Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Anio Ihany ve no Eritreretinao?

Ny Anio Ihany ve no Eritreretinao?

Ny Anio Ihany ve no Eritreretinao?

“TSY mieritreritra momba ny hoavy mihitsy aho. Ho avy tsy ho ela eo ihany izy.” Ilay mpahay siansa malaza atao hoe Albert Einstein no nilaza an’ireo teny ireo. Maro no mitovy hevitra aminy, ka milaza hoe: “Nahoana aho no hiady saina momba ny hoavy?” Angamba koa ianao efa nandre olona nilaza hoe: “Ny anio ihany aloha!” “Aza mieritreritra an’izay ho ampitso!”

Tsy vaovao izany fomba fisainana izany. “Mihinàna, misotroa, mifalia. Tsy misy zava-dehibe afa-tsy ireo.” Izany no foto-pisainan’ny Epikoreanina fahiny. Mitovitovy amin’izany ny fomba fihevitry ny olona sasany niara-belona tamin’ny apostoly Paoly. Hoy izy ireo: “Aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty.” (1 Korintianina 15:32) Nihevitra izy ireo fa izao fiainana fohy izao ihany no ananantsika, ka tokony hohararaotina araka izay tratra.

Misy olona an-tapitrisany kosa anefa tsy mba afaka manaram-po amin’ny fiainana toy izany. Maro no miatrika zava-tsarotra, ka miady mafy foana amin’ny fiainana. Nahoana moa izy ireo no hieritreritra ny “ampitso”, dia ilay hoavy izay matetika no toa manjombona sy tsy misy antenaina?

Tokony hanomana ny hoavy ve isika?

Na ny olona tsy dia sahirana aza matetika, dia mahita fa tsy misy dikany ny fanomanana ny hoavy. Mety hiteny izy ireo hoe: “Inona no hisahiranana amin’izany?” Ny sasany indray mety hieritreritra fa diso fanantenana ihany amin’ny farany ny olona manomana ny hoaviny. Na i Joba loham-pianakaviana fahiny aza efa tratran’ny famoizam-po lalina, rehefa nahita fa ‘foana ny fikasany.’ Rava izay mba nokasainy hitondra hoavy sambatra ho azy sy ny fianakaviany.—Joba 17:11, Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara; Mpitoriteny 9:11.

Misy poety ekosey atao hoe Robert Burns, niasa teny an-tsaha ka sendra voatomboky ny angadiny ny lavaky ny totozy iray. Nitsoaka nanavotra aina ilay totozy kely, rehefa rava tanteraka ny fonenany. Nampitovin’i Burns tamin’izay nanjo an’io totozy kely io ny manjo antsika olombelona. Hoy izy: ‘Impiry akory moa isika no tsy mahavita na inona na inona manoloana ny toe-javatra tsy azontsika anoarana, hany ka matetika no tsy mahomby na dia ny tetika maty paika indrindra aza?’

Tsy misy dikany àry ve ny hanomanana ny hoavy? Ny tsy fahampian’ny fiomanana araka ny tokony ho izy, raha ny marina, no miteraka fahavoazana lehibe, rehefa misy rivo-doza na loza hafa. Ekena, ohatra, fa tsy nisy olona afaka nisakana ny Rivo-doza Katrina. Tsy ho nampihena ny fahavoazana nihatra tamin’ny tanànan’i Nouvelle-Orléans sy ny mponina tao ve anefa ny fitsinjovana tsara izay hitranga sy ny fiomanana bebe kokoa?

Ahoana no hevitrao? Mety tokoa ve raha ny anio ihany no eritreretintsika, fa tsy miraharaha ny ampitso isika? Diniho izay lazain’ny lahatsoratra manaraka momba izany.

[Sary, pejy 3]

“Mihinàna, misotroa, mifalia. Tsy misy zava-dehibe afa-tsy ireo”

[Sary, pejy 4]

Tsy ho nampihena ny fahavoazana nentin’ny Rivo-doza Katrina ve ny fitsinjovana izay hitranga sy ny fiomanana?

[Sary nahazoan-dalana]

U.S. Coast Guard Digital