Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Faly Izy fa ‘Nandresy Niaraka Tamin’ny Zanak’ondry’

Faly Izy fa ‘Nandresy Niaraka Tamin’ny Zanak’ondry’

Faly Izy fa ‘Nandresy Niaraka Tamin’ny Zanak’ondry’

NANORATRA i Carey Barber, tamin’ny 1971. Efa nanompo an’ilay tena Andriamanitra nandritra ny 50 taona izy tamin’izay. Hoy izy tao amin’ilay taratasiny: “Tena niavaka ireo taona nanompoako an’i Jehovah. Tsapako ny fitiavany, ary tiako ny miaraka amin’ny vahoakany. Voaro amin’ireo ratsy fanahy eto amin’ity tontolon’i Satana ity aho, ary manantena ny handresy miaraka amin’ny Zanak’ondry, dia i Jesosy Kristy. Ireo rehetra ireo no manome fiadanana anaty sy mampilamin-tsaina, ka miaro ny fo sy manome fanantenana azo antoka momba ny fandresena farany.”

Kristianina voahosotra ny Rahalahy Barber. Lasa anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy, tamin’ny 1977, ary naharitra 30 taona tamin’izany fanendrena izany. Nanantena mafy ny “handresy miaraka amin’ny Zanak’ondry” izy, nandritra izany. Nandresy izy satria nahatoky hatramin’ny fahafatesany ny alahady 8 Aprily 2007, teo amin’ny faha-101 taonany.—1 Korintianina 15:57.

Teraka tamin’ny 1905 tany Angletera i Carey Barber, ary natao batisa tany Winnipeg, Kanada, tamin’ny 1921. Roa taona tatỳ aoriana, dia nifindra tany Brooklyn, New York, izy sy Norman, rahalahiny kambana aminy, mba hanampy tamin’ny tetikasa vaovao. Niomana hanao pirinty ny bokiny mantsy ny vahoakan’i Jehovah tamin’izay, mba hanelezana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana “manerana ny tany onenana.” (Matio 24:14) Voatendry hiasa tamin’ny fanontam-pirinty kely aloha ny Rahalahy Barber. Anisan’ny natao pirinty ireo taratasy nilaina tany amin’ny Fitsarana Tampony Amerikanina. Niasa tao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanompoana izy, tatỳ aoriana. Nifandray tamin’ny fiangonana sy ny fitoriana nanerana ilay firenena ny asany.

Lasa za-draharaha àry ny Rahalahy Barber rehefa voatendry ho mpitety faritany, tamin’ny 1948. Nitsidika fiangonana sy nanao fivoriambe nanerana ny faritra andrefan’i Etazonia izy. Nilaza izy fa tiany kokoa ny asa fitoriana teny amin’ny saha noho ny asa birao. Lasa nifandray tamin’ny rahalahy sy anabavy maro izy tamin’izany. Kinga saina sy nazoto nanompo izy, ary tena nilainy izany rehefa nanatrika ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada, kilasy faha-26 izy. Tany no nifankahalalany tamin’i Sydney Brewer, avy any Kanada, izay niara-nanao sekoly taminy. Nivady izy ireo rehefa vita ilay sekoly. Nitsidika ireo fiangonana tany amin’ny faritr’i Chicago izy ireo avy eo. Teny an-dalana nankany izy ireo no mba nanao volan-tantely. Nanampy sy nanohana foana ny vadiny ny Anabavy Barber, nandritra ny 20 taona nitetezan’izy ireo faritany.

Izay efa nahita ny Rahalahy Barber dia hahatsiaro foana ireo lahateny mampahery nataony. Mety ho tamin’izy nanao ny asan’ny faritra na vondrom-paritra izany, na koa fony izy anisan’ny Filan-kevi-pitantanana nandritra ny 30 taona. Faly àry isika fa ‘nandresy niaraka tamin’ny Zanak’ondry’ ny Rahalahy Barber.