitra? Mivory tsy tapaka ve aho, ary manomana sy mandray anjara amin’izany? Manao izay fantatro fa mety fotsiny ve aho, sa miresaka ny fanahiako amin’i Jehovah Andriamanitra?’ Misy zavatra hafa tokony hatao anefa aorian’ny fandinihan-tena toy izany.
Tsy maintsy mazoto mandray sakafo ara-panahy isika, raha te hanatanjaka ny finoantsika. Tokony hataontsika “izay haniriana fatratra ny ronono tsy misy fangarony, dia ny rononon’ny teny.” (1 Petera 2:2; Hebreo 5:12-14) Mila miezaka mafy isika mba ho toa an’ilay olona resahin’ny mpanao salamo hoe: “Ny lalàn’i Jehovah no sitrany; eny, ny lalàny no saintsaininy andro aman-alina.”—Salamo 1:2.
Tsy hoe mamaky Baiboly fotsiny no dikan’izany. Mila misaintsaina izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra isika, ary mampihatra izany. (Jakoba 1:22-25) Raha manao izany isika, dia hitombo ny fitiavantsika an’Andriamanitra. Ho voafaritra tsara sy ho avy amin’ny fo koa ny vavaka ataontsika, ka hatanjaka ny finoantsika.
Sarobidy ny finoana vita sedra
Ho tapa-kevitra ny hanatanjaka finoana isika, raha ekentsika fa tena ilaina izy io mba hahazoana sitraka amin’Andriamanitra. Hoy ny Baiboly: “Raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka amin’Andriamanitra, satria izay manatona azy dia tsy maintsy mino fa misy izy sady mpamaly soa an’izay mitady azy fatratra.” (Hebreo 11:6) Aoka àry isika hanao toa an’ilay lehilahy niangavy an’i Jesosy hoe: “Ampio aho eo amin’izay mbola tsy ampy amin’ny finoako!”—Marka 9:24.
Mampahery ny hafa koa ny mahita antsika miaritra fitsapana. Rehefa nodimandry, ohatra, ny havan-tian’ny Kristianina iray, dia manatanjaka azy ny finoana ny fitsanganan’ny maty. Marina fa ory izy, nefa tsy hoe ‘malahelo tahaka ny hafa izay tsy manana fanantenana.’ (1 Tesalonianina 4:13, 14) Hitan’ny olona hoe tena sarobidy ny finoan’ilay Kristianina, satria manatanjaka azy ao anatin’ny sarotra. Handrisika azy ireo izany mba hiezaka hanana finoana toa azy, ka hianatra ny Baiboly sy ho lasa mpianatr’i Jesosy Kristy.
Fantatr’i Jehovah fa tena sarobidy ny finoana vita sedra. Ny fitsapana koa no ahitantsika raha tena matanjaka ny finoantsika. Manjary hitantsika ny fahalementsika, ka afaka manitsy izany isika. Raha miaritra fitsapana koa isika, dia hanampy ny hafa ho lasa mpianatr’i Jesosy. Aoka àry isika hiady mafy mba hanatanjahana foana ny finoantsika. Amin’izay, rehefa avy nandalo fitsapana isan-karazany ny finoantsika, dia “hitondra fiderana sy voninahitra ary haja, rehefa haharihary i Jesosy Kristy.”—1 Petera 1:7.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 11 Misy heviny an’ohatra ny nanaovana “sorona” an’i Isaka. Manazava izany ny boky Mivavaha Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina, pejy 35-36, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
[Sary, pejy 13]
Lasa sakaizan’i Jehovah i Abrahama noho ny finoany
[Sary, pejy 15]
Ny fitsapana no manaporofo raha tena matanjaka ny finoantsika
[Sary nahazoan-dalana, pejy 12]
Avy amin’ny Illustrated Edition of the Holy Scriptures by Cassell, Petter, & Galpin