Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nandresy Zava-tsarotra mba Hitondrana ny Vaovao Tsara

Nandresy Zava-tsarotra mba Hitondrana ny Vaovao Tsara

Nandresy Zava-tsarotra mba Hitondrana ny Vaovao Tsara

KELY sisa dia ho tonga teo amin’ny toeram-pisavana iray ny kamiao nentinay. Lehilahy sy vehivavy ary tanora 60 teo ho eo nirongo fiadiana, no niambina ilay izy. Nisy tamin’izy ireo nanao fanamiana, ary nanambana anay tamin’ny basimarovava ny sasany. Toy ny hoe efa niandry anay ry zareo. Mafotaka mantsy ny ady an-trano.

Efa efatra andro izahay no teny an-dalana, ary nitondra boky sy gazety ara-baiboly folo taonina. Nieritreritra izahay hoe: ‘Havelan’ireto handeha ve isika? Hitaky vola ve ry zareo? Ho mora ve ny handresy lahatra azy fa tsy misy ifandraisany amin’ny ady ny diantsika?’

Nanao tifi-danitra avy hatrany ny lehilahy iray mba hisehoana fa nanana fahefana izy. Hitany ny telefaoninay, ka notereny homena azy. Nisalasala anefa izahay, ka nanao fihetsika izy fa hotapahiny ny tendanay. Nomenay azy àry ny telefaoninay.

Tampoka teo, dia nandray basy ary nanatona anay ny vehivavy iray nanao fanamiana. Izy, hono, no sekretera. Mafy, hoy izy, ny fiainana, ka mba tokony homena zavatra kely koa izy. Iny koa fa nisy miaramila naka lasantsy tao amin’ny fitoeran-dasantsinay, hamenoany ny dabany. Nanandrana nanakana azy izahay, fa tsy noraharahainy. Nankatò baiko fotsiny, hono, izy. Tsy nisy azonay natao. Nieritreritra izahay hoe: ‘Enga anie ka tsy hisy olon-kafa hanao toa azy koa.’

Navelan’izy ireo handeha ihany anefa izahay. Nahatsiaro ho maivamaivana izahay. Mampitaintaina ny zavatra toy ireny, nefa efa zatra izahay. Nanomboka tamin’ny Aprily 2002 ka hatramin’ny Janoary 2004 mantsy, dia im-18 izahay no nitondra kamiao avy any amin’ny seranan-tsambon’i Douala, any Cameroun, nankany Bangui, renivohitry ny République centrafricaine. Mahatratra 1 600 kilaometatra ny lalana. Misy toe-javatra mampidi-doza sy tsy ampoizina foana eny. *

Hoy i Joseph sy Emmanuel, izay efa mpanao an’io dia io: “Nampianatra anay zavatra maro ireny dia ireny. Tena ilaina ny mivavaka mangina imbetsaka, ary miezaka ny ho tony. Hoy ny mpanao salamo: ‘Andriamanitra no itokiako; ka tsy mba hatahotra aho; inona no hataon’ny olona amiko?’ Miezaka hanana toe-tsaina toy izany izahay. Matoky izahay fa fantatr’i Jehovah hoe hitondra hafatra manome fanantenana sy tena ilaina, no anton-dianay.”—Salamo 56:11.

Ezaka ifarimbonan’ny firenena maromaro

Tia mandre ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra ny olona maro atỳ amin’ity faritr’i Afrika ity. Natao hanampiana azy ireny hianatra momba an’Andriamanitra ny boky taterinay. (Matio 5:3; 24:14) Ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Cameroun, no mandefa boky tsy tapaka ho an’ny mpitory 30 000 mahery sy olona liana any an-toerana, ary ho an’ny tany efatra manodidina.

Avy any lavitra ireny boky ireny. Atao pirinty any Alemaina, Angletera, Espaina, Failandy, ary Italia ny ankamaroany, fa avy any Frantsa kosa no alefa sambo. Isaky ny tapa-bolana no misy kaontenera feno boky tonga ao Douala.

Entina amin’ny kamiao ilay kaontenera, ary aterina any amin’ny sampana. Avahan’ny Sampan-draharahan’ny Fandefasana Entana ireo boky sy gazety, arakaraka ny toerana handefasana azy. Tsy mora ny mitondra azy ireny any amin’ny faritra lavitra. Amin’ny alalan’izy ireny anefa no itoriana ny vaovao tsara “any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany.” (Asan’ny Apostoly 1:8) Mpiasa an-tsitrapo mahafoy tena no irahin’ny sampana hanao ilay dia mampidi-doza. Olona an-tapitrisany any afovoan’i Afrika àry no mahazo tsy tapaka boky sy gazety.

Ny fizotran’ilay dia

Kamiao avokoa no mitondra ny boky sy gazety alefa any Cameroun, Gabon, Guinée équatoriale, République centrafricaine, ary Tchad. Andeha isika izao hiaraka amin’ny kamiao iray sy ireo mpamily azy io. Eritrereto hoe miara-mipetraka amin’izy ireo ianao. Miomàna fa hampitebiteby ilay dia, nefa haharitra folo andro na mihoatra.

Mpamily enina no mifandimby. Tsy maintsy matanjaka, mahay, manam-paharetana, ary miakanjo tsara izy rehetra. Manao akanjo afrikanina na lobaka sy kravaty izy ireo. Hoy ny mpiasan’ny doanina, indray andro: “Jereo fa madio be ny kamiaon-dry zareo sady miakanjo tsara ny mpamiliny. Hoatran’ireny ao amin’ny bokin-dry zareo ireny mihitsy e!” Mbola misongadina noho ny fiakanjon’ireo mpamily anefa ny fahavononany handeha any amin’izay rehetra tokony halehany, mba hanompoana ny hafa.—Salamo 110:3.

Amin’ny enina eo ho eo no miainga ao Douala ilay kamiao. Vao miposaka mantsy ny masoandro amin’izay, ka mbola vitsy ny fiara mivezivezy. Miampita tetezana tsy lavitra ny sampana isika, ary mamakivaky an’ilay tanàn-dehibe. Miantsinanana mankany Yaoundé, renivohitr’i Cameroun isika avy eo. Io no toerana voalohany tokony haleha.

Samy hilaza aminao izy enin-dahy fa tena sarotra ny mitondra kamiao feno boky folo taonina. Tsy dia mananosarotra ny telo andro voalohany, satria rarivato ny lalana. Na izany aza, dia ilaina ny mitandrina. Avy be tampoka anefa ny orana avy eo. Tsy rarivato intsony koa ny lalana. Manjavozavo izay jerena. Malama ny lalana sady mikitoantoana, ka tsy maintsy mandeha mora ilay kamiao. Mihamaizina ny andro avy eo, ka tonga ny fotoana hijanonana, mba hisakafoanana sy hatoriana. Ampiakarina eny aloha fotsiny ny tongotra rehefa hatory. Izany no iainana amin’ny dia toy ireny!

Mitohy indray ny dia raha vao mangiran-dratsy. Mijery tsara ny lalana ny iray amin’izy enin-dahy, mba hanampiana an’izay mamily. Mampitandrina avy hatrany izy, raha vao mitady hilatsaka ao anaty tatatra ilay kamiao. Fantatry ny mpamily tsara mantsy, fa mety ho afaka andro maro vao ho tafakatra avy ao ry zareo, raha izany no mitranga. Miampita ny sisin-tany isika avy eo, mba hidirana any amin’ny République centrafricaine. Mbola ratsy foana ny lalana. Havoana maitso mavana misy tanàna kely maromaro no hita eny amin’ny lalana 650 kilaometatra manaraka. Mandeha moramora ilay kamiao, ka indreny fa misy vehivavy mibaby zaza sy ankizy ary zokiolona mikopakopaka antsika. Vitsy ny fiara mandalo noho ny ady an-trano, ka gaga izy ireo mijery antsika.

Zava-nitranga nahafinaritra

Tantarain’i Janvier, iray amin’ireo mpamily, fa matetika izy ireo no mijanona ao amin’ireny tanàna ireny, mba hiala sasatra kely ary hizara boky sy gazety, na dia tery aza ny fotoanany. Hoy izy: “Niezaka foana niresaka tamin’ny mpiasa iray tao amin’ny hopitaly izahay, tany Baboua. Tena nahaliana azy ny hafatra momba ilay Fanjakana, ka nianatra vetivety izahay isaky ny nandalo. Nampijerenay azy mianakavy mihitsy aza, indray andro, ilay video momba an’i Noa. Tonga koa ny namany sy ny mpiray tanàna, ka tsy ela dia feno ny tranony, ary faly izy rehetra. Efa nahare momba an’i Noa daholo izy ireo, fa izao vao hahita ny tantarany amin’ny tele. Tena nankasitrahan’izy ireo ilay video, ka nampihetsi-po izany. Nanaovan’izy ireo sakafo be izahay ho fisaorana, ary niangaviany mba hijanona hatory. Tsy maintsy nandeha avy hatrany anefa izahay. Na izany aza, dia faly izahay satria afaka nitory tamin’ireo olon-tsotra ireo.”

Ho any Bangui isika izao. Tantarain’i Israel, mpamily iray hafa, ny zava-nitranga tamin’ny dia iray nataon’izy ireo nankany. Hoy izy: “Nihabetsaka ny toeram-pisavana arakaraka ny nanatonanay an’i Bangui. Soa ihany fa tsara fanahy ny maro tamin’ireo miaramila. Manana havana Vavolombelona mantsy ny sasany. Tadidiny koa ny kamiao nentinay. Nasainy niara-nipetrapetraka taminy izahay, ary faly erỳ ry zareo nahazo boky sy gazety. Sarobidy ny boky amin’izy ireo, ka asiany ny anarany. Soratany ao koa ny anaran’ilay nanome azy io, sy ny daty nahazoany azy.”

I Joseph no za-draharaha indrindra amin’ireo mpamily enina. Ny fotoana ahatongavana any amin’izay toerana aleha no hitany hoe mahafinaritra indrindra. Hoy izy momba ny dia iray nataon’izy ireo: “Taloha kelin’ny nahatongavanay tao Bangui, dia nitelefaonina tamin’ireo rahalahy izahay mba hilaza fa efa ho avy. Niaraka taminay tany an-tanàna izy ireo, ary nanampy anay hikarakara ny taratasy ara-panjakana. Rehefa tonga tao amin’ny sampana izahay, dia nivoaka daholo ny mpiasa tao mba hiarahaba sy hamihina anay. Nisy rahalahy tonga hanampy, avy any amin’ireo fiangonana eo akaiky eo. Ora vitsivitsy monja àry dia baoritra an-jatony feno Baiboly, boky, bokikely, sy gazety no tafavoaka avy tao amin’ilay kaontenera, ary voampirina tao amin’ny fanatobiana entana.”

Hoy ihany i Joseph: “Mitondra zavatra ho an’ny ankizy sy akanjo ary kiraro koa izahay indraindray, mba halefa any amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo. Tena mankasitraka izany ireo rahalahy, ka faly erỳ izahay mahita azy ireo mitsikitsiky!”

Rehefa avy miala sasatra iray andro isika, dia miomanomana ary miverina mody. Mbola hisy olana ihany eny an-dalana. Tsy misy dikany anefa ireny, raha oharina amin’ny zava-nitranga nahafaly vao hitantsika.

Mety ho sorena ny mpamily rehefa lavitra ny lalana sady ratsy, avy be ny orana, vaky ny pne, ary maty ny kamiao. Masiaka koa ny miaramila matetika. Tena faly anefa ireo mpamily ireo, satria mitondra ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana, any amin’ny faritra lavitra eto Afrika. Faly koa izy ireo rehefa mahita ny vokatr’izany.

Afaka mamaky Baiboly amin’ny fiteny ankehitriny, ohatra, ny lehilahy iray any amin’ny tanàna kelin’ny République centrafricaine, akaikin’ny sisin-tanin’i Soudan. Mianatra ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana nivoaka vao haingana koa ny vadiny, ary mandray soa amin’ny boky Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe * ny zanany. Mahazo fampianarana ara-baiboly izy ireo sy ny maro hafa any amin’ireny tanàna kely ireny, toy ireo rahalahiny any an-tanàn-dehibe. Mahafaly tokoa izany!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Efa tsy dia mampidi-doza intsony izao ny lalana avy any Douala mankany Bangui.

^ feh. 25 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sarintany/​Sary, pejy 9]

(Jereo ny gazety)

CAMEROUN

Douala

RÉPUBLIQUE CENTRAFRICAINE

Bangui

[Sary, pejy 9]

Joseph

[Sary, pejy 9]

Emmanuel

[Sary, pejy 10]

Sampan’ny République centrafricaine, Bangui

[Sary, pejy 10]

Mamoaka entana, Bangui