Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nianatra Nitoky Tanteraka Tamin’i Jehovah Aho

Nianatra Nitoky Tanteraka Tamin’i Jehovah Aho

Tantaram-piainana

Nianatra Nitoky Tanteraka Tamin’i Jehovah Aho

Notantarain’i Aubrey Baxter

Nidaroka ahy ny lehilahy roa, indray asabotsy hariva, tamin’ny 1940, ka nianjera tamin’ny tany aho. Nahita izany ny polisy roa, saingy tsy namonjy ahy fa vao mainka aza nanompa sy nankasitraka azy roa lahy. Zava-nitranga tamin’ny 1935 no nahatonga izany. Niasa tao amin’ny toeram-pitrandrahana arintany aho tamin’izay. Aleo hotantaraiko.

TERAKA tamin’ny 1913 aho, tany Swansea eto Aostralia. Efa-dahy izahay no mpiray tam-po ary izaho no fahatelo. Voan’ny gripa espaniola izahay mianakavy, tamin’izaho dimy taona. Olona an-tapitrisany no matin’io aretina mampihoron-koditra io naneran-tany. Soa ihany fa sitrana izahay. Nampalahelo anefa fa maty tamin’ny 1933 i Neny, tamin’izy 47 taona. Tia fivavahana izy ary efa nanana ireo boky roa fianarana Baiboly, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, atao hoe Fahazavana.

Mpitrandraka arintany aho tamin’izany. Nanam-potoana malalaka aho tany am-piasana ka nentiko tany ireo boky ireo mba hovakina. Ny jiro teo amin’ny satroko no nampiasaiko. Tsy ela dia tsapako fa nahita ny fahamarinana aho. Nanomboka nihaino ny lahateny ara-baiboly navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, tao amin’ny radio aho. Faly koa aho fa nanomboka liana tamin’ny fahamarinana i Dada sy ny mpiray tam-po amiko.

Nampalahelo fa voan’ny pnemonia i Billy zandrinay faralahy, tamin’ny 1935, ka maty. Vao 16 taona izy tamin’izay. Nampahery anay anefa ny fanantenana fa mbola hatsangana ny maty. (Asan’ny Apostoly 24:15) Tatỳ aoriana, dia nanolo-tena ho an’Andriamanitra izy roa lahy zokiko (Verner sy Harold) sy ny vadin’izy ireo, ary Dada. Efa nodimandry i Dada sy izy roa lahy. Mbola mazoto manompo an’i Jehovah kosa i Marjorie vadin’i Verner faharoa, sy Elizabeth vadin’i Harold.

Nianatra nitoky tamin’i Jehovah

Nihaona voalohany tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho, tsy ela taorian’ny nahafatesan’i Billy. Nisy vehivavy ukrainien nitaingina bisikileta nitory tao aminay. Nanatrika voalohany ny fivoriana kristianina aho ny alahady taorian’izay. Nandeha nitory aho ny herinandro nanaraka ary nanome ahy bokikely vitsivitsy ilay rahalahy nitarika ny fivoriana alohan’ny fanompoana. Gaga be aho fa nasainy nandeha irery! Nitaintaina be aho teo amin’ilay trano voalohany hitoriako, ka raha azoko natao dia nisitri-belona aho! Nahafinaritra anefa ilay olona tao, ary nandray bokikely mihitsy aza.

Tena nanohina ny foko ny andinin-teny toy ny Mpitoriteny 12:1 sy ny Matio 28:19, 20, ka naniry hanao ny asan’ny mpisava lalana aho, na mpitory manontolo andro. Nahafaly an’i Dada izany. Mbola tsy vita batisa aho, nefa nanapa-kevitra hanomboka ny asan’ny mpisava lalana ny 15 Jolay 1936. Nankany amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Sydney aho tamin’io andro io, ary voatendry hiara-manompo amin’ny mpisava lalana 12 tao Dulwich Hill, tsy lavitra an’i Sydney. Natoron’ireo mpisava lalana ahy ny fomba fampiasana ny milina iray ahodin-tanana fitotoana varimbazaha. Nitsitsy vola ny fampiasana azy io.

Asan’ny mpisava lalana tany ambanivohitra

Natao batisa aho tamin’io taona io. Voatendry ho mpisava lalana tany Queensland afovoany aho taorian’izay, niaraka tamin’i Aubrey Wills sy Clive Shade. Ireto no fitaovana nampiasainay: ny fiaran’i Aubrey, bisikileta vitsivitsy, grafofaonina fandefasana lahateny ara-baiboly, fandriana telo, latabatra, vilany iray, ary tranolay izay nipetrahanay nandritra ny telo taona. Anjarako ny nahandro, indray takariva. Nieritreritra ny hanomana sakafo “hafakely” vita amin’ny legioma sy varimbazaha aho. Tsy laitra natelina anefa ilay izy nony vita! Sendra nisy soavaly teo akaiky teo, ka nomeko azy ilay sakafo. Nofofoniny ilay izy, nahifikifiny ny lohany, ary lasa izy nandeha! Tsy sahy namorona sakafo vaovao intsony aho taorian’izay.

Tianay ho vita haingana ny faritaninay ka nozarainay telo, ary samy nanao ny anjaranay izahay. Matetika aho no lasa lavitra be ka tsy tafody tamin’ny hariva. Natory tany an-tranon’ireo tantsaha tia mandray vahiny aho indraindray. Olona nanana toeram-piompiana lehibe no nandray ahy, indray mandeha, ka natory tamin’ny fandriana tsara tarehy aho. Mpihaza kangoroa indray no nampiantrano ahy ny ampitson’iny. Teo amin’ny tany aho no natory, sady amin’izay indray nisy hodi-biby maimbo be nivangongo nanodidina an’ilay trano. Mazàna anefa aho no natory tany anaty kirihitra. Tsy nahita tory aho, indray alina, satria nisy alikadia maromaro ‘nitomany valala’ tsy lavitra ny toerana natoriako. Hitako anefa ny ampitson’iny fa hay tsy izaho no nahaliana azy ireo, fa ireo taovan-kena narian’olona tsy lavitra teo.

Nampiasa fiara misy fanamafisam-peo

Nampiasa fiara misy fanamafisam-peo izahay mba handefasana lahateny ara-baiboly. Navelan’ny polisy handefa azy io tao Townsville, any Queensland, izahay. Tezitra ny mpivavaka sasany tao amin’ny Tafiky ny Famonjena ka nandroaka anay. Tsy nety anefa izahay, ka nohozongozonin’ny dimy tamin’izy ireo ny fiaranay. Tao anatin’ilay fiara aho tamin’izay nandefa an’ilay fanamafisam-peo! Toa tsy fahendrena ny nijanona teo ka nandeha izahay rehefa lasa izy ireo.

Nampindrana lakana anay ny olona liana iray ka afaka nandefa an’ilay lahateny, avy teo amin’ny reniranon’i Burnett, izay namakivaky an’i Bundaberg, izahay. I Aubrey sy Clive no nandeha, fa izaho nijanona tao amin’ilay trano nohofanay. Nanakoako nanerana an’i Bundaberg tamin’iny alina iny ny lahateny mafonja nataon’i Joseph Rutherford, avy ao amin’ny Foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nampientam-po sy nampitaintaina ireny fotoana ireny ka nitaky herim-po sy finoana.

Fitsapana vokatry ny ady

Nanomboka tamin’ny Septambra 1939 ny Ady Lehibe II, ary nohazavaina tao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Novambra fa tsy manao politika ny Kristianina sady tsy mandray anjara amin’ny ady. Tena nahasoa ahy iny fanazavana iny. Notendrena ho any amin’ny toerana samy hafa izahay sy Aubrey ary Clive, rehefa avy niaraka nandritra ny telo taona. Voatendry ho mpiandraikitra mpitety faritany tany amin’ny faritra avaratr’i Queensland aho, ary nila nitoky tamin’i Jehovah teo am-panatontosana izany.

Nitsidika ny fiangonan’i Townsville aho tamin’ny Aogositra 1940. Nisy mpisava lalana efatra tao, dia i Percy sy Ilma Iszlaub * (mpivady) ary Norman sy Beatrice Bellotti (mpianadahy). Nanambady an’i Beatrice aho, enin-taona taorian’izay. Tamin’izaho tany Townsville no nitranga ilay herisetra notantaraiko terỳ am-piandohana. Avy nitory izahay tamin’io takarivan’ny asabotsy io. Vao mainka nandrisika ahy hanompo an’i Jehovah iny zava-nitranga iny.

Tena nazoto nitory i Una sy Merle Kilpatrick (mpiray tam-po), mpisava lalana tany avaratra. Niara-nanompo izahay indray andro, ary tena nahafinaritra ilay izy. Hitsidika fianakaviana liana iray izy mirahavavy avy eo, ka niangaviany aho mba hitondra azy ireo tamin’ny lakana. Nifatotra teny ampita anefa ilay lakana ka tsy maintsy hilomano haka azy io aho ary hiverina haka azy mirahavavy. Tsy hita anefa ny fivoy rehefa tonga teny aho! Fantatray tatỳ aoriana fa mpanohitra no nanafina azy ireo. Tsy nahomby anefa ny tetik’ilay rangahy. Mbola nahay nilomano tsara aho tamin’izay, satria mpamonjy olona latsaka an-drano no asako taloha. Nofatorako tamin’ny andilako ny tadin’ilay lakana ary notaritiko nankeny amin’izy roa vavy. Nankao anatin’ilay lakana izy ireo avy eo, ary notarihiko ho eny ampita. Notahin’i Jehovah ny ezaka nataonay satria lasa Vavolombelon’i Jehovah ilay fianakaviana notsidihin’izy mirahavavy.

Narovan’i Jehovah

Nisy miaramila nisava teo amin’ny lalana hiditra tao Innisfail, mba hiarovana an’ilay tanàna. Nipetraka tao amin’io tanàna io aho, ka nahazo alalana hiditra tao. Tena nilaina izany mba hahafahan’ny solontenan’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah hiditra tao amin’ilay tanàna. Nafeniko tao anatin’ny fitoeran’entana tao aorian’ny fiara izy ireo, rehefa hitsidika anay.

Voafetra ny solika azo novidina tamin’izany, ka fiara maro no nisy fitaovana manokana. Misy saribao mirehitra be ao amin’io fitaovana io, ary maka ny gazy avy amin’izany izy io mba hampandeha ny maotera. Nandeha alina aho ary nasiako gonin-tsaribao teo ambonin’ilay fitoeran’entana niafenan’ilay rahalahy. Rehefa tonga teo amin’ireo miaramila nisava aho, dia nalefako mafy be ny maotera mba hahamay be ilay fitaovana. Niteny mafy be aho avy eo hoe: “Ho sarotra velomina ity fiara ity raha vonoiko.” Sorena izy ireo noho ny hafanana sy ny tabataba ary ny lavenona, ka nozahany maimaika ilay fiara, ary navelany handeha aho.

Notendrena hikarakara ny fivoriamben’ny vondrom-paritra tao Townsville aho, tamin’izay. Voafetra ny sakafo azo novidina, ka nila nanao fangatahana tany amin’ny mpitsara izahay mba hahazoana ny sakafo nilainay. Maro anefa ny rahalahy nigadra noho izy ireo tsy nety nanao raharaha miaramila. Rehefa nangataka ny hihaona tamin’ilay mpitsara àry aho, dia nieritreritra hoe: ‘Tsy mitady loza ve aho amin’izao ataoko izao?’ Nandeha ihany anefa aho satria izay no toromarika azoko.

Nisy latabatra lehibe teo anoloan’ilay mpitsara, ary nasainy nipetraka aho rehefa tonga tao. Nolazaiko taminy ny anton-diako. Nivandravandra ahy izy fa tsy niteny. Niova anefa ny endriny avy eo, ary hoy izy: “Firy no ilainareo?” Nasehoko azy ny lisitry ny zavatra nilainay, ary ny fatra kely indrindra azo nangatahina no tao. Nojeren’ilay mpitsara ilay lisitra, ary hoy izy: “Kely loatra ity, fa aleo atao indroa ohatra an’ity.” Nisaotsaotra an’i Jehovah aho, rehefa nivoaka an’ilay birao. Nianarako teo indray mantsy fa tena azoko itokisana izy.

Voarara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Aostralia tamin’ny Janoary 1941. Maro no niahiahy anay, ary niampanga anay ho mpitsikilon’ny Japoney mihitsy aza. Nisy polisy sy miaramila roa fiara tonga tao amin’ny Toeram-pambolena sy Fiompian’ilay Fanjakana, tany amin’ny lembalemban’i Atherton. Nikaroka jirobe tao amin’ilay toerana izy ireo tamin’izay. Nisy nilaza mantsy hoe mampiasa jirobe hifandraisana amin’ny fahavalony izahay. Nisy nanendrikendrika koa hoe nataonay miendrika soratra ny fomba nambolenay katsaka, ka azon’ny fahavalo vakina avy eny ambony fiaramanidina. Mazava ho azy fa tsy marina daholo izany.

Tsy maintsy mailo sy nahay namoron-kevitra izahay rehefa nitatitra boky sy gazety. Rehefa nivoaka, ohatra, ilay boky hoe Ankizy dia nahazo iray baoritra tamin’izy io aho. Niainga avy tao Brisbane aho, nandeha lamasinina nianavaratra, ary nametraka boky isaky ny toerana nisy fiangonana. Alohan’ny hiaingan’ilay lamasinina, dia nofatorako teo ambonin’ilay baoritra ny lelan-tsofa iray boribory, mba tsy hosavan’ny polisy sy miaramila. Tsotra ilay tetika nefa nahomby. Faly ny vahoakan’i Jehovah rehefa nesorina ny fandrarana tamin’ny Jona 1943. Nilaza ny mpitsara fa “tsy ara-dalàna sy tsy tamim-piheverana ary tsy ara-drariny” iny fandrarana iny.

Voantso hanao raharaha miaramila

Voantso hanao raharaha miaramila izahay sy Aubrey Wills ary Norman Bellotti, tamin’ny 1942. Voantso herinandro talohako izy roa lahy, ary voasazy higadra enim-bolana. Tsy naterin’ny mpiasan’ny paositra ny famandrihana Ny Tilikambo Fiambenana raha fantany hoe Vavolombelon’i Jehovah no tompony. Nomeny kosa ny an’ny olon-kafa. Notadiavinay ireny olona ireny, ary nataonay kopia ilay gazety mba homena ny Vavolombelona hafa. Nahazo sakafo ara-panahy tsy tapaka izahay noho izany.

Tsy nety hanao raharaha miaramila aho ka voasazy higadra enim-bolana. Nampakariko tany amin’ny fitsarana ny raharaha, araka ny toromariky ny biraon’ny sampana. Ny hampihemotra ny fotoana higadrako no tanjonay, mandra-pahita olona hiandraikitra ny asa. Afaka nitsidika an’ireo rahalahy 21 nigadra tany Queensland aho satria mbola tsy nigadra. Fonja iray no nisy ny ankamaroan’izy ireo, ary nankahala anay ny lehiben’ny mpiambina tao. Tezitra be izy rehefa nilazako fa ny mpitondra fivavahana hafa aza mahazo mitsidika ny mpiangona ao aminy. Nivazavaza izy hoe: “Raha azoko natao, dia asaiko milahatra ny Vavolombelon’i Jehovah ary tifirina daholo!” Navoakan’ny mpiambina haingana aho avy eo.

Tonga ny fotoam-pitsarana. Izaho ihany no niaro ny tenako, na dia nomen’ny fanjakana mpisolovava aza. Tsy maintsy niantehitra tanteraka tamin’i Jehovah aho, ary tsy nandao ahy izy. (Lioka 12:11, 12; Filipianina 4:6, 7) Nahagaga fa nandresy aho, satria nisy diso tao amin’ilay taratasy niampangana ahy.

Nasaina nitsidika an’ireo fiangonana rehetra tany Aostralia Atsimo sy ny faritra avaratr’i Victoria, ary Sydney (any Nouvelle-Galles du Sud) aho, tamin’ny 1944. Nisy fandaharana manokana natao maneran-tany, nanomboka tamin’ny 1945. Nasaina nanao lahateny niorina tamin’ny drafitra nomen’ny foibe izahay. Tsy moramora ny nanao lahateny tao anatin’ny adiny iray, kanefa nitoky tanteraka tamin’i Jehovah izahay ka vitanay ilay izy. Notahiny ny ezaka nataonay.

Fanambadiana sy andraikitra vaovao

Nanambady an’i Beatrice Bellotti aho tamin’ny Jolay 1946, ary nanao ny asan’ny mpisava lalana izahay. Tranofiara no nipetrahanay, ary vita tamin’ny hazo izy io. Teraka tamin’ny Desambra 1950 i Jannyce (Jann), zanakay vavitokana. Tanàna maro no nanaovanay mpisava lalana, anisan’izany i Kempsey (any Nouvelle-Galles du Sud). Izahay irery no Vavolombelon’i Jehovah tao amin’io tanàna io, tamin’izany. Nivory tao amin’ny tranom-pokonolona izahay isaky ny alahady. Nanomana lahateny ho an’ny besinimaro aho ary nizara trakta izahay mba hanasana olona hanatrika izany. I Beatrice sy Jann irery no nanatrika ny lahateniko, nandritra ny volana vitsivitsy. Nitombo tsikelikely anefa ny mpanatrika, ary misy fiangonana roa matanjaka tsara any izao.

Nifindra teto Brisbane izahay rehefa feno roa taona i Jann. Rehefa vita ny fianarany, dia nanao mpisava lalana nandritra ny efa-taona tany Cessnock (any Nouvelle-Galles du Sud) izahay telo mianaka. Niverina teto Brisbane indray izahay avy eo, satria narary ny renin’i Beatrice. Anti-panahy ao amin’ny Fiangonana Chermside aho izao.

Misaotra an’i Jehovah izahay sy Beatrice noho ny fitahiana tondraka narotsany taminay. Afaka nanampy olona 32 hahafantatra an’i Jehovah, ohatra, izahay. Tena misaotra azy aho noho ny nanomezany ahy an’i Beatrice vady malalako. Vehivavy tsara fanahy sy malemy paika izy, kanefa tsy matahotra miaro ny fahamarinana. Vady tsara sy reny mahafatra-po izy, noho izy tia sy matoky an’Andriamanitra, ary manana ‘maso tsotra.’ (Matio 6:22, 23; Ohabolana 12:4) Miaiky izahay mivady fa ‘mitahy izay olona matoky [azy] i Jehovah.’—Jeremia 17:7.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 19 Hita ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Novambra 1981 ny tantaran’i Percy Iszlaub.

[Sary, pejy 9]

Fiara misy fanamafisam-peo nampiasainay tany Queensland

[Sary, pejy 10]

Nanosika ny fiaran-dry Kilpatrick tamin’ny andro fahavaratra, tany Queensland

[Sary, pejy 12]

Tamin’ny mariazinay