Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira Rosianina Misy ny Anaran’Andriamanitra

Hira Rosianina Misy ny Anaran’Andriamanitra

Hira Rosianina Misy ny Anaran’Andriamanitra

NAMOAKA hiram-pivavahana niorina tamin’ny tantara iray ao amin’ny Baiboly, ilay mpamoron-kira rosianina malaza atao hoe Modest Moussorgski, tamin’ny 1877. Hoy izy tamin’ny namany: “Jesus Navinus [Josoa] no lohatenin’ny hira noforoniko, ary mifanaraka tanteraka amin’izay tantarain’ny Baiboly izy io. Resahina ao mihitsy aza ireo toerana nandalovan’i Navinus sy nahazoany fandresena tao Kanana.” Niresaka momba ny foto-kevitra sy olon-kafa ao amin’ny Baiboly i Moussorgski, rehefa namorona hira hafa. Anisan’izany ilay hoe “Fandringanana An’i Sankeriba.”

Tsara homarihina fa nampiasa ny anaran’Andriamanitra tamin’ny teny rosianina izy tao amin’ny “Jesus Navinus” sy ny “Fandringanana An’i Sankeriba”, nivoaka tamin’ny 1874. Aseho amin’ny alalan’ny renintsoratra efatra, יהוה (YHWH), io anarana io ao amin’ny Soratra Hebreo, ary miverina im-7 000 eo ho eo.

Asehon’ireo asan’i Moussorgski ireo àry fa efa fantatry ny Rosianina talohan’ny taona 1900 ilay anaran’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly hoe Jehovah. Mifanaraka tsara amin’ilay tenin’i Jehovah tamin’i Mosesy izany, manao hoe: “Izany no anarako mandrakizay, ary izany no hahatsiarovana Ahy hatramin’ny taranaka fara mandimby.”—Eksodosy 3:15.

[Sary, pejy 32]

Sekoly fianarana mozika any Saint-Pétersbourg (1913), ahitana ny tonon-kiran’i Moussorgski

[[Sary nahazoan-dalana, pejy 32]

Naotina mozika: The Scientific Music Library of the Saint-Petersburg State Conservatory named after N.A. Rimsky-Korsakov; trano: National Library of Russia, St. Petersburg