Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Mora ny Manetry Tena

Tsy Mora ny Manetry Tena

Tsy Mora ny Manetry Tena

MARO no mihevitra fa tsy ilaina intsony ny fanetren-tena. Ny olo-malaza sy heverina ho tafita mantsy, dia ireo olona te hisongadina sy manambony tena ary tia mampanjaka ny heviny. Ny fiainan’ny mpanankarena sy ny olo-malaza no tsiriritin’ny ankamaroan’ny olona, fa tsy ny an’ny olon-tsotra sy manetry tena. Mirehareha mazàna ny olona tafita hoe noho ny ezaka nataony no nahatafita azy. Tsy manetry tena izy ireo fa mieboebo.

Nilaza ny mpikaroka kanadianina iray fa “mihamanjaka” ao amin’ny taniny “ny fitiavan-tena sy ny toe-tsaina tia mieboebo.” Ny hafa indray mahita fa aleon’ny olona mampifalifaly tena toy izay hamita adidy. Miaiky izy ireo fa mihatia tena ny olona, fa tsy maniry hanetry tena.

Maro aloha no manaiky hoe tsara ho an’ny olona sasany ny manetry tena. Tsy sarotra mantsy ny miara-miaina amin’ny olona toy izany. Tia mifaninana anefa ny ankamaroan’ny olona ankehitriny, ka manahy ny olona sasany sao heverin’ny hafa ho kanosa izy raha manetry tena.

Efa nilaza mialoha ny Baiboly fa “ho matin-kambo” sy “hiavonavona” ny olona amin’ny androntsika. (2 Timoty 3:1, 2) Tsy miaiky ve ianao hoe efa tanteraka io faminaniana io? Mahasoa ve ny manetry tena? Sa heverinao ho olona tsy manana hazondamosina ny olona manetry tena ka mora ambakaina?

Milaza ny Baiboly fa toetra tsara ny fanetren-tena, ary tokony hanana azy io isika. Manampy antsika hanana fomba fihevitra voalanjalanja momba ny fanetren-tena, ny Baiboly. Hazavainy fa be herim-po ny olona manetry tena fa tsy kanosa. Hiresaka an’izany ny lahatsoratra manaraka.

[Sary, pejy 3]

Ahoana no tokony hiheveranao ny zava-bitanao?