Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana no Avelan’Andriamanitra Hisy ny Faharatsiana?

Nahoana no Avelan’Andriamanitra Hisy ny Faharatsiana?

Nahoana no Avelan’Andriamanitra Hisy ny Faharatsiana?

MIELY patrana ny faharatsiana sy ny fijaliana. Mamono sivily sy miaramila ny ady. Manjaka ny heloka bevava sy ny herisetra. Nisy nanavakavaka angamba ianao vao haingana, na niharan’ny tsy rariny. Mety hanontany àry ianao hoe: ‘Nahoana no avelan’Andriamanitra hisy ny faharatsiana?’

Maro no efa nametra-panontaniana toy izany. Nanontany toy izao i Joba, mpanompon’Andriamanitra mahatoky, tokony ho 3 600 taona lasa izay: “Nahoana no velona ny ratsy fanahy?” (Joba 21:7) Sahiran-tsaina koa i Jeremia mpaminany, noho ny zava-dratsy nataon’ny mpiara-belona taminy. Nanontany toy izao izy, tokony ho 2 600 taona lasa izay: “Nahoana ary no ambinina ny làlan’ny ratsy fanahy? Nahoana no miadana ny mpiodina rehetra?” (Jeremia 12:1) Fantatr’i Joba sy Jeremia fa manao ny marina Andriamanitra. Nanontany tena anefa izy ireo hoe nahoana no manjaka ny faharatsiana. Mety hanontany tena toy izany koa ianao.

Mihevitra ny olona sasany fa avy amin’Andriamanitra ny faharatsiana sy ny fijaliana. Ny hafa kosa manontany tena hoe: ‘Raha be fitiavana sy manao ny rariny Andriamanitra, ary izy no mahery indrindra, nahoana no tsy esoriny ny faharatsiana sy ny fijaliana? Nahoana no avelany hisy hatramin’izao ny faharatsiana?’ Hovaliana ao amin’ny lahatsoratra manaraka ireo fanontaniana ireo sy ny fanontaniana lehibe hafa.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]

AP Photo/Adam Butler