Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Obadia sy Jona ary Mika

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Obadia sy Jona ary Mika

Velona ny Tenin’i Jehovah

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Obadia sy Jona ary Mika

“NY FAHITAN’I Obadia.” (Obadia 1) Ireo no teny voalohany ao amin’ny bokin’i Obadia, izay nosoratana tamin’ny 607 T.K. Tsy nilaza zavatra firy momba ny tenany ilay mpaminany, afa-tsy ny anarany. Nosoratana 200 taona talohan’ny nanoratana ny bokin’i Obadia kosa ny bokin’i Jona. Mitantara amim-pahatsorana ny zavatra niainany tamin’ny asa misionera nanendrena azy izy ao. Teo anelanelan’ny fotoana naminanian’i Obadia sy Jona kosa ny 60 taona naminanian’i Mika. Tamin’ny 777 T.K. ka hatramin’ny 717 T.K. izany. Ny hany zavatra noresahin’i Mika momba azy dia hoe “Morastita”, na avy any Moreseta izy, ary “tamin’ny andro nanjakan’i Jotama sy Ahaza ary Hezekia, mpanjakan’ny Joda” no tonga taminy ny tenin’i Jehovah. (Mika 1:1) Nampiasa ohatra i Mika mba hanasongadinana ny hevi-dehibe nolazainy. Hita tamin’ny ohatra nampiasainy, fa nahalala tsara ny fiainana tany ambanivohitra izy.

“HO FONGOTRA MANDRAKIZAY” I EDOMA

(Obadia 1-21)

Hoy i Obadia momba an’i Edoma: “Noho ny fampahoriana an’i Jakoba rahalahinao dia ho voasaron-kenatra hianao ka ho fongotra mandrakizay.” Mbola tadidin’ilay mpaminany tsara ny fampahorian’ny Edomita ny Israelita, taranak’i Jakoba. ‘Namitsaka’ ny Edomita rehefa nandrava an’i Jerosalema ny Babylonianina tamin’ny 607 T.K. Niray tetika tamin’ireo “hafa firenena” ireo mihitsy aza izy.—Obadia 10, 11.

Hiverina amin’ny taniny anefa ny taranak’i Jakoba. Hoy ny faminanian’i Obadia: “Ao an-tendrombohitra Ziona dia hisy izay sisa afaka, ary ho masina izy.”—Obadia 17.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

5-8—Inona no mampiavaka ny fandringanana an’i Edoma, raha ampitahaina amin’ny fanafihan’ny jiolahy amin’ny alina sy ny fahatongavan’ny mpioty voaloboka? Izay zavatra tiany ihany no nalain’ny mpangalatra, raha tonga tao Edoma izy. Mbola namela voa hotsimponina koa ny mpioty voaloboka, raha tonga tao. Rehefa ho resy anefa i Edoma, dia handroba tanteraka ny zava-tsarobidiny sy ny fananany rehetra ny Babylonianina, izay ‘olona vita fanekena’ taminy sady namany.—Jeremia 49:9, 10.

10—Nahoana no azo lazaina fa “fongotra mandrakizay” i Edoma? Nanana fitondram-panjakana sy faritany ny Edomita taloha, saingy tsy misy intsony izany izao, araka ny efa voalaza mialoha. Nandresy an’i Edoma i Nabonida, Mpanjakan’i Babylona, tamin’ny taona 550 T.K. tany ho any. Nonenan’ny Nabateanina ny faritr’i Edoma nanomboka tamin’ny taona 400 T.K. tany ho any, ka tsy maintsy nanorim-ponenana tany amin’ny faritra atsimon’i Jodia, izany hoe tany amin’ny faritr’i Negeba, ny Edomita. Nantsoina hoe Idomea io faritra io tatỳ aoriana. Tsy nisy intsony ny Edomita taorian’ny nandravan’ny Romanina an’i Jerosalema, tamin’ny taona 70.

Lesona ho antsika:

3, 4. Teny amin’ny tendrombohitra avo sy mikitoantoana ary misy tevana lalina ny faritra nonenan’ny Edomita, ka sarotra tamin’ny fahavalo ny nanafika azy. Nety ho natoky tena loatra àry izy ireo, ka nihevitra fa tsy nisy hatahorana. Tsy azo ialana anefa ny didim-pitsaran’i Jehovah.

8, 9, 15. Tsy mahavonjy ny fahendren’olombelona sy ny heriny, mandritra “ny andron’i Jehovah.”—Jeremia 49:7, 22.

12-14. Ny zavatra nanjo ny Edomita dia fampitandremana ho an’ireo mifaly amin’ny fahorian’ny mpanompon’Andriamanitra. Tsy avelan’i Jehovah ho afa-maina ireo mampijaly ny vahoakany.

17-20. Resahin’io faminaniana io fa haverina amin’ny taniny ny taranak’i Jakoba. Tanteraka izany tamin’ny 537 T.K., rehefa niverina tany Jerosalema ireo sisa avy tany Babylona. Tanteraka foana àry ny tenin’i Jehovah. Afaka matoky tanteraka ny fampanantenany isika.

“HORAVANA NINIVE”

(Jona 1:1–4:11)

Hoy Andriamanitra tamin’i Jona: “Mankanesa any Ninive, ilay tanàna lehibe, ary miantsoa ny amin’ny hamelezana azy.” Tsy nankatò anefa izy, fa nandeha tany amin’ny lalana mifanohitra amin’ny tokony ho nalehany. Nampisy “rivotra mahery teny ambonin’ny ranomasina” i Jehovah ary nampiasa “hazandrano lehibe”, mba hampiverenana an’i Jona. Mbola naniraka azy ho any amin’ilay renivohitr’i Asyria indray i Jehovah avy eo.—Jona 1:2, 4; 2:1; 3:1, 2.

Tonga tao Ninive i Jona, ary nanambara mazava hoe: “Rehefa afaka efa-polo andro, dia horavana Ninive.” (Jona 3:4) Tsy nampoiziny ny vokatry ny fitoriany, ka “nirehitra ny fahatezerany.” Nampiasa “tanantanamanga” i Jehovah, mba hampianarana azy momba ny famindram-po.—Jona 4:1, 6.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

3:3—Tena “làlana hateloana” ve ny haben’i Ninive? Eny. Toa anisan’ny Ninive fahiny ny tanànan’i Khorsabad, tany avaratra, ka hatrany Nimrud, tany atsimo. Nirefy 100 kilaometatra ny manodidina ny tanànan’i Ninive rehetra.

3:4—Tsy maintsy nianatra teny asyrianina ve i Jona mba hitoriana tamin’ny mponin’i Ninive? Mety ho efa nahay teny asyrianina i Jona, na nanao fahagagana i Jehovah mba hahaizany an’ilay izy. Mety ho nolazainy tamin’ny teny hebreo koa ilay hafatra fohy sy mazava nambarany, ka nisy mpandika teny. Raha izany no nitranga, dia vao mainka nahaliana kokoa ilay hafatra.

Lesona ho antsika:

1:1-3. Ratsy ny antony anompoan’ny olona iray an’i Jehovah, raha minia manao zavatra hafa izy mba tsy handraisana anjara faran’izay betsaka amin’ny fitoriana sy fampianarana. Azo lazaina hoe mandositra ny asa nanendren’i Jehovah ny olona manao toy izany.

1:1, 2; 3:10. Tsy voafetra ho an’ny firenena na firazanana na vondron’olona iray fotsiny ny famindram-pon’i Jehovah. “Manisy soa izao tontolo izao Jehovah; ary ny fiantràny [na famindram-pony] dia eny amin’ny asany rehetra.”—Salamo 145:9.

2:1, 11. Faminaniana momba ny hahafatesan’i Jesosy sy ny hitsanganany amin’ny maty, ny niteleman’ilay hazandrano an’i Jona nandritra telo andro sy telo alina, ary ny nandoavany azy.—Matio 12:39, 40; 16:21.

2:1, 11; 4:6. Namonjy an’i Jona tsy ho fatin’ny ranomasina mahery i Jehovah. “Nanomana tanantanamanga” koa izy, “ka nampaniriny hanalokaloka an’i Jona izany ho alokaloky ny lohany, hanafaka ny alahelony.” Afaka matoky isika mpanompon’Andriamanitra fa hiaro sy hamonjy antsika koa i Jehovah, noho ny famindram-pony.—Salamo 13:5; 40:11.

2:2, 3, 10, 11. Mihaino ny vavaky ny mpanompony i Jehovah, ary manongilan-tsofina amin’ny fitalahoan’izy ireo.—Salamo 120:1; 130:1, 2.

3:8, 10. “Nanenina”, na niova hevitra, ny amin’ny loza efa nolazainy Andriamanitra, ka tsy ‘nanao’ izany. Nahoana? Satria ‘niala tamin’ny lalan-dratsiny’ ny mponin’i Ninive. Mety hanova ny didim-pitsarany amin’ny mpanota iray koa Andriamanitra ankehitriny, raha tena mibebaka izy io.

4:1-4. Tsy misy olona afaka mametra ny famindram-pon’i Jehovah. Tokony hitandrina isika mba tsy hanakiana ny fomba anehoan’i Jehovah famindram-po.

4:11. Manam-paharetana i Jehovah ka ataony izay hitoriana ny hafatra momba ilay Fanjakana maneran-tany. Malahelo an’ireo olona “tsy mahafantatra ny havanany sy ny haviany” mantsy izy, toy ny nalahelovany an’ireo olona 120 000 tao Ninive. Tokony halahelo ny olona ao amin’ny faritanintsika koa isika, ka hazoto hitory ilay Fanjakana sy hampianatra.—2 Petera 3:9.

‘HOHALEHIBEAZINA NY SOLAN’IZY IREO’

(Mika 1:1–7:20)

Nampiharihary ny fahotan’ny Israely sy Joda i Mika. Naminany koa izy fa ho rava ny renivohitr’izy ireo, nefa mbola ho tafaverina amin’ny taniny ihany izy ireo. Ho tonga “korontam-bato any an-tsaha” i Samaria. Mendrika ny ‘hohetezana’, izany hoe halam-baraka, ny Israely sy Joda, satria nanompo sampy. Nohalehibeazina ho “toy ny an’ny volitora” ny solany rehefa lasa babo izy ireo. Zara raha misy volo mantsy ny lohan’io vorona io. Nampanantena anefa i Jehovah hoe: ‘Hamory anareo Aho, ry Jakoba.’ (Mika 1:6, 16; 2:12) “Ho tonga korotam-bato” koa i Jerosalema, satria nandray kolikoly ny mpitondra tao aminy, ary nandika lalàna ireo mpaminany. ‘Hanangona’ ny olony anefa i Jehovah. Avy ao “Betlehema Efrata” no hiseho ilay ‘anankiray ho Mpanapaka ao amin’ny Israely.’—Mika 3:12; 4:12; 5:1.

Nanao ny tsy rariny tamin’ny Israely ve i Jehovah? Sarotra loatra ve ny zavatra notakiny? Tsia. Izao ihany no angatahin’i Jehovah amin’ny mpanompony: “Ny hanao ny marina sy ny ho tia famindrampo ary ny hanaraka [azy] amin’ny fanetren-tena.” (Mika 6:8) Lasa tena ratsy fanahy anefa ny mpiara-belona tamin’i Mika, ka ‘na dia ny tsara indrindra tao aminy aza dia toy ny roy, ary na dia ny mahitsy indrindra tao aminy aza dia ratsy noho ny fefy tsilo’, ka mandratra sy mampanaintaina an’izay manakaiky azy. Hoy anefa ilay mpaminany: “Iza no Andriamanitra tahaka An[’i Jehovah]”? Hamindra fo amin’ny olony indray Andriamanitra, ka ‘hanary ny fahotany rehetra any amin’ny ranomasina lalina.’—Mika 7:4, 18, 19.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

2:12—Oviana no tanteraka ilay faminaniana momba ny ‘hanangonana ny sisa amin’ny Israely’? Tanteraka voalohany izy io tamin’ny 537 T.K., rehefa niverina tany an-tanindrazany ireo Jiosy sisa tany Babylona. Tanteraka amin’ny “Israelin’Andriamanitra” koa ilay faminaniana ankehitriny. (Galatianina 6:16) Nangonina ‘toy ny ondry ao amin’ny vala’ ireo Kristianina voahosotra, nanomboka tamin’ny 1919. Nanatevin-daharana azy ireo ny “vahoaka be” anisan’ny “ondry hafa”, indrindra nanomboka tamin’ny 1935, ka lasa ‘mitabataba noho ny hamaroan’ny olona’ izy ireo. (Apokalypsy 7:9; Jaona 10:16) Miaraka manohana amin-jotom-po ny fivavahana marina izy ireo.

4:1-4—Ahoana no ‘hitsaran’i Jehovah ny adin’ny firenena maro sy hampiekeny ny firenena mahery, any am-parany’? Tsy ireo firenena na fikambanana eto amin’ity tontolo ity no tiana holazaina amin’ny hoe “firenena maro” sy “firenena mahery.” Manondro an’ireo olona lasa mpivavaka amin’i Jehovah, avy amin’ny firenena rehetra kosa izany. Mitsara sy mampiaiky azy ireo i Jehovah, izany hoe mandamina ny fifandraisany amin’izy ireo.

Lesona ho antsika:

1:6, 9; 3:12; 5:1. Noravan’ny Asyrianina i Samaria tamin’ny 740 T.K. Mbola velona i Mika tamin’izay. (2 Mpanjaka 17:5, 6) Tonga hatrany Jerosalema mihitsy ny Asyrianina tamin’ny fotoana nanjakan’i Hezekia. (2 Mpanjaka 18:13) Nodoran’ny Babylonianina i Jerosalema tamin’ny 607 T.K. (2 Tantara 36:19) Teraka tao “Betlehema Efrata” ny Mesia, araka ny faminaniana. (Matio 2:3-6) Tanteraka foana àry ny faminanian’i Jehovah.

2:1, 2. Tena hidiran-doza isika raha mihambo ho manompo an’Andriamanitra, nefa ny harena no katsahintsika voalohany, fa tsy ny “fanjakany sy ny fahamarinany.”—Matio 6:33; 1 Timoty 6:9, 10.

3:1-3, 5. Tian’i Jehovah hanao ny rariny ireo mpitarika ny vahoakany.

3:4. Raha tiantsika ny hamalian’i Jehovah ny vavaka ataontsika, dia tsy tokony ho zatra manota isika, na mody manao ny tsara nefa manafina ny ratsy ataontsika.

3:8. Nirahina hitory ny vaovao tsara isika, ka anisan’izany ny fanambarana ny didim-pitsaran’Andriamanitra. Tsy hahavita izany isika, raha tsy hatanjahin’ny fanahin’i Jehovah.

5:4. Manome toky antsika io faminaniana momba ny Mesia io, fa rehefa tafihin’ny fahavalony ny vahoakan’Andriamanitra, dia “mpiandry ondry fito [isa feno]” sy “mpanapaka valo”, izany hoe lehilahy mahay maro, no hatsangan’ny Mesia mba hitarika azy ireo.

5:6, 7. Ho an’ny olona maro, ireo Kristianina voahosotra dia “tahaka ny ando avy amin’i Jehovah”, izany hoe fitahiana avy aminy. Ampiasain’i Jehovah hanambara ny hafatra momba ilay Fanjakana mantsy izy ireo. Mazoto manohana azy ireo amin’ny asa fitoriana ny “ondry hafa”, ka manampy ny olona hifandray amin’Andriamanitra. (Jaona 10:16) Voninahitra tokoa ny mandray anjara amin’io asa mitondra famelombelomana io!

6:3, 4. Tokony ho tsara fanahy sy hangoraka toa an’i Jehovah Andriamanitra isika, na dia amin’ireo olona sarotra ifandraisana sy malemy finoana aza.

7:7. Tsy tokony ho kivy isika rehefa miatrika olana, amin’izao andro faran’ity tontolo ratsy ity izao. Ilaintsika kosa ny ‘miandry an’Andriamanitsika’, toa an’i Mika.

7:18, 19. Vonona hamela ny fahadisoantsika i Jehovah. Tokony ho vonona hamela ny helok’izay nanao diso tamintsika koa isika.

‘Mandehana amin’ny anaran’i Jehovah’ hatrany

“Ho fongotra mandrakizay” ireo miady amin’Andriamanitra sy ny vahoakany. (Obadia 10) Hampitony ny fahatezerany anefa i Jehovah, raha mankatò ny fampitandremany isika ka ‘miala amin’ny lalan-dratsy.’ (Jona 3:10) Asandratra ho avo noho ny fivavahan-diso rehetra ny fivavahana marina “any am-parany”, izany hoe amin’izao “andro farany” izao, ary mitanjozotra mankao ny olona mankatò. (Mika 4:1; 2 Timoty 3:1) Enga anie àry isika ho tapa-kevitra ny “handeha amin’ny anaran’i Jehovah Andriamanitsika mandrakizay doria.”—Mika 4:5.

Tena andraisantsika lesona sarobidy tokoa ny bokin’i Obadia sy Jona ary Mika! Efa 2 500 taona mahery izay no nanoratana azy ireo, nefa mbola “velona sy mahery” foana ny hafatra raketiny.—Hebreo 4:12.

[Sary, pejy 13]

Naminany i Obadia hoe: “Ho fongotra mandrakizay” i Edoma

[Sary, pejy 15]

‘Niandry an’i Jehovah’ i Mika, ary afaka manao toy izany koa ianao

[Sary, pejy 16]

Voninahitra ny mitory ka tokony hankamamiana