Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manatòna ny Hazavana

Manatòna ny Hazavana

Manatòna ny Hazavana

NAMONJY ain’olona maro be nandeha sambo ny jiro fara. Natao hampitandremana izy io fa misy harambato mampidi-doza eny aloha. Tsy vitan’izay fa mampahafantatra amin’ny olona reraky ny dia lavitra izy io, fa efa ho tonga izy. Toy ny manao dia an-dranomasina koa ny Kristianina ankehitriny. Miaina eo amin’ny tontolo maizina ara-panahy sy mampidi-doza mantsy izy ireo. Oharin’ny Baiboly amin’ny “ranomasina misamboaravoara” ny olon-drehetra tafasaraka amin’Andriamanitra. “Tsy mety tafatoetra izy, ka ny ranony dia mamoaka loto sy fotaka.” (Isaia 57:20) Olona toy izany no manodidina ny Kristianina. Kely sisa anefa dia ho vita ny dia lavitra ataony. Manantena famonjena mantsy izy ireo. Toy ny hazavana azony ianteherana izany. (Mika 7:8) Noho ny fanampian’i Jehovah sy ny Teniny, dia ‘voafafy ho an’ny marina ny fahazavana, ary ny fifaliana ho an’ny mahitsy fo.’—Salamo 97:11. *

Varimbariana anefa ny Kristianina sasany, ka tsy nanatona intsony ny hazavana avy amin’i Jehovah. Nanjary rava àry ny finoany, toy ny sambo nidona tamin’ny harambato ka potika. Anisan’ny nandrava ny finoany ny fitiavan-karena, ny fitondran-tena maloto, ary na ny fivadiham-pinoana mihitsy aza. ‘Vaky sambo ny amin’ny finoana’ tokoa ny sasany, toy ny tamin’ny taonjato voalohany ihany. (1 Timoty 1:19; 2 Petera 2:13-15, 20-22) Azo oharina amin’ny seranana halehantsika ny tontolo vaovao. Efa tena akaiky izy io, ka ho loza raha tsy ankasitrahan’i Jehovah intsony isika ankehitriny!

Mitandrema sao ‘vaky sambo ny amin’ny finoana’

Potika ihany ny sambo sasany fahiny rehefa nanakaiky ny seranana, na dia tsy nahita loza mihitsy aza teny an-dranomasina. Rehefa iny ho tonga iny indrindra matetika, no miseho ny loza tsy ampoizina. “Ny andro farany” koa no fotoana mampidi-doza indrindra hatramin’izay. Hazavain’ny Baiboly fa “tsy mora setraina” io fotoana io, indrindra ho an’ny Kristianina vita fanoloran-tena.—2 Timoty 3:1-5.

Nahoana no tena mafy izao andro farany izao? Satria fantatr’i Satana fa tsy manana afa-tsy ‘fotoana fohy’ izy hiadiana amin’ny mpanompon’Andriamanitra. Ataony mihamafy àry ny fanenjehana mba hanimbana ny finoan’izy ireo. (Apokalypsy 12:12, 17) Mahazo fanampiana sy tari-dalana anefa isika. Fialofana hatrany ho an’ireo mankatò ny teniny i Jehovah. (2 Samoela 22:31) Nanome ohatra fampitandremana ho antsika izy, mba hahitantsika ny teti-dratsy feno hafetsena ampiasain’i Satana. Andeha isika izao hijery ohatra roa. Mahakasika ny Israelita tamin’izy ireo efa teo akaikin’ny Tany Nampanantenaina izany.—1 Korintianina 10:11; 2 Korintianina 2:11.

Teo akaikin’ny Tany Nampanantenaina

Afaka nandositra niala tany Ejipta ny Israelita notarihin’i Mosesy. Tonga teo atsimon’ny Tany Nampanantenaina izy ireo avy eo. Naniraka lehilahy 12 i Mosesy mba hisafo ilay tany. Tsy ampy finoana ny folo, ka nanao tatitra nahakivy. Nolazainy fa tsy ho resin’ny Israelita ny Kananita, satria “vaventibe” ary nanana tafika natanjaka. Inona no vokany teo amin’ilay vahoaka? Nimonomonona tamin’i Mosesy sy Arona izy ireo, ary nilaza hoe: ‘Nahoana Jehovah no mitondra antsika ho amin’ity tany ity ho lavon-tsabatra, ary ny vadintsika sy ny zanatsika madinika ho babo? Andeha isika hifidy mpitarika ka hiverina any Ejipta.’—Nomery 13:1, 2, 28-32; 14:1-4.

Eritrereto ange e! Ireo olona ireo mihitsy no nahita ny nampietren’i Jehovah an’i Ejipta, tamin’ny alalan’ny loza folo sy ny fahagagana mahatalanjona teo amin’ny Ranomasina Mena. I Ejipta anefa no firenena natanjaka indrindra tamin’izay. Efa teo akaikin’ny Tany Nampanantenaina izy ireo, ary nila nandroso fotsiny, toy ny sambo manatona ny hazavana tazany. Io no famantarana fa efa ho tonga izy. Nino anefa izy ireo fa tsy ho vitan’i Jehovah ny handrava an’ireo fanjakana nisara-bazana sy tsy dia natanjaka tao Kanana. Tsy maintsy ho nandiso fanantenana an’Andriamanitra tokoa izany tsy fahampiam-pinoana izany! Diso fanantenana koa i Josoa sy Kaleba, mpisafo tany be herim-po. Toy ny ‘hanina ho an’ny Israely’ mantsy i Kanana tamin’izy ireo. Nahita mivantana ny zava-misy tao amin’io tany io izy roa lahy, satria nitety azy io. Tsy tafiditra tany amin’ny Tany Nampanantenaina ny Israelita, fa nijanona tany an-tany efitra am-polony taona maro. Tsy maintsy niaraka tamin’ireo tsy ampy finoana ireo i Josoa sy Kaleba, nefa tsy niara-maty taminy. Nitarika ny taranaka manaraka hiditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina kosa izy roa lahy, tatỳ aoriana. (Nomery 14:9, 30) Hafa indray ny fitsapana niandry ny Israelita, tamin’ity indray mitoraka ity. Hanao ahoana izy ireo?

Niezaka nanozona ny Israelita i Balaka, mpanjakan’i Moaba, tamin’ny alalan’i Balama, mpaminany sandoka. Nofoanan’i Jehovah anefa io tetika io, ka nataony izay hilazan’i Balama fitahiana fa tsy ozona. (Nomery 22:1-7; 24:10) Tsy kivy i Balama ka nampiasa teti-dratsy hafa, mba tsy hahazoan’ny Israelita ilay tany. Nataony àry izay hahatonga azy ireo haloto fitondran-tena sy hivavaka tamin’i Bala. Tsy tena nahomby ilay tetika, nefa nisy Israelita 24 000 ihany voataona tamin’izany. Nijangajanga tamin’ny vehivavy moabita izy ireo ary nivavaka tamin’i Bala-peora.—Nomery 25:1-9.

Saintsaino anefa izao! Teo ny maro tamin’izy ireo, rehefa nitarika ilay firenena hamakivaky soa aman-tsara “ilay efitra lehibe sy mahatahotra” i Jehovah. (Deoteronomia 1:19) Israelita 24 000 anefa no resin’ny fanirian’ny nofo, ka naringan’i Jehovah, na dia efa nadiva hahazo ny lovany aza. Fampitandremana ho an’ny Kristianina tokoa izany! Efa madiva hahazo lova tsara lavitra noho ny Tany Nampanantenaina mantsy izy ireo.

Mbola manandrana faramparany manakana ny mpanompon’i Jehovah tsy hahazo ny valisoany i Satana. Tsy tetika vaovao no ampiasainy, fa ilay nataony tamin’ny fotoana voalohany nahatongavan’ny Israelita teo akaikin’ny Tany Nampanantenaina. Ataony matetika izay hahatonga antsika hatahotra sy hisalasala. Mety ho amin’ny alalan’ny fandrahonana izany, na fanenjehana, na fanesoana. Tsy nahatohitra an’ireny ny Kristianina sasany. (Matio 13:20, 21) Ataon’i Satana koa izay hanimbana ny fitondran-tenan’ny olona, ary mahomby foana izy amin’izany. Misy ratsy saina indraindray eo anivon’ny fiangonana, ka mitady hanimba ny fitondran-tenan’ny tsy ampy finoana, izany hoe ireo tsy manaraka tsara ny hazavana avy amin’i Jehovah.—Joda 8, 12-16.

Takatry ny Kristianina matotra sy mailo fa miady mafy i Satana, matoa mitombo haingana ny faharatsiana eran-tany. Fantany mantsy fa kely sisa dia tsy ho voafitany intsony ny mpanompon’i Jehovah tsy mivadika. Izao indrindra àry isika no tokony ho mailo hatrany amin’ny fandrika ataony.

Inona no hanampy antsika hanao izany?

Nilaza ny apostoly Petera fa toy ny “jiro mamirapiratra ao amin’ny toerana maizina” ny faminaniana. Manampy ny Kristianina hahita ny fahatanterahan’ny fikasan’Andriamanitra mantsy izy io. (2 Petera 1:19-21) Tsapan’ireo tia mamaky Baiboly sy manaiky foana ny tari-dalana ao, fa mandamina ny lalany i Jehovah. (Ohabolana 3:5, 6) Velom-panantenana izy ireo, ka ‘mihoby noho ny faharavoam-po.’ Hahatsapa “alahelom-po” sy “fahoriam-panahy” kosa amin’ny farany, ireo tsy mahalala an’i Jehovah na mivadika aminy. (Isaia 65:13, 14) Mila mazoto mianatra Baiboly sy mampihatra izay ianarantsika àry isika. Hanampy antsika hifantoka hatrany amin’ilay fanantenana azo antoka izany, ka tsy ho voafitaky ny fahafinaretana mihelina atolotr’ity tontolo ity isika.

Tena manampy antsika hiambina hatrany koa ny vavaka. Hoy i Jesosy rehefa niresaka momba ny fifaranan’ity tontolo ity: “Koa miambena hatrany, ary mitalahoa mandrakariva mba ho afa-mandositra izany zava-drehetra tsy maintsy ho tonga izany ianareo, ka ho afaka hitsangana eo anatrehan’ny Zanak’olona.” (Lioka 21:34-36) Mariho fa nampiasa an’ilay teny hoe ‘mitalaho’ i Jesosy. Mivavaka mafy no atao hoe mitalaho eto. Fantany fa amin’izao fotoan-tsarotra izao indrindra isika no mila mitandrina, sao tsy hahazo fiainana mandrakizay. Hita amin’ny vavaka ataonao ve fa tena maniry hiambina tsara hatrany ianao?

Tadidio fa rehefa ho tonga eo amin’ilay lovantsika indrindra isika, no mety ho tratran’ny loza. Tena ilaina àry ny mibanjina foana ilay hazavana hahazoantsika famonjena.

Tandremo ny hazavana sandoka

Nanafika sambo ny jiolahy fahiny. Nanararaotra ny alina maizim-bolana izy ireo, satria tsy tazana tsara ny morontsiraka. Nasian’izy ireo hazavana teny amin’ny toerana rehetra nampidi-doza, mba hivily any ny kapitenin-tsambo. Voafitaka àry ny sasany ka vaky sambo. Norobain’ireo jiolahy ny entana ary nisy aina nafoy.

Toy ny jiolahy i Satana, ilay miseho ho “anjelin’ny mazava.” Misy zavatra tiany hesorina amintsika, dia ny fifandraisantsika amin’i Jehovah. Mety hampiasa “apostoly sandoka” na “mpanompon’ny fahamarinana” nivadi-pinoana izy, mba hamitahana an’ireo tsy mailo. (2 Korintianina 11:13-15) Tsy voafitaky ny hazavana sandoka anefa ny tantsambo mailo sy za-draharaha. Tsy voafitak’ireo mampiely fampianaran-diso sy filozofia koa, ny Kristianina “manana fahaiza-misaina efa nozarina hanavaka ny tsara sy ny ratsy, satria nampiasaina.”—Hebreo 5:14; Apokalypsy 2:2.

Nitondra lisitr’ireo jiro fara mety ho hitany ny tantsambo. Hita tao ny mombamomba ny jiro tsirairay, anisan’izany ny lafiny mampiavaka azy. Hoy Ny Rakipahalalan’izao Tontolo Izao (anglisy): “Dinihin’ireo tantsambo ilay jiro tazany ary jereny ilay lisitra avy eo. Avy amin’izany no hahalalany ny mombamomba azy io sy ny toerana misy azy.” Manampy ny olona tso-po koa ny Baiboly mba hamantatra ny fivavahana marina sy ireo manaraka azy io, indrindra amin’izao andro farany izao. Asandratr’i Jehovah ho avo noho ny fivavahan-diso mantsy izy io ankehitriny. (Isaia 2:2, 3; Malakia 3:18) Hoy ny Isaia 60:2, 3, mba hampisehoana fa tsy mitovy ny fivavahana marina sy ny fivavahan-diso: “Ny aizina manarona ny tany, ary ny aizim-pito manarona ny firenena; fa aminao kosa no iposahan’i Jehovah, ary aminao no isehoan’ny voninahiny. Ary ny firenena manatona ny fahazavanao, ary ny mpanjaka mankeo amin’ny famirapiratan’ny fiposahanao.”

Olona an-tapitrisany avy amin’ny firenena rehetra no manaiky hotarihin’ny hazavana avy amin’i Jehovah. Raha manao izany hatrany izy ireo, dia tsy ho lefy ny finoany amin’izao fotoana efa hahazoany ny lovany izao. Tsy hivadika izy ireo mandritra ny fotoana sisa tavela ho an’ity tontolo ity, ary hiditra ao amin’ny tontolo vaovao hanjakan’ny fiadanana.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Imbetsaka ny Soratra Masina no mampiasa an’ohatra ny teny hoe “fahazavana.” Voalaza ao, ohatra, fa fahazavana Andriamanitra. (Salamo 104:1, 2; 1 Jaona 1:5) Toy ny hazavana ny fampianarana omen’ny Baiboly momba an’Andriamanitra sy ny fikasany. (Isaia 2:3-5; 2 Korintianina 4:6) Fahazavana i Jesosy nandritra ny fanompoany teto an-tany. (Jaona 8:12; 9:5; 12:35) Nasainy nampamirapiratra ny fahazavany koa ny mpanara-dia azy.—Matio 5:14, 16.

[Sary, pejy 15]

Toy ny tantsambo, dia mitandrina ny Kristianina mba tsy ho voafitaky ny hazavana sandoka