Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Henoy ny Feon’ny Fieritreretanao

Henoy ny Feon’ny Fieritreretanao

Henoy ny Feon’ny Fieritreretanao

“Manao izay takin’ny lalàna ny olona hafa firenena tsy manana [ny lalàn’Andriamanitra], satria voajanahary aminy izany.” —ROMANINA 2:14.

1, 2. a) Inona no nataon’ny olona maro mba hanampiana ny hafa? b) Milazà ohatra avy ao amin’ny Baiboly.

TAMY ny lamasinina. Nianjera teo amin’ny lalamby anefa ny tovolahy iray 20 taona, satria nihetsika ny aretiny. Voan’ny androbe mantsy izy. Nahita izany ny lehilahy iray nitantana ny zanany roa vavy, ka navelany teo ny zanany fa lasa haingana izy namonjy an’ilay tovolahy. Lalindalina ny elanelan’ilay lalamby, ka nosintoniny nankao izy ary notsindriany tao, mandra-pandalon’ny lamasinina teo ambonin’izy ireo. Nantsoin’ny olona hoe mahery fo ilay lehilahy. Izao anefa no navaliny: “Izay tokony ho natao ihany no nataoko. Nalahelo azy aho dia nanampy, fa tsy hoe te hoderain’ny olona akory!”

2 Angamba ianao mahafantatra olona nanao vivery ny ainy mba hanampiana ny hafa. Maro, ohatra, no nanafina olona hafa fiaviana, tamin’ny Ady Lehibe II. “Tena tia olona” sy “tsara fanahy” koa ireo mponina tao Malta, any akaikin’i Sisila. Vaky sambo tany mantsy ny apostoly Paoly sy ny olona 275, nefa nampian’izy ireo na dia olona tsy fantany aza. (Asan’ny Apostoly 27:27–28:2) Ary ahoana ny amin’ilay zazavavikely israelita? Marina fa tsy nanao vivery ny ainy izy, nefa niahy izay hahasoa ny iray tamin’ireo Syrianina namabo azy. (2 Mpanjaka 5:1-4) Eritrereto koa ilay fanoharan’i Jesosy momba ilay Samaritanina tsara fanahy. Saika maty ilay Jiosy, nefa tsy niraharaha azy ilay mpisorona sy levita, izay Jiosy toa azy. Ilay Samaritanina no nanao izay azony natao mba hanampiana azy. Nanohina ny fon’ny olona tany amin’ny firenena maro io fanoharana io, nandritra ny taonjato maro.—Lioka 10:29-37.

3, 4. Tia manampy ny hafa ny olona maro. Mifanaraka amin’ny fampianarana momba ny evolisiona ve izany? Hazavao.

3 Marina fa miaina amin’ny “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” isika, ary “masiaka be” sy ‘tsy tia ny tsara’ ny olona maro. (2 Timoty 3:1-3) Mbola mahita olona manao soa ho an’ny hafa anefa isika, na isika mihitsy no nanaovany izany. Maro tokoa no tia manampy ny hafa, na dia hamoizany ny ainy aza izany. Mihevitra àry ny olona sasany fa toetra mampiavaka ny olombelona izy io.

4 Ahitana olona tia manampy ny hafa toy izany ny firazanana sy ny kolontsaina rehetra. Tsy marina àry ilay fampianarana hoe avy amin’ny biby ny olona. Tsy mba tia mifanampy mantsy ny biby, fa ny matanjaka ihany no manjaka. Hoy i Francis Collins, manam-pahaizana amerikanina momba ny fototarazo: ‘Tia manampy ny hafa ny olombelona. Tena manahirana ny mpino ny evolisiona izany, [satria] tsy hay hazavaina amin’ny alalan’ny fototarazo. Manao vivery ny ainy ny olona sasany mba hanampiana olona tsy mpifaninona aminy akory. Toa tsy hay hazavaina amin’ny alalan’ny evolisiona izany.’

“Ny feon’ny fieritreretana”

5. Inona, matetika, no mandrisika ny olona hanao zavatra?

5 Milaza antony iray mahatonga antsika hanampy ny hafa ny Profesora Collins. Hoy izy: “Ny feon’ny fieritreretana no mandrisika antsika hanampy ny hafa, na dia tsy ahazoantsika tombontsoa aza izany.” * Ilay hoe “feon’ny fieritreretana” dia mampahatsiahy antsika ny tenin’ny apostoly Paoly hoe: “Manao izay takin’ny lalàna ny olona hafa firenena tsy manana lalàna, satria voajanahary aminy izany. Koa isaky ny manao izany ireny olona ireny, dia efa lalàna ho an’ny tenany izy, na tsy manana lalàna aza. Ny tenany mihitsy no mampiseho fa voasoratra ao am-pony ny votoatin’ny lalàna, sady ny feon’ny fieritreretany koa no vavolombelona miaraka aminy, ka ny eritreriny ihany no miampanga azy na manala tsiny azy mihitsy aza.”—Romanina 2:14, 15.

6. Nahoana ny olona rehetra no hampamoahin’ny Mpamorona?

6 Nasehon’i Paoly tao amin’ny taratasiny ho an’ny Romanina, fa hampamoahin’Andriamanitra ny olombelona. Hita amin’ny zavatra hita maso mantsy fa misy Andriamanitra, ary fantatra avy amin’izy ireny ny toetrany. Efa niharihary “hatramin’ny namoronana izao tontolo izao” izany. (Romanina 1:18-20; Salamo 19:1-4) Maro no tsy miraharaha ny Mpamorona, ka ratsy fitondran-tena. Tian’Andriamanitra hiala amin’ny ratsy anefa ny olona, sady hiaiky fa manao ny marina Izy. (Romanina 1:22–2:6) Ny Jiosy no tena tokony ho nanao izany, satria nomen’Andriamanitra Lalàna tamin’ny alalan’i Mosesy izy ireo. Tokony hiaiky anefa ny rehetra fa misy Andriamanitra, eny fa na dia ireo tsy manana “ny teny masin’Andriamanitra” aza.—Romanina 2:8-13; 3:2.

7, 8. Inona no mampiseho fa mahafantatra ny rariny sy ny tsy rariny ny ankamaroan’ny olona? Manaporofo inona izany?

7 Mahalala ny tsara sy ny ratsy ny olombelona. Izany no antony lehibe tokony haneken’ny rehetra fa misy Andriamanitra, ary handrisika azy ireo hanao ny sitrapony. Mahafantatra ny rariny koa isika, ary izany no manaporofo fa manana feon’ny fieritreretana isika. Indro misy ohatra: Misy ankizy maromaro milahatra mba hitaingina antsavily. Misongona ny ankizy iray ka mankeny aloha. Maro amin’izy ireo no hilaza hoe: “Tsy rariny izao!” Nahoana izy ireo no mahalala avy hatrany ny atao hoe tsy rariny, na dia mbola ankizy aza? Satria hainy ny manavaka ny tsara sy ny ratsy. Hoy i Paoly: “Manao izay takin’ny lalàna ny olona hafa firenena tsy manana lalàna, satria voajanahary aminy izany. Koa isaky ny manao izany ireny olona ireny, dia efa lalàna ho an’ny tenany izy.” Tsy nilaza i Paoly hoe “raha mba”, toy ny hoe mahalana izany vao mitranga, fa hoe “isaky ny” na “rehefa”, mba hampisehoana fa fahita matetika izany. “Voajanahary” amin’ny olona ny manao izay takin’ny lalàna. Mahalala ny tsara sy ny ratsy mantsy izy ireo, ka izany no mahatonga azy hanao zavatra mifanaraka amin’ny lalàna, izay hitantsika ao amin’ny Baiboly.

8 Manaporofo an’izany ny zava-misy any amin’ny tany maro. Niresaka momba ny lalàn’ny Babylonianina, Ejipsianina, Grika, Tompon-tany aostralianina, ary Indianina any Amerika, ny profesora iray. Hoy izy: “Voarara ny manao tsindry hazo lena, mamono olona, mamitaka sy mandainga. Ampirisihina kosa ny olona mba ho tsara fanahy amin’ny be taona sy ny ankizy ary ny osa.” Hoy koa ny Profesora Collins: “Toa mitovy ihany ny zavatra heverin’ny olona ho tsara sy ratsy maneran-tany, na inona na inona fiaviany.” Mampahatsiahy antsika ny Romanina 2:14 izany.

Ny fomba fiasan’ny feon’ny fieritreretana

9. Inona no atao hoe feon’ny fieritreretana, ary ahoana no anampian’izy io anao alohan’ny hanaovan-javatra?

9 Asehon’ny Baiboly, fa manampy anao handinika sy hitsara ny zavatra ataonao ny feon’ny fieritreretana. Feo mibitsika ao anatinao izy io, ary milaza na mety na tsy mety ny zavatra ataonao. Hoy i Paoly: “Ny feon’ny fieritreretako sy ny tenako no vavolombelona ao amin’ny fanahy masina.” (Romanina 9:1) Mety hiteny mialoha io feo io, rehefa mieritreritra ny zavatra tianao hatao ianao. Izy io no manampy anao handinika ny zavatra kasainao hatao, ary milaza aminao ny mety ho vokatr’izany.

10. Ahoana no fomba fiasan’ny feon’ny fieritreretana, matetika?

10 Aorian’ny anaovantsika zavatra, matetika, no miasa ny feon’ny fieritreretana. Nanao zavatra tsy mendrika tamin’i Saoly Mpanjaka, ohatra, i Davida, tamin’izy nandositra an’io voahosotr’Andriamanitra io. “Namely an’i Davida ny eritreriny” nony vitany ilay izy. (1 Samoela 24:2-6; Salamo 32:3, 5) Enjehin’ny eritreritsika koa isika rehetra. Manao zavatra iray isika, ary avy eo tsy mandry ny saintsika. Nenjehin’ny eritreriny, ohatra, ny sasany tamin’ireo tsy nandoa hetra, ka nandoa izany tatỳ aoriana. Ny hafa indray voatery nilaza tamin’ny vadiny fa nijangajanga izy. (Hebreo 13:4) Mahita fahafaham-po sy miadan-tsaina anefa ny olona mihaino ny feon’ny fieritreretany.

11. Nahoana no tsy mety ny manaraka fotsiny izay lazain’ny feon’ny fieritreretana? Hazavao amin’ny ohatra.

11 Mety ve anefa ny manaraka fotsiny izay lazain’ny feon’ny fieritreretana? Tsara ny mihaino an’io feo mibitsika ao ‘anatintsika’ io, kanefa mety hamitaka koa izy io. (2 Korintianina 4:16) Indro misy ohatra: Milaza ny Baiboly fa “feno toetra mahafinaritra sy hery” i Stefana, mpanara-dia an’i Kristy. Nitora-bato an’io mpianatra nafana fo io tany ivelan’i Jerosalema, ny Jiosy sasany. Nanatri-maso an’izany i Saoly (izay lasa apostoly Paoly), sady “nankasitraka ny namonoana” azy. Nihevitra angamba ireo Jiosy ireo fa nety ny nataony, ka tsy nanenjika azy mihitsy ny eritreriny. Tsy nenjehin’ny eritreriny koa i Saoly, matoa “mbola nandrahona sy nitady handripaka ny mpianatry ny Tompo.” Izany no mampiseho fa tsy niasa tsara ny feon’ny fieritreretany.—Asan’ny Apostoly 6:8; 7:57–8:1; 9:1.

12. Inona no mety hamolavola ny feon’ny fieritreretantsika?

12 Inona no mety ho namolavola ny feon’ny fieritreretan’i Saoly? Ny fifaneraserany tamin’ny olona sasany angamba. Efa niresaka tamin’ny lehilahy iray angamba ianao, ary voamarikao fa mitovy be amin’ny feon-drainy ny feony. Nolovainy tamin-drainy angamba izany, nefa mety ho nianatra ny fomba fitenin-drainy koa izy. Nisy heriny teo amin’i Saoly koa angamba ny fifaneraserany tamin’ireo Jiosy nankahala an’i Jesosy sy nanohitra ny fampianarany. (Jaona 11:47-50; 18:14; Asan’ny Apostoly 5:27, 28, 33) Mety ho namolavola ny feon’ny fieritreretan’i Saoly àry ireo olona nifaneraserany.

13. Nahoana no lazaina fa mety hamolavola ny feon’ny fieritreretantsika ny mpiara-belona amintsika?

13 Mety hisy heriny eo amin’ny fomba fitenintsika, ny fitenim-paritra ampiasain’ny mpiara-belona amintsika. Toy izany koa, fa mety hamolavola ny feon’ny fieritreretantsika ny mpiara-belona amintsika, na ny kolontsainy. (Matio 26:73) Izany angamba no namolavola ny feon’ny fieritreretan’ireo Asyrianina fahiny. Nalaza ho tia ady izy ireo, ary hita amin’ny sary sokitra mivohitra ny fomba nampijaliany an’ireo olona nobaboiny. (Nahoma 2:12, 13; 3:1) Tsy nahafantatra “ny havanany sy ny haviany” ny mponina tany Ninive, tamin’ny andron’i Jona. Tsy fantatr’izy ireo mantsy ny fitsipik’Andriamanitra momba ny tsara sy ny ratsy. Tsy maintsy ho nisy heriny tamin’ny feon’ny fieritreretan’ny olona notezaina tao Ninive izany. (Jona 3:4, 5; 4:11) Mety hamolavola ny feon’ny fieritreretan’ny olona ankehitriny koa, ny toe-tsain’ny mpiara-belona aminy.

Hatsarao ny feon’ny fieritreretanao

14. Inona no dikan’ilay teny ao amin’ny Genesisy 1:27, ary inona no ifandraisan’izany amin’ny feon’ny fieritreretana?

14 Nomen’i Jehovah feon’ny fieritreretana i Adama sy Eva, ary nandova izany isika. Resahin’ny Genesisy 1:27 fa natao tahaka ny endrik’Andriamanitra ny olombelona. Tsy ara-bakiteny izany, satria fanahy izy fa isika kosa nofo aman-dra. Tahaka ny endriny isika, noho isika manana ny toetrany. Anisan’izany ny hoe mahalala ny tsara sy ny ratsy isika, ary manana feon’ny fieritreretana miasa tsara. Inona àry no hanampy antsika hanatsara ny feon’ny fieritreretantsika, ka hahatonga azy io ho azo ianteherana? Mila mianatra bebe kokoa momba ny Mpamorona isika, ary mifandray akaiky aminy.

15. Raha mahafantatra an’ilay Raintsika isika, inona no ho vokatr’izany eo amintsika?

15 Azo lazaina hoe Raintsika rehetra i Jehovah, araka ny voalazan’ny Baiboly. (Isaia 64:7) Afaka miantso azy hoe Ray ny Kristianina mahatoky, na manantena ny ho any an-danitra izy, na manantena hiaina ao amin’ny paradisa eto an-tany. (Matio 6:9) Tokony hiezaka hifandray akaiky amin’i Jehovah foana isika, mba hahalalantsika ny fomba fiheviny sy ny fitsipiny. (Jakoba 4:8) Tsy te hanao an’izany ny olona maro, tsy misy hafa amin’ireo Jiosy fahiny, izay nilazan’i Jesosy hoe: “Mbola tsy nisy fotoana nandrenesanareo ny feony, na nahitanareo ny tarehiny. Ary ny teniny tsy mitoetra ao anatinareo.” (Jaona 5:37, 38) Mbola tsy nandre ny feon’Andriamanitra isika, nefa afaka mamantatra ny fomba fiheviny rehefa mamaky ny teniny. Ho afaka hanahaka azy isika amin’izay, ary hitovy fihetseham-po aminy.

16. Nahoana ny tantaran’i Josefa no manaporofo fa tokony hampiofana sy hihaino ny feon’ny fieritreretantsika isika?

16 Mampiseho an’izany ny tantaran’i Josefa, tamin’izy nipetraka tao amin’i Potifara. Nasain’ny vadin’i Potifara hanao firaisana taminy i Josefa. Mbola tsy nisy Baiboly sy Didy Folo tamin’izany, kanefa hoy izy: “Hataoko ahoana no hanao izany ratsy lehibe izany ka hanota amin’Andriamanitra?” (Genesisy 39:9) Nilaza izany izy satria te hampifaly an’Andriamanitra, fa tsy hoe te hampifaly ny fianakaviany fotsiny. Lavitra be mantsy ny toerana nisy azy ireo. Fantatr’i Josefa ny fitsipik’Andriamanitra momba ny fanambadiana, dia ny hoe lehilahy iray no vadin’ny vehivavy iray, ary ho “nofo iray ihany” izy ireo. Efa reny koa angamba ny zavatra nataon’i Abimeleka rehefa fantany fa vadin’olona i Rebeka. Tsy nety naka azy ho vady i Abimeleka, satria hampidi-doza ny vahoakany izany. Notahin’i Jehovah i Abimeleka sy Rebeka, ary nasehony tamin’izany fa mankahala ny fijangajangana izy. Ny fahalalan’i Josefa an’izany rehetra izany angamba no nahatonga ny feon’ny fieritreretany hiasa tsara, ka nanakana azy tsy hijangajanga.—Genesisy 2:24; 12:17-19; 20:1-18; 26:7-14.

17. Nahoana isika no afaka manahaka kokoa an’ilay Raintsika, raha ampitahaina amin’i Josefa?

17 Manana ny Baiboly manontolo isika ankehitriny fa tsy toa an’i Josefa. Azontsika atao ny mamantatra ny fomba fisainan’ilay Raintsika sy ny fihetseham-pony, anisan’izany ny zavatra tiany sy tsy tiany. Hifandray akaiky aminy isika ary hanahaka azy bebe kokoa, raha mahafantatra tsara ny Soratra Masina. Hifanaraka kokoa amin’ny fomba fisainany ny feon’ny fieritreretantsika amin’izay, ka hiasa tsara toy ny azy.—Efesianina 5:1-5.

18. Na dia eo aza ny zavatra niainantsika tamin’ny lasa, inona no azontsika atao mba ho azo ianteherana kokoa ny feon’ny fieritreretantsika?

18 Efa hitantsika teo aloha, fa mety hamolavola ny feon’ny fieritreretantsika ny toe-tsaina sy ny fanaon’ny fianakaviantsika sy ireo olona tao amin’ny tanàna nahabe antsika. Mety ho nanadonto na nanimba ny feon’ny fieritreretantsika izany. Mety ho nanaraka fotsiny izay nolazain’izy ireo fa mety isika. Marina fa tsy afaka manova ny lasa isika, kanefa azontsika atao ny mifidy ny olona ifaneraserantsika mba hahatonga ny feon’ny fieritreretantsika hiasa tsara. Tena ilaina ny miaraka hatrany amin’ny Kristianina mahatoky, izay efa niezaka nanahaka an’ilay Raintsika hatry ny ela. Afaka manao izany isika rehefa tonga mivory sady miresadresaka amin’izy ireo aloha sy aorian’ny fivoriana. Ho hitantsika fa manana fomba fisaina voavolavolan’ny Baiboly ireo Kristianina namantsika ary manao zavatra mifanaraka amin’izany. Rehefa lazain’ny feon’ny fieritreretany aminy, ohatra, ny lalan’Andriamanitra sy ny fomba fiheviny, dia mihaino izany avy hatrany izy. Hanampy antsika hanana feon’ny fieritreretana mifanaraka amin’ny toro lalan’ny Baiboly ny fanaovana an’izany rehetra izany, sady hanampy antsika hanahaka an’Andriamanitra bebe kokoa. Raha manana feon’ny fieritreretana toy izany isika sady manahaka ny ohatra tsara omen’ny Kristianina namantsika, dia ho azo ianteherana kokoa ny feon’ny fieritreretantsika ary ho vonona hihaino azy io kokoa isika.—Isaia 30:21.

19. Inona no zavatra mbola mila hodinihina momba ny feon’ny fieritreretana?

19 Sarotra amin’ny Kristianina sasany anefa ny manaraka foana izay lazain’ny feon’ny fieritreretany. Amin’ny toe-javatra toy inona no isehoan’izany? Hiresaka sasany amin’izany ny lahatsoratra manaraka. Hovaliana ao ireto fanontaniana ireto: Inona no asan’ny feon’ny fieritreretana? Nahoana no mety tsy hitovy ny feon’ny fieritreretan’ny olona? Inona no hanampy antsika hanatsara ny feon’ny fieritreretantsika, mba hahaizantsika hanaraka izay lazain’izy io?—Hebreo 6:11, 12.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Nilaza zavatra mitovy amin’izany i Owen Gingerich, profesora momba ny astronomia ao amin’ny Oniversiten’i Harvard. Hoy izy: “Tsy fantatra ny antony mahatonga ny olona hanampy ny hafa ... ary tsy hay hazavaina ara-tsiansa amin’ny alalan’ny fandinihana ny biby izany. Any amin’ny sehatra hafa mihitsy angamba no ahitana valiny mahafa-po. Tsy maintsy ho ireo toetra nomen’Andriamanitra ny olona no mahatonga azy hanao izany. Anisan’ireo toetra ireo ny fananana feon’ny fieritreretana.”

Inona no Nianaranao?

• Nahoana ny karazan’olona rehetra no manana feon’ny fieritreretana?

• Nahoana isika no mila mitandrina, fa tsy hanaraka fotsiny izay lazain’ny feon’ny fieritreretantsika?

• Inona no azontsika atao mba hanatsarana ny feon’ny fieritreretantsika?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 23]

Nenjehin’ny eritreriny i Davida...

fa tsy mba toy izany i Saoly avy any Tarsosy

[Sary, pejy 24]

Afaka mampiofana ny feon’ny fieritreretantsika isika