Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tanteraka Foana ny Tenin’i Jehovah

Tanteraka Foana ny Tenin’i Jehovah

Tanteraka Foana ny Tenin’i Jehovah

“Tsy misy latsaka na dia zavatra iray akory aza ny zava-tsoa rehetra, izay nilazan’i Jehovah Andriamanitrareo anareo; efa tanteraka taminareo avokoa izy rehetra.”—JOSOA 23:14.

1. Iza moa i Josoa, ary inona no nataony taloha kelin’ny nahafatesany?

MPITARI-TAFIKA navitrika izy, ary tsy mba natahotra. Nanam-pinoana sy tsy nivadika koa izy. Niara-niasa tamin’i Mosesy izy, ary nofidin’i Jehovah hitarika ny Israely avy any an-tany efitra nampahatahotra ho any amin’ny tany tondra-dronono sy tantely. Tsy iza izany fa i Josoa. Nanao toriteny nampihetsi-po io lehilahy nohajaina fatratra io taloha kelin’ny nahafatesany, ho fanaovam-beloma ny anti-panahin’ny Israely. Azo antoka fa nanatanjaka ny finoan’ireo nihaino azy izany, ary afaka manatanjaka ny finoanao koa.

2, 3. Nanao ahoana ny fiainan’ny Israelita tamin’ny fotoana nitenenan’i Josoa tamin’ny anti-panahy? Inona no nolazainy?

2 Alao sary an-tsaina ny fiainan’ny Israelita tamin’izany. Hoy ny Baiboly: “Rehefa ela, taorian’ny nanomezan’i Jehovah fitsaharana ho an’ny Isiraely ho afaka amin’ny fahavalony rehetra manodidina, ary Josoa dia efa zoki-olona sady nandroso fahanterana, dia nantsoin’i Josoa ny Isiraely rehetra, dia ny [anti-panahiny] sy ny lehibeny sy ny mpitsara azy ary ny mpifehy azy, ka hoy izy taminy: Efa zoki-olona aho izao ka mandroso fahanterana.”—Josoa 23:1, 2.

3 Niaina tamin’ny fotoana anisan’ny niavaka indrindra teo amin’ny tantaran’ny vahoakan’Andriamanitra i Josoa, ary efa ho 110 taona izy tamin’izay. Nanatri-maso ny asa lehibe nataon’i Jehovah izy, ary nahita ny fahatanterahan’ny fampanantenana maro nomeny. Niaiky tanteraka àry izy hoe: “Fantatrareo ao amin’ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra fa tsy misy latsaka na dia zavatra iray akory aza ny zava-tsoa rehetra, izay nilazan’i Jehovah Andriamanitrareo anareo; efa tanteraka taminareo avokoa izy rehetra: tsy nisy latsaka izy na dia zavatra iray akory aza.”—Josoa 23:14.

4. Inona avy ireo zavatra nampanantenain’i Jehovah ny Israelita?

4 Inona avy no tenin’i Jehovah tanteraka tamin’ny andron’i Josoa? Handinika zavatra telo nampanantenain’i Jehovah ny Israelita isika. Voalohany, hanafaka azy ireo amin’ny fanandevozana izy. Faharoa, hiaro azy ireo izy. Fahatelo, hanome izay ilain’izy ireo izy. Nampanantenain’i Jehovah zavatra mitovy amin’izany ny vahoakany ankehitriny, ary mahita ny fahatanterahan’izy ireny isika. Handinika izay ataon’i Jehovah amin’izao andro izao isika. Hojerentsika anefa aloha izay nataony tamin’ny andron’i Josoa.

Nanafaka ny vahoakany i Jehovah

5, 6. Ahoana no nanafahan’i Jehovah ny Israelita avy tany Ejipta, ary inona no noporofoin’izany?

5 Rehefa nitalaho tamin’i Jehovah ny Israelita satria andevo tany Ejipta, dia nandre ny fitarainany izy. (Eksodosy 2:23-25) Hoy izy tamin’i Mosesy teo amin’ilay roimemy nirehitra: “Efa nidina Aho izao hamonjy [ny oloko] amin’ny tànan’ny Egyptiana ka hitondra azy hiakatra hiala amin’izany tany izany ho any amin’izay tany soa sy malalaka, dia any amin’izay tany tondra-dronono sy tantely.” (Eksodosy 3:8) Azo antoka fa tena nahafaly ny nahita ny nanatanterahan’i Jehovah an’izany! Rehefa tsy nety nandefa ny Israely hiala tany Ejipta i Farao, dia nilaza taminy i Mosesy fa hovan’Andriamanitra ho ra ny ranon’i Neily. Tanteraka ny tenin’i Jehovah, satria niova ho ra ilay renirano. Maty ny trondro, ary lasa tsy azo nosotroina ny rano. (Eksodosy 7:14-21) Mbola be di-doha anefa i Farao, ka nandefa loza sivy hafa i Jehovah. Nolazainy mialoha ny tsirairay tamin’izy ireny. (Eksodosy, toko 8-12) Nandidy ny Israelita handeha ihany i Farao, taorian’ilay loza fahafolo nahafaty ny lahimatoan’ny Ejipsianina. Niala tany Ejipta tokoa àry ny Israelita!—Eksodosy 12:29-32.

6 Afaka nifidy ny Israely ho fireneny i Jehovah, noho io fanafahana io. Nitondra dera ho an’i Jehovah izy io, satria nampiseho fa manatanteraka ny fampanantenany foana izy. Noporofoin’izy io koa fa ambony noho ny andriamanitry ny firenen-kafa izy. Manatanjaka ny finoantsika ny famakiana momba an’io fanafahana io. Alao sary an-tsaina ange ny niaina an’izany e! Tsy nisalasala mihitsy i Josoa fa i Jehovah no “Ilay Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra.”—Salamo 83:18.

Niaro ny vahoakany i Jehovah

7. Ahoana no niarovan’i Jehovah ny Israelita tamin’ny tafik’i Farao?

7 Ahoana ny amin’ilay zavatra faharoa nampanantenain’i Jehovah? Tena hiaro ny vahoakany ve izy? Tsy maintsy hiaro azy ireo izy matoa nampanantena fa hanafaka azy avy any Ejipta, sy hitondra azy ho ao amin’ny Tany Nampanantenaina. Tadidio fa romotra i Farao ka nitondra ny tafiny mahery sy kalesy an-jatony, ary nanenjika ny Israelita. Azo antoka fa natoky tena be io lehilahy niavonavona io, indrindra rehefa toy ny hoe tapi-dalan-kaleha teo anelanelan’ny tendrombohitra sy ny ranomasina ny Israelita! Nisalovana anefa Andriamanitra ary niaro ny vahoakany. Nametraka rahona teo anelanelan’ny toby roa izy. Maizina ny ilany nisy ny Ejipsianina, fa nazava kosa ny ilany nisy ny Israely. Voasakan’ilay rahona tsy handroso ny Ejipsianina. Tamin’izay i Mosesy no nanainga ny tehiny, ka nampisaraka ny Ranomasina Mena. Sady nanokatra ny lalana handosiran’ny Israelita izany no namandrika ny Ejipsianina. Nandrava tanteraka ny tafika maherin’i Farao i Jehovah, ka niaro ny vahoakany mba tsy ho resy.—Eksodosy 14:19-28.

8. Narovana tamin’ny inona ny Israelita a) tany an-tany efitra, b) rehefa niditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina?

8 Rehefa avy nita ny Ranomasina Mena ny Israelita, dia nirenireny tao amin’ny tany “efitra lehibe sady mahatahotra, izay misy menaran’afo sy maingoka, dia ny tany mangentana tsy misy rano.” (Deoteronomia 8:15) Niaro ny vahoakany koa i Jehovah tamin’izay. Ary nanao ahoana ny fidiran’izy ireo tao amin’ny Tany Nampanantenaina? Nanohitra an’izany ny tafika kananita nahery. Hoy anefa i Jehovah tamin’i Josoa: “Mitsangàna, mità ity Jordana ity hianao sy ireo olona rehetra ireo ho any amin’ny tany izay omeko azy, dia ny Zanak’Isiraely. Tsy hisy olona hahajanona eo anoloanao amin’ny andro rehetra hiainanao; tahaka ny nombako an’i Mosesy no hombako anao koa; tsy handao anao na hahafoy anao Aho.” (Josoa 1:2, 5) Tanteraka ireo tenin’i Jehovah ireo. Nandresy mpanjaka 31 i Josoa tao anatin’ny enin-taona teo ho eo, ary nahazo faritany lehibe maro tao amin’ny Tany Nampanantenaina. (Josoa 12:7-24) Tsy ho azo mihitsy izany fandresena izany, raha tsy niahy sy niaro azy ireo i Jehovah.

Nanome izay nilain’ny vahoakany i Jehovah

9, 10. Ahoana no nanomezan’i Jehovah izay nilain’ny vahoakany tany an-tany efitra?

9 Diniho izao ilay zavatra fahatelo nampanantenain’i Jehovah. Hanome izay ilain’ny vahoakany tokoa ve izy? Nampanantena toy izao izy, taoriana kelin’ny nanafahany ny Israelita avy tany Ejipta: “Indro, Izaho handatsaka mofo avy any an-danitra ho anareo; dia hivoaka ny olona ka hanangona izay sahaza hohaniny isan-andro.” Tena nomeny “mofo avy any an-danitra” tokoa izy ireo! ‘Rehefa hitan’ny Zanak’Isiraely izany, dia nifanontany izy hoe: Inona itony?’ Mana ilay izy, dia ilay mofo nampanantenain’i Jehovah.—Eksodosy 16:4, 13-15.

10 Nikarakara ny Israelita i Jehovah nandritra ireo 40 taona tany an-tany efitra, ka nanome azy ireo sakafo sy rano. Nataony mihitsy aza izay tsy haharovitra ny fitafiany sy tsy hampivonto ny tongony. (Deoteronomia 8:3, 4) Nanatri-maso an’izany rehetra izany i Josoa. Nanafaka sy niaro ary nanome izay nilain’ny vahoakany tokoa i Jehovah, araka ny nampanantenainy.

Manafaka izy amin’ny androntsika

11. Inona no nitranga tany Brooklyn tamin’ny 1914, ary fotoana hanaovana inona no tonga tamin’izay?

11 Ahoana ny amin’ny androntsika? Diniho izay nitranga tamin’ny zoma marainan’ny 2 Oktobra 1914. Niditra ny efitra fisakafoanan’ny Betelan’i Brooklyn, any New York, i Charles Russell, mpitarika ny Mpianatra ny Baiboly. “Arahabaina daholo isika rehetra”, hoy izy miramirana. Mbola tsy tafapetraka akory izy, dia efa faly erỳ nilaza hoe: “Tapitra ny Andron’ny Jentilisa; nifarana ny andron’ireo mpanjakany.” Tonga indray ny fotoana hanaovan’i Jehovah zavatra ho an’ny vahoakany, ary dia nanao zavatra tokoa ilay Mpanjakan’izao rehetra izao!

12. Fanafahana avy tamin’ny inona no nitranga tamin’ny 1919, ary inona no vokatr’izy io?

12 Dimy taona monja tatỳ aoriana, dia nanafaka ny vahoakany avy tamin’i “Babylona Lehibe” na ny fivavahan-diso rehetra i Jehovah. (Apokalypsy 18:2) Vitsy amintsika no nanatri-maso izany fanafahana mahafinaritra izany. Hitantsika miharihary anefa ny vokatr’izy io: Naverin’i Jehovah tamin’ny laoniny indray ny fivavahana marina, ary nataony izay hahatafaray ny olona maniry mafy hivavaka aminy. Efa nanambara izany mialoha i Isaia mpaminany. Hoy izy: “Izao no ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah dia haorina eo an-tampon’ny tendrombohitra ary hasandratra ho avo noho ny havoana; ary ny jentilisa rehetra hitanjozotra hankany.”—Isaia 2:2.

13. Inona no fitomboana hitanao teo amin’ny vahoakan’i Jehovah?

13 Tanteraka tokoa ny tenin’i Isaia. Be herim-po ny sisa voahosotra, ka nanomboka nitory eran-tany tamin’ny 1919. Nampisandratra ny fivavahana amin’ilay tena Andriamanitra izany. Folo taona mahery tatỳ aoriana, dia niharihary fa nanomboka ny fanangonana ny “ondry hafa.” (Jaona 10:16) An’arivony aloha no tonga nanohana ny fivavahana marina, avy eo ana hetsiny, ary an-tapitrisany ankehitriny! Voalaza fa “vahoaka be tsy tambo isaina, avy tamin’ny firenena sy foko sy vahoaka ary fiteny rehetra” izy ireo, tao amin’ilay fahitan’ny apostoly Jaona. (Apokalypsy 7:9) Inona no fitomboana hitanao hatramin’izay? Firy ny Vavolombelon’i Jehovah, fony ianao vao nianatra ny fahamarinana? Miisa 6 700 000 mahery izy ireo izao. Ny fanafahan’i Jehovah ny vahoakany avy tamin’i Babylona Lehibe no nampisy ny fitomboana mahavariana hitantsika eran-tany.

14. Inona no fanafahana mbola hataon’i Jehovah?

14 Mbola hisy fanafahana hataon’i Jehovah anefa, ary hahakasika ny tany manontolo izy io. Hampiseho ny heriny amin’ny fomba mahatalanjona i Jehovah, ka handringana an’izay rehetra manohitra azy, ary hamonjy ny vahoakany. Hiaina ao amin’ny tontolo vaovao hitoeran’ny fahamarinana izy ireo aorian’izay. Tena hahafinaritra ny hahita ny faran’ny faharatsiana sy ny fiandohan’ilay fotoam-pahasambarana mbola tsy nisy toy izany!—Apokalypsy 21:1-4.

Miaro i Jehovah amin’ny androntsika

15. Nahoana no ilaina ny fiarovan’i Jehovah amin’ny androntsika?

15 Hitantsika teo fa nila ny fiarovan’i Jehovah ny Israelita tamin’ny andron’i Josoa. Hafa noho izany ve isika ankehitriny? Tsy izany velively! Nampitandrina ny mpanara-dia azy i Jesosy hoe: “Hanolotra anareo ho amin’ny fahoriana ny olona ka hamono anareo ho faty, ary ho halan’ny firenena rehetra ianareo noho ny anarako.” (Matio 24:9) Efa hatramin’ny taona maro ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny tany maro no niaritra fanoherana mafy sy fanenjehana tsy misy antra. Manohana ny vahoakany anefa i Jehovah. (Romanina 8:31) Manome toky antsika ny Teniny fa tsy hisy hahasakana ny asa fitoriana sy fanaovana mpianatra, na dia ‘ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana antsika’ aza.—Isaia 54:17.

16. Inona no porofo hitanao mampiseho fa miaro ny vahoakany i Jehovah?

16 Miroborobo ny vahoakan’i Jehovah, na dia ankahalain’ity tontolo ity aza. Mitombo foana ny isan’izy ireo any amin’ny tany 236. Porofo mampiaiky izany fa eo anilantsika i Jehovah, mba hiaro antsika amin’ireo mitady hamongotra na hampangina antsika. Tadidinao ve ny anaran’ireo mpitondra fanjakana na mpitondra fivavahana mahery, izay nampahory mafy ny vahoakan’Andriamanitra? Inona no nanjo azy ireny? Aiza moa izy ireny izao? Efa maty toa an’ilay Farao tamin’ny andron’i Mosesy sy Josoa ny ankamaroany. Ary ahoana ireo mpanompon’Andriamanitra amin’ny androntsika, izay maty nahatoky? Voaro izy ireo satria ao amin’ny fitadidian’i Jehovah. Tsy misy toerana azo antoka noho izany. Hita tokoa fa tanteraka ny tenin’i Jehovah hoe hiaro ny vahoakany izy.

Manome izay ilain’ny vahoakany i Jehovah

17. Inona no nampanantenain’i Jehovah momba ny sakafo ara-panahy?

17 Nanome izay nilain’ny vahoakany i Jehovah, tany an-tany efitra. Manao toy izany koa izy ankehitriny. Omeny sakafo ara-panahy amin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky sy malina” isika. (Matio 24:45) Ampahafantarina antsika ny fahamarinana, izay nohazonina ho zava-miafina nandritra ny taonjato maro. Hoy ny anjely tamin’i Daniela: “Ahoroninao ny teny, ka asio tombo-kase ny taratasy mandra-pihavin’ny andro farany; maro no hazoto mandinika, ka hitombo ny fahalalana.”—Daniela 12:4.

18. Nahoana no azo lazaina fa mitombo be ny tena fahalalana ankehitriny?

18 Miaina amin’ny andro farany isika izao, ary marina fa mitombo be ny tena fahalalana. Ny fanahy masina no nahatonga an’ireo tia ny fahamarinana eran-tany hahalala tsara an’Andriamanitra sy ny fikasany. Be dia be ny Baiboly ankehitriny. Toy izany koa ny boky sy gazety, izay manampy ny olona hahatakatra ireo fahamarinana sarobidy ao amin’ny Baiboly. Diniho, ohatra, ny toko sasany ao amin’ilay boky fianarana hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? * Anisan’izany ny hoe “Inona no Marina Momba An’Andriamanitra?”, “Aiza no Misy ny Maty?”, “Inona ny Fanjakan’Andriamanitra?”, ary “Nahoana Andriamanitra no Mamela ny Fijaliana Hisy?” Efa an’arivony taona ny olona no nandinika ireo fanontaniana ireo. Tsy sarotra anefa izao ny mahazo ny valiny. Manampy an’ireo maniry mafy hanompo an’i Jehovah ny Teniny, na teo aza ny tsy fahalalana sy ny fampianaran’ny mpivadi-pinoana nandritra ny taonjato maro.

19. Inona avy ireo fampanantenana hitanao fa efa tanteraka, ary inona no fanatsoahan-kevitrao?

19 Ny masontsika mihitsy no mahita, ka tsy misalasala isika manao hoe: “Tsy misy latsaka na dia zavatra iray akory aza ny zava-tsoa rehetra, izay nilazan’i Jehovah Andriamanitrareo anareo; efa tanteraka taminareo avokoa izy rehetra: tsy nisy latsaka izy na dia zavatra iray akory aza.” (Josoa 23:14) Manafaka sy miaro ny mpanompony ary manome izay ilainy i Jehovah. Efa nisy hitanao tsy tanteraka tamin’ny fotoana voatondrony ve ny fampanantenany? Azo antoka fa tsia. Hendry àry isika raha matoky ny Tenin’Andriamanitra.

20. Nahoana isika no afaka manantena hoavy azo antoka?

20 Ahoana ny amin’ny hoavy? Nilaza tamintsika i Jehovah fa afaka manantena hiaina ao amin’ny paradisa an-tany mahafinaritra ny ankamaroantsika. Misy vitsivitsy kosa manantena hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra. Tokony hahatoky toa an’i Josoa isika, na inona na inona fanantenantsika. Ho avy ny andro hahatanterahan’izany. Hahatsiaro ny fampanantenana rehetra nomen’i Jehovah isika amin’izay, ka hilaza hoe: ‘Tanteraka avokoa izy rehetra.’

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 18 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Hainao Hazavaina Ve?

• Inona avy ireo zavatra nampanantenain’i Jehovah, izay tanteraka tamin’ny andron’i Josoa?

• Inona avy no fampanantenan’Andriamanitra hitanao fa efa tanteraka?

• Inona no azontsika antoka momba ny tenin’Andriamanitra?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 23]

Nanao zavatra i Jehovah mba hanafahana ny vahoakany

[Sary, pejy 23]

Ahoana no niarovan’i Jehovah ny vahoakany teo amin’ny Ranomasina Mena?

[Sary, pejy 24]

Ahoana no nanomezan’i Jehovah izay nilain’ny vahoakany tany an-tany efitra?

[Sary, pejy 25]

Mikarakara ny vahoakany i Jehovah ankehitriny