Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsinjovy ny Hoavy

Tsinjovy ny Hoavy

Tsinjovy ny Hoavy

“AZA manahy ny amin’ny ampitso”, hoy i Jesosy Kristy tao amin’ilay toriteny malaza nataony teny an-tendrombohitra, tany Galilia. Hoy izy avy eo: “Ny ampitso no hiahy ny ampitso.”—Matio 6:34, Ny Baiboly Anglisy Vaovao.

Inona no tiana holazaina amin’izany, araka ny hevitrao? Midika ve izany fa ny anio ihany no tokony hoeritreretina, fa tsy horaharahaina ny ampitso? Tena mifanaraka amin’ny zavatra ninoan’i Jesosy sy ny mpanara-dia azy ve izany?

‘Aza manahy intsony’

Vakio daholo ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 6:25-32. Anisan’ny nolazainy ny hoe: “Aza manahy ny amin’ny ainareo intsony, dia izay hohaninareo na izay hosotroinareo, na ny amin’ny vatanareo, dia izay hotafinareo. ... Jereo tsara ny voro-manidina: Tsy mba mamafy na mijinja na manangona ho ao an-trano fitahirizana ireny, nefa manome sakafo azy ny Rainareo any an-danitra. ... Iza aminareo no mahay manalava ny androm-piainany, na kely monja aza, rehefa manahy? Nahoana koa ianareo no manahy ny amin’ny fitafiana? Diniho tsara ny fanirin’ny voninkazo any an-tsaha. Tsy misasatra na manao kofehy ireny ... Koa aza manahy mihitsy ianareo hoe: ‘Inona no hohaninay?’ na ‘Inona no hosotroinay?’ na ‘Inona no hotafinay?’ Izany rehetra izany mantsy no katsahin’ny olona eo amin’izao tontolo izao fatratra. Fa fantatry ny Rainareo any an-danitra fa ilainareo izany rehetra izany.”

Torohevitra roa no namaranan’i Jesosy an’io ampahany tamin’ny toriteniny io. Voalohany: “Katsaho hatrany àry aloha ny fanjakan[’Andriamanitra] sy ny fahamarinany, dia homena anareo koa izany rehetra izany.” Faharoa: “Aza manahy mihitsy ny amin’ny ampitso, fa ny ampitso hanana ny fanahiany. Ampy ho an’ny andro tsirairay ny ratsy mitranga eo aminy.”—Matio 6:33, 34.

Fantatry ny Rainao izay ilainao

Inona no tian’i Jesosy holazaina, araka ny hevitrao? Moa ve izy te hanakivy ny mpianany tsy ‘hamafy na hijinja na hanangona ho ao an-trano fitehirizany’, na koa tsy ‘hisasatra na hanao kofehy’ mba hahazoana ny fitafiana nilainy? (Ohabolana 21:5; 24:30-34; Mpitoriteny 11:4) Mazava ho azy fa tsia. Tsy maintsy ho lasa ‘mpangataka’ izy ireo amin’ny fotoam-pijinjana, raha nijanona tsy niasa intsony, satria tsy hanan-kohanina sy hotafiana.—Ohabolana 20:4.

Ahoana kosa ny amin’ny fanahiana? Te hilaza ve i Jesosy fa ho afaka tanteraka amin’izany ny mpihaino azy? Tsy mifanaraka amin’ny zava-misy izany! Na i Jesosy aza mantsy ory dia ory sy nanahy mafy, tamin’ilay alina nisamborana azy.—Lioka 22:44.

Nilaza ny zava-misy fotsiny i Jesosy tamin’izay, dia ny hoe tsy hanampy anao hamaha izay olana mahazo anao mihitsy ny fanahiana tafahoatra. Tsy hanampy anao ho ela velona kokoa, ohatra, izany. Nilaza i Jesosy fa tsy ‘hanalava ny androm-piainanao’ izany, na dia kely monja aza. (Matio 6:27) Vao mainka aza mety hanafohy ny fiainanao ny fanahiana mafy maharitra ela.

Tena azo ampiharina ny toroheviny. Maro amin’ny zavatra mampanahy antsika koa no tsy mitranga akory. Niaiky an’izany ilay mpitondra fanjakana britanika atao hoe Winston Churchill, rehefa nahatsiaro ireo andro nanjombona tamin’ny Ady Lehibe II. Hoy izy: “Rehefa mieritreritra ny zavatra rehetra nampanahy ahy tamin’ireny fotoana ireny aho, dia mahatsiaro ny tantaran’ny lahiantitra iray. Nilaza izy io talohan’ny hahafatesany fa be dia be ny zavatra nampanahy azy teo amin’ny fiainany, nefa tsy nitranga akory ny ankamaroany.” Fahendrena tokoa raha izay mitranga amin’ny andro tsirairay aloha no atrehina, indrindra fa raha mora mampitebiteby antsika ny olana mahazo antsika.

‘Katsaho hatrany aloha ny Fanjakan’Andriamanitra’

Tsy ny fahasalaman’ny mpihaino azy sy izay tsy hampitebiteby azy ireo fotsiny no tao an-tsain’i Jesosy. Fantany fa mety hanao tsirambina an’ireo zava-dehibe kokoa isika, raha manahy momba izay ilaina eo amin’ny fiainana, na maniry mafy hahazo harena sy fahafinaretana. (Filipianina 1:10) Mety hieritreritra ianao hoe: ‘Inona indray moa no zava-dehibe kokoa noho ny fahazoana izay ilaina eo amin’ny fiainana?’ Zava-dehibe kokoa ny fanaovana ireo zavatra mifandray amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Nohamafisin’i Jesosy fa ny ‘fikatsahana hatrany ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany’ no tokony ho zava-dehibe indrindra amintsika.—Matio 6:33.

Maro ny olona nikatsaka fatratra vola aman-karena, tamin’ny andron’i Jesosy. Ny hanangona izany no zava-dehibe indrindra taminy. Nampirisihin’i Jesosy hanana fomba fisaina hafa anefa ny mpihaino azy. Anisan’ilay firenena voatokana ho an’Andriamanitra mantsy izy ireo, ka nanana adidy ‘hatahotra azy sy hitandrina ny didiny.’—Mpitoriteny 12:13.

Mety hanjary hanao tsirambina ny zavatra mifandray amin’ny fanompoana an’Andriamanitra izy ireo, raha variana mikatsaka harena, izany hoe tratran’ny “fanahian’ity tontolo ity sy ny famitahan’ny harena.” (Matio 13:22) Hoy ny apostoly Paoly: “Izay tapa-kevitra ny ho tonga mpanan-karena dia latsaka ao amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny faniriana maro tsy misy antony sady manimba, izay mandentika ny olona ao amin’ny fandringanana sy ny fanimban-tena.” (1 Timoty 6:9) Te hiaro ny mpanara-dia azy amin’izany “fandrika” izany i Jesosy, ka nampahatsiahy azy ireo hoe: “Fantatry ny Rainareo any an-danitra fa ilainareo izany rehetra izany.” Hanao izay hahazoan’izy ireo ny zavatra ilainy Andriamanitra, toy ny ataony amin’ny “voro-manidina.” (Matio 6:26, 32) Tsy tokony hanaiky ho tototry ny fanahiana izy ireo. Mila manao izay rehetra azony atao kosa izy mba hahazoana izay ilainy, ary matoky an’i Jehovah sady manankina aminy ny zava-drehetra.—Filipianina 4:6, 7.

Inona àry no dikan’ilay hoe “ny ampitso no hiahy ny ampitso”? Te hilaza fotsiny i Jesosy, fa tsy tokony havelantsika hanampy trotraka ny olana efa mahazo antsika ny fanahiana tafahoatra momba izay mety hitranga rahampitso. Izao no ilazan’ny fandikan-teny hafa ny teniny: “Aza manahy ny ampitso, fa efa ampy ho an’ny ampitso ny fanahiany. Tsy ilaina hampiana intsony ny olana mitranga amin’ny andro tsirairay.”—Matio 6:34, Dikan-teny Anglisy Ankehitriny.

“Ho tonga anie ny fanjakanao”

Samy hafa be anefa ny hoe tsy manahy tafahoatra momba ny ampitso sy ny hoe tena tsy miraharaha azy io. Tsy nampirisika ny mpianany mihitsy i Jesosy hoe aza miraharaha ny ampitso. Nampirisika azy ireo kosa aza izy mba ho tena liana amin’ny hoavy. Mety ny hivavahan’izy ireo momba ny zavatra ilainy ankehitriny, dia ny hanina sahaza azy isan’andro. Zavatra mbola ho avy anefa no tokony hataony antom-bavaka voalohany, dia ny hahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny hanaovana ny sitrapony etỳ an-tany.—Matio 6:9-11.

Tsy tokony hanahaka ny mpiara-belona tamin’i Noa isika. Variana “nihinana sy nisotro, nampaka-bady sy navoaka hampakarina” izy ireo, ka “tsy niraharaha” ny loza hihatra taminy. Inona no vokany? ‘Tonga ny safodrano’ ary “nifaoka azy rehetra.” (Matio 24:36-42) Nampiasa an’io tantara tena nisy io ny apostoly Petera, mba hampahatsiahivana antsika fa tokony hitsinjo ny hoavy isika. Hoy izy: “Koa satria ho levona ireo zavatra rehetra ireo, dia olona tokony hanao ahoana moa ianareo amin’ny fitondran-tena masina sy ny fanehoana fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra raha mbola miandry sy manao an-tsaina foana ny fanatrehan’ny andron’i Jehovah?”—2 Petera 3:5-7, 11, 12.

Manangòna harena any an-danitra

Aoka àry isika ‘hanao an-tsaina’ foana ny andron’i Jehovah. Hisy vokany lehibe eo amin’ny fomba ampiasantsika ny fotoana sy hery, talenta sy fahaizana, ary fananantsika izany. Tsy tokony ho variana mikatsaka ireo zavatra ilaina, na ny fahafinaretan’ny fiainana, isika. Raha revo amin’izany isika, dia ho kely fotsiny ny fotoana hanaovantsika asa mampiseho “fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra.” Toa mety hahazo voka-tsoa eo no ho eo isika, raha mifantoka fotsiny amin’ny anio. Mihelina ihany anefa izany. Hendry kokoa isika, araka ny tenin’i Jesosy, raha ‘manangona harena any an-danitra’, fa tsy etỳ an-tany.—Matio 6:19, 20.

Nanantitrantitra an’izany i Jesosy tao amin’ilay fanoharany momba ny lehilahy iray, izay nikasa hanao zavatra goavana hanomanana ny hoaviny. Tsy nanisy fiheverana an’Andriamanitra mihitsy izy tamin’izany. Nahavokatra be ny taniny, ka nanapa-kevitra handrava ny trano fitehirizany izy, ary hanangana trano lehibe kokoa. Hiadana izy amin’izay, ka hihinana sy hisotro ary hifalifaly. Inona no tsy nampety an’izany? Tsy afaka nankafy ny vokatry ny fisasarany akory izy dia efa maty. Mbola ratsy noho izany aza, fa tsy niezaka nifandray tamin’Andriamanitra izy. Hoy i Jesosy teo am-pamaranana: “Izany koa no hanjo ny olona mihary harena ho an’ny tenany, nefa tsy mba manankarena amin’Andriamanitra.”—Lioka 12:15-21; Ohabolana 19:21.

Inona àry no azonao atao?

Aza mamerina ny fahadisoana nataon’ilay lehilahy noresahin’i Jesosy. Fantaro izay kasain’Andriamanitra hatao, ary ampifanaraho amin’izany ny fiainanao. Tsy afeniny amin’ny olona ny zavatra hataony. Hoy i Amosa mpaminany: “Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin’ny mpaminany mpanompony.” (Amosa 3:7) Azonao fantarina ny hafatra nampitain’i Jehovah tamin’ny alalan’ny mpaminaniny, satria voatantara ao amin’ny Baiboly.—2 Timoty 3:16, 17.

Resahin’ny Baiboly, ohatra, izay hitranga eran-tany amin’ny hoavy tsy ho ela. Hoy i Jesosy: “Hisy fahoriana lehibe izay mbola tsy nisy toa azy hatramin’ny niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny.” (Matio 24:21) Tsy misy olona ho afaka hisakana an’izany. Tsy misy antony tokony hanakanan’ny mpanompon’i Jehovah azy io koa. Nahoana? Satria hanaisotra ny faharatsiana rehetra eto an-tany izy io, ka hampisy “lanitra vaovao sy tany vaovao”, izany hoe fitondram-panjakana vaovao any an-danitra sy fiaraha-monina vaovao eto an-tany. Ao amin’izany tontolo vaovao izany, dia ‘hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny [mason’ny olona], ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana.’—Apokalypsy 21:1-4.

Raha izany àry no izy, tsy tokony hanokana fotoana ve ianao, mba handinihana izay lazain’ny Baiboly momba izany zavatra hitranga izany? Mila fanampiana ve ianao? Miresaha amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, na manorata any amin’ny mpampanonta an’ity gazety ity. Aza mifantoka amin’ny anio fotsiny, fa tsinjovy koa ilay hoavy mahatalanjona miandry anao.

[Sary, pejy 7]

‘Aza manahy intsony, fa ny ampitso hanana ny fanahiany’