Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Hosea

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Hosea

Velona ny Tenin’i Jehovah

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Hosea

ZARA raha nisy olona nanaraka ny fivavahana marina, tany amin’ny fanjakan’ireo foko folon’ny Israely tany avaratra. Nanan-karena ny mponina tany nandritra ny fotoana nanjakan’i Jeroboama II. Nihanahantra anefa izy ireo taoriana kelin’ny nahafatesany. Lasa nisy hotakotaka sy korontana politika taorian’izay. Nisy namono ny efatra tamin’ireo mpanjaka enina nandimby an’i Jeroboama II. (2 Mpanjaka 14:29; 15:8-30; 17:1-6) Mbola mpaminany i Hosea tamin’io fotoana feno korontana io. Naminany nandritra ny 59 taona izy, nanomboka tamin’ny taona 804 T.K.

Hita mazava tsara amin’ny fiainan-tokantranon’i Hosea ny fihetseham-po tsapan’i Jehovah, rehefa nivadika ny firenen’ny Israely. Nampibaribary ny fahadisoan’io firenena io ny hafatra nentiny. Naminany ny didim-pitsarana hihatra tamin’izy ireo sy ny fanjakan’i Joda koa izy. Hita ao amin’ny bokin’i Hosea daholo na teny mampihetsi-po sy feno fitiavana, na teny mahery. Hita sary an-tsaina mihitsy ny zavatra lazainy. Anisan’ny Tenin’Andriamanitra io boky io, ka velona sy mahery ny hafatra raketiny.—Hebreo 4:12.

‘MAKÀ VADY IZAY EFA TENA JANGA’

(Hosea 1:1–3:5)

Hoy i Jehovah tamin’i Hosea: “Andeha hianao maka vady izay efa tena janga.” (Hosea 1:2) Nankatò i Hosea ary niteraka lahy taminy i Gomera. Toa zanak’i Gomera tamin’olon-kafa kosa ireo zaza roa naterany tatỳ aoriana. Tsy iza izany fa i Lô-rohama sy Lô-amỳ. Hita avy amin’ny dikan’ireo anarana ireo, fa tsy namindra fo tamin’ny firenen’ny Israely nivadika i Jehovah ary tsy nankasitraka azy ireo.

Inona no tsapan’i Jehovah rehefa nikomy taminy ilay vahoaka? Hoy izy tamin’i Hosea: “Mandehana indray, tiava vehivavy izay tian’ny vadiny nefa mijangajanga, dia tahaka ny fitiavan’i Jehovah ny Zanak’Isiraely, nefa ireo kosa dia mihodina ho amin’izay andriamani-kafa.”—Hosea 3:1.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

1:1—Notononin’i Hosea daholo ny anaran’ny mpanjaka efatra tany Joda nandritra ny fotoana naha mpaminany azy. Tsy nanonona afa-tsy anaran’ny mpanjakan’ny Israely iray monja anefa izy. Nahoana? Satria ny mpanjaka taranak’i Davida ihany no nekena ho nanana zo hitondra ny vahoaka nofidin’Andriamanitra. Taranak’i Davida ny mpanjaka tany Joda, fa tsy toy izany kosa ny tany amin’ny fanjakana tany avaratra.

1:2-9—Vady mpijangajanga tokoa ve no nalain’i Hosea? Lasa nanitsakitsaka azy tokoa ilay vehivavy nalainy ho vady. Tsy nilaza mihitsy ilay mpaminany hoe nofy na fahitana ilay zavatra notantarainy momba ny fiainan-tokantranony.

1:7—Oviana no namindrana fo sy novonjena ny taranak’i Joda? Tamin’ny taona 732 T.K., tamin’ny fotoana nanjakan’i Hezekia. Nandefa anjely iray i Jehovah tamin’izay mba hamono miaramila fahavalo 185 000, tao anatin’ny indray alina. Tsy nandrahona an’i Jerosalema intsony ny Asyrianina taorian’izay. (2 Mpanjaka 19:34, 35) Nanafaka an’i Joda àry i Jehovah, saingy ‘tsy tamin’ny tsipìka, na tamin’ny sabatra, na tamin’ny ady, na tamin’ny soavaly, na tamin’ny mpitaingin-tsoavaly’, fa tamin’ny alalan’ny anjely iray.

2:1, 2—Rava tamin’ny taona 740 T.K. ny fanjakan’ny Israely tany avaratra. Ahoana àry no nahatonga ny taranak’Israely “hiara-mivory” tamin’ny taranak’i Joda? Olona maro avy any amin’ny fanjakana tany avaratra no nifindra tany Joda, talohan’ny namaboan’ny Babylonianina ny mponina tao tamin’ny 607 T.K. (2 Tantara 11:13-17; 30:6-12, 18-20, 25) Rehefa nody tany amin’ny taniny àry ny Jiosy tamin’ny 537 T.K., dia niaraka taminy ny taranak’ireo avy any amin’ny fanjakan’ny Israely tany avaratra.—Ezra 2:70.

2:23-25—Inona no tian’i Jehovah holazaina tamin’ny hoe: “Hafafiko ho Ahy amin’ny tany [i Jezirela]; ary hamindra fo amin’i Lô-rohama Aho”? Jezirela no anaran’ny zanaka lahimatoan’i Hosea tamin’i Gomera. (Hosea 1:2-4) Ny dikan’io anarana io dia hoe “Hamafy Voa Andriamanitra.” Milaza faminaniana izy io, dia ny hanangonan’i Jehovah ny sisa mahatoky amin’ny vahoakany tamin’ny 537 T.K., sy ny hanaparitahany azy ireo tany Joda toy ny voa nafafy. Nila namokatra vary sy divay mamy ary menaka ilay tany, izay efa lao nandritra ny 70 taona. Toy ny poezia no ilazan’ilay faminaniana fa hiangavy ny tany hamoaka ny tsirony ireo zavatra tsara ireo. Ny tany kosa hangataka orana amin’ny lanitra, ary ny lanitra indray hiangavy rahona amin’Andriamanitra. Amin’izay dia ho voakarakara ny zavatra maro be ilain’ireo Jiosy niverina tany amin’ny taniny. Nampiharin’ny apostoly Paoly sy Petera tamin’ny fanangonana ny sisa amin’ny Israely ara-panahy ny Hosea 2:25.—Romanina 9:25, 26; 1 Petera 2:10.

Lesona ho antsika:

1:2-9; 3:1, 2. Nijanona tamin’ny vadiny i Hosea satria izay no sitrapon’Andriamanitra. Tena nanda tena tokoa izy rehefa nanao izany! Vonona hampandefitra ny zavatra tiantsika koa ve isika mba hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra?

1:6-9. Halan’i Jehovah ny fivadihana aminy, toy ny ankahalany ny fanitsakitsaham-bady.

1:7; 2:1, 2, 16-25. Nitranga tokoa izay nolazain’i Jehovah momba ny Israely sy Joda. Tanteraka foana ny teniny.

2:18, 21, 23-25; 3:1-4. Vonona hamela ny helok’ireo tena mibebaka i Jehovah. (Nehemia 9:17) Tokony hanahaka azy koa isika, ka hangoraka sy hamindra fo.

‘MANANA ADY I JEHOVAH’

(Hosea 4:1–14:1)

“Manana ady amin’ny mponina amin’ny tany” i Jehovah. Nahoana? Satria “tsy misy fahamarinana, na fitiavana, na fahalalana an’Andriamanitra eo amin’ny tany.” (Hosea 4:1) Namitaka, namono olona, nijangajanga, ary nanompo andriamani-kafa ny vahoakan’ny Israely nivadika. Tsy tany amin’Andriamanitra izy ireo no nitady fanampiana, fa ‘niantso an’i Ejipta ary nankany Asyria.’—Hosea 7:11.

Inona àry no didim-pitsaran’i Jehovah? Ho “voatelina Isiraely.” (Hosea 8:8) Meloka koa ny fanjakan’i Joda. ‘Manana ady amin’i Joda i Jehovah’, hoy ny Hosea 12:3, “ary tsy maintsy mamaly an’i Jakoba araka ny alehany, ka hatsingeriny aminy ny nataony.” Azo antoka anefa fa hiverina amin’ny laoniny ny fiainan’izy ireo. Nampanantena Andriamanitra hoe: “Havotako tsy ho azon’ny herin’ny fiainan-tsi-hita izy; hovonjeko ho afaka amin’ny fahafatesana izy.”—Hosea 13:14.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

6:1-3—Iza no nilaza hoe: “Andeha hiverina ho amin’i Jehovah isika”? Ireo Israelita tsy nahatoky angamba no nifampitaona hiverina tamin’i Jehovah. Raha marina izany, dia mody nibebaka fotsiny izy ireo. Nihelina mantsy ny fitiavan’izy ireo, toy ny “rahona maraina” sy toy ny “ando izay levona, raha vao maraina ny andro.” (Hosea 6:4) Mety ho i Hosea koa anefa no nilaza ireo teny ireo, rehefa nitalaho tamin’ilay vahoaka nikomy mba hiverina tamin’i Jehovah. Na iza na iza anefa no nilaza an’ireo teny ireo, dia nila nibebaka tamin’ny fony manontolo sy tena niverina tamin’i Jehovah ny mponin’ny fanjakan’ireo foko folon’ny Israely.

7:4—Nahoana no noharina tamin’ny ‘fatana voafana’ ireo Israelita nanitsakitsa-bady? Nentina nilazana ny fanirian-dratsy niredareda tao am-pon’izy ireo izany.

Lesona ho antsika:

4:1, 6. Tsy maintsy mianatra tsy tapaka mba hahazoana fahalalana an’i Jehovah isika, ary mampihatra izay ianarantsika, raha te hahazo sitraka aminy foana.

4:9-13. Hampamoahin’i Jehovah ireo maloto fitondran-tena sy manaraka fivavahan-diso.—Hosea 1:4.

5:1. Tsy tokony hivadi-pinoana mihitsy ireo mitari-dalana ny vahoakan’Andriamanitra. Raha tsy izany, dia ho toy ny ‘fandrika sy harato’ ho an’ny olona izy ireo, ka hitarika azy ireo hanaraka fivavahan-diso.

6:1-4; 7:14, 16. Fihatsarambelatsihy sy tsy misy dikany ny fibebahana raha an-tendro-molotra fotsiny. Tsy maintsy mibebaka amin’ny fony ny mpanao ratsy, raha te hahazo famindram-po amin’Andriamanitra. Tokony hasehony mihitsy fa miverina ho amin’ny “Avo” izy, izany hoe manaraka indray ny fivavahana marina izay tsara lavitra noho ny fivavahana hafa. Tokony hanaraka ireo fitsipika tena tsara napetrak’Andriamanitra koa izy.

6:6. Tsy tena tia an’Andriamanitra ny olona iray matoa manota. Tsy hahonitra an’izany ny fanaovany fanatitra, na betsaka toy inona aza.

8:7, 13; 10:13. Tanteraka tamin’ireo Israelita nanompo sampy ilay hoe: “Izay afafin’ny olona ihany no hojinjainy.”—Galatianina 6:7.

8:8; 9:17; 14:1. Tanteraka ny faminaniana momba ny fanjakana tany avaratra, rehefa nalain’ny Asyrianina i Samaria renivohiny. (2 Mpanjaka 17:3-6) Afaka matoky isika fa hanefa an’izay nolazainy izy, ary hanatanteraka izay noteneniny.—Nomery 23:19.

8:14. Nandefa ‘afo tao an-tanànan’i’ Joda i Jehovah tamin’ny 607 T.K. Nampiasa ny Babylonianina handrava an’i Jerosalema sy Joda izy, araka ny efa nolazainy. (2 Tantara 36:19) Tsy maintsy tanteraka foana ny tenin’Andriamanitra.—Josoa 23:14.

9:10. “Tonga tany Bala-peora” ny Israelita “ka nanolo-tena ho amin’ilay mampahamenatra”, na dia efa nanolo-tena ho an’Andriamanitra aza. Hendry isika raha raisintsika ho anatra izany ohatra ratsy izany, ka mitandrina sao tsy miaina mifanaraka amin’ny fanoloran-tenantsika tamin’i Jehovah isika.—1 Korintianina 10:11.

10:1, 2, 12. Tokony hanompo an’Andriamanitra amin’ny fo tsy mamitaka isika, izany hoe tsy mihatsaravelatsihy. ‘Hijinja ny fitiavan’Andriamanitra isika’, raha ‘mamafy araka ny fahamarinana.’

10:5. Anarana maneso niantsoana an’i Betela (“Tranon’Andriamanitra”) ny hoe Betavena (“Trano Mampidi-doza”). Nitomany ny mponin’i Samaria, rehefa lasa babo ilay zanak’omby nivavahany tao Betavena. Zava-poana ny fitokisana amin’ny sampy tsy misy aina. Izy aza tsy afaka miaro ny tenany!—Salamo 135:15-18; Jeremia 10:3-5.

11:1-4. Maneho fitiavana amin’ny vahoakany foana i Jehovah Andriamanitra. Tsy mampijaly mihitsy ny fankatoavana azy.

11:8-11; 13:14. ‘Tsy niverina tamin’i [Jehovah] foana’ ny teniny hoe hanaraka ny fivavahana marina indray ny vahoakany. (Isaia 55:11) Afaka tamin’ny fahababoana tany Babylona izy ireo tamin’ny 537 T.K., ka nisy sisa niverina tany Jerosalema. (Ezra 2:1; 3:1-3) Tsy maintsy tanteraka izay rehetra nolazain’i Jehovah tamin’ny alalan’ny mpaminaniny.

12:7. Tena tokony ho tapa-kevitra ny ‘hamindra fo’ isika, izany hoe haneho hatsaram-panahy feno fitiavana. Tokony ho tapa-kevitra ny hanao ny rariny sy hiandry an’i Jehovah mandrakariva koa isika.

13:6. “Voky” ny Israelita, “ka niavonavona ny fony; koa izany no nanadinoany” an’i Jehovah. Mila mitandrina isika mba tsy hiavonavona mihitsy.

“MAHITSY NY LÀLAN’I JEHOVAH”

(Hosea 14:2-10)

Nitalaho i Hosea hoe: “Ry Isiraely ô, miverena amin’i Jehovah Andriamanitrao, fa lavon-keloka hianao.” Nampirisika ny olona hiteny tamin’i Jehovah toy izao izy: “Mamelà ny heloka rehetra, ary raiso izay tsara, ka dia haterinay ho fanatitra ny molotray.”—Hosea 14:2, 3.

Tokony hiverina amin’i Jehovah ny mpanota mibebaka, hankatò ny fitsipiny, ary hanao fanati-piderana ho azy. Nahoana? Satria “mahitsy ny làlan’i Jehovah, ary ny marina no mizotra eny aminy.” (Hosea 14:10) Faly tokoa isika satria mbola maro no ‘handeha amin-kovitra hanatona an’i Jehovah sy ny fahasoavany, raha mby any am-parany.’—Hosea 3:5.

[Sary, pejy 15]

Hita tamin’ny fiainan-tokantranon’i Hosea ny fomba nitondran’i Jehovah ny Israely

[Sary, pejy 17]

Tsy nisy intsony ny fanjakan’ireo foko folon’ny Israely, rehefa rava i Samaria tamin’ny 740 T.K.