Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Nilaza i Jesosy fa ho “malina” ny mpanompony mahatoky. Inona no tiany holazaina amin’izany?

Hoy i Jesosy: “Iza tokoa moa no mpanompo mahatoky sy malina izay notendren’ny tompony hikarakara ny mpiasa an-tranony, ka hanome sakafo azy ireo amin’ny fotoana mety?” (Matio 24:45) Ilay “mpanompo” manome “sakafo” ara-panahy dia ireo Kristianina voahosotry ny fanahy. Nahoana i Jesosy no nilaza fa malina izy ireo? *

Ho azontsika tsara kokoa ny mety ho tiany holazaina, rehefa mandinika ny fampianarany isika. Nilaza fanoharana momba ny virjiny folo izy, ohatra, rehefa niresaka momba ny “mpanompo mahatoky sy malina.” Niandry ny hahatongavan’ny mpampakatra ireo virjiny ireo. Mampahatsiahy antsika an’ireo Kristianina voahosotra talohan’ny 1914 izy ireo. Tamin’izay ireo voahosotra dia niandry fatratra ny hahatongavan’i Jesosy Kristy, ilay Mpampakatra. Tsy ampy ny menaka tany amin’ny virjiny dimy, rehefa tonga ilay mpampakatra. Tsy afaka nanatrika an’ilay fanasam-be tamin’ny fampakaram-bady izy ireo, noho izany. Malina kosa anefa ny virjiny dimy hafa. Nivatsy menaka ampy tsara izy ireo, mba tsy ho faty mihitsy ny jirony rehefa ho tonga ilay mpampakatra. Navela hamonjy ilay fanasana àry izy ireo.—Matio 25:10-12.

Kristianina voahosotra maro no nanantena hiaraka avy hatrany tamin’i Jesosy any an-danitra, rehefa tonga tao amin’ny Fanjakany izy tamin’ny 1914. Mbola betsaka anefa ny asa tsy maintsy nataon’izy ireo teto an-tany, ary tsy vonona hanao izany ny sasany. Toa an’ireo virjiny tsy malina izy ireo. Tsy niomana mialoha mantsy izy ireo mba hanana finoana matanjaka, ka nanjary tsy afaka nampiely fahazavana intsony. Malina kosa anefa ny ankamaroany, izany hoe hendry sady nitsinjo lavitra, ka nanao izay hampahatanjaka ny finoany. Rehefa fantany fa mbola betsaka ny asa tokony hataony, dia faly izy ireo nanatanteraka izany. Hita tamin’izany fa izy ireo no “mpanompo mahatoky sy malina.”

Diniho koa ny fomba nampiasan’i Jesosy an’ilay teny hoe “malina”, ao amin’ny Matio 7:24. Hoy izy: “Izay rehetra mandre izany teniko izany ka mankatò, dia hoharina amin’ny lehilahy malina izay nanorina ny tranony teo ambony vatolampy.” Malina io lehilahy io, ka nataony mafy orina tsara ny tranony, satria mety hisy oram-baratra. Nanorina ny tranony teo ambony fasika kosa ilay lehilahy adala, ka nirodana ilay izy. Araka izany, dia mieritreritra mialoha izay ho voka-dratsin’ny fanarahana ny fahendren’ny olombelona ny Kristianina malina. Mahay mandinika sy mitsara zavatra izy, ka ataony miorina tsara amin’ny fampianaran’i Jesosy ny finoany sy ny zavatra ataony ary ny fampianarany. Toy izany koa no ataon’ny “mpanompo mahatoky sy malina.”

Farany, mariho ny fomba nampiasana ny teny hoe “malina”, ao amin’ny andinin-teny sasany ao amin’ny Soratra Hebreo. Nanendry an’i Josefa hiandraikitra ny tahirin-tsakafon’i Ejipta, ohatra, i Farao. I Jehovah no nahatonga izany, mba hahazoan’ny vahoakany sakafo. Nahoana no i Josefa no voafidy? Satria “tsy misy lehilahy manan-tsaina [na malina] sady hendry tahaka” azy, hoy i Farao. (Genesisy 41:33-39; 45:5) Milaza koa ny Baiboly fa vehivavy “hendry”, na malina tsara i Abigaila. Nanome sakafo ho an’i Davida voahosotr’i Jehovah sy ireo lehilahy niaraka taminy izy. (1 Samoela 25:3, 11, 18) Azo lazaina hoe malina i Josefa sy Abigaila, satria nahatakatra ny sitrapon’Andriamanitra, ary nahay nitsinjo lavitra sy nahay nitsara zavatra.

Raha fintinina àry, inona no tian’i Jesosy holazaina, rehefa niteny izy fa malina ilay mpanompo mahatoky? Midika izany fa hahay handinika sy hitsinjo lavitra ary hahay hitsara zavatra ny olona anisan’izy io, satria ataony miorina amin’ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ny finoany sy ny zavatra ataony ary ny fampianarany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Avy amin’ny teny grika phroʹni·mos ny hoe “malina.” Matetika io teny io no midika hoe hendry sy mitandrina tsara, hoy ilay boky hoe Famakafakana Teny ao Amin’ny Testamenta Vaovao (anglisy), nosoratan’i M. Vincent.