Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tadidinao Ve?

Tadidinao Ve?

Tadidinao Ve?

Tianao ve ny namaky ireo nomerao faramparany tamin’ny Tilikambo Fiambenana? Jereo àry raha hainao ny mamaly ireto fanontaniana ireto:

• Mety hanondro inona avy ny teny hoe “fiangonana”, ao amin’ny Soratra Grika Kristianina?

Voalohany, manondro ny fitambaran’ny Kristianina voahosotra izy io. (Resahina ho anisan’izy io i Kristy any amin’ny andinin-teny sasany.) Faharoa, manondro ny Kristianina rehetra velona mandritra ny fe-potoana iray ny hoe “fiangonan’Andriamanitra.” Fahatelo, manondro ny Kristianina rehetra ao amin’ny faritra iray. Ary farany, manondro ny Kristianina eo anivon’ny fiangonana iray.—15/4, pejy 21-23.

• Rahoviana no hofaranan’Andriamanitra ny fiantsoana ny Kristianina manantena ho any an-danitra?

Tsy manome valiny hentitra ny Baiboly. Nanomboka tamin’ny taona 33 ilay fiantsoana, ary mbola mitohy hatramin’izao. Taorian’ny 1935, dia ny fanangonana ny vahoaka be indray no tena tanjona tamin’ny asa fampianarana. Nisy Kristianina vita batisa taorian’ny 1935 anefa, nahazo porofo avy amin’ny fanahy masina fa anisan’ireo ho any an-danitra. Tsy azontsika atao àry ny milaza ny daty faran’ilay fiantsoana. Tsy manana fanahy masina bebe kokoa noho ny vahoaka be ny voahosotra, sady tsy manantena ny hiangarana. Na inona na inona fanantenan’ny Kristianina, dia mila tsy mivadika sy manao ny sitrapon’Andriamanitra foana izy.—1/5, pejy 30-31.

• Nieritreritra ny hanao ny zanany vavy ho fanatitra dorana ho an’Andriamanitra ve i Jefta, rehefa nanao ilay voadiny?

Tsia. Ny tiany holazaina dia hoe hatokany tanteraka hanompo an’Andriamanitra izay olona mitsena azy. Azo natao ny nanome olona hanompo an’i Jehovah, araka ny Lalàn’i Mosesy. (1 Samoela 2:22) Nanaiky hanefa ny voady nataon’i Jefta ny zanany, ka nanompo tao amin’ny toerana masina foana. Tsy mora izany, satria tsy ho afaka hanambady mihitsy izy.—15/5, pejy 9-10.

• Inona no nahatonga ny kôdeksa ho be mpampiasa?

Toa ny horonam-boky no tena nampiasain’ny Kristianina, hatramin’ny faramparan’ny taonjato voalohany, fara faharatsiny. Nandritra ny taonjato faharoa, dia nisy tsy fifanarahana teo amin’ny mpomba ny kôdeksa sy ny mpomba ny horonam-boky. Ny sasany nilaza fa ny kôdeksa no tsara kokoa. Ny hafa indray nilaza fa ny horonam-boky ihany no tsara. Mino ny manam-pahaizana fa anisan’ny tena nahatonga ny kôdeksa ho be mpampiasa ny fampiasan’ny Kristianina azy io.—1/6, pejy 14-15.

• Inona ny Kalandrien’i Gazera?

Takelaka kely vita tamin’ny vatosokay izy io. Tao amin’ny toerana nisy ny tanànan’i Gazera fahiny no nahitana azy, tamin’ny 1908. Maro no mihevitra fa devoara nataon’ny ankizilahy iray mbola mpianatra izy io. Hita teo amin’ilay izy ny taom-pambolena, izay nanomboka tamin’ny fotoana fanangonam-bokatra, teo amin’ny tapatapaky ny volana Septambra ka hatramin’ny tapatapaky ny Oktobra. Hita teo koa ireo vokatra isan-karazany niakatra sy ny asa natao teny an-tsaha.—15/6, pejy 8.

• Inona no dikan’ny hoe manota amin’ny fanahy masina?

Mety hanota amin’ny fanahy masin’i Jehovah ny olona iray, ary tsy hahazoana famelan-keloka izany. (Matio 12:31) I Jehovah no mamaritra raha tsy ahazoana famelan-keloka ny fahotana nataontsika. Izy irery koa no afaka manala ny fanahiny amintsika. (Salamo 51:11) Raha manenina mafy noho ny fahotana vitantsika anefa isika, dia tena azo inoana fa nibebaka marina, ka tsy nanota tamin’ny fanahy masina.—15/7, pejy 16-17.

• Nahoana i Saoly no mbola nanontany ihany hoe zanak’iza i Davida, nefa efa nifanerasera izy ireo teo aloha? (1 Samoela 16:22; 17:58)

Tsy ny anaran’ny rain’i Davida fotsiny no tian’i Saoly ho fantatra. Hitany fa nanana finoana matanjaka sy be herim-po i Davida, ka izany no nahareseny an’i Goliata. Naniry hahalala àry i Saoly hoe olona manao ahoana marina no nitaiza an’i Davida. Angamba izy nieritreritra ny hanendry an’i Jese, rain’i Davida, na ny mpianakaviny hafa ho miaramilany.—1/8, pejy 31.