Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Ahy ny Volafotsy, ary Ahy ny Volamena”

“Ahy ny Volafotsy, ary Ahy ny Volamena”

“Ahy ny Volafotsy, ary Ahy ny Volamena”

NAFAHAN’I Kyrosy mpanjakan’i Persia avy tany Babylona ny vahoakan’Andriamanitra, tamin’ny taonjato fahenina T.K. An’arivony no niverina tany Jerosalema mba hanorina indray ny tempolin’i Jehovah. Mbola tsy ampy anefa ny volan’ireo Jiosy ireo. Niezaka nanakana azy ireo tsy hanorina ny tempoly koa ny mpiara-monina ratsy fanahy. Tsy nino àry ny sasany hoe ho vita ihany ilay tetikasa goavana.

Nanome toky ny vahoakany, tamin’ny alalan’i Hagay mpaminany, i Jehovah, fa hanampy azy ireo. Hoy izy: ‘Hampihorohoroiko ny firenena rehetra, ka ho avy izay irin’ny firenena rehetra; ary hofenoiko voninahitra ity trano ity.’ Hoy koa izy momba ny vola: “Ahy ny volafotsy, ary Ahy ny volamena, hoy Jehovah, Tompon’ny maro.” (Hagay 2:7-9) Vita àry ilay tempoly, dimy taona taorian’ny nilazany ireo teny mampahery ireo.—Ezra 6:13-15.

Mampahery ny Kristianina koa ireo tenin’i Hagay ireo, rehefa manatanteraka tetikasa lehibe mifandray amin’ny fivavahana amin’i Jehovah izy ireo. Rehefa namoaka voalohany an’ity gazety ity ny mpanompo mahatoky sy malina, tamin’ny 1879, dia izao no tao anatiny: “I JEHOVAH no mpanohana ‘Ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona’, ary tsy hangataka na hiangavy olona hanohana azy mihitsy izy. Hoy Izy: ‘Ahy ny volamena sy volafotsy eny an-tendrombohitra.’ Rehefa tsy manome ny vola ilaina intsony Izy, dia ho fantatsika fa tsy tokony havoaka intsony ireo boky.” Ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona Sady Mpanambara ny Fanatrehan’i Kristy (anglisy) no anaran’ity gazety ity tamin’izany.

Mbola mivoaka ny Tilikambo hatramin’izao. Nisy 6 000 ny navoaka tamin’ny voalohany, ary tamin’ny teny anglisy ihany. Manodidina ny 28 578 000 kosa izany izao isaky ny gazety vaovao, ary amin’ny fiteny 161. * Miisa 34 267 000 koa ny Mifohaza!, ary amin’ny fiteny 80.

Maro ny tetikasa tanterahin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Mitovy amin’ilay tanjona namoahana ny Tilikambo ihany ny tanjony. Te hanandratra an’i Jehovah, ilay Tompo Fara Tampony eo amin’izao rehetra izao izy ireo, ary hitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakany. (Matio 24:14; Apokalypsy 4:11) Mbola inoan’izy ireo hatramin’izao ireo teny tao amin’ilay gazety tamin’ny 1879. Matoky izy ireo fa manohana ny asany Andriamanitra, ka ho ampy ny vola hanatanterahana izany. Avy aiza anefa ny vola ampiasain’izy ireo? Ary inona avy ny tetikasa tanterahiny, mba hitoriana ny vaovao tsara eran-tany?

Avy aiza ny vola ampiasaina?

Rehefa mitory ny Vavolombelona, dia matetika no misy manontany hoe: “Karamaina ve ianareo amin’izao asa ataonareo izao?” Tsia no valiny. Mitory maimaim-poana kosa izy ireo. Mandany ora maro hiresahana momba an’i Jehovah sy ny hoavy tsara ampanantenain’ny Baiboly, izy ireo. Manao izany izy ireo satria mankasitraka an’i Jehovah noho izay nataony ho azy. Faly koa izy ireo satria tena nanatsara ny fiainany sy ny toe-tsainy ny vaovao tsara. Tiany hozaraina amin’ny hafa àry ireo zavatra tsara ireo. Ankatoaviny ilay toro lalan’i Jesosy hoe: “Efa nahazo maimaim-poana ianareo, ka manomeza maimaim-poana.” (Matio 10:8) Mamoaka vola avy any am-paosiny koa anefa izy ireo, mba hitoriana momba an’i Jehovah sy Jesosy, na dia any amin’ny faritra lavitra aza.—Isaia 43:10; Asan’ny Apostoly 1:8.

Mitatra ny asa fitoriana ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Mampiasa fitaovana koa izy ireo mba hanatanterahana izany, toy ny trano fanontam-pirinty, birao, Efitrano Fivoriambe, ary tranon’ny misionera. Ilana vola be ireo rehetra ireo. Aiza no ahitan’izy ireo vola? Vola fanomezana daholo no ampiasaina. Tsy teren’izy ireo hanome vola hanohanana ny asa ataon’ny fikambanany ny olona eo anivon’ny fiangonany. Tsy mivarotra boky koa izy ireo. Raha misy olona te hanome vola hanohanana ny asan’izy ireo anefa, dia raisiny an-tanan-droa izany. Andeha isika hijery iray monja amin’ireo asa atao, mba hitoriana ny vaovao tsara eran-tany. Tsy inona izany fa ny fandikan-teny.

Amin’ny fiteny 437

Anisan’ny voadika amin’ny fiteny maro indrindra ny zavatra avoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Mandika taratasy mivalona, bokikely, gazety, ary boky amin’ny fiteny 437 izy ireo. Mazava ho azy fa ilana vola be koa ny fandikan-teny, toy ny asa rehetra mifandray amin’ny fitoriana ihany. Inona avy anefa no dingana arahina rehefa mandika teny?

Amin’ny teny anglisy ireo lahatsoratra, amin’ny voalohany. Alefa amin’ny alalan’ny ordinatera any amin’ny mpandika teny za-draharaha eran-tany izy ireny, rehefa avy nohamarinin’ireo mpampanonta azy. Ekipa iray no mandika ilay boky na gazety ho amin’ny fiteny iray. Mety ho 5 ka hatramin’ny 25 ny olona ao anatin’ilay ekipa, arakaraka ny isan’ny boky na gazety adikany sy arakaraka ny hasarotr’ilay fiteny andikany azy.

Hamarinina tsara sy ahitsy ilay lahatsoratra voadika. Nahoana? Satria mila adika marina tsara sy mazava ny hevitra rehetra. Sarotra izany noho ny antony maro. Tsy maintsy manao fikarohana be indraindray ny mpandika teny sy mpitsara tsipelin-teny, rehefa mandika lahatsoratra misy voambolana tsy be mpampiasa. Mitady fanazavana momba izany izy ireo, amin’ny teny anglisy (na frantsay, rosianina, espaniola), sy amin’ilay fiteny andikana an’ilay boky. Izany, ohatra, no ataony, rehefa miresaka siansa na tantara ny lahatsoratra ao amin’ny Mifohaza!

Any amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah no miasa ny mpandika teny maro. Miasa manontolo andro izy ireo na tapa-potoana. Ny hafa kosa any amin’ny faritra mampiasa an’ilay fiteny andikany an’ilay boky. Tsy karamaina ny mpandika teny. Omena sakafo sy efitra atoriana ary vola kely hividianany izay zavatra tena ilainy ireo miasa manontolo andro. Miisa 2 800 eo ho eo ny Vavolombelona mpandika teny, eran-tany. Biraon’ny sampana 98 izao no misy ekipana mpandika teny, na miandraikitra mpandika teny any an-toeran-kafa. Miisa 230 mahery, ohatra, ny mpandika teny miasa manontolo andro na tapa-potoana, iandraiketan’ny sampan’i Rosia. Mandika boky sy gazety amin’ny fiteny 30 mahery izy ireo. Tsy dia be mpahalala any ivelan’i Rosia ny fiteny sasany, toy ny tchouvache, ossète, ary ouïgour.

Fanatsarana ny fandikan-teny

Tsy mora ny mandika hevitra sarotra amin’ny fomba marina tsara. Mahalala an’izany avokoa izay efa nanandrana nianatra teny vahiny. Ny tanjona dia ny handika amin’ny fomba marina tsara, ny hevitra avy amin’ilay fiteny mila adika. Tsy tokony ho hafahafa koa anefa ilay dikan-teny rehefa vakina. Tsy tokony ho hita hoe nadika avy tamin’ny fiteny hafa ilay izy. Ilana fahaizana izany. Afaka taona maro vao tena za-draharaha ny mpandika teny vaovao. Mampiofana azy ireo tsy tapaka àry ny Vavolombelon’i Jehovah. Misy mpampianatra mitsidika azy ireo indraindray, mba hanampy azy hanatsara ny fahaizany mandika teny, sy hampiasa ordinatera.

Misy vokany tsara io fampiofanana io. Hoy, ohatra, ny sampan’i Nikaragoà: “Nisy mpampianatra avy any amin’ny sampan’i Meksika tonga nampiofana ny mpandika teny miskito, momba ny fandikan-teny. Sambany izy ireo vao nahazo an’io fampiofanana io. Tena nihatsara ny fomba fiasany sy ny fandikan-teniny.”

Teny manohina ny fo

Natao hanohinana ny fon’ny olona ny Baiboly sy ireo boky aman-gazety, matoa adika amin’ny fiteniny. Izany indrindra no mitranga. Tena faly ny Vavolombelon’i Jehovah any Boligaria, tamin’ny 2006, satria nahazo Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny fitenin’izy ireo. Milaza ny sampana any fa maro ny teny fankasitrahana voarainy. Niteny, ohatra, ny rahalahy sasany hoe: ‘Tsy vitan’ny hoe mampieritreritra anay fotsiny izao ny Baiboly, fa tena manohina ny fonay koa.’ Hoy ny zokiolona iray avy any Sofia: “Efa an-taonany maro aho no namaky Baiboly, nefa mbola tsy nahita fandikan-teny mazava tsara sy manohina ny fo hoatran’ity.” Nivoaka tamin’ny teny albaney koa ny Baiboly manontolo Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Hoy ny Vavolombelona iray: “Mahafinaritra erỳ ny mamaky ny Tenin’Andriamanitra amin’ny teny albaney! Voninahitra tokoa ny mandre an’i Jehovah miresaka aminay amin’ny fiteninay!”

Marina fa mety ho taona maro vao voadika ny Baiboly manontolo. Tsy very maina anefa ny ezaka ataon’ireo mpandika teny, satria olona an-tapitrisany no lasa mahazo tsara ny Tenin’Andriamanitra.

“Mpiara-miasa amin’Andriamanitra izahay”

Mazava ho azy fa tsy ny fandikan-teny ihany no asa ilaina mba hahombiazan’ny fitoriana, fa mbola misy maro be koa. Ilana ezaka sy vola be daholo ny fanoratana ny boky aman-gazety, ary ny fanontana sy fandefasana azy ireny. Mbola eo koa ny asa maro mifandray amin’izany any amin’ny sampana sy faritra ary fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah. “Mazoto manolo-tena” hanao izany rehetra izany anefa ny vahoakan’Andriamanitra. (Salamo 110:3) Raisin’izy ireo ho voninahitra lehibe ny mandray anjara amin’izany, sy ny hoe heverin’i Jehovah ho ‘mpiara-miasa aminy.’—1 Korintianina 3:5-9.

Marina fa tsy mila ny volantsika i Jehovah vao ho vita ny asany. Nilaza mantsy izy fa ‘azy ny volafotsy, ary azy ny volamena.’ Omeny tombontsoa handray anjara amin’ny fanamasinana ny anarany anefa ny mpanompony. Avelany hanome vola àry izy ireo, mba hanohanana ny fitoriana any “amin’ny firenena rehetra.” Asa mamonjy aina mantsy izy io. (Matio 24:14; 28:19, 20) Azo inoana fa te hanao izay rehetra vitanao ianao, mba hanohanana io asa tsy hiverina intsony io. Sa tsy izany?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Jereo ny pejy 2 raha tianao ho hita ireo fiteny ireo.

[Efajoro, pejy 18]

“MAMPISAINTSAINA ANAY IZY IREO”

Izao no nosoratan’ny ankizivavy iray 14 taona, ho an’ny sampan’i Cameroun: “Rehefa avy nividy ny fitaovam-pianarana ilaiko amin’ity taona ity aho, dia namidiko ny boky roa nampiasaiko tamin’ny taon-dasa. Lafoko 2 500 francs [10 000 ariary eo ho eo] izy ireo. Omeko anareo io vola io, ary ampiako 910 francs [3 600 ariary eo ho eo] avy amin’ny tahiriko. Mazotoa hatrany amin’ny asa tsara ataonareo. Misaotra amin’ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Mampisaintsaina anay izy ireo.”

[Efajoro/​Sary, pejy 18]

FANOMEZANA HAFAKELY

Naharay taratasy avy tamin’i Manuel, ankizilahy kely enin-taona, ny sampan’i Meksika. Mipetraka any amin’ny Fanjakan’i Chiapas i Manuel. Mbola tsy mahay manoratra izy, ka ny namany no nasainy nanoratra ilay taratasy. Izao no voasoratra tao: ‘Nomen’ny bebenay kisoa aho. Niteraka ilay izy, ka nalaiko izay tsara indrindra tamin’ny zanany, ary nompiako. Nisy rahalahy nanampy ahy tamin’izany. Namidiko ilay izy avy eo, ka omeko anareo amin’ny foko manontolo ny vidiny. Nilanja 100 kilao ilay kisoa, ary 1 250 pesos [220 000 ariary eo ho eo] no azoko taminy. Ampiasao ho an’i Jehovah io vola io.’

[Efajoro, pejy 19]

‘AMPIASAO HANDIKANA NY BAIBOLY ITY VOLA ITY’

Nivoaka tamin’ny teny ukrainien Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, tamin’ny fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 2005. Ny ampitson’ny namoahana azy io, dia nisy an’ity taratasy ity tao amin’ny boaty ho an’ny fanomezana an-tsitrapo: “Sivy taona aho. Misaotra betsaka tamin’[ilay Baiboly]. Nomen’i Neny an’ity vola ity izahay sy ny zandrinay mba handehananay bisy rehefa mianatra. Nandeha tongotra anefa izahay isaky ny tsy avy ny orana, ka nahangona an’ity 50 hryvnia [20 000 ariary eo ho eo] ity. Tianay mianadahy hampiasainareo ity vola ity, mba handikana ny Baiboly manontolo amin’ny teny ukrainien.”

[Efajoro, pejy 20, 21]

IREO FOMBA FIDIN’NY SASANY ANAOVANA FANOMEZANA

FANOMEZANA HO AN’NY ASA MANERAN-TANY

Maro no manokana, na mitsinjara vola, mba harotsaka ao amin’ny boaty ho an’ny fanomezana, misy soratra hoe “Fanomezana ho An’ny Asa Fitoriana Maneran-tany—Matio 24:14.”

Mandefa ireny vola ireny isam-bolana any amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah eo an-toerana, ny fiangonana. Azo atao ny mandefa mivantana ireo vola fanomezana an-tsitrapo, any amin’ny Biraon’ny Mpitahiry Vola, Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly eto Madagasikara (FI.MPI.BA.MA.), B.P. 116, 105 Ivato. Tokony hatao amin’ny anaran’ny “FI.MPI.BA.MA.” ny seky rehetra. Azo atao koa ny manome firavaka na zava-tsarobidy hafa. Tokony hisy taratasy fohy hampiarahina amin’ireny fanomezana ireny, milaza fa fanomezana tsy misy fepetra izy ireo.

FANOMEZANA MISY FEPETRA

Azo atao ny manome vola misy fifanarahana manokana, dia ny hamerenana ilay vola amin’ilay mpanome, rehefa mangataka izany izy. Mifandraisa amin’ny Biraon’ny Mpitahiry Vola, voalaza amin’ny adiresy etsy ambony, mba hahazoana fanazavana fanampiny.

FOMBA FANOMEZANA HAFA

Ankoatra ny fanomezana vola tsy misy fepetra sy ny misy fepetra, dia misy koa fomba fanomezana hafa mba hanohanana ny asan’ilay Fanjakana maneran-tany. Anisan’izany ny:

Fiantohana: Azo soratana amin’ny anaran’ny FI.MPI.BA.MA. ny vola avy amin’ny fifanekem-piantohana aina (assurance-vie) na ny fisotroan-dronono.

Kaonty any Amin’ny Banky: Azo soratana amin’ny anaran’ny FI.MPI.BA.MA., na aloa aminy, ny kaontin’ny olona iray any amin’ny banky, ny taratasy fanamarinana petra-bola, na ny kaonty misy ny fisotroan-drononony, rehefa maty ilay tompony, ary atao mifanaraka amin’ny zavatra takin’ny banky eo an-toerana.

Trano sy Tany: Azo atao fanomezana ho an’ny FI.MPI.BA.MA. ny trano sy tany azo amidy. Azo atao fanomezana tsy misy fepetra izany, na misy fepetra toy ny hoe ho fananan’ilay mpanome ilay izy, ka azony ipetrahana, mandritra ny fahavelomany. Mifandraisa amin’ny biraon’ny sampana eo amin’ny tany misy anao, alohan’ny hamindrana trano sy tany ho amin’ny anaran’ny FI.MPI.BA.MA.

Didim-pananana sy Fanankinam-pananana (fidéicommis): Azo ampandovaina fananana na vola ny FI.MPI.BA.MA., amin’ny alalan’ny didim-pananana natao manan-kery ara-dalàna. Azo tondroina ho mpandray ny tombontsoa avy amin’ny fifanarahana momba ny fanankinam-pananana koa izy. Mety tsy hisy hetra haloa amin’ny fanankinam-pananana, rehefa natao hanasoavana fikambanana iray ilay izy.

Raha misy mila fanazavana fanampiny, dia iangaviana izy hanoratra na hiantso any amin’ny Biraon’ny Mpitahiry Vola, araka ny adiresy eto ambany.

Biraon’ny Mpitahiry Vola

Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly eto Madagasikara (FI.MPI.BA.MA.)

Telefaonina: 22 448 37

B.P. 116

105 Ivato

[Sary, pejy 19]

Mpandika teny miskito, sampan’i Nikaragoà