Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Syrakosa—Toerana Nandalovan’i Paoly

Syrakosa—Toerana Nandalovan’i Paoly

Syrakosa​—Toerana Nandalovan’i Paoly

NIALA tao amin’ny nosy Malta any Mediterane ny sambo iray, tamin’ny taona 59 tany ho any, ary nankany Italia. Nisy marika hoe “Zanakalahin’i Zeosy”, ny lohan’ilay sambo. Noheverina ho andriamanitra mpiaro ny tantsambo ireo “Zanakalahin’i Zeosy.” Nilaza i Lioka mpanoratra Baiboly, fa “tonga tao an-tseranan’i Syrakosa”, any amin’ny morontsiraka atsimoatsinanan’i Sisila, ilay sambo, ka “nijanona telo andro tao.” (Asan’ny Apostoly 28:11, 12) Niaraka tamin’i Lioka tao koa i Aristarko sy ny apostoly Paoly, izay hotsaraina tany Roma.—Asan’ny Apostoly 27:2.

Asa raha navela hidina kely tao Syrakosa i Paoly. Inona no mety ho hitan’izy sy ny namany raha nidina tao tokoa izy ireo?

Nandroso be toa an’i Atena sy Roma i Syrakosa, tamin’ny andron’ny Grika sy Romanina. Araka ny lovantsofina dia ny Korintianina no nanorina azy io tamin’ny 734 T.K., ary nisy fotoana nampahalaza azy. Nisy olo-malaza teraka tao, toa an’i Épicharme, mpanoratra tantara, sy Archimède, mpahay matematika. Resin’ny Romanina i Syrakosa, tamin’ny 212 T.K.

Efa maoderina izao ilay tanàna. Mety ho azonao an-tsaina ny endriny tamin’ny andron’i Paoly, raha mankany ianao. Mizara ho faritra roa izy io, ka nosy kely atao hoe Ortygie ny iray. Tao angamba ilay sambo nisy an’i Paoly no niantsona. Eo amin’ny morontsirak’i Sisila kosa ny faritra iray.

Ao Ortygie no ahitana ny sisa tsy rava amin’ny tempolin’i Apollon, izay efa tamin’ny taonjato fahenina T.K. Izy io no tranainy indrindra any Sisila, ary tsotra ny endrik’ireo andriny. Misy tempoly iray efa tamin’ny taonjato fahadimy T.K. koa ao, ary andry sisa no tavela. Natokana ho an’i Athéna, andriamanibavy grika izy io, nefa lasa anisan’ny katedraly, tatỳ aoriana.

Eo amin’ny morontsirak’i Sisila ny renivohitr’i Syrakosa. Misy toerana atao hoe Neapolia ao. Azo tsidihina izy io ary hita ao ny sisa tsy rava amin’ilay tanàna taloha. Misy kianja fanaovana teatra, eo akaikin’ny fidirana. Anisan’ny kianja miavaka naorin’ny Grika izy io. Manatrika ny ranomasina ilay izy, ka mahafinaritra ny mijery an’ilay sehatra. Misy kianja be naorin’ny Romanina tamin’ny taonjato fahatelo kosa, any amin’ny farany atsimo. Boribory lavalava izy io, 140 metatra ny lavany, ary 119 metatra ny sakany. Io no kianja lehibe indrindra fahatelo any Italia.

Raha mba sendra mankany Syrakosa ianao, dia mipetraha amin’ny seza eo amoron-dranomasin’i Ortygie. Vakio ny Asan’ny Apostoly 28:12, ary alao sary an-tsaina hoe iny fa hiantsona ny sambo nitondra an’i Paoly.

[Kisary/​Sarintany, pejy 30]

(Jereo ny gazety)

Malta

Sisila

Syrakosa

ITALIA

Regioma

Potioly

Roma

[Sary, pejy 30]

Kianja fanaovana teatra grika fahiny ao Syrakosa