Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Mitafia Fanetren-tena’

‘Mitafia Fanetren-tena’

‘Mitafia Fanetren-tena’

NALAZA ny tanàna niavian’i Saoly. Toa avy amin’ny fianakaviana mendri-kaja izy, ary nizaka ny zom-pirenena romanina hatramin’ny vao teraka. Nahavita ny fianarana ambony indrindra nisy tamin’ny taonjato voalohany izy, ary nahay fitenim-pirenena roa, fara fahakeliny. Anisan’ny Fariseo, izay antokom-pivavahana nalaza teo amin’ny Jiosy, izy.

Tsy maintsy ho nampianarina hanambany ny sarambabem-bahoaka i Saoly, ary nampirisihina hirehareha hoe olo-marina. (Lioka 18:11, 12; Asan’ny Apostoly 26:5) Nanambony tena ireo Fariseo namany, ary te hohindrahindrain’ny olona sy homena anaram-boninahitra. (Matio 23:6, 7; Lioka 11:43) Azo inoana fa ny fiarahan’i Saoly tamin’ireo olona ireo no nahatonga azy hanambony tena. Fantatsika fa nanenjika mafy ny Kristianina izy. Lasa apostoly Paoly anefa izy tatỳ aoriana, ary nilaza fa “mpanevateva an’Andriamanitra” izy taloha, “sady mpanenjika no mpanambany olona.”—1 Timoty 1:13.

Lasa Kristianina tokoa i Saoly, ary nantsoina hoe Paoly. Niova tanteraka ny toetrany. Nanetry tena izy rehefa nilaza fa izy no “kely noho ny kely indrindra amin’ny olona masina rehetra.” (Efesianina 3:8) Nahita vokatra tamin’ny asa fitoriana izy, nefa tsy nidera tena fa Andriamanitra no nomeny voninahitra. (1 Korintianina 3:5-9; 2 Korintianina 11:7) I Paoly no nampirisika ny Kristianina mba ‘hitafy fitiavana lalina sy fangoraham-po, hatsaram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, ary fahari-po.’—Kolosianina 3:12.

Mbola azo ampiharina ve izany torohevitra izany amin’izao taonjato faha-21 izao? Mahasoa ve ny manetry tena? Tena be herim-po tokoa ve ny olona manetry tena?

Manetry tena ve ilay Andriamanitra Mahery Indrindra?

Mila mamantatra ny fiheveran’Andriamanitra ny atao hoe fanetren-tena isika. Nahoana? Satria izy no Mpanjaka sy Mpamorona antsika. Voafetra ny zavatra azontsika atao fa tsy mba toa an’Andriamanitra. Mila miantehitra aminy àry isika. Hoy i Eliho: “Ny Tsitoha, tsy mahita Azy isika; izay lehibe amin’ny hery.” (Joba 37:23) Raha vao mandinika fotsiny an’izao rehetra izao midadasika isika, dia hiaiky fa tsy misy dikany isika raha mitaha amin’Andriamanitra. Hoy i Isaia mpaminany: “Asandrato ny masonareo, ka mijere; iza no nahary ireny? Izy no mamoaka ny antokony araka ny isany sy miantso azy rehetra amin’ny anarany avy noho ny haben’ny fahatanjahany sy ny heriny tsy toha, ka tsy misy diso ireny na dia iray akory aza.”—Isaia 40:26.

Mahery indrindra i Jehovah Andriamanitra nefa manetry tena. Nivavaka toy izao i Davida Mpanjaka: “Omenao ahy ny ampingan’ny famonjenao; ary ny fahamoram-panahinao [na fanetren-tenanao] no mahalehibe ahy.” (2 Samoela 22:36) Azo lazaina hoe manetry tena Andriamanitra, satria miahy sy mangoraka an’ireo mahantra miezaka hampifaly azy. Any an-danitra Andriamanitra no mipetraka, ka toy ny hoe miondrika izy mba hahafahany haneho hatsaram-panahy amin’ireo matahotra azy.—Salamo 113:5-7.

Tena sarobidy amin’i Jehovah koa ny fanetren-tenan’ny mpanompony. Hoy ny apostoly Petera: “Andriamanitra manohitra ny manambony tena, fa maneho hatsaram-panahy tsy manam-paharoa kosa amin’ny manetry tena.” (1 Petera 5:5) Niresaka ny fiheveran’Andriamanitra ny olona manambony tena i Solomona, mpanoratra Baiboly. Hoy izy: “Fahavetavetana eo imason’i Jehovah izay rehetra miavonavona am-po [na manambony tena].” (Ohabolana 16:5) Ary nahoana isika no milaza fa be herim-po ny olona manetry tena?

Hevi-diso momba ny fanetren-tena

Tsy mitovy amin’ny hoe ambanina ny hoe manetry tena. Ny olona manetry tena, tamin’ny andro fahiny, dia ny andevo, izany hoe ny olona mahantra sy mahonena ary mpiasabe. Milaza kosa ny Baiboly fa omem-boninahitra ny olona manetry tena. Izao, ohatra, no nolazain’ny lehilahy hendry iray: “Ny valin’ny fanetren-tena sy ny fahatahorana an’i Jehovah dia harena sy voninahitra ary fiainana.” (Ohabolana 22:4) Izao koa no resahin’ny Salamo 138:6: “Na dia avo aza Jehovah, dia mijery ny ambany toetra [na manetry tena], ary ny mpiavonavona fantany eny lavitra eny.”

Ny olona manetry tena akory tsy hoe olona tsy manana ny maha izy azy, tsy mahay na inona na inona, na tsy mahita fahombiazana. Tsy nanafina ny maha zanaka lahitokan’i Jehovah azy mihitsy, ohatra, i Jesosy. Tsy nilaza koa izy hoe tsy misy dikany ny fanompoany teto an-tany. (Marka 14:61, 62; Jaona 6:51) Nanetry tena anefa i Jesosy ka ny Rainy no nomeny voninahitra, tamin’ny zava-bitany rehetra. Nampiasainy koa ny heriny mba hanompoana sy hanampiana ny hafa, fa tsy hanjakazakana na hampijalina azy ireo.

Be herim-po ny olona manetry tena

“Mpaminany mahery tamin’ny zavatra nataony” i Jesosy Kristy. (Lioka 24:19) Tsapan’ny olona sasany koa anefa hoe “olona ambany”, na olona tena nanetry tena, izy. (Daniela 4:14) Tsy hoe tso-piaina fotsiny i Jesosy, fa nampianatra imbetsaka koa hoe toetra tsara ny fanetren-tena. (Lioka 9:48; Jaona 13:2-16) Tsy kanosa anefa izy na dia nanetry tena aza. Tsy natahotra mihitsy izy, rehefa niaro ny anaran’ny Rainy sy nanao fanompoana. (Filipianina 2:6-8) Oharina amin’ny liona be herim-po i Jesosy, ao amin’ny Baiboly. (Apokalypsy 5:5) Hitantsika avy amin’ny tantaran’i Jesosy fa manana herim-po hanaovana ny tsara ny olona manetry tena.

Rehefa miezaka manetry tena ianao, dia mahatsapa fa tsy mora ny manana an’io toetra io. Mila miezaka mafy isika vao ho zatra hanetry tena. Mila manao ny sitrapon’Andriamanitra foana isika, fa tsy hanao izay metimety amintsika fotsiny na hobaikoin’ny fanirian’ny nofo. Mila manana herim-po isika mba hampandeferana ny tombontsoantsika manokana. Ny fanompoana an’i Jehovah sy izay hahasoa ny hafa kosa no ataontsika loha laharana.

Ny soa raisin’ireo manetry tena

Tsy mieboebo na mihevi-tena ho zavatra ny olona manetry tena. Afaka manetry tena ny olona iray raha mahalala ny toetra tsarany sy ny toetra ratsiny, ary mahafantatra ny zava-bitany sy ny fahadisoany. Nanome an’izao torohevitra tsara izao i Paoly: “Izao no lazaiko amin’ny olona rehetra eo aminareo: Aza mihevi-tena mihoatra noho izay tokony hoheverina, fa rehefa mieritreritra kosa, dia mba ataovy tanjona ny ho tonga olona misaina.” (Romanina 12:3) Manetry tena izay manaraka izany torohevitra izany.

Manetry tena koa isika raha mihevitra izay hahasoa ny hafa alohan’ny an’ny tenantsika. Nampirisika ny Kristianina i Paoly hoe: “Aza manao na inona na inona noho ny fitia te hifanditra na noho ny rehaka, fa amim-panetren-tena kosa dia aoka samy hanao ny hafa ho ambony noho ny tenany.” (Filipianina 2:3) Mifanaraka amin’ny baiko nomen’i Jesosy ny mpanara-dia azy izany. Hoy mantsy izy: “Izay lehibe indrindra aminareo dia tsy maintsy ho mpanomponareo. Izay manandra-tena dia haetry, ary izay manetry tena dia hasandratra.”—Matio 23:11, 12.

Manandratra an’ireo manetry tena tokoa Andriamanitra! Manamafy an’izany i Jakoba mpianatra. Hoy izy: “Manetre tena eo anatrehan’i Jehovah, dia hanandratra anareo izy.” (Jakoba 4:10) Iza tokoa moa no tsy te hasandratr’Andriamanitra na homeny voninahitra?

Miteraka ady sy korontana ny tsy fisian’ny fanetren-tena. Mahasoa kosa ny fananana an’io toetra io. Hankasitrahan’Andriamanitra isika raha manetry tena. (Mika 6:8) Hilamin-tsaina koa isika, satria faly sy afa-po kokoa noho ny olona manambony tena ny olona manetry tena. (Salamo 101:5) Hihatsara ny fifandraisantsika amin’ny mpianakavintsika, ny namantsika, ny mpiara-miasa amintsika, ary hahafinaritra izany. Tsy ratsy fanahy na sarotsarotiny ny olona manetry tena. Izany mantsy matetika no mahatonga ny fahatezerana sy ny fankahalana ary ny lolompo.—Jakoba 3:14-16.

Tena manampy antsika hifandray tsara amin’ny hafa tokoa ny fanetren-tena. Tia tena sy tia mifaninana ny olona ankehitriny. Ho mora kokoa amintsika anefa ny hiara-miaina amin’izy ireo, raha manetry tena isika. Nanambony tena sy nieboebo ny apostoly Paoly taloha. Vitany anefa ny niova noho ny fanampian’Andriamanitra. Mora manambony tena sy mihevi-tena ho tsara kokoa noho ny hafa, ny olombelona. Tokony hanahaka an’i Paoly anefa isika, ka hiezaka handresy izany toetra ratsy izany. Mampitandrina antsika ny Baiboly hoe: “Ny fiavonavonana mialoha ny fahasimbana, ary ny fanahy mirehareha mialoha ny fahalavoana.” (Ohabolana 16:18) Raha manahaka an’i Paoly isika sady manaraka ny toroheviny, dia ho tsapantsika fa fahendrena tokoa ny ‘mitafy fanetren-tena.’—Kolosianina 3:12.

[Sary, pejy 4]

Tsy nanambony tena intsony i Paoly sady tsy nieboebo

[Sary, pejy 7]

Hifandray tsara amin’ny olona isika raha manetry tena

[Sary nahazoan-dalana, pejy 5]

Anglo-Australian Observatory/David Malin Images