Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tonga Hatrany Azia Minora ny Fivavahana Kristianina

Tonga Hatrany Azia Minora ny Fivavahana Kristianina

Tonga Hatrany Azia Minora ny Fivavahana Kristianina

NISY fiangonana kristianina maro nandroso be tany Azia Minora (Torkia ankehitriny), tamin’ny taonjato voalohany. Be dia be ny Jiosy sy hafa firenena, nandray tsara ny hafatra notorin’ny Kristianina. Hoy ny diksionera iray momba ny Baiboly: “Ankoatra ny tany Syria sy Palestina, dia teto Azia Minora no nandroso be voalohany ny fivavahana kristianina.”

Misy fanazavana avy ao amin’ny Baiboly sy boky hafa, hanampy antsika hahalala bebe kokoa ny fomba nielezan’ny fivavahana kristianina tany Azia Minora. Andeha hojerentsika izany sy ny lesona azontsika raisina.

Ireo Kristianina voalohany tany Azia Minora

Nitranga tamin’ny Pentekosta taona 33 ny fisehoan-javatra lehibe voalohany nahatonga ny fivavahana kristianina hiely tany Azia Minora. Nisy vahoaka samy hafa fiteny nivory tao Jerosalema, anisan’izany ireo Jiosy nonina tany ivelan’i Palestina sy ireo olona niova ho amin’ny fivavahana jiosy. Nitory ny vaovao tsara tamin’izy ireo ny apostolin’i Jesosy. Milaza ny Baiboly fa nisy tamin’ireo vahiny ireo avy tany Kapadokia, Ponto sy ny faritanin’i Azia, * Frijia, ary Pamfylia. Ao amin’ny faritr’i Azia Minora avokoa ireo. Tokotokony ho 3 000 tamin’ireo nihaino ny apostoly no nanaiky ny hafatra notorin’izy ireo ary natao batisa. Nanaraka an’io fivavahana vaovao io izy ireo, rehefa tafody tany aminy.—Asan’ny Apostoly 2:5-11, 41.

Hitantsika ao amin’ny fitantaran’ny Baiboly momba ny dia misionera nataon’ny apostoly Paoly tany Azia Minora, ny fanazavana manaraka. Nandeha sambo avy tao Sipra nankany Azia Minora izy sy ny namany, tamin’ny dia misionera voalohany nataony, tamin’ny taona 47 ka hatramin’ny 48 tany ho any. Tonga tao Perga, any Pamfylia, izy ireo, ary nankany Antiokia, tanàna afovoan-tany any Pisidia. Nisy vokany tsara ny fitorian’izy ireo tany, ka nanjary nialona sy nanohitra azy ny Jiosy. Nianatsimoatsinanana tany Ikonioma i Paoly sy ny namany avy eo, nefa nisy Jiosy hafa indray nanao tetika hanalana baraka azy. Nankany Lystra, tsy lavitra teo, àry izy ireo. Nihorakoraka ny mponina tao ka nilaza fa andriamanitra i Paoly. Tonga anefa ireo Jiosy mpanohitra avy tany Antiokia sy Ikonioma, ka nanjary nitora-bato an’i Paoly indray ireo olona ireo. Tsy navelan’izy ireo izy raha tsy rehefa noheveriny fa maty! Nanohy ny diany i Paoly sy Barnabasy, ka nankany Derbe, any Galatia, faritany nofehezin’ny Romanina. Miteny lykaonianina ny mponina tao. Nanorina fiangonana tao i Paoly, ary nanendry anti-panahy. Efa nisy fiangonana kristianina maromaro àry tany Azia Minora, 15 taona teo ho eo taorian’ny Pentekosta taona 33.—Asan’ny Apostoly 13:13–14:26.

Tamin’ny taona 49 ka hatramin’ny 52 tany ho any, ny dia misionera faharoa nataon’i Paoly sy ny namany. Nandeha an-tanety nankany Lystra aloha izy ireo, ka angamba nandalo tao Tarsosy, any Kilikia, tanàna niavian’i Paoly. Fanindroany izao no nitsidihany ireo rahalahy tao Lystra, ary nianavaratra izy avy eo. Naniry “hitory ny teny” tany amin’ny faritanin’i Bitynia sy Azia i Paoly. Tsy navelan’ny fanahy masina hanao izany anefa izy. Any aoriana kokoa vao hitoriana ireo faritra ireo. Notarihin’Andriamanitra ho any amin’ny faritra avaratrandrefan’i Azia Minora àry i Paoly, izany hoe any Troasy, tanàna amoron-tsiraka. Nahazo toromarika tamin’ny alalan’ny fahitana i Paoly tao, mba hitory ny vaovao tsara any Eoropa.—Asan’ny Apostoly 16:1-12; 22:3.

Namakivaky an’i Azia Minora indray i Paoly, tamin’ny dia misionera fahatelo nataony, tamin’ny taona 52 ka hatramin’ny 56 tany ho any. Tonga tany Efesosy, tanàna nisy seranan-tsambo lehibe, izy. Efa nandalo tao izy rehefa nody tamin’ny dia misionera faharoa nataony. Nisy Kristianina be zotom-po tao, ary niara-niasa tamin’izy ireo nandritra ny telo taona teo ho eo i Paoly sy ny namany. Niatrika zava-tsarotra sy loza maro izy ireo, nandritra io fotoana io. Anisan’izany ny rotaka notarihin’ireo Efesianina mpanamboatra andriamanitra volafotsy. Tsy tian’izy ireo ho foana mantsy ny varotra nataony, izay nahazoam-bola be.—Asan’ny Apostoly 18:19-26; 19:1, 8-41; 20:31.

Hita fa nisy vokany lehibe ny asa fitoriana nataon-dry Paoly tao Efesosy sy ny manodidina. Hoy ny Asan’ny Apostoly 19:10: “Nandre ny tenin’ny Tompo avokoa ny mponina tany amin’ny faritr’i Azia, na Jiosy na Grika.”

Fandrosoana tany Azia Minora

Nanoratra toy izao ho an’ny Korintianina i Paoly, rehefa hiala tao Efesosy: “Mampamangy, hono, ianareo, hoy ireo fiangonana atỳ Azia.” (1 Korintianina 16:19) Iza ireo fiangonana ireo? Anisan’izany angamba ny fiangonan’i Kolosia sy Laodikia ary Hierapolia. (Kolosianina 4:12-16) Hoy ny boky Ny Tantaran’i Paoly (anglisy): “Azo inoana fa ny asa nataon’ireo misionera tao Efesosy [sy ny manodidina] no nampisy an’ireo fiangonana tany Smyrna, Pergamosy, Sardisy, ary Filadelfia. ... Tsy mihoatra ny 192 kilaometatra avy eo Efesosy avokoa ireo tanàna ireo, ary tena tsara ny lalana nankany.”

Nisy fiangonana maromaro niforona àry tany amin’ny faritra atsimo sy andrefan’i Azia Minora, 20 taona teo ho eo taorian’ny Pentekosta taona 33. Ahoana kosa ny tany amin’ny faritra hafa?

Nahazo taratasy avy amin’i Petera

Nanoratra ny taratasiny voalohany avy amin’ny fanahy masina ny apostoly Petera, taona vitsivitsy tatỳ aoriana, tamin’ny taona 62 ka hatramin’ny 64 tany ho any. Nosoratany ho an’ny Kristianina tany Ponto, Galatia, Kapadokia, Azia, ary Bitynia, izy io. Hita avy amin’ny taratasiny fa toa nisy fiangonana tany amin’ireo toerana ireo. Nananatra an’ireo anti-panahy tany mantsy izy, mba ‘hiandry ny andian’ondry.’ Oviana ireo fiangonana ireo no naorina?—1 Petera 1:1; 5:1-3.

Efa nitorian’i Paoly ny faritra sasany nisy an’ireo Kristianina nanoratan’i Petera, anisan’izany i Azia sy Galatia. Mbola tsy nitory tany Kapadokia sy Bitynia anefa i Paoly. Tsy lazain’ny Baiboly amintsika ny fomba nielezan’ny fivavahana kristianina tany amin’ireo faritany ireo. Mety ho ireo Jiosy na olona niova ho amin’ny fivavahana jiosy, izay tonga tany Jerosalema tamin’ny Pentekosta taona 33, no nitory tany. Na izany na tsy izany, dia hita fa efa nisy fiangonana nanerana an’i Azia Minora, rehefa nanoratra ny taratasiny i Petera, 30 taona teo ho eo taorian’ny Pentekosta. Nilaza ny manam-pahaizana iray, fa efa “feno fiangonana tany Azia Minora” tamin’io fotoana io.

Ireo fiangonana fito resahin’ny Apokalypsy

Noravan’ny Romanina i Jerosalema tamin’ny taona 70 satria nikomy tamin’izy ireo ny Jiosy. Mety ho nifindra tany Azia Minora àry ny Kristianina avy any Jodia. *

Nandefasan’i Jesosy Kristy taratasy tamin’ny alalan’ny apostoly Jaona ny fiangonana fito tany Azia Minora, tamin’ny faramparan’ny taonjato voalohany. Tsy iza ireo fiangonana ireo fa i Efesosy, Smyrna, Pergamosy, Tyatira, Sardisy, Filadelfia, ary Laodikia. Hita avy amin’ireo taratasy ireo fa niatrika zava-tsarotra isan-karazany izy ireo, toy ny fitondran-tena maloto, ny sekta, ary ny fivadiham-pinoana.—Apokalypsy 1:9, 11; 2:14, 15, 20.

Manompo amin’ny fo manontolo, nefa tsy mirehareha

Tsy voalazan’ny Asan’ny Apostoly daholo ny fomba nielezan’ny fivavahana kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Ny asa fitoriana nataon’i Petera sy Paoly mantsy no tena resahina ao. Apostoly be mpahalala izy ireo. Nisy olona maro tsy dia be mpahalala koa anefa nitory tany amin’ny faritra hafa. Nandroso be ny fivavahana kristianina tany Azia Minora, ka hita avy amin’izany fa nankatoavin’ireo Kristianina voalohany tamin’ny fony manontolo ilay baikon’i Jesosy hoe: “Koa mandehana àry, ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra.”—Matio 28:19, 20.

Izany koa no zava-misy ankehitriny. Azo lazaina hoe vitsy ihany amin’ireo asa mampiseho finoana ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany, no fantatry ny mpiray finoana aminy any an-tany hafa. Tsy dia be mpahalala ny ankamaroan’ny mpitory ny vaovao tsara ankehitriny, toy ny ankamaroan’ireo mpitory be zotom-po tany Azia Minora. Be atao eo amin’ny fanompoana koa anefa izy ireo. Tena faly sy afa-po izy eo amin’ny fiainany satria manolo-tena hamonjy ny hafa ho fankatoavana an’i Jehovah.—1 Timoty 2:3-6.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Faritany romanina tany amin’ny faritra andrefan’i Azia Minora ilay “Azia” ao amin’ny Soratra Grika Kristianina sy ato amin’ity lahatsoratra ity, fa tsy ny kontinantan’i Azia.

^ feh. 17 Nilaza i Eusèbe mpahay tantara (taona 260-340) fa “tsy maintsy niala tany Jodia ireo apostoly” taloha kelin’ny taona 66, satria “nisy nitady hamono foana. Nitety ny tany rehetra anefa izy ireo ka nitory, noho ny herin’i Kristy.”

[Efajoro, pejy 11]

NY KRISTIANINA VOALOHANY TANY BITYNIA SY PONTO

Eo amoron’ny Ranomasina Mainty no misy an’i Bitynia sy Ponto. Hahafantatra zavatra be dia be momba ny fiainana andavanandro tao amin’ireo faritany ireo isika, raha mijery ny taratasy nosoratan’i Pline Zandriny, manam-pahefana tao, ho an’i Trajan, Mpanjaka Romanina.

Nangataka torohevitra tamin’i Trajan i Pline momba izay tokony hataony amin’ny Kristianina, 50 taona teo ho eo taorian’ny nahazoan’ireo fiangonana tany Bitynia sy Ponto ny taratasin’i Petera. Hoy izy: “Mbola tsy nanatrika ny famotorana ny Kristianina mihitsy aho. Tsy fantatro àry hoe manao ahoana ny hamafin’ny sazy fanao amin’izy ireo. Be dia be ny olona miakatra fitsarana, na antitra na tanora, na lahy na vavy, na mahantra na manankarena, ary mety mbola hitohy izany. Tsy ny mponina an-tanàn-dehibe ihany no voataona hanaraka an’io fivavahana mahatsiravina io, fa ny any ambanivohitra koa.”

[Kisary/​Sarintany, pejy 9]

(Jereo ny gazety)

DIA NATAON’I PAOLY

Dia Misionera Voalohany

SIPRA

PAMFYLIA

Perga

Antiokia (any Pisidia)

Ikonioma

Lystra

Derbe

Dia Misionera Faharoa

KILIKIA

Tarsosy

Derbe

Lystra

Ikonioma

Antiokia (any Pisidia)

FRIJIA

GALATIA

Troasy

Dia Misionera Fahatelo

KILIKIA

Tarsosy

Derbe

Lystra

Ikonioma

Antiokia (any Pisidia)

Efesosy

AZIA

Troasy

[Fiangonana fito]

Pergamosy

Tyatira

Sardisy

Smyrna

Efesosy

Filadelfia

Laodikia

[Toerana hafa]

Hierapolia

Kolosia

LYKIA

BITYNIA

PONTO

KAPADOKIA

[Sary, pejy 9]

Antiokia

[Sary, pejy 9]

Troasy

[Sary nahazoan-dalana]

© 2003 BiblePlaces.com

[Sary, pejy 10]

Kianja filalaovana tantara an-tsehatra any Efesosy.—Asan’ny Apostoly 19:29

[Sary, pejy 10]

Fototry ny alitaran’i Zeosy any Pergamosy. Nipetraka ‘tao amin’izay nisy ny seza fiandrianan’i Satana’ ny Kristianina tao amin’io tanàna io.—Apokalypsy 2:13

[Sary nahazoan-dalana]

Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.