Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Nampiaiky Ahy ny Tsy Fivadihany’

‘Nampiaiky Ahy ny Tsy Fivadihany’

‘Nampiaiky Ahy ny Tsy Fivadihany’

NAMOAKA ny tantaram-piainany i Günter Grass, mpanoratra alemà, tamin’ny 2006. Nahazo ny Loka Nobel Momba ny Literatiora izy, tamin’ny 1999. Lazainy ao amin’ilay bokiny fa tamin’izy nanao miaramila mpiaro ny vahoaka, dia nahita lehilahy iray tena nanaitra azy. Nisy vokany lalina teo aminy ny fihetsik’izy io, ka tadidiny foana na dia 60 taona atỳ aoriana aza. Tsy nana-namana io lehilahy io, nefa tsy niala tamin’ny finoany na dia nenjehina aza.

Niresaka momba azy indray i Grass, tao amin’ny fanadinadinana navoakan’ny gazety iray mpiseho isan’andro any Alemaina. Tena niavaka io lehilahy io satria tsy nety nandray fitaovam-piadiana. Hoy koa i Grass: “Sady tsy Nazia izy no tsy Kominista no tsy Sosialista, fa Vavolombelon’i Jehovah.” Tsy tsaroany ny anaran’ilay Vavolombelona, fa nataony fotsiny hoe ‘Izahay tsy manao an’izany.’ Fantatry ny Vavolombelon’i Jehovah tatỳ aoriana anefa, fa Joachim Alfermann no anarany. Imbetsaka izy no nokapohina sy nalam-baraka, ary natokan-toerana avy eo. Tsy nivadika mihitsy anefa izy, ary tsy nety nandray fitaovam-piadiana.

Hoy i Grass: “Tapa-kevitra ny tsy hivadika izy, ka tena nampiaiky ahy izany. Nanontany tena aho hoe: Ahoana no nahazakany an’ireny rehetra ireny?” Maro ny fomba natao mba hampivadika an’i Alfermann tamin’Andriamanitra, nefa tsy nahomby. Nalefa tany amin’ny toby fitanana tany Stutthof àry izy tamin’ny Febroary 1944, ary nafahana tamin’ny Aprily 1945. Tsy maty tamin’ny ady izy, ary nahatoky mandra-pahafatiny tamin’ny 1998.

Nisy 13 400 teo ho eo tamin’izany ny Vavolombelona toa an’i Alfermann tany Alemaina, sy tany amin’ireo firenena teo ambany fahefan’ny Nazia. Niharan’ny habibiana izy ireo noho ny finoany. Nanaraka ny tari-dalan’ny Baiboly izy ireo, ka tsy nanao politika sy tsy nandray fitaovam-piadiana. (Matio 26:52; Jaona 18:36) Vavolombelona 4 200 teo ho eo no nalefa tany amin’ny toby fitanana, ary 1 490 no namoy ny ainy. Nampiaiky olona maro tsy Vavolombelona ny tsy fivadihan’izy ireo, na dia hatramin’izao aza.

[Sary, pejy 32]

Joachim Alfermann