Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Mety amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ve ny manatrika mariazin’ny havana na olon-kafa tsy Vavolombelona?

Fotoam-pifaliana ny mariazy, ka mba te hanatrika izany ny Kristianina. Ahoana anefa ireo mbola tsy ampy taona? Ny ray aman-dreniny na ny mpiantoka azy no hanapa-kevitra raha mahazo mandeha izy. Ary tokony hankatò izy. (Efesianina 6:1-3) Tsy Vavolombelon’i Jehovah ny vadin’ny vehivavy kristianina sasany. Ahoana raha entin’ilay vadiny manatrika mariazy any am-piangonana izy? Mety tsy hampaninona ny feon’ny fieritreretany izany, raha manatrika fotsiny izy fa tsy mandray anjara amin’ny resaka fivavahana mihitsy.

Miankina amin’ny tsirairay raha hanatrika mariazin’olona tsy Vavolombelona izy na tsia. Tokony hotadidina anefa fa samy mbola hampamoahin’i Jehovah isika. Misy toro lalana ara-baiboly tokony hodinihina koa, alohan’ny hanapahana hevitra.

Ny hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra no zava-dehibe indrindra amin’ny Kristianina. Hoy i Jesosy: “Andriamanitra dia Fanahy, ka izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka araka ny fanahy sy ny fahamarinana.” (Jaona 4:24) Tsy mandray anjara amin’ny fanaon’ny fivavahana hafa àry ny Vavolombelon’i Jehovah. Anisan’izany ny vavaka, fombafomba, na fety tsy araka ny Baiboly.—2 Korintianina 6:14-17.

Fantatry ny Kristianina koa fa misy vokany eo amin’ny hafa ny fanapahan-keviny. Ho tezitra ve, ohatra, ny havanao raha manatrika an’ilay mariazy ianao, nefa tsy tena mandray anjara amin’izay atao any? Diniho koa izay mety ho vokany eo amin’ny mpiray finoana aminao. (Romanina 14:13) Tsy hampaninona anao na ny mpianakavinao angamba ny manatrika an’ilay izy. Mety hisy ho tafintohina ve anefa ny rahalahy sy anabavinao ara-panahy? Hanelingelina ny feon’ny fieritreretany ve izany?

Misy toe-javatra mahasanganehana indraindray, any amin’ny mariazin’ny havana tsy Vavolombelona. Mety hitranga, ohatra, izany raha hasaina hitondra voninkazo na hitarika voaly ianao. Raha tsy Vavolombelona koa ny vadinao, dia mety hasainy handray anjara amin’izay rehetra atao any ianao. Tsy voatery ho ratsy ny manatrika ny fisoratana, raha solontenam-panjakana no mitarika izany.

Hafa kosa anefa raha mpitondra fivavahana no mitarika, na toeram-pivavahana no anaovana azy. Tsy maintsy manaja ny feon’ny fieritreretanao voataizan’ny Baiboly mantsy ianao, ary tsy mampandefitra ny finoanao. Tsy tianao koa anefa ny hanao izay hahamenatra ny tompom-panasana. Mety hifidy ny tsy handeha àry ianao, noho ireo antony ireo. (Ohabolana 22:3) Amin’izay ianao sy ny fianakavianao tsy ho sahirana hanazava mialoha ny zavatra inoanareo, na izay tsy azonareo atao. Tsy voatery hitady hevitra koa ianareo mba hialana amin’ny toe-javatra tsy tianareo.

Mety hisy Kristianina hifidy ny hanatrika mariazin’olona tsy Vavolombelona, rehefa avy nandinika tsara an’ireo zavatra rehetra ireo. Hanatrika fotsiny anefa izy, fa tsy handray anjara amin’ny resaka fivavahana mihitsy. Aleon’ny hafa kosa tsy mandeha, raha mety halaim-panahy hampandefitra ny finoany izy. Toa fahasahiranana indray mantsy no ho azony fa tsy fahafinaretana. Misy indray mifidy ny hankany amin’ny toerana hanaovana fety avy hatrany. Mila hentitra anefa izy ka ‘hataony ho voninahitr’Andriamanitra ny zava-drehetra.’ (1 Korintianina 10:31) Tokony hotadidin’ny rehetra fa ‘samy hitondra ny entany avy ny tsirairay.’ (Galatianina 6:5) Na handeha àry ianao na hijanona, dia ataovy izay hanananao feon’ny fieritreretana madio eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitra.