Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Inona ny Marina?”

“Inona ny Marina?”

“Inona ny Marina?”

IZANY fanontaniana somary maneso izany no napetrak’i Pontio Pilato Governora Romanina tamin’i Jesosy. Tsy dia ny hahazo ny valin’izany no notadiaviny, ary i Jesosy koa moa tsy namaly ilay fanontaniana. Nihevitra angamba i Pilato fa saro-takarina loatra ny fahamarinana.—Jaona 18:38.

Miombon-kevitra amin’izany ny olona maro ankehitriny. Anisan’izany ny mpitondra fivavahana sy mpanabe ary mpanao politika. Milaza izy ireo fa tsy misy ny tena fahamarinana ary miovaova foana izy io, indrindra eo amin’ny fitondran-tena sy fifandraisana amin’Andriamanitra. Toa te hilaza izany fa ny tsirairay no mamaritra izay atao hoe tsara sy ratsy. (Isaia 5:20, 21) Te hilaza koa izany fa azo heverina ho lany andro ny fitsipi-pitondran-tena narahin’ny olona fahiny.

Tsara homarihina anefa ny tenin’i Jesosy, izay nahatonga an’i Pilato hametraka an’io fanontaniana io. Hoy izy: “Izao no nahaterahako, ary izao no nahatongavako ho amin’izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina.” (Jaona 18:37) Tsy nieritreritra mihitsy izy hoe hevitra manjavozavo sy saro-takarina ny fahamarinana. Niteny tamin’ny mpianany kosa izy hoe: “Ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hanafaka anareo.”—Jaona 8:32.

Aiza no ahitana izany marina izany? Hoy i Jesosy, rehefa nivavaka tamin’Andriamanitra: “Ny teninao no fahamarinana.” (Jaona 17:17) Voarakitra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra àry ny fahamarinana, izay manome tari-dalana azo itokisana sy fanantenana azo antoka momba ny hoavy, dia ny fiainana mandrakizay.—2 Timoty 3:15-17.

Nolavin’i Pilato ny fanasana azy hamantatra an’io fahamarinana io. Ahoana ny aminao? Nahoana raha mangataka ny Vavolombelon’i Jehovah mba hanazava tsara aminao ny momba an’io “marina” nampianarin’i Jesosy io? Ho faly izy ireo hanao izany.