Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nivezivezy ny “Sambon’i Kitima”

Nivezivezy ny “Sambon’i Kitima”

Nivezivezy ny “Sambon’i Kitima”

MARO ny ady nataon’ny tafika an-dranomasina tany amin’ny faritra atsinanan’i Mediterane. Alao sary an-tsaina ange ny fizotran’ny ady iray, tamin’ny taonjato fahadimy talohan’i Kristy e! Mandeha mafy be ny sambo mpiady iray mora entina. Lehilahy matanjaka 170 eo ho eo no mivoy azy io eo amin’ny andaniny roa, ary manao ambaratonga telo izy ireo. Miara-manenjana ny hozany izy rehefa mivoy, ary mikorisa mandroso sy miverina eo amin’ny ondan-tseza vita amin’ny hoditra, mifatotra amin’ny foto-peny.

Eo amin’ny 13 ka hatramin’ny 17 kilaometatra isan’ora ny hafainganam-pandehan’ilay sambo mpiady. Mamakivaky ny onja izy io, ary manatona haingana ny sambon’ny fahavalo. Miezaka mandositra ilay sambo, nefa amin’ny fotoana tokony hiviliany indrindra no tsy voaro ny lafiny ilany. Mitsatoka amin’ny vatany efa marefo àry ilay tsato-by mifono halimo eo amin’ny lohan’ilay sambo mpiady. Raiki-tahotra ny mpivoy, rehefa mandre ny feon’ny hazo fisaka potika sy ny rano mitosaka avy eo amin’ilay lavaka mitanatana. Ireny fa mirohotra eo afovoan’ilay sambo mpiady ny miaramila vitsivitsy mirongo fiadiana, handeha hanafika an’ilay sambo voagorobaka. Tena nampahatahotra ny sambo sasany fahiny!

Tena mahaliana ny olona mpandalina Baiboly ny resaka momba an’i “Kitima” sy ny “sambon’i Kitima.” Misy ifandraisany amin’ny faminaniana mantsy izy ireny indraindray. (Nomery 24:24; Daniela 11:30; Isaia 23:1) Taiza anefa no nisy an’i Kitima? Inona no fantatra momba ny sambon’i Kitima? Ary nahoana no tokony hahaliana anao izany?

Niantso an’i Kitima hoe “Ketimosy” i Josèphe, mpahay tantara jiosy, ary nilaza fa ny nosin’i Sipra izy io. Manamarina izany koa ny fisian’ny tanàna iray atao hoe Kitiona (Kitioma), any amin’ny faritra atsimoatsinanan’ilay nosy. Tsara toerana i Sipra, satria fihaonan’ny lalan’ny mpivarotra fahiny, sady akaiky an’ireo seranana tany amin’ny faritra atsinanan’i Mediterane. Voahodidin’ny firenena maromaro koa izy io, ka tsy maintsy niandany tamin’ny iray tamin’izy ireo rehefa nisy ady. Andry lehibe azon’izy ireo niankinana àry izy, na vato misakana nanelingelina azy.

  Zatra ranomasina ny mponin’i Sipra

Ahafahana maka sary an-tsaina ny sambo avy any Sipra ny zavatra hita tany ambany ranomasina sy tany anaty fasana. Toy izany koa ny asa soratra tranainy sy sarisary teo amin’ny zavatra vita amin’ny tanimanga. Hita avy amin’ireny fa mpanamboatra sambo tena nahay ny mponina voalohany tany Sipra. Rakotra ala matevina ilay nosy, ary misy helodranomasina maromaro, izay seranana vita ho azy sady niaro ny sambo tamin’ny rivo-doza. Tsy nokapaina mba hanaovana sambo fotsiny anefa ny hazo, fa natao koa mba handrendrehana varahina, izay loharanon-karena nampahalaza an’i Sipra fahiny.

Fanaon’ny Fenisianina (Kananita) ny nanorim-ponenana tao amin’ny tanàna sasany nandalovany, rehefa hivarotra. Voamarik’izy ireo fa niroborobo ny fanondranana entana avy any Sipra. Nanorim-ponenana tao Kitiona, any Sipra, àry izy ireo.—Isaia 23:10-12.

Rehefa rava i Tyro, dia nisy Fenisianina avy any nitady fialofana tany Kitima. Nanana traikefa tamin’ny fivezivezena an-dranomasina izy ireo, ka azo inoana fa tena nanampy ny mponin’i Sipra mba hampivoatra ny fahaizany manamboatra sambo. Tena nety koa ny toerana nisy an’i Kitiona, ka voaro tsara ireo sambo fenisianina tao.

Nandray anjara tamin’ny varotra iraisam-pirenena

Sarotra ny nanao raharaham-barotra tany amin’ny faritra atsinanan’i Mediterane, tamin’izany. Notaterina tamin’ny sambo mantsy ny entana sarobidy avy any Sipra, mba haondrana tany Kreta, Sardaigne, Sisila, ary ny nosin’ny Ranomasina Égée. Nisy siny sy vazy avy any Sipra, ohatra, hita tany amin’ireo toerana ireo. Tany Sipra kosa nahitana zavakanto be dia be avy any Gresy, vita amin’ny tanimanga. Mino koa ny manam-pahaizana sasany nandinika vaingana varahina hita tany Sardaigne, fa avy any Sipra ilay izy.

Nisy fikarohana ambany ranomasina natao teo akaikin’ny morontsiraky ny faritra atsimon’i Torkia, tamin’ny 1982. Hita tamin’izany ny sambo iray rendrika tamin’ny faramparan’ny taonjato faha-14 T.K. Nahitana zava-tsarobidy isan-karazany tao anatiny: Vaingana varahina heverina ho avy any Sipra, ditin-kazo mafy fanaovana firavaka, siny kananita, hazomainty, vangin’elefanta, firavaka kananita vita amin’ny volamena sy volafotsy, firavaka ejipsianina miendrika voangory, ary zavatra hafa avy any Ejipta. Nandinika an’ireo zavatra vita amin’ny tanimanga hita tao ny manam-pahaizana, ka nilaza fa mety ho avy any Sipra ilay sambo.

Tsara homarihina fa tamin’ny fotoana heverina ho naha rendrika an’io sambo io, no nanaovan’i Balama “oha-teny” misy firesahana momba ny sambo avy any Kitima. (Nomery 24:15, 24) Azo inoana àry fa efa nahafantatra tsara ny sambo avy any Sipra ny olona tany amin’ny firenena nanodidina an’i Israely. Toy inona moa ireo sambo ireo?

Sambom-barotra

Nahitana modelin-tsambo maro be vita amin’ny tanimanga, tao amin’ny toeram-pandevenana tao Amathus, tanàna tranainy any Sipra. Hita tsara amin’ireny ny endrik’ireo sambo tany Sipra. Aseho any amin’ny tranombakoka ny modely sasany.

Hita amin’ireo modely ireo fa nampiasaina tamin’ny varotra ny sambo voalohany tany Sipra, fa tsy nentina niady. Tao ny karazan-tsambo, izay mazàna novoizin’ny olona 20. Natao hitaterana entana sy mpandeha tamin’ny toerana tsy lavitra loatra, teny amin’ny morontsirak’i Sipra, izy ireny. Natao malalaka sady lalina àry ny vatany. Nilaza i Pline Zokiny, mpanoratra romanina, fa nanamboatra sambo kely sy maivana ary natao hovoizina ny mponin’i Sipra. Nahazaka hatramin’ny 90 taonina izy ireny.

Teo koa ireo sambom-barotra lehibe kokoa, toy ilay hita tany Torkia. Nisy aza nahazaka entana hatramin’ny 450 taonina, teny afovoan-dranomasina. Mety ho lehilahy 50 no niara-nivoy an’ilay sambo, izany hoe 25 avy teo amin’ny andaniny roa. Nahatratra 30 metatra ny lavan’ny sambo sasany, ary nisy andrin-tsambo maherin’ny 10 metatra.

Faminaniana momba ny sambo mpiadin’i “Kitima”

Ny fanahin’i Jehovah no nahatonga an’ity fanambarana ity: “Hisy sambo avy any Kitîma, mitondra olona hampahory ny Asirianina.” (Nomery 24:2, 24, DIEM) Tanteraka ve ireo teny ireo? Ary inona no anjara asan’ny sambon’i Sipra tamin’izany? Tsy sambom-barotra nivezivezy teny amin’ny Ranomasina Mediterane ireo ‘sambo avy any Kitima’ ireo, fa sambo mpiady nitondra fampahoriana.

Niova ny zavatra nilaina tamin’ny ady, ka novana araka izany koa ny endriky ny sambo. Sambo matanjaka sy haingam-pandeha kokoa no namboarina. Mety ho ny sambo mpiady voalohandohany tany Sipra no asehon’ny sary hoso-doko iray hita tany Amathus. Lava marotsaka ilay izy, ary mifaingoka miakatra ny vodisambo, toy ny sambo mpiady fenisianina. Misy tsato-by iray koa eo amin’ny lohany, ary misy ampinga boribory maromaro eo amin’ny andaniny roa, akaikin’ny lohan-tsambo sy ny vodisambo.

Nisy karazan-tsambo hafakely namboarina tany Gresy, tamin’ny taonjato fahavalo T.K. Nisy laharana mpivoy maromaro teo amin’ny andaniny roa, ary nanao ambaratonga roa izy ireo. Tokotokony ho 24 metatra ny lavan’ireny sambo ireny, ary 3 metatra ny sakany. Nitaterana miaramila izy ireny, tamin’ny voalohany. Tetỳ an-tanety mantsy no tena nisehoan’ny ady. Tsy ela dia hita fa tsara raha ampiana ambaratonga iray ny laharan’ny mpivoy. Nasiana tsato-by mifono halimo koa teo amin’ny lohan-tsambo. Io karazan-tsambo vaovao io ilay noresahina terỳ am-piandohana. Lasa nalaza izy io, rehefa nandresy ny tafika an-dranomasina persanina ny Grika, nandritra ilay ady tao Salamisy (480 T.K.).

Nanana sambo toy ireny i Aleksandra Lehibe, mpanjaka grika. Te hahazo fahefana bebe kokoa izy, ka nalefany niantsinanana ny andian-tsambony tatỳ aoriana. Sambo mpiady izy ireny, fa tsy fanaovana dia lavitra be teny afovoan-dranomasina. Kely mantsy ny fitehirizana entana tao amin’izy ireny. Tsy maintsy nijanona kely tany amin’ireo nosin’ny Ranomasina Égée àry izy ireny, mba haka vatsy sy fitaovana ary hanamboatra ny simba. Ny hanapotika ny andian-tsambon’ny Persanina no tanjon’i Aleksandra. Tsy maintsy nandresy an’i Tyro, tanàna voahodidina manda mafy anefa aloha izy, raha te hahomby. Nila nandalo tany Sipra izy talohan’izay.

Nomba azy ny mponina tao nandritra ny fanaovana fahirano an’i Tyro (332 T.K.), ka nanome sambo 120. Nisy mpanjaka telo avy ao Sipra koa, nitarika andian-tsambo hafa hanampy an’i Aleksandra. Niara-nanao fahirano an’i Tyro nandritra ny fito volana izy ireo. Resy i Tyro, ary tanteraka ny faminanian’ny Baiboly. (Ezekiela 26:3, 4; Zakaria 9:3, 4) Nomen’i Aleksandra fahefana manokana ireo mpanjaka avy ao Sipra, ho fisaorana azy ireo.

Tanteraka tamin’ny fomba niavaka

Nilaza ilay mpahay tantara tamin’ny taonjato voalohany atao hoe Strabon, fa nasain’i Aleksandra nanampy azy ny sambo avy any Sipra sy Fenisia, tamin’izy nanafika an’i Arabia. Maivana sy mora noravana ireny sambo ireny, ka herinandro monja dia tonga tao Thapsacus (Tifsa), any amin’ny faritra avaratr’i Syria. (1 Mpanjaka 5:4) Afaka nanaraka renirano izy ireo avy ao ka hatrany Babylona.

Arivo taona teo ho eo tatỳ aoriana àry, dia tanteraka tamin’ny fomba niavaka ilay teny toa tsy dia nazava tao amin’ny Baiboly! Nitranga tokoa izay voalazan’ny Nomery 24:24: Avy tao Makedonia ny tafik’i Aleksandra Lehibe no nandroso niantsinanana hatrany, ka nandresy an’i Asyria, ary nandresy ny fanjakana matanjaka medianina sy persanina tamin’ny farany.

Kely ihany ny fanazavana ananantsika momba ny “sambon’i Kitima.” Porofoin’izy ireny mazava tsara anefa fa tena mahavariana ny fahatanterahan’ny faminanian’ny Baiboly. Rehefa mandinika ireny porofo ara-tantara ireny isika, dia vao mainka miaiky fa azo itokisana ny zavatra lazain’ny Baiboly momba ny hoavy. Maro amin’ireny faminaniana ireny no misy ifandraisany amin’ny hoavintsika, ka tokony ho zava-dehibe amintsika.

[Sarintany, pejy 16, 17]

(Jereo ny gazety)

ITALIA

Sardaigne

Sisila

Ranomasina Égée

GRESY

Kreta

LIBYA

TORKIA

SIPRA

Kitiona

Tyro

EJIPTA

[Sary, pejy 16]

Modelina sambo mpiady grika misy ambaratongana mpivoy telo

[Sary nahazoan-dalana]

Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.

[Sary, pejy 17]

Modelina sambo mpiady fenisianina misy ambaratongana mpivoy roa

[Sary nahazoan-dalana]

Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.

[Sary, pejy 17]

Vazy misy sarin-tsambo avy any Sipra

[Sary nahazoan-dalana]

Published by permission of the Director of Antiquities and the Cyprus Museum

[Sary, pejy 18]

Sambo mpitondra entana toy ilay resahin’ny Isaia 60:9