Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ampianaro ho Tia An’i Jehovah ny Zanakareo

Ampianaro ho Tia An’i Jehovah ny Zanakareo

Ampianaro ho Tia An’i Jehovah ny Zanakareo

“Tahaka ny zana-tsipìka eo an-tànan’ny mahery ny zanaky ny fahatanorana.”—SALAMO 127:4.

1, 2. Nahoana no azo oharina amin’ny “zana-tsipìka eo an-tànan’ny mahery” ny ankizy?

MIOMANA handefa zana-tsipìka ny olona iray. Ataony tsara eo amin’ny tadin-tsipìka ilay izy, ary sintoniny mafy mba hampivonkina an’ilay tsipìka. Mandreraka izany, nefa maka fotoana ampy tsara izy hikendrena an’ilay zavatra tiany hotifirina. Avotsony amin’izay ilay zana-tsipìka! Ho voa ve ilay zavatra nokendreny? Miankina amin-javatra maromaro izany. Anisan’izany ny fahaizany, ny fitsokan’ny rivotra ary ny endrik’ilay zana-tsipìka.

2 Noharin’i Solomona Mpanjaka tamin’ny “zana-tsipìka eo an-tànan’ny mahery” ny zanaka. (Salamo 127:4) Nahoana? Fotoana fohy ihany no ijanonan’ny zana-tsipìka eny an-tanan’ny mpandefa azy. Tsy maintsy avotsony haingana izany, mba hahavoa an’ilay zavatra kendreny. Toy izany koa fa fotoana fohy ihany no ananan’ny ray aman-dreny, mba hanampiana ny zanany ho tia an’i Jehovah amin’ny fony manontolo. Toa tsy hitahita akory dia mihalehibe izy ireo ka mandao ny tokantranon’ny ray aman-dreniny. (Matio 19:5) Ho tratran’ny ray aman-dreny ve ny zava-kendreny, izany hoe ho tia an’Andriamanitra sy hanompo azy foana ve ny zanany na dia efa mahaleo tena aza? Miankina amin-javatra maromaro koa izany. Anisan’izany ny fahaizana mitaiza, ny fifandraisan’ny mpianakavy, ary ny fomba andraisan’ny ankizy ny fanabeazana omena azy. Hodinihintsika amin’ny an-tsipiriany ny tsirairay amin’ireo lafin-javatra telo ireo. Hojerentsika aloha ny toetra sasany tokony hananan’ny ray aman-dreny mahay mitaiza.

Aoka ianao ho modely

3. Nahoana no tokony hifanaraka amin’izay lazain’ny ray aman-dreny ny ataony?

3 Modely ho an’ny ray aman-dreny i Jesosy, satria nifanaraka tamin’ny zavatra nampianariny ny nataony. (Jaona 13:15) Nomelohiny kosa ny Fariseo satria ‘niteny nefa tsy nanao.’ (Matio 23:3) Tokony hifanaraka amin’izay lazain’ny ray aman-dreny ny ataony, mba handrisihana ny zanany ho tia an’i Jehovah. Tsy hisy vokany ny zavatra lazainy raha tsy arahina asa, tsy misy hafa amin’ny tsipìka tsy misy tadiny.—1 Jaona 3:18.

4. Inona avy no fanontaniana tokony hoeritreretin’ny ray aman-dreny, ary nahoana?

4 Nahoana no tena tokony ho modely ny ray aman-dreny? Manampy ny olon-dehibe hianatra ho tia an’Andriamanitra ny modely navelan’i Jesosy. Toy izany koa fa afaka mianatra ny ho tia an’i Jehovah ny ankizy, rehefa manaraka ny modely omen’ny ray aman-dreniny. Mety hanampy ny ankizy hanana toetra tsara ny namany, na mety ‘hanimba ny fahazarana mahasoa’ ananany. (1 Korintianina 15:33) Ny ray aman-dreniny no naman’ny ankizy akaiky indrindra sy tena tahafiny, indrindra fa mandritra ireo taona voalohany amin’ny fiainany. Tsara àry ny hieritreretan’ny ray aman-dreny hoe: ‘Namana tsara ho an’ny zanako ve aho? Mandrisika azy hanana fahazarana mahasoa ve ny modely omeko? Inona no modely omeko eo amin’ny vavaka sy ny fianarana Baiboly, izay tena zava-dehibe?’

Miaraha mivavaka aminy

5. Inona no azon’ny ankizy ianarana avy amin’ny vavaka ataon’ny ray aman-dreniny?

5 Afaka miana-javatra maro momba an’i Jehovah ny zanakao, rehefa mihaino anao mivavaka. Inona, ohatra, no hianarany raha mandre anao misaotra an’Andriamanitra izy rehefa hisakafo, na mandre anao mivavaka rehefa hianatra Baiboly? Ho fantany amin’izay fa avy amin’i Jehovah ny zavatra ilaintsika, ka mendrika ny hisaorana izy. Ho fantany koa fa i Jehovah no mampianatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Tena ilainy ny mahafantatra an’izany.—Jakoba 1:17.

6. Inona no azon’ny ray aman-dreny atao mba hanampiana ny zanany hahatsapa fa miahy azy manokana i Jehovah?

6 Hahita vokatra tsara kokoa anefa ianao, raha miara-mivavaka aminy amin’ny fotoana hafa ankoatra ny sakafo sy ny fianaram-pianakaviana. Mila miresaka zavatra voafaritra tsara momba ny tenanao sy ny zanakao koa ianao, rehefa mivavaka. Ho tsapan’izy ireo amin’izay fa anisan’ny fianakavianareo i Jehovah, ary tena mikarakara anareo tsirairay. (Efesianina 6:18; 1 Petera 5:6, 7) Hoy ny lehilahy iray: “Niara-nivavaka tamin’ny zanakay vavy foana izahay, hatramin’ny nahaterahany. Rehefa nihalehibebe izy, dia noresahinay tao anatin’ny vavaka ny fifandraisany tamin’ny olon-kafa sy ny zavatra hafa nahakasika azy. Tsy nisy andro tsy niarahanay nivavaka taminy mandra-panambadiny.” Nahoana raha miara-mivavaka amin’ny zanakao koa isan’andro? Ampio izy ireo hihevitra an’i Jehovah ho Namana, izay mihevitra ny fihetseham-pony, fa tsy hoe manome azy izay ilainy sy mampianatra azy ny fahamarinana fotsiny.—Filipianina 4:6, 7.

7. Inona no tokony ho fantatry ny ray aman-dreny, mba hanaovany vavaka voafaritra tsara?

7 Mila mahafantatra izay mitranga eo amin’ny fiainan’ny zanakao anefa ianao, mba hanaovanao vavaka voafaritra tsara. Hoy ny lehilahy iray manan-janaka roa: “Mieritreritra toy izao aho isaky ny mifarana ny herinandro: ‘Inona no nampanahy ny zanako tamin’ity herinandro ity? Inona no nahafinaritra azy?’ ” Ry ray aman-dreny, nahoana raha mieritreritra toy izany koa, ka miresaka momba ny zavatra sasany fantatrao rehefa miara-mivavaka amin’ny zanakao? Raha manao izany ianao dia hampianatra ny zanakao hivavaka amin’i Jehovah, ilay Mpihaino vavaka, sy ho tia azy.—Salamo 65:2.

Ampirisiho izy ho zatra mianatra tsara

8. Nahoana ny ray aman-dreny no tsy maintsy manampy ny zanany ho zatra mianatra ny Tenin’Andriamanitra?

8 Nahoana no misy vokany eo amin’ny fifandraisan’ny ankizy amin’Andriamanitra, ny fiheveran’ny ray aman-dreniny ny fianarana Baiboly? Tokony ho vonona hihaino fa tsy hifampiresaka fotsiny ny olona, raha te hifandray tsara foana. Mihaino an’i Jehovah isika, ohatra, rehefa mianatra Baiboly, ka mampiasa ny boky avoakan’ny “mpanompo mahatoky.” (Matio 24:45-47; Ohabolana 4:1, 2) Tsara àry raha mampirisika ny zanany ho zatra mianatra ny Tenin’Andriamanitra ny ray aman-dreny, mba hahatonga azy ho tia an’i Jehovah sy hifandray tsara aminy foana.

9. Ahoana no azo anampiana ny ankizy ho zatra mianatra tsara?

9 Ahoana no azo anampiana ny ankizy ho zatra mianatra tsara? Eto koa dia mbola ny modely omen’ny ray aman-dreny no mandaitra indrindra. Matetika ve ny zanakao no mahita anao mamaky na mianatra Baiboly? Marina aloha fa tena mety ho be atao ianao eo amin’ny fikarakaranao azy ireo, ka hanontany tena raha hahita fotoana hamakiana sy hianarana Baiboly. Mieritrereta anefa hoe: ‘Matetika ve ny zanako no mahita ahy mijery tele?’ Raha izany no izy, sao dia azonao ampiasaina hianarana samirery ny ampahany amin’izany fotoana izany, mba hanomezana modely ho an’ny zanakao?

10, 11. Nahoana ny ray aman-dreny no tokony handinika tsy tapaka ny Baiboly miaraka amin’ny zanany?

10 Mampianatra ny zanany hihaino an’i Jehovah koa ny ray aman-dreny, raha mandinika tsy tapaka ny Baiboly miaraka aminy. (Isaia 30:21) Mety hisy hieritreritra anefa hoe: ‘Nahoana ny ankizy no mbola mila fianaram-pianakaviana, raha efa mitondra azy mivory tsy tapaka ny ray aman-dreniny?’ Noho ny antony maromaro. Ny ray aman-dreny no tena nanankinan’i Jehovah ny andraikitra hampianatra ny zanany. (Ohabolana 1:8; Efesianina 6:4) Rehefa manao fianaram-pianakaviana ianareo, dia ho tsapan’ny ankizy fa anisan’ny fiainam-pianakaviana ny fivavahana, fa tsy fombafomba natao ho hitan’ny olona fotsiny.—Deoteronomia 6:6-9.

11 Afaka mamantatra ny fiheveran’ny zanany momba ny fifandraisana amin’Andriamanitra sy ny fitondran-tena koa ny ray aman-dreny, rehefa manao tsara ny fianaram-pianakaviana. Azony ampiasaina, ohatra, ny boky Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe * raha mbola kely ny zanany. Saika ny fehintsoratra rehetra ao amin’io boky io no misy fanontaniana mampirisika ny ankizy hilaza ny heviny. Hanampy ny zanany hanana saina mahay ‘manavaka ny tsara sy ny ratsy’ ny ray aman-dreny, rehefa mampiasa ny andinin-teny ao amin’ilay boky mba hampisaintsainana azy ireo.—Hebreo 5:14.

12. Inona no azon’ny ray aman-dreny atao mba hifanaraka amin’izay ilain’ny zanany ny fianaram-pianakaviany? Inona no hitanao fa tena mahomby?

12 Rehefa mihalehibe ny zanakao, dia ampifanaraho amin’izay ilainy ilay fianarana. Mariho ny fomba nampisaintsainan’ny mpivady iray ny zanany, rehefa niera mba hanatrika lanonam-pandihizana tany am-pianarana izy ireo. Hoy ilay raim-pianakaviana: “Nilazanay ny zanakay fa haka ny toeranay ray aman-dreny izy ireo mandritra ny ampahany amin’ny fianaram-pianakavianay manaraka, fa izahay kosa mody hatao hoe zanaka. Tsy nofaritana hoe iza no ho Dada na Neny, fa tsy maintsy niara-nanao fikarohana mahakasika ny lanonana izy ireo, ary hilaza aminay izay tokony hatao avy eo.” Nanao ahoana ilay izy? Hoy ihany ilay lehilahy: “Gaga izahay fa tena hain’ny zanakay tsara ny nampiasa ny Baiboly, mba hanazavana taminay hoe nahoana no tsy mety ny mankany amin’ilay lanonana. Nahagaga anay koa fa nahita soso-kevitra nety tsara izy ireo, ho solon’ilay izy. Nanampy anay hahatakatra tsara ny heviny sy ny zavatra tiany izany.” Marina fa ilaina ny fikirizana sy ny fahaizana mamoron-kevitra mba tsy ho tapatapaka ny fianaram-pianakaviana, ary hifanaraka amin’izay ilain’ny ao an-trano. Tsy very maina anefa izany ezaka izany fa mitondra soa.—Ohabolana 23:15.

Aoka ianareo hihavana tsara

13, 14. a) Inona no azon’ny ray aman-dreny atao mba hihavana tsara ny mpianakavy? b) Inona no vokatra tsara ho hita rehefa miaiky fahadisoana ny ray na ny reny?

13 Azo inoana fa ho voan’ilay zana-tsipìka ilay zavatra nokendrena, rehefa tony ny rivotra. Toy izany koa fa azo inoana kokoa hoe hianatra ho tia an’i Jehovah ny ankizy, rehefa mihavana tsara ny mpianakavy. Hoy i Jakoba: “Ny voan’ny fahamarinana dia afafy amim-pihavanana ho an’ny mpampihavana.” (Jakoba 3:18) Inona no azon’ny ray aman-dreny atao mba hihavana tsara ny mpianakavy? Tokony hifandray tsara foana izy mivady. Raha mifankatia sy mifanaja izy ireo, dia azo inoana kokoa fa hianatra ny ho tia sy hanaja an’i Jehovah sy ny hafa ny zanany. (Galatianina 6:7; Efesianina 5:33) Mampisy fihavanana ny fitiavana sy ny fifanajana. Hahay handamina kokoa ny tsy fifanarahana mety hitranga ao an-tokantrano ny mpivady, rehefa mihavana tsara.

14 Mazava ho azy fa mbola tsy misy fianakaviana tonga lafatra eto an-tany, toy ny tsy isian’ny fanambadiana tonga lafatra ihany. Mety tsy haneho ny vokatry ny fanahy ny ray aman-dreny indraindray, eo amin’ny fomba itondrany ny zanany. (Galatianina 5:22, 23) Inona àry no tokony hataony raha mitranga izany? Hihena ve ny fanajan’ny zanany azy raha miaiky izy hoe diso? Mariho ny nataon’ny apostoly Paoly. Maro no nihevitra azy ho toy ny ray. (1 Korintianina 4:15) Niaiky tamim-pahatsorana anefa izy fa nanao fahadisoana. (Romanina 7:21-25) Tsy mampihena ny fanajantsika azy ny fanetren-tenany sy ny fahatsorany, fa vao mainka aza mampitombo izany. Na teo aza ny kileman-toetran’i Paoly, dia sahy nilaza tamin’ny fiangonan’i Korinto izy hoe: “Aoka hanahaka ahy ianareo, tahaka ny anahafako an’i Kristy.” (1 Korintianina 11:1) Raha miaiky fahadisoana koa ianao, dia azo inoana fa hamela azy ireny ny zanakao.

15, 16. Nahoana no tokony hampianarin’ny ray aman-dreny ho tia an’ireo rahalahy sy anabavy ny zanany? Ahoana no azon’izy ireo anaovana an’izany?

15 Inona koa no azon’ny ray aman-dreny atao, mba hahatonga ny zanany ho tia an’i Jehovah? Hoy ny apostoly Jaona: “Raha misy manao hoe: ‘Tia an’Andriamanitra aho’, nefa mankahala ny rahalahiny, dia mpandainga izy. Fa izay tsy tia ny rahalahiny izay hitany, dia tsy afaka ny ho tia an’Andriamanitra izay tsy hitany.” (1 Jaona 4:20, 21) Mampianatra ny zanakao ho tia an’Andriamanitra àry ianao, rehefa mampianatra azy ho tia an’ireo rahalahiny sy anabaviny kristianina. Tsara àry raha mieritreritra ny ray aman-dreny hoe: ‘Manao ahoana matetika ny zavatra lazaiko momba ny fiangonana? Mampahery sa manakiana?’ Ahoana no ahafantaranao an’izany? Henoy tsara ny zanakao rehefa miresaka momba ny fivoriana sy ny mpiara-manompo. Azo inoana fa ho hitanao taratra amin’izay lazainy ny fomba fihevitrao.

16 Inona no azon’ny ray aman-dreny atao mba hanampiana ny zanany ho tia an’ireo rahalahy sy anabavy? Hoy i Peter, manan-janaka mbola zatovo: “Nanasa Kristianina matotra hiara-misakafo sy hiala voly aminay foana izahay, hatramin’ny fahakelin’izy roa lahy. Tena mahafinaritra anay izany. Niaraka tamin’ny olona tia an’i Jehovah foana izy ireo, ary tsapany izao fa mahafinaritra ny manompo an’Andriamanitra.” Hoy i Dennis, manan-janaka dimy vavy: “Nampirisihinay hinamana tamin’ny mpisava lalana efa lehibe teo anivon’ny fiangonana izy ireo. Nampiantrano mpiandraikitra mpitety faritany foana koa izahay isaky ny afaka nanao izany.” Nahoana raha ampiana koa ny zanakao hihevitra ny fiangonana ho anisan’ny fianakavianareo?—Marka 10:29, 30.

Ny andraikitry ny ankizy

17. Inona no fanapahan-kevitra tsy maintsy raisin’ny ankizy amin’ny farany?

17 Hiverenantsika indray ilay ohatra momba an’ilay mpandefa zana-tsipìka. Na mahay aza izy, dia tsy ho voa ilay zavatra nokendreny raha mibiloka ilay zana-tsipìka nalefany. Mazava ho azy fa hiezaka mafy hanitsy ny zana-tsipìkany ny ray aman-dreny, izany hoe hanitsy ny toe-tsaina tsy mety ao amin’ny zanany. Ny ankizy mihitsy anefa amin’ny farany no tsy maintsy mifidy raha hamela an’ity tontolo ity hamolavola azy, na hamela an’i Jehovah ‘handamina ny lalany.’—Ohabolana 3:5, 6; Romanina 12:2.

18. Inona no ho vokatry ny safidin’ny ankizy eo amin’ny hafa?

18 Marina fa manana andraikitra lehibe ny ray aman-dreny, dia ny hitaiza ny zanany araka ny “fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah.” Miankina amin’ilay ankizy anefa ny ho toetrany rahatrizay lehibe izy. (Efesianina 6:4) Mieritrereta àry ianareo rankizy hoe: ‘Hankatò ny fanabeazana omen’ny ray aman-dreniko amim-pitiavana ve aho?’ Hifidy ny fomba fiaina tsara indrindra ianao, raha manao izany. Tena ho sambatra koa ny ray aman-dreninao, ary ny zava-dehibe indrindra, dia hampifaly ny fon’i Jehovah ianao.—Ohabolana 27:11.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 11 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Tadidinao Ve?

• Inona no modely tokony homen’ny ray aman-dreny eo amin’ny vavaka sy ny fianarana Baiboly?

• Inona no azon’ny ray aman-dreny atao mba hihavana tsara ny mpianakavy?

• Inona no safidy tsy maintsy ataon’ny ankizy? Inona no ho vokatr’izany eo amin’ny hafa?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 28]

Modely ho an’ny zanakao ve ianao eo amin’ny fianarana samirery?

[Sary, pejy 29]

Sambatra ny mpianakavy rehefa mihavana tsara