Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tia Rariny i Jehovah

Tia Rariny i Jehovah

Tia Rariny i Jehovah

“Izaho Jehovah dia tia rariny.”—ISAIA 61:8.

1, 2. a) Inona no atao hoe manao ny rariny sy manao ny tsy rariny? b) Inona no lazain’ny Baiboly momba an’i Jehovah?

NY HOE manao ny rariny dia tsy mifidy tavan’olona, tsy miangatra, ary manao izay tsara sy mahitsy. Ny hoe manao ny tsy rariny kosa dia miangatra, mitsara an-tendrony, manao ny ratsy, ary mampijaly ny hafa tsy amin’antony.

2 Nilaza toy izao momba an’i Jehovah Mpanjakan’izao Rehetra Izao i Mosesy, efa ho 3 500 taona lasa izay: “Ny làlany rehetra dia amin’ny rariny avokoa. Andriamanitra mahatoky Izy, ka tsy misy ratsy [na tsy rariny] ao aminy.” (Deoteronomia 32:4) Nampanoratra toy izao an’i Isaia Andriamanitra, 700 taona mahery tatỳ aoriana: “Izaho Jehovah dia tia rariny.” (Isaia 61:8) Niteny toy izao i Paoly tamin’ny taonjato voalohany: “Misy tsy rariny ve amin’Andriamanitra? Sanatria izany!” (Romanina 9:14) Nilaza toy izao koa i Petera: “Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra, fa amin’ny firenena rehetra, izay olona matahotra azy ka manao ny marina no ankasitrahany.” (Asan’ny Apostoly 10:34, 35) Tena “tia rariny” tokoa i Jehovah.—Salamo 37:28; Malakia 3:6.

Manjaka ny tsy rariny

3. Ahoana no nampisy ny tsy rariny?

3 Manjaka ny tsy rariny ankehitriny. Mety hiharan’izany isika, na aiza na aiza. Mety ho any am-piasana izany, na any am-pianarana, na rehefa mifampiraharaha amin’ny manam-pahefana, na any an-toeran-kafa, eny fa na ao an-tokantrano ihany aza. Tsy vao izao izany no mitranga. Nanomboka niharan’ny tsy rariny ny olombelona, rehefa nikomy i Adama sy Eva ray aman-drenintsika voalohany, ka lasa mpandika lalàna. Ilay anjely mpikomy lasa Satana Devoly no nampirisika azy ireo hanao izany. Nampiasain’izy telo ireo tamin’ny fomba ratsy ilay fanomezana tena tsara avy amin’i Jehovah, dia ny safidy malalaka. Tsy rariny tokoa ny nataon’izy ireo! Niteraka fijaliana be sy fahafatesana ho an’ny taranak’olombelona ny fahotan’izy ireo.—Genesisy 3:1-6; Romanina 5:12; Hebreo 2:14.

4. Naharitra hafiriana ny tsy rariny?

4 Enina arivo taona teo ho eo izay no lasa, hatramin’ilay fikomiana tany Edena. Nisy foana ny tsy rariny nandritra izany fotoana izany. Tsy mahagaga izany satria i Satana no andriamanitr’ity tontolo ity. (2 Korintianina 4:4) Mpandainga izy sady rain’ny lainga. Mpanendrikendrika sy mpanohitra an’i Jehovah koa izy. (Jaona 8:44) Nanao ny tsy rariny foana izy hatramin’izay, ary mahatsiravina ny zavatra vitany. Eritrereto, ohatra, ny vokatry ny fitaoman-dratsiny talohan’ny Safodrano tamin’ny andron’i Noa. Hitan’Andriamanitra tamin’izay fa “be ny faharatsian’ny olona tambonin’ny tany, ka izay fisainana rehetra avy amin’ny fony dia ratsy ihany mandritra ny andro.” (Genesisy 6:5) Tsy nisy hafa tamin’izany ny zava-nisy tamin’ny andron’i Jesosy. Hoy izy: “Ampy ho an’ny andro tsirairay ny ratsy mitranga eo aminy”, izany hoe ny olana mampitebiteby, toy ny tsy rariny. (Matio 6:34) Marina tokoa ny voalazan’ny Baiboly hoe: “Mbola miara-mitoloko sy miara-mijaly foana ny zavaboary rehetra mandraka ankehitriny.”—Romanina 8:22.

5. Nahoana no betsaka noho ny hatramin’izay ny tsy rariny ankehitriny?

5 Araka izany, dia nisy foana ny faharatsiana niteraka zavatra mahatsiravina sy tsy ara-drariny teo amin’ny tantara. Mbola ratsy noho ny hatramin’izay anefa ny zava-misy ankehitriny. Nahoana? Satria efa an-taonany maro ity tontolo ratsy ity no tao anatin’ny “andro farany.” Noho izany, dia misy “fotoan-tsarotra tsy mora setraina”, satria efa akaiky ny fiafarany. Milaza ny Baiboly fa amin’ny andro farany, ny olona dia “ho tia tena, ho tia vola, ho matin-kambo, hiavonavona, ho mpanevateva, ... tsy hisaotra, tsy ho mena-mivadika, tsy ho tia ny mpianakaviny, tsy ho azo ifanarahana, ho mpanendrikendrika, tsy hahafehy tena, ho masiaka be, tsy ho tia ny tsara, ho mpamadika, ho be di-doha, [ary] ho mpieboebo.” (2 Timoty 3:1-5) Ny toetra ratsy toy ireo no mahatonga ny tsy rariny, izay miseho amin’ny endriny isan-karazany.

6, 7. Inona no manaporofo fa tena mihoa-pampana ny tsy rariny ankehitriny?

6 Tena nanjaka ny tsy rariny tato anatin’ny zato taona farany, ary mbola tsy nisy toy izany hatramin’izay. Nandritra izany, ohatra, no nisy ady betsaka indrindra. Araka ny mpahay tantara sasany, dia mety ho 50 na 60 tapitrisa eo ho eo ny isan’ny maty tamin’ny Ady Lehibe II. Olon-tsotra tsy manan-tsiny ny ankamaroany, izany hoe lehilahy sy zaza amam-behivavy. Nisy ady maro hafa koa taorian’izay, ka an-tapitrisany indray no maty, ary mbola olon-tsotra ihany ny ankamaroany. I Satana no mampirisika ny olona hanao ny tsy rariny toy izany. Romotra mantsy izy izao, satria fantany fa handresy azy tanteraka i Jehovah tsy ho ela. “Nidina any aminareo ny Devoly sady tezitra mafy, satria fantany fa fohy ny fotoana ananany”, hoy ny faminanian’ny Baiboly.—Apokalypsy 12:12.

7 Mandany iray tapitrisa tapitrisa dolara eo ho eo isan-taona ny firenena eran-tany, mba hanamboarana fiadiana. Aman-jatony tapitrisa anefa ny olona tsy manana izay tena ilainy eo amin’ny fiainana. Eritrereto amin’izany ny zavatra tsara azo atao amin’io vola be io! Olona efa ho arivo tapitrisa no tsy ampy sakafo, nefa ny hafa manan-karem-be. Ankizy dimy tapitrisa eo ho eo isan-taona no maty noho ny hanoanana, araka ny tatitra nataon’ny Firenena Mikambana. Tsy rariny mihitsy izany! Ahoana kosa ny amin’ireo aina maro afoy, noho ny fanalana zaza? Tombanana ho 40 na 60 tapitrisa isan-taona ny tsy manan-tsiny maty amin’izany! Mampihoron-koditra tokoa izany, ary tena tsy rariny!

8. Inona no hany vahaolana azo antenaina fa hampisy ny rariny?

8 Tsy mahita fomba hamahana ny olana lehibe mianjady amin’ny olombelona ny mpitondra. Tsy ny ezaka ataon’ny olombelona koa no hanatsara zavatra. Efa voalaza ao amin’ny Tenin’Andriamanitra mantsy fa amin’ny androntsika, “ny ratsy fanahy sy ny mpisandoka dia vao mainka hiharatsy kokoa hatrany, sady mamitaka izy ireo no voafitaka.” (2 Timoty 3:13) Efa lasa tandra vadin-koditry ny olombelona ny tsy rariny, ka tsy ho vitany ny hanafoana azy. Ilay Andriamanitra tia rariny ihany no afaka manafoana izany. Izy irery no mahavita mandringana an’i Satana sy ny demonia ary ny olona ratsy fanahy.—Jeremia 10:23, 24.

Ara-dalàna raha mampanahy ny tsy rariny

9, 10. Inona no nahakivy an’i Asafa?

9 Na ny mpanoratra Baiboly fahiny aza dia nieritreritra hoe nahoana Andriamanitra no mbola tsy nitondra fiovana teo amin’ny fiainan’ny olombelona, ka nampanjaka ny rariny sy ny fahamarinana. Anisan’izany i Asafa. Voatonona eo amin’ny teny mampiditra ny Salamo faha-73 ny anarany. Levita iray mpitendry zavamaneno sy nitana andraikitra lehibe tamin’ny andron’i Davida Mpanjaka angamba no tiana horesahina eo, na antokona mpitendry zavamaneno anisan’ny fianakavian’i Asafa. Namorona hira maro i Asafa sy ny taranany, ary nampiasaina tamin’ny fivavahana izany. Nisy fotoana anefa tena nahakivy an’io mpanoratra salamo io. Nahita ny harenan’ny ratsy fanahy izy, ary nahatsikaritra fa toa afa-po tamin’ny fiainana izy ireo matetika, fa tsy mba nanana olana.

10 Hoy i Asafa: “Nialona ny mpirehareha aho, raha nahita ny fiadanan’ny ratsy fanahy. Fa tsy misy fanaintainana amin’ny fahafatesany, ary fatratra ny heriny. Tsy mba misy manavesatra azy, tahaka ny olona sasany, ary tsy mba azom-pahoriana tahaka ny olon-kafa izy.” (Salamo 73:2-8) Tsapan’io mpanoratra Baiboly io anefa tatỳ aoriana, fa tsy mety ny mijery lafy ratsin-javatra toy izany. (Salamo 73:15, 16) Niezaka nanitsy ny toe-tsainy izy, nefa mbola tsy azony tsara hoe nahoana ny mpanao ratsy no toa afa-maina, fa matetika kosa ireo manao ny tsara no mijaly.

11. Inona no nanjary takatr’i Asafa mpanao salamo?

11 Takatr’io lehilahy nahatoky io ihany anefa ny hiafaran’ny ratsy fanahy. Fantany fa haverin’i Jehovah amin’ny laoniny ny zava-drehetra amin’ny farany. (Salamo 73:17-19) Nanoratra toy izao i Davida: “Miandrasa an’i Jehovah, ka tandremo ny làlany, dia hanandratra anao handova ny tany Izy; ho faly hahita ny hamongorana ny ratsy fanahy hianao.”—Salamo 37:9, 11, 34.

12. a) Hataon’i Jehovah ahoana ny faharatsiana sy ny tsy rariny? b) Ahoana no fahitanao an’io vahaolana natao hanafoanana ny tsy rariny io?

12 Azo antoka fa mikasa hanafoana ny faharatsiana sy ny tsy rariny rehetra aterak’izany i Jehovah, amin’ny fotoana voatondrony. Na ny Kristianina tsy mivadika aza dia mila mitadidy an’izany matetika. Horinganin’i Jehovah izay manao zavatra mifanohitra amin’ny sitrapony, fa hovaliany soa kosa izay miaina mifanaraka amin’izy io. ‘Ny masony mijery, eny, ny hodi-masony mizaha toetra ny zanak’olombelona. Jehovah mizaha toetra ny marina; fa ny ratsy fanahy sy ny mifaly hampidi-doza dia samy halan’ny fanahiny. Handatsaka fandrika sy afo sy solifara ary rivo-mahamay amin’ny ratsy fanahy Izy tahaka ny fandatsaka ranonorana. Fa marina Jehovah, ka fahamarinana no tiany.’—Salamo 11:4-7.

Tontolo vaovao hanjakan’ny rariny

13, 14. Nahoana no azo antoka fa hanjaka ny fahamarinana sy ny rariny ao amin’ny tontolo vaovao?

13 Hampisy tontolo vaovao tena hahafinaritra i Jehovah, rehefa avy mandringana ny tontolon’i Satana, izay anjakan’ny tsy rariny. Ho eo ambany fahefan’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra io tontolo vaovao io. Ny fahamarinana sy ny rariny indray no hisolo ny faharatsiana sy ny tsy rariny. Ho tanteraka amin’ny fomba feno mantsy amin’izay ilay vavaka nampianarin’i Jesosy ny mpanara-dia azy, manao hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra.”—Matio 6:10.

14 Hazavain’ny Baiboly hoe fitondrana manao ahoana no azontsika antenaina. Tsy inona izany fa ilay karazana fitondrana tena irin’ny olona rehetra tia ny tsara. Ho tanteraka amin’ny fomba feno amin’izay fotoana izay ny Salamo 145:16, manao hoe: “Manokatra ny tànanao Hianao [Jehovah Andriamanitra] ka mahavoky soa ny zava-miaina rehetra.” Hoy koa ny Isaia 32:1: “Indro, fa araka ny fahamarinana no hanjakan’ny mpanjaka [Kristy Jesosy any an-danitra], ary ny lehibe [ny solontenan’i Kristy eto an-tany] hanapaka araka ny rariny.” Mbola milaza toy izao momba an’i Jesosy Kristy Mpanjaka koa ny Isaia 9:6: “Ny handrosoan’ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenana sy hampitoerana azy amin’ny rariny sy ny hitsiny hatramin’izao ka ho mandrakizay; ny fahasaro-piaron’i Jehovah, Tompon’ny maro, no hahatanteraka izany.” Alao sary an-tsaina ange hoe hanao ahoana ny fiainanao, eo ambany fitondran’io fanjakana manao ny rariny io e!

15. Inona no hataon’i Jehovah ho an’ny olombelona ao amin’ny tontolo vaovao?

15 Tsy hanana antony hilazana an’ireto teny ao amin’ny Mpitoriteny 4:1 ireto intsony isika, ao amin’ny tontolo vaovao: “Hitako koa ny fampahoriana rehetra atao atỳ ambanin’ny masoandro; ary indro ny ranomason’ny ampahorina, sady tsy nisy mpanony azy; ary loza no ataon’ny tànan’ny mpampahory azy, sady tsy nisy mpanony.” Marina fa tsy tonga lafatra ny saintsika, ka ho sarotra amintsika ny haka sary an-tsaina ny hakanton’izany tontolo vaovao hanjakan’ny fahamarinana izany. Ny azo lazaina anefa dia hoe tsy hisy intsony ny faharatsiana, fa zava-tsoa kosa no hameno ny andro tsirairay. Haverin’i Jehovah Andriamanitra amin’ny laoniny tokoa ny zavatra tsy mety rehetra. Ho tsara lavitra noho ny antenaintsika no hataony. Tena mety àry raha nasainy nanoratra toy izao ny apostoly Petera: “Misy ... lanitra vaovao sy tany vaovao hitoeran’ny fahamarinana, ary izany no andrasantsika, araka ny fampanantenany”!—2 Petera 3:13.

16. Nahoana no azo lazaina fa efa misy ny “lanitra vaovao”? Nahoana koa no azo lazaina fa efa omanina dieny izao ilay “tany vaovao”?

16 Efa miorina any an-danitra ilay fitondram-panjakan’Andriamanitra tarihin’i Kristy. Io no atao hoe “lanitra vaovao.” Ny “tany vaovao” kosa dia fiaraha-monina vaovao misy olona manana toe-po tsara. Efa angonina amin’izao andro farany izao ireo olona voalohany ho anisan’izy io. Fito tapitrisa latsaka kely sahady izy ireo ankehitriny, ary miparitaka any amin’ny firenena 235, fara fahakeliny, eo anivon’ny fiangonana 100 000 eo ho eo. Mianatra momba ny fomba anaovan’i Jehovah ny fahamarinana sy ny rariny izy ireo. Misy firaisan-tsaina àry eo anivony ary hamafisin’ny fitiavana kristianina izany. Mbola tsy nisy firaisan-tsaina miavaka sy maharitra toy izany teo amin’ny tantara. Tsara lavitra noho izay mety ho hita eo anivon’ny vahoakan’i Satana izany. Hita taratra kely amin’izany fitiavana sy firaisan-tsaina izany sahady ilay fiainana tena hahafinaritra ao amin’ny tontolo vaovao, izay hanjakan’ny fahamarinana sy ny rariny.—Isaia 2:2-4; Jaona 13:34, 35; Kolosianina 3:14.

Tsy hahomby ny fanafihan’i Satana

17. Nahoana no azo antoka fa tsy hahomby ny fanafihana farany ataon’i Satana amin’ny vahoakan’i Jehovah?

17 Tsy ho ela dia hanafika ny mpanompon’i Jehovah i Satana sy ny mpomba azy, ka hanao izay hahafongotra azy ireo. (Ezekiela 38:14-23) Ho anisan’ilay “fahoriana lehibe” noresahin’i Jesosy izany. “Mbola tsy nisy toa [an’io fahoriana lehibe io] hatramin’ny niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony.” (Matio 24:21) Hahomby ve ny fanafihan’i Satana? Tsia. Manome toky antsika ny Tenin’Andriamanitra hoe: “Jehovah tia rariny sady tsy hahafoy ny olony masina; harovana mandrakizay ireo; fa ny taranaky ny ratsy fanahy hofongorana. Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay.”—Salamo 37:28, 29.

18. a) Inona no hataon’Andriamanitra, rehefa hanafika ny vahoakany i Satana? b) Nahoana no hitanao hoe mahasoa anao iny fanazavana ara-baiboly momba ny fandresen’ny rariny iny?

18 Io fanafihana ny vahoakan’i Jehovah io no ho farany amin’ny faniratsiran’i Satana. Nampanoratra an’i Zakaria i Jehovah hoe: ‘Izay mikasika anareo dia mikasika ny anakandriamasoko.’ (Zakaria 2:12) Toy ny hoe hisy hanapotsitra ny anakandriamason’i Jehovah amin’izay fotoana izay. Hamaly an’izany avy hatrany izy, ka handringana an’ireo mpanafika. Ny mpanompon’i Jehovah tokoa mantsy no antokon’olona be fitiavana, miray saina, tia fihavanana, ary mpankatò lalàna indrindra. Tena fanafihana tsy ara-drariny sy tsy amin’antony àry ilay hatao amin’izy ireo. Tsy hilefitra amin’izany i Jehovah, izay tena “tia rariny.” Hanao zavatra tokoa izy, ka ho ringana tanteraka ny fahavalo, handresy ny rariny, ary ho voavonjy ny vahoakany. Madiva hanatrika fisehoan-javatra mahatalanjona sy mampientam-po tokoa isika!—Ohabolana 2:21, 22.

Ahoana no Havalinao?

• Nahoana no manjaka ny tsy rariny ankehitriny?

• Ahoana no hanafoanan’i Jehovah ny tsy rariny?

• Inona no tena nanohina ny fonao tamin’iny fianarana momba ny fandresen’ny rariny iny?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 23]

Be ny faharatsiana talohan’ny Safodrano, ary toy izany koa amin’izao “andro farany” izao

[Sary, pejy 24, 25]

Ny rariny sy ny fahamarinana no hisolo ny faharatsiana ao amin’ny tontolo vaovao