Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miezaha Hanao ny Sitrapon’Andriamanitra Dieny Izao

Miezaha Hanao ny Sitrapon’Andriamanitra Dieny Izao

Miezaha Hanao ny Sitrapon’Andriamanitra Dieny Izao

“Maty ho an’ny rehetra [i Kristy], mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona.”—2 KORINTIANINA 5:15.

1. Tantarao ny zavatra niainan’ny misionera iray.

HOY i Aaron, * misionera tany Afrika: “Ny fiaranay no fiara sivily niditra voalohany tao amin’ny tanàna iray any ambanivohitra be, taorian’ny ady an-trano. Tsy afaka nifandray tamin’ilay fiangonana kely tany izahay, ka tsy maintsy nankany mba hanampy an’ireo rahalahy. Nivatsy sakafo sy fitafiana ary boky sy gazety ara-baiboly izahay. Nentinay tany koa ilay video hoe Ny Vavolombelon’i JehovahIlay Fandaminana ao Ambadik’ilay Anarana. * Voatery nalefa indroa ilay izy, satria maro be ny olona liana tonga tao amin’ilay ‘sineman’ny tanàna.’ Trano malalaka vita tamin’ny bozaka izy io ary nisy fitaovana fandefasana video. Be dia be no naniry hianatra Baiboly taorian’ny fampisehoana tsirairay. Tsy very maina tokoa ny ezaka rehetra nataonay.”

2. a) Inona no mahatonga ny Kristianina ho tapa-kevitra hampiasa ny fiainany hanompoana an’Andriamanitra? b) Inona avy no fanontaniana hodinihintsika?

2 Inona no antony nanaovan’i Aaron sy ny namany an’izany zavatra sarotra izany? Satria mankasitraka ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy izy ireo, ka nanolo-tena ho an’Andriamanitra ary maniry hampiasa ny fiainany mba hanaovana ny sitrapony. Tapa-kevitra toa azy ireo koa ny Kristianina rehetra vita fanoloran-tena fa “tsy ho velona ho an’ny tenany intsony”, fa hanao ny zava-drehetra “noho ny vaovao tsara.” (2 Korintianina 5:15; 1 Korintianina 9:23) Fantany fa tsy hisy dikany mihitsy ny vola sy ny toerana ambony, rehefa ho ringana ity tontolo ity. Raha mbola velona sy salama àry izy ireo, dia te hampiasa ny ainy sy ny fahasalamany mba hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra. (Mpitoriteny 12:1) Inona avy no tokony hataontsika mba hahavitana izany? Ahoana no hananantsika herim-po sy herin-tsaina ary tanjaka ho amin’izany? Ary inona avy no karazana fanompoana mety ho azontsika atao?

Ahoana no ahafahana mandroso sy mandresy vato misakana?

3. Inona avy no dingana voalohany ilaina hatao mba hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra?

3 Mandritra ny fiainany manontolo ny tena Kristianina no manao ny sitrapon’Andriamanitra. Ireto matetika no dingana voalohany amin’izany: mamaky Baiboly isan’andro, misoratra anarana amin’ny Sekolin’ny Fanompoana, mitory, ary miroso ho amin’ny batisa. Arakaraka ny anaovantsika fandrosoana, dia tsara ny itadidiantsika an’izao tenin’ny apostoly Paoly izao: “Eritrereto tsara izany, ary aoka ianao hifantoka tanteraka amin’izany, mba hiseho amin’ny rehetra ny fandrosoanao.” (1 Timoty 4:15) Tsy fitadiavana voninahitra no antony anaovantsika fandrosoana, fa noho isika tapa-kevitra hanao ny sitrapon’Andriamanitra ary tsy mitady tombony. Asehontsika amin’izany fa manaiky ny tari-dalany isika eo amin’ny lafim-piainana rehetra, ary tsy misy mahay mitari-dalana antsika noho izy.—Salamo 32:8.

4. Inona no azontsika atao mba handresena ny tahotra?

4 Mety hisakana antsika tsy handroso anefa ny fisalasalana, na ny fieritreretana be loatra momba ny tenantsika. (Mpitoriteny 11:4) Angamba mila mandresy ny tahotra aloha isika, vao tena hahita fifaliana eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra sy ny hafa. Nikasa hanompo teo anivon’ny fiangonana miteny vahiny, ohatra, i Erik. Nanahy anefa izy hoe: ‘Ho haiko ve ny hiaraka amin’ny fiangonana any? Ho tiako ve ry zareo, ary ry zareo ve ho tia ahy?’ Hoy izy: “Takatro tamin’ny farany fa nila nieritreritra bebe kokoa an’ireo rahalahy aho, fa tsy nifantoka tamin’ny tenako. Nanapa-kevitra ny tsy hanahy intsony aho, fa hiezaka hahafoy tena hanampy ny hafa araka izay vitako. Nangataka fanampiana tamin’i Jehovah aho ary nifindra amin’izay. Tena mahafinaritra ahy ny manompo atỳ.” (Romanina 4:20) Ho faly sy ho afa-po tokoa isika, rehefa mahafoy tena manompo an’Andriamanitra sy ny hafa.

5. Nahoana isika no mila mahay mandamina ny fiainantsika, raha te hanao ny sitrapon’Andriamanitra? Manomeza ohatra.

5 Mila mahay mandamina ny fiainantsika koa isika, raha te hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Hendry, ohatra, isika raha tsy midi-trosa be, mba tsy ho lasa andevon’ity tontolo ity, ka tsy ho afaka hanompo tsara an’Andriamanitra. Mampahatsiahy antsika ny Baiboly hoe: “Izay misambotra dia mpanompon’ny mampisambotra.” (Ohabolana 22:7) Hifantoka amin’ny zava-dehibe kokoa isika, raha matoky an’i Jehovah sy manao ny fanompoana azy ho loha laharana. Miara-mipetraka amin’ny reniny, ohatra, i Guoming sy ny anabaviny roa. Lafo ny hofan-trano any amin-dry zareo, ary sarotra ny mahita asa raikitra. Miezaka mitantam-bola tsara àry izy ireo, ary samy mandray anjara amin’ny fandaniana ao an-trano. Noho izany, dia manana izay ilainy foana izy ireo, na tsy an’asa aza ny sasany aminy indraindray. Hoy i Guoming: “Tsy mandray karama ny sasany aminay indraindray. Mbola afaka manao ny asan’ny mpisava lalana foana anefa izahay, sady mahavita mikarakara tsara an’i Neny. Misaotra an’i Neny izahay fa tsy mampirisika anay hiala amin’ny fanompoana izy, mba hahafahanay hividy zavatra tsara sy lafo vidy ho azy.”—2 Korintianina 12:14; Hebreo 13:5.

6. Manomeza ohatra mampiseho fa afaka miaina mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra isika.

6 Mety hila hanao fiovana be ianao, raha tianao hatao loha laharana ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra, nefa be atao amin’ny raharaham-barotra, na zavatra hafa ianao. Tsy vita ao anatin’ny fotoana fohy izany fiovana izany matetika. Tsy tokony hieritreritra koa ianao hoe tsy ho vitanao mihitsy izany, raha toa ka efa nanandrana ianao nefa tsy nahomby. Nandany fotoana be loatra tamin’ny fialam-boly, ohatra, i Koichi. Efa nianatra Baiboly izy tamin’izy mbola zatovo, nefa lalao video no nandaniany ny androatokom-piainany. Niteny anakampo izy indray andro hoe: ‘Ity izaho e! Efa 30 taona mahery aho nefa tsy hitako mihitsy izay mba zavatra mahafa-po vitako!’ Niverina nianatra Baiboly izy, ary nanaiky nampian’ny fiangonana. Tsy kivy izy na dia nandeha niandalana aza ny fiovany. Nivavaka mafy izy ary nanampy azy tamim-pitiavana ny olon-kafa, ka afaka tamin’ilay fahazarany izy. (Lioka 11:9) Mpanampy amin’ny fanompoana izao i Koichi, ary mahafaly azy ny manao an’io andraikiny io.

Aoka ianao hahay handanjalanja

7. Nahoana isika no mila mahay mandanjalanja rehefa manao ny asan’Andriamanitra?

7 Rariny raha miezaka mafy isika mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Tsy tokony halaina na hitsitsy tena mihitsy isika amin’izany. (Hebreo 6:11, 12) Tsy tian’i Jehovah ho lany hery tanteraka, na ho rera-tsaina sy ho rera-po anefa isika. Manome voninahitra azy isika sady mahay mandanjalanja, raha manetry tena ka miaiky fa tsy vitantsika amin’ny herintsika samirery ny asany. (1 Petera 4:11) Mampanantena i Jehovah fa hanome ny hery ilaintsika mba hanaovana ny sitrapony. Tsy mety anefa raha manao mihoatra noho izay tokony ho vitantsika isika. Manao zavatra tsy angatahin’i Jehovah isika raha manao izany. (2 Korintianina 4:7) Raha tiantsika ny hanompo azy foana, nefa tsy ho lany hery tanteraka, dia mila mandanjalanja ny fomba ampiasantsika ny herintsika isika.

8. Niezaka nanao ny tsara indrindra tamin’ny fanompoany an’i Jehovah sy ny asany, ny tovovavy iray. Inona no nanjo azy, ary inona no fiovana nataony?

8 Manasongadina izany ny tantaran’i Ji Hye, any Azia Atsinanana. Nanao asa mafy be izy nandritra ny roa taona. Mpisava lalana koa anefa izy. Hoy izy: “Niezaka nanao ny tsara indrindra aho, na tamin’ny fanompoako an’i Jehovah, na tamin’ny asako. Tsy natory afa-tsy adiny dimy isak’alina anefa aho. Tsy nanana herin-tsaina hanompoana an’i Jehovah intsony aho tamin’ny farany, ka tsy dia nahita fifaliana intsony tamin’ny fanompoana.” Nitady asa tsy dia mafy loatra àry i Ji Hye, mba hahafahany hanompo an’i Jehovah amin’ny ‘fony sy ny tenany sy ny sainy ary ny heriny manontolo.’ (Marka 12:30) Hoy izy: “Na dia nampirisika ahy mafy hitady asa be karama aza ny fianakaviako, dia niezaka foana aho mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra ho loha laharana. Mbola ampy ahy tsara anefa ny karamako mba hividianako izay ilaiko. Anisan’izany ny fitafiana mendri-kaja. Azoko koa ny aiko izao, satria ampy torimaso tsara aho! Mahita fifaliana koa aho rehefa manompo, ary nihatsara ny fifandraisako amin’i Jehovah. Ny tena nanampy ahy dia izaho tsy mahita be loatra an’ireo zavatra manintona sy mahavariana eto amin’ity tontolo ity.”—Mpitoriteny 4:6; Matio 6:24, 28-30.

9. Nahoana no azo lazaina hoe misy heriny eo amin’ny olona ny ezaka ataontsika?

9 Tsy ny rehetra no afaka ho mpitory ny vaovao tsara manontolo andro. Ao ny efa be taona, na marary na misy zavatra hafa misakana azy. Raha izany no mahazo anao, dia tadidio fa tena mankasitraka ny fahatokianao i Jehovah. Sarobidy aminy koa izay fanompoana rehetra vitanao amin’ny fo manontolo. (Lioka 21:2, 3) Tsy tokony hisy hieritreritra àry hoe tsy misy dikany ny vokatry ny ezaka ataony. Na kely aza mantsy izany, dia mety hisy heriny eo amin’ny hafa. Aoka hatao hoe nitory tamin’ny trano vitsivitsy isika, ary toa tsy nisy liana ny olona hitantsika. Rehefa lasa anefa isika, dia mety hiresaka momba ny fitsidihantsika ireny olona ireny, eny fa na dia efa ela be atỳ aoriana aza, ary na dia tsy nandray antsika akory aza izy! Tsy manantena isika hoe handray tsara ny hafatra momba ny vaovao tsara torintsika ny rehetra. Matoky kosa anefa isika fa hihaino ihany ny sasany. (Matio 13:19-23) Mety handray tsara ny hafa, rehefa miova ny toe-draharaha eran-tany, na miova ny fiainany. Na ahoana na ahoana, dia manao ny asan’Andriamanitra isika rehefa manompo araka izay vitantsika. ‘Mpiara-miasa aminy’ isika.—1 Korintianina 3:9.

10. Inona no azon’ny rehetra atao eo anivon’ny fiangonana?

10 Afaka manampy ny mpianakavintsika sy ny mpiara-manompo koa isika rehetra. (Galatianina 6:10) Mety hisy vokany lehibe sy maharitra eo amin’ny hafa ny modely omentsika. (Mpitoriteny 11:1, 6) Manampy an’ireo rahalahy hifandray tsara amin’i Jehovah foana ny anti-panahy sy ny mpanampy amin’ny fanompoana, rehefa mazoto mamita ny andraikiny. Manjary marisika amin’ny fanompoana koa ny fiangonana noho izany. Matoky isika fa tsy ho “very maina” ny ezaka ataontsika, rehefa “be atao ... amin’ny asan’ny Tompo” isika.—1 Korintianina 15:58.

Ataovy anton’asa ny fanompoana an’Andriamanitra

11. Inona avy no karazana fanompoana misy any an-toeran-kafa, ankoatra ny ao amin’ny fiangonanao?

11 Mahafinaritra antsika Kristianina ny miaina, ary te hanome voninahitra an’Andriamanitra amin’izay rehetra ataontsika isika. (1 Korintianina 10:31) Betsaka ny karazana fanompoana mahafa-po mety ho azontsika atao, rehefa miezaka isika mba hamita tsara foana ny fitoriana an’ilay Fanjakana sy ny fampianarana ny olona hitandrina izay rehetra nandidian’i Jesosy. (Matio 24:14; 28:19, 20) Ankoatra ny fiaraha-miasa amin’ny fiangonana misy antsika, dia mety ho afaka hanompo any amin’izay ilana mpitory maro kokoa isika. Mety ho any amin’ny faritany hafa izany, na eo anivon’ny fiangonana miteny vahiny, na any an-tany hafa. Mety hasaina hanatrika ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana, ohatra, ny anti-panahy sy ny mpanampy amin’ny fanompoana mpitovo, mahafeno fepetra. Asaina manompo eo anivon’ny fiangonana mila fanampian’ny Kristianina matotra izy ireo, rehefa vita ny fiofanany. Mety ho ao amin’ny taniny ihany izany, na any an-tany hafa. Mety hahafeno fepetra hiofana ho misionera any amin’ny Sekolin’i Gileada ny mpivady manompo manontolo andro, ary tendrena ho any an-tany hafa avy eo. Ilaina foana koa ny mpiasa an-tsitrapo mba hanao asa isan-karazany any amin’ny Betela, na mba hanorina sy hikojakoja trano fivoriana sy tranon’ny sampana.

12, 13. a) Inona no hanampy anao hifidy izay fanompoana hataonao? b) Mety hilaina amin’ny karazana fanompoana hafa ny fahaizana azonao amin’ny fanompoana iray. Hazavao amin’ny ohatra.

12 Inona no karazana fanompoana hofidinao? Mpanompon’i Jehovah vita fanoloran-tena ianao, ka mitadiava foana tari-dalana avy aminy sy avy amin’ny fandaminany. Hanampy anao hahay hanao safidy ny ‘fanahiny tsara.’ (Nehemia 9:20) Matetika ny olona iray nahazo fanendrena no voatendry ho amin’ny fanompoana hafa indray any aoriana. Mety hahatonga azy hanana ny fahaizana ilaina amin’ilay karazana fanompoana vaovao anendrena azy, ilay fanompoana nataony teo aloha.

13 Nandray anjara tsy tapaka tamin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana, ohatra, ry Dennis sy Jenny mivady. Rehefa namely ny faritra atsimon’i Etazonia ny Rivo-doza Katrina, dia nanolo-tena hanampy ny tra-boina tany izy ireo. Hoy i Dennis: “Nahazo traikefa izahay rehefa nanorina Efitrano Fanjakana, ary tena nahita fifaliana rehefa nampiasa izany hanampiana an’ireo rahalahy. Mampihetsi-po tokoa ny fankasitrahana nasehon’izy ireo. Tsy nahavita nanorina zavatra firy ny ankamaroan’ny ekipa [tsy Vavolombelona] nanampy tra-boina. Ny Vavolombelon’i Jehovah kosa anefa efa nahavita nanamboatra trano 5 300 mahery sy Efitrano Fanjakana maro be. Mahita izany ny olona, ka lasa mandray tsara kokoa izy ireo izao rehefa misy mitory aminy.”

14. Inona no azonao atao, raha te ho tonga mpanompo manontolo andro ianao?

14 Nahoana raha atao anton’asa ny fanompoana manontolo andro? Hasehonao amin’izany fa miezaka manao ny sitrapon’Andriamanitra ianao. Azo antoka fa handray fitahiana maro ianao raha manao izany. Mbola tsy mamela anao hanompo manontolo andro angamba ny toe-javatra misy anao izao, nefa mety ho afaka hanao fanovana ianao. Manahafa an’i Nehemia, izay nivavaka toy izao rehefa naniry mafy hamita asa lehibe iray: ‘Mitaraina aminao aho, ry Jehovah ô. Ambino ny mpanomponao.’ (Nehemia 1:11) Avy eo dia manaova zavatra mifanaraka amin’ny fangatahanao, ary matokia an’ilay “Mpihaino vavaka.” (Salamo 65:2) Raha tianao anefa ny hitahian’i Jehovah ny ezaka ataonao mba hanompoana azy bebe kokoa, dia ataovy aloha ilay ezaka. Aza miova hevitra intsony, rehefa tapa-kevitra ianao fa hanompo manontolo andro. Hanana traikefa bebe kokoa ianao rehefa mandeha ny fotoana, ka hitombo ny fifalianao.

Fiainana tena mahafinaritra

15. a) Inona no soa horaisintsika, raha miresaka amin’ireo efa nanompo an’i Jehovah hatry ny ela isika, na mamaky ny tantaram-piainany? b) Milazà tantara tena nampahery anao.

15 Inona no ho vokany rehefa miezaka manao ny sitrapon’Andriamanitra ianao? Miresaha amin’ireo efa nanompo an’i Jehovah hatry ny ela, indrindra fa ireo nanompo manontolo andro an-taonany maro. Ho hitanao fa tena mahafa-po ny fiainany! (Ohabolana 10:22) Hilaza aminao izy fa na dia tao anatin’ny sarotra aza, dia nanampy azy foana i Jehovah mba hahazo izay tena nilainy, ary mihoatra noho izany aza. (Filipianina 4:11-13) Tantaram-piainana an-jatony no nivoaka tao amin’ny Tilikambo Fiambenana hatramin’izay. Misongadina amin’ireny ny zotom-po sy ny fifalian’ireny Kristianina ireny, toy izay hita ao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly. Rehefa mamaky tantara mampihetsi-po toy ireny ianao, dia lasa te hiteny hoe: ‘Tena tiako raha mba hoatr’izany koa ny fiainako!’

16. Inona no mahatonga ny Kristianina hanana fiainana mahafa-po sy ho sambatra?

16 Hoy i Aaron, ilay voaresaka teo aloha: “Tamin’izahay tany Afrika, dia matetika aho no nahita tanora te hanana tanjona tsara, ka nikaroka hatraiza hatraiza. Tsy nahita izany anefa ny ankamaroany. Ny fiainanay kosa anefa nahafinaritra sy nahafa-po, satria niezaka nanao ny sitrapon’Andriamanitra izahay, ka nampiely ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Tena tsapanay tokoa fa mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.”—Asan’ny Apostoly 20:35.

17. Nahoana isika no tsy maintsy miezaka manao ny sitrapon’Andriamanitra dieny izao?

17 Ary ahoana ny aminao? Inona no tanjona ezahinao tratrarina? Vetivety dia ho lany amin-javatra hafa ny herinao sy ny fotoananao, raha tsy manan-java-kendrena voafaritra tsara ianao eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Nahoana moa ny aina sarobidy anananao no holanilaninao hikatsahana ireo zavatra tsy misy dikany eto amin’ity tontolon’i Satana ity? Ho avy tsy ho ela ny “fahoriana lehibe”, ka tsy hisy dikany ny harena sy ny toerana ambony amin’izay. Ny fifandraisantsika amin’i Jehovah kosa no tena ho zava-dehibe. Tena ho faly isika satria nanompo an’Andriamanitra sy ny hafa, ary niezaka nanao ny sitrapon’Andriamanitra!—Matio 24:21; Apokalypsy 7:14, 15.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 1 Novana ny anarana sasany.

^ feh. 1 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Hainao Hazavaina Ve?

• Ahoana no fiheveran’i Jehovah ny fanompoantsika azy?

• Manampy antsika hanompo an’Andriamanitra sy ny hafa ny fiezahana handresy vato misakana sy ny fahaizana mandanjalanja. Nahoana?

• Inona avy no karazana fanompoana azontsika atao?

• Inona no azontsika atao mba hahatonga ny fiainantsika ho tena mahafa-po dieny izao?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 23]

Mila mahay mandanjalanja isika mba hanompoana hatrany an’i Jehovah amin’ny fo manontolo

[Sary, pejy 24]

Misy karazany maro ny fanompoana masina