Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Mpamindra Fo ny Rainareo’

‘Mpamindra Fo ny Rainareo’

‘Mpamindra Fo ny Rainareo’

“Mamindrà fo hatrany, toy ny Rainareo izay mpamindra fo.”—LIOKA 6:36.

1, 2. Inona no nolazain’i Jesosy tamin’ny mpianany sy ny mpanora-dalàna ary ny Fariseo, ka mampiseho fa tena ilaina ny mamindra fo?

NISY didy 600 teo ho eo tao amin’ilay Lalàna nampitaina tamin’ny alalan’i Mosesy. Tsy maintsy nankatò azy ireny ny Israelita, nefa tena nila naneho famindram-po koa. Mariho ny tenin’i Jesosy tamin’ireo Fariseo tsy nanana indrafo. Indroa izy no nananatra mafy azy ireo sy nampahatsiahy azy ireo an’ilay didin’Andriamanitra hoe: “Famindram-po no sitrako, fa tsy sorona.” (Matio 9:10-13; 12:1-7; Hosea 6:6) Hoy koa i Jesosy tany amin’ny faramparan’ny fanompoany: “Lozanareo mpanora-dalàna sy Fariseo mpihatsaravelatsihy! Fa manome ny ampahafolon’ny anana madinika toy ny solila sy ny aneta ary ny komina ianareo, nefa tsy miraharaha izay mavesa-danja kokoa ao amin’ny Lalàna, dia ny manao ny rariny sy ny miantra ary ny ho mahatoky.”—Matio 23:23.

2 Hita amin’izany fa nihevitra ny famindram-po ho toetra tena ilaina i Jesosy. Hoy izy tamin’ny mpanara-dia azy: “Mamindrà fo hatrany, toy ny Rainareo izay mpamindra fo.” (Lioka 6:36) Mila mahafantatra ny tena atao hoe famindram-po anefa isika, raha te “hanahaka an’Andriamanitra” amin’io lafiny io. (Efesianina 5:1) Ankoatra izany, dia ho vonona hamindra fo bebe kokoa isika, raha mahalala ny soa entin’izany.

Famindram-po amin’ireo mila fanampiana

3. Nahoana isika no tokony handinika ny modely omen’i Jehovah, mba hahafantarana ny tena atao hoe famindram-po?

3 Nihira ny mpanao salamo hoe: “Mamindra fo sy miantra Jehovah; mahari-po sady be famindrampo Izy. Manisy soa izao tontolo izao Jehovah; ary ny fiantràny dia eny amin’ny asany rehetra.” (Salamo 145:8, 9) Izy no “Rain’ny fangorahana sy Andriamanitry ny fampiononana rehetra.” (2 Korintianina 1:3) Ny hoe mamindra fo dia midika hoe mangoraka olona ary mampiseho izany amin’ny fomba itondrana azy. Lafiny lehibe amin’ny toetran’Andriamanitra izany. Hahafantatra ny tena atao hoe famindram-po isika, raha mandinika ny modely sy ny torohevitra omeny.

4. Inona no ianarantsika momba ny famindram-po, rehefa mamaky ny Isaia 49:15 isika?

4 Hoy i Jehovah ao amin’ny Isaia 49:15: “Mety manadino ny zanany minono va ny vehivavy ka tsy hamindra fo amin’ny zanaka naloaky ny kibony?” Ireo teny hebreo iray tarika amin’ilay nadika hoe ‘mamindra fo’ eto, dia mitovy amin’ilay teny nadika hoe miantra ao amin’ilay Salamo 145:8, 9 tetsy aloha. Mangoraka sy malahelo ny zanany ny reny iray, rehefa mahita azy noana na mitady zavatra hafa. Izany fihetseham-po izany no mahatonga azy hikarakara izay ilain’ny zanany. Mitovy amin’izany koa ny fihetseham-po tsapan’i Jehovah, ka mahatonga azy hamindra fo.

5. Ahoana no nampisehoan’i Jehovah tamin’ny Israelita fa “manankarena famindram-po” izy?

5 Efa tsara ny hoe mangoraka, fa mbola tsara kokoa raha mahatonga ny olona iray hanao soa amin’ireo mila fanampiana izany. Diniho ny nataon’i Jehovah, rehefa babo tany Ejipta ny vahoakany, 3 500 taona lasa izay. Hoy izy tamin’i Mosesy: “Efa hitako tokoa ny fahorian’ny oloko izay any Egypta, ary efa reko ny fitarainany noho ny ataon’ny mpampiasa azy; eny, fantatro ny alahelony; dia efa nidina Aho izao hamonjy azy amin’ny tànan’ny Egyptiana ka hitondra azy hiakatra hiala amin’izany tany izany ho any amin’izay tany soa sy malalaka, dia any amin’izay tany tondra-dronono sy tantely.” (Eksodosy 3:7, 8) Nampahatsiahivin’i Jehovah toy izao ny Israelita, 500 taona teo ho eo taorian’ny nanafahana azy ireo avy tany Ejipta: “Izaho nitondra ny Isiraely niakatra avy tany Egypta ka namonjy anareo tamin’ny tànan’ny Egyptiana sy tamin’ny tànan’ny fanjakana rehetra izay nampahory anareo.” (1 Samoela 10:18) Nahita fahoriana matetika ny Israelita, noho ny fandikany ny fitsipika marin’i Jehovah. Nangoraka azy ireo anefa izy, ka namonjy azy imbetsaka. (Mpitsara 2:11-16; 2 Tantara 36:15) Hitantsika amin’izany fa mikarakara ny olona mila fanampiana, na iharan-doza, na manana olana i Jehovah, ilay Andriamanitra be fitiavana. “Manankarena famindram-po” tokoa izy.—Efesianina 2:4.

6. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy Kristy fa namindra fo toa an-dRainy izy?

6 Mamindra fo tsy misy hafa amin’ny Rainy i Jesosy Kristy. Nisy jamba roa lahy nitalaho taminy indray mandeha hoe: “Mba iantrao izahay, ry Tompo Zanak’i Davida ô!” Niangavy an’i Jesosy izy ireo tamin’izay mba hanao fahagagana, ka hampahiratra ny masony. Ahoana no nataon’i Jesosy? Nanao fahagagana tokoa izy. Tsy izay hamitana an’izany fotsiny anefa no nataony, fa “nangoraka” azy roa lahy izy, “ka nikasika ny masony, ary dia nahiratra avy hatrany izy ireo.” (Matio 20:30-34) Ny fangorahana no nahatonga an’i Jesosy hanao fahagagana maro, mba hanamaivanana ny fahorian’ny olona jamba, na azon’ny demonia, na boka, na ireo nanan-janaka narary.—Matio 9:27; 15:22; 17:15; Marka 5:18, 19; Lioka 17:12, 13.

7. Inona no atao hoe mamindra fo, raha ny modely omen’i Jehovah Andriamanitra sy ny Zanany no jerena?

7 Hitantsika amin’ny modely omen’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy, fa mahafaoka zavatra roa ny hoe mamindra fo. Voalohany, mangoraka sy miara-miory amin’ny olona mila fanampiana. Faharoa, manao zavatra hanamaivanana ny olana mahazo azy. Rehefa manao an’ireo zavatra roa ireo ny olona iray, vao azo lazaina hoe mamindra fo. Ny hoe mamindra fo àry ao amin’ny Soratra Masina, dia midika matetika hoe manao zavatra amin-katsaram-panahy ho an’ireo mila fanampiana. Ahoana anefa no anehoana an’io toetra io eo amin’ny raharaham-pitsarana? Ny hoe mamindra fo ve amin’izay fotoana izay midika hoe tsy manasazy mihitsy?

Famindram-po amin’ny mpanota

8, 9. Ahoana no namindrana fo tamin’i Davida, rehefa nijangajanga tamin’i Batseba izy?

8 Diniho izay nitranga tamin’i Davida mpanjakan’ny Israely fahiny. Nijangajanga tamin’i Batseba izy, ary nahariharin’i Natana mpaminany taminy ny fahotany. Nibebaka i Davida taorian’izay, ary nivavaka hoe: “Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, araka ny fahasoavanao; araka ny haben’ny fiantranao vonoy ny fahadisoako. Sasao madio aho mba ho afa-keloka, ary diovy aho mba ho afa-pahotana. Fa tsaroako ny fahadisoako, ary eo anatrehako mandrakariva ny fahotako. Taminao dia taminao ihany no nanotako, ary izay ratsy eo imasonao no efa nataoko.”—Salamo 51:1-4.

9 Nanenina tongotra aman-tanana i Davida. Namela ny fahotany àry i Jehovah, ka nahenany ny sazy mendrika ho azy sy Batseba. Tokony hovonoina ho faty mantsy izy roa, raha araka ny Lalàn’i Mosesy. (Deoteronomia 22:22) Navela ho velona anefa izy ireo. Tsy maintsy nizaka ny vokatry ny fahotany ihany izy ireo, na izany aza. (2 Samoela 12:13) Araka izany, dia mamela heloka Andriamanitra rehefa mamindra fo. Tsy midika anefa izany hoe manafaka tanteraka an’ilay olona amin’ny sazy mendrika ho azy izy.

10. Nahoana isika no tsy tokony hanararaotra ny famindram-pon’i Jehovah?

10 ‘Niditra ho amin’izao tontolo izao ny ota [noho] ny olona iray’, dia i Adama. Mendrika ny ho faty àry ny olona rehetra, satria “fahafatesana no karama omen’ny ota.” (Romanina 5:12; 6:23) Tena tokony ho velom-pankasitrahana isika satria mamindra fo i Jehovah, rehefa mitsara antsika! Tsy maintsy mitandrina anefa isika mba tsy hanararaotra ny famindram-pony. Milaza ny Deoteronomia 32:4 fa “ny làlany rehetra dia amin’ny rariny avokoa.” Manao ny rariny amin’ny fomba tonga lafatra foana Andriamanitra, na dia rehefa mamindra fo aza.

11. Ahoana no ahafantarantsika fa nanaja ny rariny i Jehovah, rehefa nitsara an’i Davida?

11 Tsy ho azo nesorina tamin’i Davida sy Batseba ilay fanamelohana ho faty, raha tsy efa voavela aloha ny fahotany. Tsy nahazo alalana hamela ny fahotan’izy ireo anefa ny mpitsara israelita. Raha izy ireo no navela hitsara an’ilay raharaha, dia tsy ho afa-nanoatra fa tsy maintsy nanameloka azy roa ho faty. Izay no notakin’ny Lalàna. Kanefa, noho ny fanajana an’ilay fifanekena nataony tamin’i Davida, dia tian’i Jehovah ny hamantatra sao mba nisy antony azo namelana ny fahotany ihany. (2 Samoela 7:12-16) Nifidy ny handray an-tanana an’ilay raharaha àry i Jehovah Andriamanitra, ilay “Mpitsara ny tany rehetra” sady ‘mpamantatra ny fo.’ (Genesisy 18:25; 1 Tantara 29:17) Afaka nahalala izay tena tao am-pon’i Davida izy. Afaka namantatra izy raha tena nibebaka i Davida, ka ho azony avela ny helony.

12. Inona no tokony hataon’ny olombelona mpanota, mba hahazoany famindram-po amin’Andriamanitra?

12 Efa hitantsika teo fa tsy manameloka antsika ho faty i Jehovah, na dia mendrika an’izany aza isika noho ny ota nolovantsika. Mifanaraka amin’ny rariny izany famindram-pony izany. Nanome ny sorom-panavotana mantsy izy, mba hahazoantsika famelan-keloka sady tsy hahatonga azy handika ny fitsipiny momba ny rariny. Io sorona nataon’i Jesosy Kristy Zanany io no fomba lehibe indrindra nanehoan’i Jehovah ny famindram-pony. (Matio 20:28; Romanina 6:22, 23) Tsy maintsy ‘maneho finoana ny Zanaka’ àry isika, raha te hahazo ny famindram-pon’Andriamanitra, izay manafaka antsika amin’ilay sazy vokatry ny ota.—Jaona 3:16, 36.

Sady mamindra fo Andriamanitra no manao ny rariny

13, 14. Manalefaka ny fampiharan’Andriamanitra ny rariny ve ny famindram-pony? Hazavao.

13 Hitantsika teo fa manaja ny rariny i Jehovah rehefa mamindra fo. Manova ny rariny àry ve izy, rehefa mamindra fo? Manalefaka ny rariny ve ny famindram-pony, ka lasa tsy mampihatra ny rariny amin’ny fomba feno izy? Tsy izany mihitsy.

14 Nasain’i Jehovah nampita an’izao hafatra izao tamin’ny Israelita i Hosea mpaminany: “Hofofoiko ho vadiko mandrakizay hianao, eny, hofofoiko ho vadiko amin’ny rariny sy ny hitsiny ary amin’ny fitiavana sy ny indrafo hianao.” (Hosea 2:21) Hita tsara eo fa ny famindram-pon’i Jehovah dia mifanaraka foana amin’ny toetrany hafa rehetra. Anisan’izany ny rariny. “Andriamanitra mamindra fo sy miantra” i Jehovah, ary “mamela heloka sy fahadisoana ary fahotana, kanefa tsy mety manamarina ny meloka.” (Eksodosy 34:6, 7) Sady mamindra fo àry izy no manao ny rariny. Hoy ny Baiboly momba azy: “Ny amin’ny Vatolampy, tanteraka ny asany; fa ny làlany rehetra dia amin’ny rariny avokoa.” (Deoteronomia 32:4) Samy tonga lafatra, na ny fanaovan’Andriamanitra ny rariny, na ny famindram-pony. Tsy misy hoe tsara kokoa amin’ireo toetra ireo. Tsy hoe hentitra ny rariny ka mila ny famindram-po mba hanalefaka azy, ary tsy hoe malefaka ny famindram-po ka mila ny rariny. Mifandanja tsara ny fanehoan’i Jehovah an’ireo toetra ireo.

15, 16. a) Inona no porofo fa tsy hentitra be i Jehovah rehefa mampihatra ny rariny? b) Inona no azo antoka fa hataon’i Jehovah, rehefa hampihatra ny didim-pitsarany amin’ity tontolo ratsy ity izy?

15 Tsy hentitra be i Jehovah rehefa mampihatra ny rariny. Matetika no misy ifandraisany amin’ny raharaham-pitsarana ny hoe rariny, ary rehefa mivoaka ny didim-pitsarana dia misy sazy tokony hampiharina amin’ny mpanao ratsy. Mety hahatonga an’Andriamanitra hamonjy ny olona mendrika koa anefa ny fanaovany ny rariny. Namonjy an’i Lota sy ny zanany roa vavy izy, ohatra, rehefa nandringana ny olona ratsy tao Sodoma sy Gomora.—Genesisy 19:12-26.

16 Afaka matoky koa isika fa hamonjy ny “vahoaka be” i Jehovah, rehefa hampihatra ny didim-pitsarany amin’ity tontolo ratsy ity. Amin’izay dia ho tafavoaka ‘amin’ny fahoriana lehibe’ ireo tena mpivavaka ireo, izay ‘nanasa sy namotsy ny akanjony tamin’ny ran’ny Zanak’ondry.’—Apokalypsy 7:9-14.

Nahoana isika no tokony hamindra fo?

17. Manomeza antony lehibe iray tokony hamindrana fo.

17 Ahafantarana ny tena atao hoe famindram-po tokoa ny modely omen’i Jehovah sy Jesosy Kristy. Manome antony lehibe tokony hanehoana an’io toetra io ny Ohabolana 19:17, manao hoe: “Izay miantra ny malahelo dia mampisambotra an’i Jehovah, ary izay nomeny dia honerany kosa.” Faly i Jehovah rehefa manahaka azy sy ny Zanany isika, ka mifaneho famindram-po. (1 Korintianina 11:1) Mandrisika ny hafa mba hamindra fo koa izany, satria rehefa mamindra fo aminy isika, dia lasa te hamindra fo amintsika koa izy.—Lioka 6:38.

18. Nahoana isika no tokony hiezaka hamindra fo?

18 Fitambaran’ny toetra tsara maro ny famindram-po. Anisan’izany ny hatsaram-panahy sy ny fitiavana ary ny fanaovan-tsoa. Ny fangoraham-po na ny fiantrana no tena mandrisika ny olona haneho famindram-po. Ary na dia tsy mampandefitra ny rariny aza i Jehovah rehefa mamindra fo, dia tsy mora tezitra izy fa maharitra, ka manome fotoana ampy tsara ho an’ny mpanao ratsy mba hibebahany. (2 Petera 3:9, 10) Midika izany fa manana faharetana sy mahari-po koa ny olona mamindra fo. Maneho toetra tsara maro àry ny olona mamindra fo. Anisan’izany ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra. Noho izany, raha te hamindra fo isika, dia mila miezaka hanana an’ireo toetra tsara rehetra ireo. (Galatianina 5:22, 23) Tena ilaintsika mihitsy àry ny miezaka mba hamindra fo!

“Sambatra ny mamindra fo”

19, 20. Nahoana no azo lazaina hoe mandresy ny fitsarana ny famindram-po?

19 Tokony hamindra fo foana isika, satria “mandresy ny fitsarana ny famindram-po”, hoy i Jakoba mpianatra. (Jakoba 2:13b) Ny famindram-po asehon’ny mpanompon’i Jehovah amin’ny olon-kafa no noresahiny teo. Mandresy ny fitsarana izy io, satria rehefa tonga ny fotoana ‘hampamoahan’Andriamanitra’ ny mpanompony, dia hotsarovany ny famindram-po nasehony tamin’ny hafa, ka hamela ny helony izy noho ny sorom-panavotan’ny Zanany. (Romanina 14:12) Azo antoka fa anisan’ny antony namelana an’ilay fahotan’i Davida ny famindram-po nasehony tamin’ny hafa. (1 Samoela 24:5-8) Mifanohitra amin’izany kosa fa “hotsaraina tsy misy indrafo izay olona tsy mpamindra fo.” (Jakoba 2:13a) Tsy mahagaga àry raha ataon’Andriamanitra ho anisan’ireo “mendrika ny ho faty” ny olona “tsy misy antra”!—Romanina 1:31, 32.

20 Hoy i Jesosy tao amin’ny Toriteny teo An-tendrombohitra: “Sambatra ny mamindra fo, fa izy no hamindrana fo.” (Matio 5:7) Hamafisin’ireo teny ireo fa raha misy te hahazo famindram-po amin’Andriamanitra, dia izy mihitsy aloha no mila mamindra fo! Hovelabelarina ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny fomba azo anehoana an’io toetra io eo amin’ny fiainana andavanandro.

Inona no Nianaranao?

• Inona no atao hoe mamindra fo?

• Amin’ny fomba ahoana avy no hanehoana famindram-po?

• Nahoana no azo lazaina fa sady mamindra fo i Jehovah no manao ny rariny?

• Nahoana isika no tokony hamindra fo?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 21]

Mangoraka an’ireo mila fanampiana i Jehovah, toy ny reny mangoraka ny zanany

[Sary, pejy 23]

Inona no ianarantsika momba ny famindram-po rehefa mandinika ny fahagagana nataon’i Jesosy isika?

[Sary, pejy 24]

Tsy nanaja ny rariny ve i Jehovah rehefa namindra fo tamin’i Davida?

[Sary, pejy 25]

Manaja ny rariny Andriamanitra rehefa mamindra fo amin’ny olona mpanota