Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Tsy navela hihinan-javatra “misy masirasira” na lalivay ny Jiosy, nandritra ny Paska. Nahoana anefa i Jesosy no nampiasa divay, izay ranom-boaloboka efa niotrika, rehefa nanorina ny Fahatsiarovana ny nahafatesany?—Eksodosy 12:20; Lioka 22:7, 8, 14-20.

Tamin’ny 1513 T.K. no nankalazaina voalohany ny Paska, mba ho fahatsiarovana ny nialan’ny zanak’Israely tany Ejipta. Hoy i Jehovah, rehefa nanome toromarika momba ny fankalazana azy io: “Tsy hihinana na inona na inona izay misy masirasira [na lalivay] hianareo; fa samy hihinana mofo tsy misy masirasira ao amin’izay itoeranareo rehetra avy hianareo.” (Eksodosy 12:11, 20) Tsy niresaka momba ny divay i Jehovah teo, fa ny mofo ihany.

Inona no tena antony nandraran’i Jehovah ny Israelita tsy hampiasa lalivay? Satria tsy maintsy niala haingana tany Ejipta izy ireo. Hoy ny Eksodosy 12:34: “Nentin’ny olona ny kobany voalena, raha tsy mbola voaisy masirasira, sy ny viliany fanaova-mofo voafehy ao amin’ny lambany teny an-tsorony.” Tsy nampiasa lalivay koa ny taranaka rehetra tatỳ aoriana, rehefa nankalaza ny Paska, mba ho fampahatsiahivana an’izany zava-dehibe nitranga fahiny izany.

Matetika no natao hilazana fahotana na faharatsiana ny hoe lalivay, tatỳ aoriana. Nilaza toy izao, ohatra, ny apostoly Paoly indray mandeha: “Tsy fantatrareo ve fa lalivay kely fotsiny dia mampitombo ny koba manontolo?” Niresaka momba ny olona iray naloto fitondran-tena teo anivon’ny fiangonana kristianina izy tamin’izay. Hoy izy avy eo: “Esory ny lalivay efa ela, mba ho koba vaovao ianareo, satria tsy tokony hisy lalivay ianareo. Fa efa natao sorona tokoa i Kristy, izay toy ny zanak’ondrin’ny Paska. Koa aoka isika hankalaza ilay fety, tsy amin’ny lalivay efa ela, na amin’ny lalivain’ny faharatsiana sy ny haratsiam-panahy, fa amin’ny mofo tsy misy lalivay, dia ny mofon’ny fahatsoram-po sy ny fahamarinana.” (1 Korintianina 5:6-8) Mofo tsy misy lalivay ihany àry no mifanitsy amin’ny vatan’i Jesosy tsy nisy ota.—Hebreo 7:26.

Tatỳ aoriana ny Jiosy vao nampiasa divay, rehefa nankalaza ny Paska. Toa rehefa tafaverina avy tamin’ny fahababoana tany Babylona izy ireo no nanomboka nanao izany. Tsy nandrara izany i Jehovah raha jerena ny Baiboly. Azon’i Jesosy natao tsara àry ny nampiasa divay, rehefa nihinana ny sakafon’ny Paska. Ankoatra izany, dia tsy nilana zavatra fanampiny ny divay vita tamin’ny voaloboka fahiny. Efa ao amin’ny voaloboka mantsy ny zavatra ilaina mba hampiotrika azy. Tsy mba toy izany kosa ny mofo, fa mila ampiana lalivay na leviora mba hiotrika ka hitombo. Tsy ho nisy ranom-boaloboka tsotra fotsiny koa tamin’ny fotoanan’ny Paska, satria efa volana maro taorian’ny fotoam-piotazana voaloboka tamin’izay, ka tsy maintsy ho efa niotrika ilay izy.

Tsy nandika ny toromarika momba ny Paska àry i Jesosy, raha nampiasa divay rehefa nanorina ny Fahatsiarovana. Azo ampiasaina amin’ny Fahatsiarovana ny karazana divay mena rehetra tsy nampiana siramamy na toaka hafa na zavamanitra. Mifanitsy tsara amin’ny ‘ra sarobidin’i Kristy’ izany.—1 Petera 1:19.