Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mikaroha ao Anatin’ny “Zava-dalin’Andriamanitra”

Mikaroha ao Anatin’ny “Zava-dalin’Andriamanitra”

Mikaroha ao Anatin’ny “Zava-dalin’Andriamanitra”

‘Ny fanahy mikaroka ao anatin’ny zava-drehetra, eny, fa na dia ny zava-dalin’Andriamanitra aza.’—1 KORINTIANINA 2:10.

1. Inona no fahamarinana sasany mahafaly ny olona vao manomboka mianatra Baiboly?

TSAROAN’NY ankamaroantsika angamba fa faly be isika, raha vao nahalala ny fahamarinana. Nianarantsika ny hoe: Nahoana no zava-dehibe ny anaran’i Jehovah? Nahoana izy no mamela ny fijaliana hisy? Nahoana no misy olona mankany an-danitra? Hanao ahoana ny hoavin’ny olona mahatoky? Mety ho efa nandinika Baiboly isika talohan’izay, nefa tsy nahalala an’ireo zavatra ireo, toy ny ankamaroan’ny olona ihany. Azo oharina amin’ny olona miainga vao mangiran-dratsy mba hanao dia lavitra isika. Tsy mahita zavatra firy izy amin’ny voalohany, satria mbola maizina. Mihamazava anefa ny zavatra hitany, rehefa miposaka ny masoandro. Ary rehefa tonga ny mitataovovonana, dia hitany mazava tsara daholo ireo zavatra mahavariana manodidina azy, hatrany amin’ny faravodilanitra aza. Toy izany koa no nitranga, tamintsika vao nampianarina ny Soratra Masina. Sambany isika tamin’izay vao nahita sombiny kely tamin’ny “zava-dalin’Andriamanitra.”—1 Korintianina 2:8-10.

2. Nahoana isika no afaka ny ho faly foana, raha mianatra ny Tenin’Andriamanitra?

2 Ampy ve ny mahita sombiny kely amin’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly? Hita amin’ilay teny hoe “zava-dalin’Andriamanitra” fa ilaina ny miezaka mahatakatra ny fahendren’Andriamanitra. Ampahafantarina ny Kristianina amin’ny alalan’ny fanahy masina izy io, fa afenina amin’ny olon-kafa. (1 Korintianina 2:7) Tsy misy fetrany ny fahendren’Andriamanitra, ary mahafaly ny mandalina izany! Tsy ho haintsika daholo àry ny zava-drehetra momba an’io fahendreny io. Kanefa raha mikaroka hatrany ao anatin’ny “zava-dalin’Andriamanitra” isika, dia ho faly foana toy ny tamintsika vao nahalala ny fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly.

3. Nahoana isika no mila mahafantatra tsara ny anton’ny zavatra inoantsika?

3 Nahoana isika no mila mahatakatra an’ireo ‘zava-dalina’? Satria rehefa azontsika tsara izay inoantsika sy ny antony inoantsika an’ilay izy, dia mihamatanjaka ny finoantsika, ary vao mainka miaiky isika fa marina ny zavatra inoantsika. Ampirisihin’ny Soratra Masina isika ‘hampiasa ny saintsika mba handinihana tsara ka hamantarana ny sitrapon’Andriamanitra, izay tsara sady ankasitrahana no tonga lafatra.’ (Romanina 12:1, 2) Vao mainka tapa-kevitra ny hankatò an’i Jehovah isika, rehefa fantatsika hoe nahoana izy no mangataka antsika hanao zavatra sasany. Mahazo hery hanoherana fakam-panahy handika lalàna àry isika, rehefa mahatakatra ny ‘zava-dalina.’ Lasa “mazoto amin’ny asa tsara” koa isika.—Titosy 2:14.

4. Inona avy no ilaina hatao, rehefa mianatra Baiboly?

4 Ilaina ny mianatra, mba hahafantarana zava-dalina. Tsy hoe mamakimaky fotsiny anefa ny hoe mianatra. Midika kosa izy io hoe mandinika tsara izay vakina, mba hahafantarana ny ifandraisan’ilay izy amin’izay efa fantatra. (2 Timoty 1:13) Ilaina koa ny miezaka mamantatra ny anton’ny fanazavana omena ao. Rehefa mianatra Baiboly isika, dia tokony hieritreritra ny fomba ampiasana izay ianarantsika, mba handraisana fanapahan-kevitra tsara sy hanampiana olona. “Ny teny rehetra avy amin’ny vavan’i Jehovah” koa no ilaina hianarana, satria “ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra, ary mahasoa.” (2 Timoty 3:16, 17; Matio 4:4) Mitaky ezaka mafy àry ny fianarana Baiboly! Mahafinaritra koa anefa ilay izy, ary tsy sarotra loatra ny mahatakatra “ny zava-dalin’Andriamanitra.”

Manampy ny manetry tena i Jehovah

5. Iza no afaka mahatakatra “ny zava-dalin’Andriamanitra”?

5 Na tsy dia nahay aza ianao tany am-pianarana sady tsy zatra nianatra, dia aza mieritreritra hoe tsy ho takatrao ny “zava-dalin’Andriamanitra.” Nandritra ny fanompoan’i Jesosy tetỳ an-tany, dia tsy ny hendry sy ny mahira-tsaina no nampahafantarin’i Jehovah ny fikasany, fa ny olon-tsotra tsy dia nahita fianarana. Nila nanetry tena anefa izy ireo, ka nanaiky hampianarin’ny mpanompon’i Jehovah. Toy ny zaza izy ireo, raha oharina amin’ireo nahita fianarana. (Matio 11:25; Asan’ny Apostoly 4:13) Hoy ny apostoly Paoly momba “ny zavatra nomanin’Andriamanitra ho an’izay tia azy”: “Tamintsika no nampihariharian’Andriamanitra izany tamin’ny alalan’ny fanahiny. Ny fanahy mantsy mikaroka ao anatin’ny zava-drehetra, eny, fa na dia ny zava-dalin’Andriamanitra aza.”—1 Korintianina 2:9, 10.

6. Inona no tiana holazaina ao amin’ny 1 Korintianina 2:10?

6 Voalaza fa mikaroka “ao anatin’ny zava-drehetra” ny fanahy “eny, fa na dia ny zava-dalin’Andriamanitra aza.” Amin’ny fomba ahoana? Tsy ny Kristianina tsirairay no omen’i Jehovah fanazavana. Mampiasa ny fanahiny kosa izy mba hitari-dalana ny fandaminany. Ary io fandaminana io no manazava ny Baiboly amin’ny vahoakany tafaray. (Asan’ny Apostoly 20:28; Efesianina 4:3-6) Mitovy ny fandaharam-pianarana Baiboly arahin’ny fiangonana eran-tany. Voadinik’izy ireo daholo ny fampianarana ao amin’ny Baiboly, rehefa mandeha ny fotoana. Miasa eo amin’ny fiangonana ny fanahy masina, ka lasa manana ny toe-tsaina ilaina hahatakarana “ny zava-dalin’Andriamanitra” ny olona eo anivon’izy io.—Asan’ny Apostoly 5:32.

Inona no atao hoe “zava-dalin’Andriamanitra”?

7. Nahoana no tsy mahalala “ny zava-dalin’Andriamanitra” ny olona maro?

7 Tsy tokony hieritreritra isika hoe rehefa ‘zava-dalina’ dia sarotra. Marina fa tsy mahalala “ny zava-dalin’Andriamanitra” ny ankamaroan’ny olona. Tsy ny fahendren’Andriamanitra anefa no saro-takarina, fa i Satana no mamitaka azy ireo, ka mandà ny fanampiana omen’i Jehovah amin’ny alalan’ny fandaminany izy.—2 Korintianina 4:3, 4.

8. Inona avy ireo zava-dalina noresahin’i Paoly ao amin’ny Efesianina toko faha-3?

8 Nanazava ny atao hoe “zava-dalin’Andriamanitra” i Paoly, ao amin’ny Efesianina toko faha-3. Hita ao fa mahafaoka fahamarinana maro fantatry ny ankamaroan’ny vahoakan’i Jehovah tsara izy io. Anisan’izany ny hoe iza ilay Taranaka nampanantenaina, ny fifidianana olombelona mba ho any an-danitra, ary ny Fanjakan’ny Mesia. Hoy i Paoly: “Tsy nampahafantarina ny zanak’olombelona tamin’ny taranaka tany aloha [io zava-miafina io], tahaka izao ampiharihariana azy amin’ny apostoliny masina sy ny mpaminaniny izao, amin’ny alalan’ny fanahy masina. Izy io dia hoe: Tokony ho mpiray lova sy ho vatana iray ireo hafa firenena, sady hiara-manana ilay fampanantenana amintsika, ary ho tafaray amin’i Kristy Jesosy.” Nilaza i Paoly fa nirahina izy mba ‘hanao izay hahitan’ny olona ny fomba itantanana ny zava-miafina masina nafenina hatrizay hatrizay tao amin’Andriamanitra.’—Efesianina 3:5-9.

9. Nahoana no tombontsoa ho antsika ny mahatakatra “ny zava-dalin’Andriamanitra”?

9 Nanazava i Paoly avy eo fa tian’Andriamanitra ‘hampahafantarina any an-danitra’ koa ‘ny lafiny maro samihafa amin’ny fahendreny, amin’ny alalan’ny fiangonana.’ (Efesianina 3:10) Miana-javatra ny anjely, rehefa mandinika sy miezaka hahatakatra ny fomba anehoan’i Jehovah fahendrena, eo amin’ny fitondrany ny fiangonana kristianina. Tsy tombontsoa ho antsika àry ve ny mahatakatra zavatra mahaliana ny anjely? (1 Petera 1:10-12) Nampirisika antsika i Paoly taorian’izay, mba hiezaka ‘hiara-mahatakatra tsara amin’ny olona masina rehetra izay sakany sy halavany sy haavony ary halalin’ny’ finoana kristianina. (Efesianina 3:11, 18) Hodinihintsika izao ny zava-dalina sasany, izay hampitombo ny fahalalantsika.

Zava-dalina sasantsasany

10, 11. Araka ny Soratra Masina, oviana i Jesosy no lasa voalohany amin’ny ‘taranak’ilay vehivavy’ vadin’Andriamanitra any an-danitra?

10 Fantatsika fa i Jesosy no voalohany amin’ny ‘taranak’ilay vehivavy’ vadin’Andriamanitra any an-danitra, resahin’ny Genesisy 3:15. Afaka manitatra ny fahalalantsika anefa isika, ka mieritreritra hoe: ‘Oviana i Jesosy no lasa Taranaka nampanantenaina? Tamin’izy tany an-danitra ve, sa tamin’ny fotoana nahaterahany, sa tamin’ny batisany, sa tamin’izy natsangana tamin’ny maty?’

11 Nampanantena Andriamanitra fa hanana taranaka ny fandaminany any an-danitra, izay antsoina hoe “vehivavy” vadiny ao amin’ny faminaniana. Nilaza koa izy fa hanorotoro ny lohan’ilay menarana io taranaka io. Tsy nanan-taranaka afaka handrava an’i Satana sy ny asany anefa ilay vehivavy, nandritra ny an’arivony taona. Nilaza àry ny faminanian’i Isaia fa “momba” sy “ory am-panahy” izy. (Isaia 54:1, 5, 6) Teraka tao Betlehema i Jesosy tatỳ aoriana. Taorian’ny batisany anefa i Jehovah vao nilaza hoe: “Ity no Zanako.” Nirotsahan’ny fanahy masina i Jesosy tamin’izay, ary lasa zanany ara-panahy. (Matio 3:17; Jaona 3:3) Ela ny ela ka nipoitra ny voalohany amin’ny ‘taranak’ilay vehivavy’! Nisy mpanara-dia an’i Jesosy lasa voahosotra sy nateraky ny fanahy koa tatỳ aoriana. Afaka ‘nihoby’ àry ilay “vehivavy” vadin’i Jehovah, izay toy ny vehivavy “tsy niteraka” nandritra ny fotoana ela.—Isaia 54:1; Galatianina 3:29.

12, 13. Milazà andinin-teny manaporofo fa “mpanompo mahatoky sy malina” iray ihany ny Kristianina voahosotra rehetra eto an-tany.

12 Anisan’ny zava-dalina nampahafantarina antsika ny fikasan’Andriamanitra hifidy olona 144 000 avy eto an-tany. (Apokalypsy 14:1, 4) Ekentsika fa ny fitambaran’ny voahosotra rehetra velona eto an-tany no atao hoe “mpanompo mahatoky sy malina”, na ny taloha na ny ankehitriny. Nilaza i Jesosy fa izy io no hanome “sakafo” amin’ny fotoana mety ho an’ny mpiasa an-tranony. (Matio 24:45) Inona no andinin-teny manaporofo izany? Sao dia olona tsirairay no tian’i Jesosy holazaina, izany hoe izay Kristianina manome sakafo ara-panahy ho an’ny rahalahiny, mba hampaherezana azy?

13 ‘Hianareo no vavolombeloko sady mpanompoko izay efa nofidiko’, hoy Andriamanitra tamin’ny firenen’ny Israely. (Isaia 43:10) Nilaza tamin’ny mpitondra ny Israely anefa i Jesosy tamin’ny 11 Nisana taona 33, fa tsy neken’Andriamanitra ho mpanompony intsony ny firenen’izy ireo. Hoy izy: “Hesorina aminareo ny fanjakan’Andriamanitra ka izay firenena mamokatra ny voan’ilay fanjakana no homena azy.” Hoy koa izy tamin’ny vahoaka: “Indro, ilaozana eo ianareo sy ny tranonareo.” (Matio 21:43; 23:38) Mpanompon’i Jehovah ny firenen’ny Israely, nefa tsy nahatoky sady tsy malina. (Isaia 29:13, 14) Tamin’io andro io ihany, dia nanontany i Jesosy hoe: “Iza tokoa moa no mpanompo mahatoky sy malina”? Raha atao amin’ny teny hafa, dia hoe: ‘Iza no firenena malina ho solon’ny Israely, ka ho mpanompo mahatokin’Andriamanitra?’ Namaly an’izany ny apostoly Petera, rehefa nilaza tamin’ny fiangonan’ny Kristianina voahosotra hoe: ‘Ianareo dia “firenena masina, olona nataon’Andriamanitra ho fananany manokana.” ’ (1 Petera 1:4; 2:9) Io firenena ara-panahy atao hoe “Israelin’Andriamanitra” io indray no lasa mpanompon’i Jehovah. (Galatianina 6:16) “Mpanompo mahatoky sy malina” iray ihany ny Kristianina voahosotra rehetra velona eto an-tany, toy ny olona rehetra teo amin’ny firenen’ny Israely fahiny, izay “mpanompo” iray ihany. Tombontsoa lehibe ho antsika ny mandray “sakafo” avy amin’io mpanompon’Andriamanitra io!

Afaka mankafy ny fianarana samirery isika

14. Nahoana no mahafaly kokoa ny mianatra Baiboly, noho ny hoe mamaky azy io fotsiny?

14 Tsy faly ve isika rehefa omena fanazavana vaovao momba ny Soratra Masina, izay manatanjaka ny finoantsika? Noho izany, dia mahafaly kokoa ny mianatra Baiboly, noho ny hoe mamaky azy io fotsiny. Eritrereto àry izao, rehefa mamaky ny boky aman-gazetintsika ianao: ‘Mitovy amin’ny fanazavana efa fantatro ve ity fanazavana ity? Inona no andinin-teny na porofo hafa mbola manamarina ny fanatsoahan-kevitra resahin’ity lahatsoratra ity?’ Raiso an-tsoratra izay fanontaniana mila anaovana fikarohana, ary ataovy anisan’ny zavatra hianaranao amin’ny manaraka izany.

15. Inona avy no zavatra mahafinaritra azonao ianarana? Ahoana no handraisan-tsoa maharitra avy amin’ilay izy?

15 Inona avy no zava-baovao azonao ianarana, ka hahafaly anao? Ianaran-javatra, ohatra, ny fandalinana ireo fifanekena nataon’Andriamanitra mba hahasoa ny olona. Manatanjaka finoana ny fianarana an’ireo faminaniana momba an’i Jesosy Kristy, na ny fandinihana isan’andininy an’ireo bokim-paminaniana ao amin’ny Baiboly. Toy izany koa ny fianarana ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny, ao amin’ny boky Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra. * Azo antoka fa hazava kokoa aminao ny andinin-teny sasany, raha iverenanao jerena ireo “Fanontanian’ny Mpamaky” nivoaka tao amin’ny Tilikambo Fiambenana. Araho tsara ny fomba ampisaintsainana antsika amin’ny alalan’ny Soratra Masina, ka nahatongavana tamin’ilay fanatsoahan-kevitra. Hanampy anao hanazatra ny ‘fahaizanao misaina’ sy hampitombo ny fahaizanao manavaka izany. (Hebreo 5:14) Manorata fanamarihana kely ao amin’ny Baibolinao na amin’ny taratasy, rehefa mianatra ianao. Amin’izay dia hitondra soa maharitra ho anao sy ny olona hampianao ilay fianarana.

Ampio ny zanakao ho tia mianatra Baiboly

16. Ahoana no hanampianao ny zanakao ho tia mianatra Baiboly?

16 Betsaka ny azon’ny ray aman-dreny atao, mba hampahazoto ny zanany hianatra Baiboly. Aza eritreretina hoe mbola kely loatra izy, ka tsy ho azony ny zava-dalina. Nahoana, ohatra, raha asaina mikaroka momba ny zavatra sasany izy, mba hiomanana ho amin’ny fianaram-pianakaviana? Azo anontaniana azy avy eo izay nianarany tamin’izany. Azo atao koa ny manao fanazaran-tena miaraka amin’ny ankizy mandritra ny fianaram-pianakaviana, mba hanampiana azy hiaro ny finoany sy hanaporofo fa marina ny zavatra nampianarina azy. Ankoatra izany, dia azo ampiasaina ny bokikely ‘Jereo Ilay Tany Soa’ * mba hampianarana azy ny momba an’ireo tany resahina ao amin’ny Baiboly, sy mba hampahazava kokoa ny famakiana Baiboly isan-kerinandro.

17. Nahoana isika no mila mahay mandanjalanja rehefa mianatra samirery?

17 Mahaliana sy manatanjaka finoana ny fianarana samirery. Mitandrema anefa sao variana amin’izany, ka lasa an-tsirambina ny fanomanana fivoriana. Mampianatra antsika amin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky sy malina” koa mantsy i Jehovah, any am-pivoriana. Azo atao tsara anefa ny manao fikarohana fanampiny, mba hanatsarana ny valin-tenintsika. Azo atao izany, ohatra, amin’ny Fianarana Boky, na mandritra ny fandinihana ny hevitra misongadina ao amin’ny Baiboly amin’ny Sekolin’ny Fanompoana.

18. Nahoana no mahasoa ny miezaka mianatra “ny zava-dalin’Andriamanitra”?

18 Hifandray akaiky kokoa amin’i Jehovah ianao, raha miezaka mandalina ny Teniny. Mahasoa izany, araka ny lazain’ny Baiboly hoe: “Fialokalofana ny fahendrena, ary fialokalofana ny vola; ary ny mahatsara ny fahalalana dia izao: Maharo ny ain’ny manana azy ny fahendrena.” (Mpitoriteny 7:12) Andraisan-tsoa àry ny fiezahana handalina ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Mampanantena izy io fa raha mikaroka hatrany ianao, dia “ho hitanao ny fahalalana an’Andriamanitra.”—Ohabolana 2:4, 5.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 15 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 16 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Hainao Hazavaina Ve?

• Inona ireo “zava-dalin’Andriamanitra”?

• Nahoana no tsy ho tapitra mihitsy ny fianarantsika momba ireo zava-dalina?

• Ny Kristianina rehetra no afaka mahatakatra “ny zava-dalin’Andriamanitra” sy mahazo fifaliana amin’izany. Nahoana?

• Inona no azonao atao, raha te handray soa bebe kokoa amin’ny “zava-dalin’Andriamanitra” ianao?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 28]

Oviana i Jesosy no lasa Taranaka nampanantenaina?

[Sary, pejy 31]

Azo ampanaovina fikarohana ny ankizy, mba hiomanana ho amin’ny fianaram-pianakaviana