Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana no Mbola Manjaka ny Faharatsiana?

Nahoana no Mbola Manjaka ny Faharatsiana?

Nahoana no Mbola Manjaka ny Faharatsiana?

HOY ny Baiboly: “Marina Jehovah [Andriamanitra] amin’ny làlany rehetra.” (Salamo 145:17; Apokalypsy 15:3) Hoy koa i Mosesy mpaminany momba azy: “Tanteraka ny asany; fa ny làlany rehetra dia amin’ny rariny avokoa. Andriamanitra mahatoky Izy, ka tsy misy ratsy ao aminy; marina sy mahitsy Izy.” (Deoteronomia 32:4) Milaza ny Jakoba 5:11 fa ‘be fitiavana sady mamindra fo i Jehovah.’ Tsy mitombina mihitsy àry ny hoe avy amin’Andriamanitra ny faharatsiana.

Hoy i Jakoba mpianatra: “Rehefa misy fitsapana, dia aoka izy tsy hilaza hoe: ‘Fitsapana avy amin’Andriamanitra izao.’ Sady tsy azo tsapaina amin-javatra ratsy mantsy Andriamanitra, no tsy mitsapa na iza na iza amin’izany koa.” (Jakoba 1:13) Tsy maka fanahy ny olona i Jehovah Andriamanitra. Avy amin’iza àry ny faharatsiana sy ny fijaliana?

Avy amin’iza ny faharatsiana?

Milaza i Jakoba fa anisan’ny tompon’andraikitra amin’ny faharatsiana ny olombelona. Hoy izy: ‘Tsapaina ny tsirairay rehefa voasariky ny fanirian’ny tenany ihany ka voafandrik’izany. Ary ny faniriana rehefa kolokoloina, dia miteraka fahotana, ary ny fahotana kosa rehefa notanterahina, dia miteraka fahafatesana.’ (Jakoba 1:14, 15) Mety hanao zavatra tsy mety ny olona noho ny fanirian-dratsiny. Nandova ota koa ny olombelona. Ny ota no mampitombo ny fanirian-dratsy, ka mahatonga ny olona hanao zavatra faran’izay ratsy. (Romanina 7:21-23) ‘Manjaka’ amin’ny olombelona tokoa ny ota nolovana ka mahatonga azy ireo hanao ratsy. Miteraka fijaliana izany. (Romanina 5:21) Mitaona ny hafa hanao ratsy koa ny olona ratsy fanahy.—Ohabolana 1:10-16.

I Satana Devoly anefa no tena mahatonga ny faharatsiana. Izy no nampisy ny faharatsiana voalohany teto an-tany. Nantsoin’i Jesosy Kristy hoe ‘ilay ratsy’ sy “mpitondra an’izao tontolo izao” i Satana. Ireo olona tsy marina no atao hoe izao tontolo izao. Mampirisika ny olombelona tsy hiraharaha ny lalana marin’i Jehovah i Satana, ary mankatò azy ny ankamaroan’ny olona. (Matio 6:13; Jaona 14:30; 1 Jaona 2:15-17) Hoy ny 1 Jaona 5:19: ‘Izao tontolo izao manontolo dia eo ambany fahefan’ilay ratsy.’ “Mamitaka ny tany rehetra misy mponina” i Satana sy ny anjeliny, ary “loza” no vokatr’izany. (Apokalypsy 12:9, 12) I Satana Devoly àry no tena mahatonga ny faharatsiana.

Tsy ireo ihany anefa no mahatonga ny fahoriana na ny fijaliana. Hoy ny Mpitoriteny 9:11: ‘Samy mahazo antsika rehetra ny fotoana sy ny sampona.’ Niresaka momba an’ireo olona 18 maty nianjeran’ny tilikambo i Jesosy Kristy. (Lioka 13:4) Niharan-doza izy ireo satria teo amin’ilay toerana, tamin’ny fotoana nitrangan’ilay loza. Mitranga koa izany ankehitriny. Mety hianjera amin’ny mpandalo, ohatra, ny biriky miendaka avy amin’ny trano iray avo be. Andriamanitra ve no tokony homen-tsiny amin’izany? Tsia. Zava-nitranga tsy nampoizina izany. Tsy Andriamanitra koa no tokony homen-tsiny raha misy fianakaviana marary, na raim-pianakaviana maty ka lasa mpitondra tena sy kamboty ny vady aman-janany.

Tsy Andriamanitra àry no mahatonga ny faharatsiana sy ny fijaliana. Mikasa hamongotra ny faharatsiana sy izay mahatonga izany kosa izy. (Ohabolana 2:22) Tsy izay ihany anefa no hataony. Milaza ny Soratra Masina fa horavan’Andriamanitra ny “asan’ny Devoly.” Hanatanteraka izany izy amin’ny alalan’i Kristy. (1 Jaona 3:8) Tsy hisy intsony amin’izay ity tontolo ratsy ity, izay anjakan’ny fitiavam-bola sy ny fankahalana ary ny faharatsiana. Hofafan’Andriamanitra mihitsy aza ny “ranomaso” amin’ny mason’ny olona rehetra, ka tsy hisy intsony ny fijaliana. (Apokalypsy 21:4) Mety hanontany anefa ianao hoe: ‘Nahoana izy no mbola tsy manao an’izany, hatramin’izao? Nahoana no mbola avelany hisy ny faharatsiana sy ny fijaliana?’ Manampy antsika hamaly izany ny tantaran’i Adama sy Eva, ao amin’ny Baiboly.

Ady hevitra lehibe

Mifandray amin’ny zava-nitranga tany am-piandohan’ny tantaran’ny olombelona, ny antony mbola amelan’Andriamanitra ny faharatsiana hisy. Nisy ady hevitra lehibe momba ny Mpamorona, tamin’izay. Sarotra alamina ilay izy ka mila fotoana. Andeha isika handinika an’ilay zava-nitranga.

Nataon’i Jehovah Andriamanitra lavorary ilay mpivady voalohany ary napetrany tao amin’ny Paradisa. Nomeny zo hifidy izay tiany hatao izy ireo, ary izany no mampiavaka azy ireo amin’ny biby. (Genesisy 1:28; 2:15, 19) Afaka nifidy izy ireo na ho tia sy hanompo ary hankatò ny Mpamorona, na tsy hiantehitra amin’Andriamanitra sy tsy hankatò azy.

Nisy zavatra iray tsy navelan’ilay Andriamanitra marina hataon’i Adama sy Eva, mba hahafahan’izy ireo hampiseho ny fitiavany azy. Hoy izy tamin’i Adama: “Ny hazo rehetra eo amin’ny saha dia azonao ihinanana ihany; fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana; fa amin’ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa hianao.” (Genesisy 2:16, 17) Tsy tokony hihinana ny voan’io hazo io izy mivady, raha tiany ny hahazo sitraka amin’Andriamanitra foana. Hahasoa azy ireo sy ny taranany izany. Hankatò ve izy ireo?

Milaza amintsika izay nitranga ny Baiboly. Nampiasa bibilava i Satana Devoly mba hiresahana tamin’i Eva. Hoy izy: “Hanky! efa nataon’Andriamanitra hoe: Aza ihinananareo ny hazo rehetra eo amin’ny saha?” Nanonona an’ilay didin’Andriamanitra i Eva, mba hamaliana an’i Satana. Hoy anefa i Satana: “Tsy ho faty tsy akory hianareo; fa fantatr’Andriamanitra fa amin’izay andro hihinananareo azy dia hahiratra ny masonareo, ka ho tahaka an’Andriamanitra hianareo, hahalala ny tsara sy ny ratsy.” Lasa te hihinana an’ilay voankazo i Eva. “Nanotazany [àry] ny voany ka nihinanany.” Avy eo dia ‘nomeny koa ny vadiny, ka nihinana.’ (Genesisy 3:1-6) Samy nampiasa tamin’ny fomba ratsy ny safidy nananany àry i Adama sy Eva. Nanota izy ireo satria tsy nankatò an’Andriamanitra.

Tena lehibe iny zava-nitranga iny. Notoherin’ny Devoly ireo zavatra nolazain’Andriamanitra tamin’i Adama. Toa te hilaza i Satana fa tsy mila ny fanampian’i Jehovah i Adama sy Eva, raha te hahalala ny tsara sy ny ratsy. Nilaza i Satana fa tsy manana zo hitondra ny olombelona i Jehovah sady tsy mahay mitondra. Inona no nataon’ilay Andriamanitra marina manoloana izany?

Nilaina ny fotoana ampy

Afaka nandringana an’i Satana sy Adama ary Eva, i Jehovah. Mazava ho azy fa matanjaka kokoa noho izy ireo Andriamanitra. Tsy nilaza anefa i Satana hoe tsy matanjaka Andriamanitra. Nolazainy kosa fa tsy manana zo hitondra izy. Mahakasika ny anjely sy ny olombelona ilay raharaha. Tokony ho takatry ny anjely sy ny olona fa tsy maintsy mampiasa tsara ny safidy ananany izy ireo. Tsy tokony handika ny fitsipik’Andriamanitra izy ireo, na momba ny fitondran-tena izany na fivavahana na zavatra hafa. Raha tsy izany mantsy dia hiharan-doza izy ireo, toy ny lehilahy iray mitsambikina avy eny amin’ny tafon’ny trano iray avo be, noho izy tsy miraharaha ny lalàna momba ny hery misinton’ny tany. Tsy maintsy haratra be izy. (Galatianina 6:7, 8) Handray soa ny anjely sy ny olombelona rehefa mahita fa iharan-doza izay mifidy ny tsy hiantehitra amin’Andriamanitra. Mila fotoana anefa izy ireo mba hahatakarana izany.

Indro misy ohatra mba hanazavana izany: Andeha atao hoe misy raim-pianakaviana iray mihantsy raim-pianakaviana iray hafa, mba hahitana hoe iza amin’izy roa lahy no matanjaka kokoa. Tsy sarotra ny mamantatra an’izany. Azon’izy ireo atao ny mibata vato be, ka izay mahazaka ny vato mavesatra indrindra no matanjaka kokoa. Ahoana indray anefa raha izao no tiana ho fantatra: Iza amin’izy ireo no tena tia zanaka sady tian’ny zanany, na tena mahay mitondra ny ankohonany? Tsy ampy ny teny sy ny fampisehoan-kery mba hamantarana izany. Mila fotoana ampy kosa ny olona mba handinihana izany. Ho hitan’ny olona, amin’izay, hoe iza amin’izy roa lahy no ray mendrika kokoa.

Inona no voaporofo rehefa nandeha ny fotoana?

Efa 6 000 taona teo ho eo izay no nilazan’i Satana fa tsy manana zo hitondra Andriamanitra. Inona no nasehon’ny tantara? Eritrereto ny lafin-javatra roa niampangan’i Satana an’Andriamanitra. Sahy nilaza tamin’i Eva i Satana fa “tsy ho faty” izy mivady, raha mihinana an’ilay voankazo voarara. (Genesisy 3:4) Rehefa nanao izany i Satana, dia i Jehovah mihitsy no nolazainy fa mpandainga. Fanaratsiana tsy misy hoatra izany! Raha nandainga Andriamanitra tamin’iny fotoana iny, ahoana moa no mbola hatokisana azy? Inona anefa no voaporofo, rehefa nandeha ny fotoana?

Lasa narary sy nijaly ary nihantitra i Adama sy Eva, ary maty tamin’ny farany. Hoy ny Baiboly: “Ny andro rehetra niainan’i Adama dia telo-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy.” (Genesisy 3:19; 5:5) Nifindra tamin’ny taranak’i Adama rehetra ny fahafatesana. (Romanina 5:12) Rehefa nandeha ny fotoana, dia voaporofo fa ‘mpandainga sady rain’ny lainga’ i Satana, ary “Andriamanitry ny fahamarinana” kosa i Jehovah.—Jaona 8:44; Salamo 31:5.

Hoy koa i Satana tamin’i Eva: “Fantatr’Andriamanitra fa amin’izay andro hihinananareo [an’ilay voankazo voarara] dia hahiratra ny masonareo, ka ho tahaka an’Andriamanitra hianareo [Adama sy Eva], hahalala ny tsara sy ny ratsy.” (Genesisy 3:5) Ireo teny ireo no namitahan’i Satana ny olombelona. Te hilaza izy hoe afaka mifampitondra ny olombelona fa tsy mila an’Andriamanitra. Te hilaza koa izy fa ho tsara kokoa ny fiainan’ny olombelona raha tsy miantehitra amin’Andriamanitra. Marina ve izany?

Maro ny fanjakana nifandimby hatramin’izay. Nandramana daholo izao karazana fitondrana rehetra izao. Nisy zava-nahatsiravina nitranga foana anefa. Marina tokoa ny fanatsoahan-kevitry ny mpanoratra Baiboly iray, efa ho 3 000 taona lasa izay. Hoy mantsy izy: ‘Manapaka ny namany ny olona ka mampiditra loza aminy.’ (Mpitoriteny 8:9) Hoy koa i Jeremia mpaminany: ‘Tsy an’ny olombelona ny hahalavorary ny diany.’ (Jeremia 10:23) Marina foana ireo teny ireo, na dia eo aza ny fandrosoan’ny siansa sy ny teknolojia, tato anatin’ireo taona faramparany. Voaporofo àry fa tena tsy mahay mifampitondra ny olombelona.

Inona no hataonao?

Voaporofo, rehefa nandeha ny fotoana, fa diso ilay fiampangan’i Satana hoe tsy manana zo hitondra i Jehovah. I Jehovah Andriamanitra no tena Mpanjakan’izao rehetra izao. Manana zo hitondra an’ireo zavaboariny izy, ary ny fomba fitondrany no tsara indrindra. Manaiky izany ireo anjely any an-danitra, izay efa nahita ny fomba fitondran’Andriamanitra nandritra ny taona maro. Hoy izy ireo: “Mendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery ianao, Jehovah ô, eny, ry Andriamanitray ô, satria namorona ny zava-drehetra ianao, ary noho ny sitraponao no nampisy sy namoronana azy ireny.”—Apokalypsy 4:11.

Araka ny hevitrao, manan-jo hitondra ve Andriamanitra? Ekenao ho mpitondra anao ve izy? Manaiky ny zon’i Jehovah hitondra ianao, raha ekenao ho mpitondra anao izy. Ahoana no ampisehoanao izany? Mila miaina mifanaraka amin’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly ianao, sady mankatò ny toroheviny amin’izay rehetra ataonao. “Andriamanitra dia fitiavana.” (1 Jaona 4:8) Noho ny fitiavany an’ireo zavaboariny no nahatonga azy hanao lalàna sy didy. Omen’i Jehovah antsika foana izay zavatra mahasoa antsika. Afaka mandray am-po an’ity fampirisihan’ny Baiboly ity àry ianao: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao; maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny làlanao.”—Ohabolana 3:5, 6.

[Sary, pejy 7]

Manaiky ny zon’Andriamanitra hitondra ianao raha mianatra Baiboly sy mampihatra azy io eo amin’ny fiainanao

[Sary nahazoan-dalana, pejy 4]

© Jeroen Oerlemans/Panos Pictures