Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manararaotra Miresaka ny Finoanao ve Ianao?

Manararaotra Miresaka ny Finoanao ve Ianao?

Manararaotra Miresaka ny Finoanao ve Ianao?

“MISY ve ny atao hoe tena marina?” Io no foto-kevitry ny fifaninanana famoronan-dahatsoratra iray natao tany Polonina. Ireto ny hevitra nasaina novelabelarina: “Tsy mila mamantatra ny tena marina isika. Tsy misy olona mila izany. Tsy misy rahateo ny tena marina.” Nohararaotin’i Agata, ankizivavy 15 taona, io fifaninanana io mba hiresahana ny finoany. Mpianatry ny lise izy, ary Vavolombelon’i Jehovah.

Nivavaka tamin’i Jehovah aloha i Agata. Nanangona fanazavana momba ilay foto-kevitra izy avy eo. Nahita hevitra tao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Jolay 1995 izy. Nampiasainy ilay fanontaniana napetrak’i Pontio Pilato tamin’i Jesosy hoe: “Inona ny marina?” (Jaona 18:38) Hita fa naneso an’i Jesosy i Pilato teo, hoy i Agata. Toa te hilaza mantsy izy hoe: “Ny marina hoe? Inona koa izany? Tsy misy izany!” Nanoratra toy izao i Agata: “Hitako hoe mitovitovy amin’io fanontaniana io ireo hevitra asaina velabelarina ato amin’ity lahatsoratra ity.”

Noresahiny avy eo ny momba ilay fiheverana hoe ny tsirairay no mamaritra izay atao hoe marina, izany hoe ny marina amin’ny olona iray tsy voatery ho marina amin’ny hafa. Mety ho samy “marina” anefa ny azy roa. Nanontany toy izao i Agata: “Iza amintsika no ho sahy handeha fiaramanidina, raha tsy inoantsika fa tena marina ilay lalàna hoe ny rivotra no mihazona azy io tsy hianjera?” Nisarika ny saina ho amin’ny Baiboly izy avy eo ka nilaza hoe: “Manana porofo mivaingana sy azo hamarinina ny olona mino ny Tenin’Andriamanitra.” Nilaza àry i Agata fa manantena izy hoe tsy ho mora kivy ny olona tso-po, fa hitady ny tena marina mandra-pahitany azy io.

Nahazo marim-pankasitrahana manokana i Agata, ary afaka namelabelatra an’ilay lahatsoratra teo anatrehan’ny mpianatra rehetra. Nanaiky hampianariny Baiboly ny sasany. Tena faly izy satria afaka nanararaotra niresaka momba ny finoany. Hahita vokatra koa ianao, raha mahay manararaotra toa azy. Rahoviana ary aiza ianao no afaka manao izany?