Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Araho Izay Lazain’ny Feon’ny Fieritreretanao

Araho Izay Lazain’ny Feon’ny Fieritreretanao

Araho Izay Lazain’ny Feon’ny Fieritreretanao

“Madio ny zava-drehetra amin’ny olona madio, fa amin’ny olona voaloto sy tsy manam-pinoana kosa, dia tsy misy madio.”—TITOSY 1:15.

1. Inona no nataon’i Paoly mba hanampiana ireo fiangonana tany Kreta?

NOSAMBORINA ny apostoly Paoly rehefa nahavita dia misionera telo. Nalefa tany Roma izy tatỳ aoriana, ary nogadraina nandritra ny roa taona. Nitsidika ny nosy Kreta niaraka tamin’i Titosy izy, taorian’ny nanafahana azy. Izao no nosoratany ho an’i Titosy, tatỳ aoriana: “Ny namelako anao tany Kreta, dia ny hanitsianao ireo zavatra tsy nety sy ny hanendrenao anti-panahy.” (Titosy 1:5) Nasainy nanampy ny olona sasany tany Kreta i Titosy, satria tsy niasa tsara ny feon’ny fieritreretan’izy ireo.

2. Inona no olana tsy maintsy nalamin’i Titosy tany amin’ny nosy Kreta?

2 Noresahin’i Paoly tamin’i Titosy ny fepetra takina amin’ny anti-panahin’ny fiangonana. Nolazainy koa fa maro tamin’ny Kristianina tany Kreta no “tsy manaiky hofehezina, mpanao resaka tsy misy fotony ary mpamitaka.” “Mahatonga ankohonana manontolo hivadika” izy ireo, satria “mampianatra zavatra tsy tokony hampianarina.” Nila ‘nananatra azy ireny hatrany’ i Titosy. (Titosy 1:10-14; 1 Timoty 4:7) Nilaza i Paoly fa “voaloto” ny saina sy ny feon’ny fieritreretan’izy ireo. Midika hoe misy tasy, ilay teny nampiasain’i Paoly eo. (Titosy 1:15) Jiosy angamba ny sasany tamin’ireo lehilahy ireo, satria ‘nifikitra tamin’ny famorana.’ Tsy misy olona manao toy izany intsony ankehitriny, kanefa afaka mianatra zavatra betsaka momba ny feon’ny fieritreretana isika, rehefa mandinika ny torohevitra nomen’i Paoly an’i Titosy.

Voaloto ny feon’ny fieritreretan’izy ireo

3. Inona no nosoratan’i Paoly ho an’i Titosy momba ny feon’ny fieritreretana?

3 Mariho ny tenin’i Paoly, tamin’izy niresaka momba ny feon’ny fieritreretana. “Madio ny zava-drehetra amin’ny olona madio, fa amin’ny olona voaloto sy tsy manam-pinoana kosa, dia tsy misy madio, fa samy voaloto na ny sainy na ny feon’ny fieritreretany. Milaza ampahibemaso ho mahafantatra an’Andriamanitra izy ireny, kanefa mandà azy amin’ny ataony.” Nila niova tokoa ny Kristianina sasany tany Kreta, mba “hatanjaka amin’ny finoana.” (Titosy 1:13, 15, 16) Tsy hain’izy ireo mantsy ny nanavaka ny madio sy ny tsy madio, satria tsy niasa tsara ny feon’ny fieritreretany.

4, 5. Inona no nataon’ny Kristianina sasany tany Kreta, ary inona no vokatr’izany teo amin’izy ireo?

4 Efa nilaza tamin’ny fiangonana rehetra ny filan-kevi-pitantanana, folo taona mahery talohan’izay, fa tsy takina amin’izay te ho tonga Kristianina intsony ny famorana. (Asan’ny Apostoly 15:1, 2, 19-29) Mbola ‘nifikitra tamin’ny famorana’ anefa ny Kristianina sasany tany Kreta. Nanda an-kitsirano ny fanapahan-kevitry ny filan-kevi-pitantanana izy ireo, ary ‘nampianatra zavatra tsy tokony hampianarina.’ (Titosy 1:10, 11) Nanana hevi-diso izy ireo, ary nampirisika ny olona hankatò ny Lalàna momba ny sakafo sy ny fombafomba fidiovana. Nitarin’izy ireo mihitsy aza angamba ny zavatra nolazain’ny Lalàna, toy ny nataon’ireo Jiosy tamin’ny andron’i Jesosy. Nampirisihin’izy ireo koa ny hafa hanaraka izay voalazan’ny angano jiosy sy ny didy nataon’olombelona.—Marka 7:2, 3, 5, 15; 1 Timoty 4:3.

5 Nanimba ny feon’ny fieritreretan’izy ireo izany toe-tsaina izany, ka nanjary tsy hainy intsony ny nanavaka ny mety sy ny tsy mety. Nilaza i Paoly fa ‘tsy misy zavatra madio amin’ny olona voaloto sy tsy manam-pinoana.’ Simba ny feon’ny fieritreretany ka tsy azo ianteherana intsony. Niditra tamin’ny fiainan’ny Kristianina manokana koa izy ireo, ary nitsara azy ireo tamin’ny safidy nataony, na dia miankina amin’ny feon’ny fieritreretan’ny tsirairay aza ilay izy. Noheverin’izy ireo ho maloto ny zavatra tsy maloto akory. (Romanina 14:17; Kolosianina 2:16) Nilaza ho mahafantatra an’Andriamanitra izy ireo, kanefa tsy hita tamin’ny zavatra nataony izany.—Titosy 1:16.

“Madio ny zava-drehetra   amin’ny olona madio”

6. Inona avy ireo karazan’olona roa noresahin’i Paoly?

6 Inona no soa raisintsika avy amin’ny zavatra nosoratan’i Paoly ho an’i Titosy? Mariho izao fifanoheran-javatra izao: “Madio ny zava-drehetra amin’ny olona madio, fa amin’ny olona voaloto sy tsy manam-pinoana kosa, dia tsy misy madio, fa samy voaloto na ny sainy na ny feon’ny fieritreretany.” (Titosy 1:15) Tsy te hilaza akory i Paoly hoe madio sy azo atao avokoa ny zava-drehetra, ho an’ny Kristianina madio fitondran-tena. Resahiny any amin’ny taratasy hafa mantsy fa “tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra” ny mpijangajanga, ny mpanompo sampy, ny olona mifandray amin’ny fanahy ratsy, sy ny sisa. (Galatianina 5:19-21) Niresaka karazan’olona roa fotsiny àry i Paoly teo, dia ny olona madio fitondran-tena sady mifandray tsara amin’Andriamanitra, sy ny olona tsy mba toy izany.

7. Inona no zavatra tsy azo atao araka ny Hebreo 13:4? Inona anefa ny fanontaniana mipoitra?

7 Tsy ireo zavatra raran’ny Baiboly mazava tsara ihany no tokony hohalavirin’ny Kristianina. Mivantana, ohatra, ilay fampitandremana hoe: “Aoka ho mendri-kaja eo amin’ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandrian’ny mpivady, fa homelohin’Andriamanitra ny mpijangajanga sy ny mpanitsakitsa-bady.” (Hebreo 13:4) Na dia ny olona tsy Kristianina sy tsy mahay Baiboly aza, dia hahita fa mandrara ny fanitsakitsaham-bady io andinin-teny io. Miharihary amin’io andininy io sy ny andininy hafa ao amin’ny Baiboly, fa melohin’Andriamanitra ny olona efa manambady, raha manao firaisana amin’ny olona tsy vadiny. Ary ahoana ny amin’ireo mpitovo manao firaisana amin’ny vava? Maro ny tanora mihevitra fa tsy misy vokany ratsy izany, satria tsy toy ny firaisana mahazatra. Tokony hoheverin’ny Kristianina ho madio ve ny fanaovana firaisana amin’ny vava?

8. Inona no tsy mampitovy ny Kristianina sy ny olona maro eto amin’ity tontolo ity, raha ny firaisana amin’ny vava no resahina?

8 Samy halan’Andriamanitra ny fanitsakitsaham-bady sy ny fijangajangana, araka ny Hebreo 13:4 sy ny 1 Korintianina 6:9. Inona no tiana holazaina amin’ilay teny grika hoe por·neiʹa, izay nadika hoe fijangajangana? Ny fampiasana amin’ny fomba ratsy ny filahiana sy ny fivaviana, na atao amin’ny fomba mamoafady ilay izy na tsia. Anisan’izany ny karazana firaisana rehetra ataon’ny olona tsy mpivady. Fijangajangana koa àry ny firaisana amin’ny vava, na dia ilazana aza ny tanora maro maneran-tany hoe azo atao izany, ary na dia mihevitra aza izy ireo fa tsy mampaninona izy io. Tsy manaraka am-bokony izay lazain’ireo “mpanao resaka tsy misy fotony” sy “mpamitaka”, ny Kristianina. (Titosy 1:10) Manaraka hatrany ny fitsipiky ny Soratra Masina izy ireo, ka tsy manala tsiny ny fanaovana firaisana amin’ny vava. Ampiofaniny kosa ny feon’ny fieritreretany mba tsy hanaiky an’io fanao io, satria fantany fa fijangajangana izany, araka ny Soratra Masina. *Asan’ny Apostoly 21:25; 1 Korintianina 6:18; Efesianina 5:3.

Feon’ny fieritreretana sy fanapahan-kevitra samy hafa

9. Ahoana no tokony hiheverantsika ny fanapahan-kevitry ny hafa, raha mahakasika ny lafin-javatra “madio” ilay izy?

9 Inona anefa no tian’i Paoly holazaina amin’ilay hoe “madio ny zava-drehetra amin’ny olona madio”? Ireo Kristianina manana fomba fisaina sy feon’ny fieritreretana mifanaraka amin’ny fitsipik’Andriamanitra no noresahin’i Paoly. Fantatr’izy ireo fa mety tsy hitovy ny fanapahan-kevitry ny tsirairay, amin’ny lafin-javatra tsy raran’Andriamanitra mivantana, izany hoe tsy misy toromarika mazava avy amin’ny Baiboly. Tsy manameloka ny hafa amin’ny fanapahan-keviny izy ireo amin’ny zavatra tsy raran’Andriamanitra, satria heveriny ho “madio” izany. Ireto misy ohatra vitsivitsy.

10. Inona no olana mety hitranga, rehefa misy havana atao mariazy (na maty)?

10 Tsy mitovy finoana ny mpivady ao amin’ny fianakaviana maro, satria lasa Vavolombelona ny anankiray. (1 Petera 3:1; 4:3) Maro ny olana mety haterak’izany. Mety hitranga izany rehefa misy havana maty na fianakaviana atao mariazy. Alao sary an-tsaina ny olana atrehin’ny anabavy kristianina manambady tsy Vavolombelona. Hatao mariazy any am-piangonana ny havan’ilay rangahy. (Na misy havana nodimandry, ka hoentina any am-piangonana ilay faty.) Nahazo fanasana izy mivady, ary tian’ilay lehilahy hiaraka aminy ny vadiny. Hanaiky izany ve ny feon’ny fieritreretan’ilay anabavy? Inona no hataony? Samy nanana ny fanapahan-keviny i Lisy sy Rondro.

11. Inona no mety hosaintsainin’ny Kristianina iray, alohan’ny hanapahany hevitra raha hanatrika mariazy any am-piangonana izy na tsia? Inona no mety ho fanapahan-keviny?

11 Nosaintsainin’i Lisy ilay didy ao amin’ny Baiboly hoe: ‘Mivoaha ao amin’ny Babylona Lehibe’, na ny fivavahan-diso rehetra. (Apokalypsy 18:2, 4) Efa mpiangona tao amin’io fiangonana io izy taloha, ary fantany fa izay rehetra tonga ao dia asaina mandray anjara amin’ny zavatra atao, toy ny vavaka, hira, na fombafomba hafa. Tsy te hanao an’izany izy ary tsy te ho any akory aza, sao hoteren’ny olona handika ny fitsipik’Andriamanitra. Manaja ny vadiny i Lisy ary te hanohana azy satria izy no lohany, araka ny Soratra Masina. Tsy te handika ny toro lalan’ny Soratra Masina koa anefa izy. (Asan’ny Apostoly 5:29) Resahiny amin’ny vadiny amim-pahaiza-mandanjalanja àry fa tsy afaka hiaraka aminy izy, na dia te ho any aza ilay rangahy. Mety holazainy koa fa tsy handray anjara amin’izay rehetra hatao any izy na dia mankany aza, ary mety hahamenatra ny vadiny izany. Mety ho tsara kokoa amin’ilay rangahy àry raha tsy mandeha ny vadiny. Madio ny feon’ny fieritreretan’i Lisy amin’izany fanapahan-keviny izany.

12. Inona no mety hosaintsainin’ny Kristianina iray, rehefa asaina manatrika mariazy any am-piangonana? Ary inona no mety ho fanapahan-keviny?

12 Mitovitovy amin’izany koa ny olana natrehin’i Rondro. Manaja ny vadiny izy ary tapa-kevitra ny tsy hivadika amin’Andriamanitra. Arahiny koa izay lazain’ny feon’ny fieritreretany voaofan’ny Baiboly. Nisaintsaina lafin-javatra maro izy, anisan’izany ireo noeritreretin’i Lisy. Nodinihiny tsara ny “Fanontanian’ny Mpamaky” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Mey 2002. Tsaroany koa fa nandeha tany amin’ilay toerana hanaovana fanompoan-tsampy ireo Hebreo telo lahy rehefa nodidiana ho any. Tsy nivadika tamin’i Jehovah anefa izy ireo, satria tsy nandray anjara tamin’ilay fanompoan-tsampy. (Daniela 3:15-18) Nanapa-kevitra hiaraka amin’ny vadiny ho any am-piangonana àry i Rondro, saingy tsy handray anjara amin’izay atao any. Nandray fanapahan-kevitra nifanaraka tamin’ny feon’ny fieritreretany izy. Nohazavainy tamin’ny vadiny tamim-pahaiza-mandanjalanja ny zavatra eken’ny eritreriny sy tsy ekeny. Manantena izy fa ho takatry ny vadiny ny maha samy hafa ny fivavahana marina sy diso.—Asan’ny Apostoly 24:16.

13. Nahoana isika no tsy tokony ho sahiran-tsaina, na dia tsy mitovy aza ny fanapahan-kevitry ny Kristianina roa amin’ny toe-javatra iray?

13 Raha tsy mitovy ny fanapahan-kevitry ny Kristianina roa amin’ny toe-javatra iray, midika ve izany fa tsy mampaninona izay fanapahan-kevitra raisin’ny tsirairay? Sa kosa tsy niasa tsara ny feon’ny fieritreretan’ny iray tamin’izy ireo? Tsia. Efa mpiangona tao amin’ilay fiangonana i Lisy, ka hainy tsara ny hira sy ny fombafomba fanao ao. Tsapany àry fa mety ho fandrika ho azy ny mankany. Mety ho nisy heriny teo amin’ny feon’ny fieritreretany koa ny resak’izy mivady teo aloha, momba ny fivavahana. Nety taminy àry ny fanapahan-keviny.

14. Inona no tsy maintsy tadidin’ny Kristianina momba ny fanapahan-kevitra tokony horaisin’ny tsirairay?

14 I Rondro kosa nifidy ny hanatrika ilay fotoam-pivavahana fa tsy handray anjara. Tsy nety ve ny fanapahan-keviny? Tsy anjarantsika ny mitsara azy amin’izany. Tadidio ny torohevitr’i Paoly momba ny fanapahan-kevitra tokony horaisin’ny tsirairay. Hoy izy momba ny fihinanana sakafo sasany: “Aoka izay mihinana tsy hanamavo an’izay tsy mihinana, ary aoka izay tsy mihinana tsy hitsara an’izay mihinana ... Eo anoloan’ny mpampiasa azy no ijoroany na ahalavoany. Eny tokoa, hajoro izy, fa afaka mampijoro azy i Jehovah.” (Romanina 14:3, 4) Tsy tokony hisy amintsika hanery ny hafa handa izay lazain’ny feon’ny fieritreretany voaofan’ny Baiboly. Raha manao izany mantsy isika, dia mety tsy horaharahainy intsony izay lazain’ny feon’ny fieritreretany, ary mety hamoizany ny ainy izany.

15. Nahoana isika no tokony hihevitra ny feon’ny fieritreretan’ny hafa sy ny fihetseham-pony?

15 Misy zavatra hafa tokony hodinihin’i Lisy sy Rondro koa anefa. Anisan’izany ny mety ho vokatry ny fanapahan-keviny, eo amin’ny olon-kafa. Hoy i Paoly: ‘Aoka mba ho izao no fanapahan-kevitrareo: Ny tsy hametraka vato mahatafintohina na zavatra mahasolafaka eo anoloan’ny rahalahy.’ (Romanina 14:13) Efa nisy Kristianina niditra tany am-piangonana angamba tany amin-dry Lisy, ary nanakorontan-tsaina ny fianakaviany na ny mpiara-manompo izany. Fantany koa fa hisy fiantraikany eo amin’ny zanany ny fanapahan-keviny. Efa nisy toy izany koa tany amin-dry Rondro, saingy tsy nampaninona ny Kristianina tany aminy sy ny mpiara-monina taminy izany. Tokony hiaiky àry isika rehetra, fa mety hisy vokany eo amin’ny hafa ny fanapahan-kevitsika. Hahatsapa izany isika raha voaofana tsara ny feon’ny fieritreretantsika. Hoy i Jesosy: ‘Na iza na iza vato mahatafintohina ho an’ny iray amin’ireny madinika mino ahy ireny, dia tsara kokoa ho azy ny hanantonana vato lehibe fikosoham-bary eo amin’ny vozony, ka halentika any an-dranomasina lalina.’ (Matio 18:6) Mety ho efa voaloto, toy ny an’ireo Kristianina sasany tany Kreta, ny feon’ny fieritreretantsika, matoa isika tsy miraharaha ny hafa.

16. Inona no tokony hataon’ny Kristianina rehefa mandeha ny fotoana?

16 Tokony hanao fandrosoana foana ny Kristianina. Tokony hihatsara koa ny fiasan’ny feon’ny fieritreretany, ary mila manaraka izay lazain’izy io izy. Natao batisa vao haingana, ohatra, i Mamy. Tsy mamela azy hanao ireo zava-dratsy fanaony taloha ny feon’ny fieritreretany. Mifandray amin’ny fanompoan-tsampy na fampiasana ny ra angamba izany. (Asan’ny Apostoly 21:25) Misy zavatra tsy tena raran’Andriamanitra, nefa halaviriny. Misy kosa zavatra eritreretiny hoe azo atao, toy ny fijerena fandaharana sasany ao amin’ny tele, nefa gaga izy fa tsy mety manao izany ny Kristianina hafa.

17. Miankina amin’ny fandehan’ny fotoana sy ny fandrosoana vita, ny fiasan’ny feon’ny fieritreretana sy ny fahaizana manapa-kevitra. Hazavao amin’ny ohatra.

17 Nitombo ny fahalalan’i Mamy rehefa nandeha ny fotoana, ary mifandray kokoa amin’Andriamanitra izy izao. (Kolosianina 1:9, 10) Inona no vokatr’izany? Voaofana tsara izao ny feon’ny fieritreretany, ka azony ianteherana kokoa. Hainy tsara koa ny mampihatra ny toro lalan’ny Soratra Masina. Takany àry fa tsy misy maharatsy azy akory ireo zavatra sasany nohalaviriny teo aloha. Tsy jereny intsony kosa ireo fandaharana ao amin’ny tele, izay noheveriny ho tsy mampaninona. Tena nihatsara ny fiasan’ny feon’ny fieritreretany.—Salamo 37:31.

18. Inona no mahafaly antsika?

18 Ahitana Kristianina efa mandroso sy mbola vaovao eo anivon’ny fiangonana. Mety tsy hampaninona an’ireo vaovao ny zavatra sasany, nefa tena tsy eken’ny eritreriny ny lafin-javatra hafa. Mila ampiana ny olona toy ireny mba hahafahany hanaraka ny tari-dalan’i Jehovah sy hanana feon’ny fieritreretana voaofana tsara. Mila fotoana anefa izany. (Efesianina 4:14, 15) Mety ho maro amin’ireo olona eo anivon’ny fiangonana no manana fahalalana betsaka, sy efa zatra mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly, ary manana feon’ny fieritreretana mifanaraka tsara amin’ny fomba fisainan’Andriamanitra. Heveriny ho “madio” ny zavatra ankasitrahan’ny Tompo, na mifandray amin’ny fitondran-tena izany na fivavahana. (Efesianina 5:10) Mahafaly tokoa ny miara-manompo amin’ny “olona madio” toy izany! Enga anie isika rehetra hanao fandrosoana, ka hiezaka hahalala tsara ny fahamarinana sy hahafoy tena ho an’Andriamanitra, mba hananana feon’ny fieritreretana miasa tsara hatrany.—Titosy 1:1.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Misy fanazavana mahakasika ny mpivady ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Septambra 1983, pejy 30-31.

Ahoana no Havalinao?

• Nahoana no voaloto ny feon’ny fieritreretan’ny Kristianina sasany tany Kreta?

• Nahoana ny Kristianina roa manana feon’ny fieritreretana voaofana tsara no mety handray fanapahan-kevitra samy hafa?

• Tokony hanao ahoana ny feon’ny fieritreretantsika rehefa mandeha ny fotoana?

[Fanontaniana]

[Sarintany, pejy 26]

(Jereo ny gazety)

Sisila

GRESY

Kreta

AZIA MINORA

Sipra

RANOMASINA MEDITERANE

[Sary, pejy 28]

Mety handray fanapahan-kevitra samy hafa ny Kristianina, amin’ny toe-javatra iray