Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mamelombelona ny Hafa ve Ianao?

Mamelombelona ny Hafa ve Ianao?

Mamelombelona ny Hafa ve Ianao?

ANY amin’ny ilany atsimo indrindra amin’ny Tandavan-tendrombohitra Anti-Liban no misy ny Tendrombohitra Hermona. Mahatratra 2 814 metatra ny haavon’io tendrombohitra manerinerina io. Saika mandavantaona ny tendron’izy io no rakotra lanezy. Noho izany, dia mivongana ka lasa ranon’ando ny etona mafana, izay mandalo eny amin’ny alina. Milatsaka izany ando izany, ka mipetraka eny amin’ny hazo kesika sy ny hazo fihinam-boa eo amin’ny tehezan’ilay tendrombohitra, ary eny amin’ny tanimboaloboka erỳ ambany. Io ando mamelombelona io no tena nitondra hamandoana ho an’ny zavamaniry tany Israely fahiny, nandritra ny main-tany izay naharitra ela.

Tao amin’ny hira iray nampanoratin’Andriamanitra, dia nampitahaina tamin’ny “ando any Hermona, izay milatsaka amin’ny tendrombohitra Ziona” ny firaisan-tsaina mamelombelona eo anivon’ny mpanompon’i Jehovah. (Salamo 133:1, 3) Afaka mamelombelona ny hafa koa isika, toy ny Tendrombohitra Hermona izay nitondra ando mamelombelona ho an’ny zavamaniry. Ahoana no hanaovantsika izany?

Namelombelona ny hafa i Jesosy

Nisy vokany lehibe teo amin’ny olona ny fiarahana tamin’i Jesosy Kristy. Tena namelombelona azy ireo na dia ny fihaonana vetivety taminy aza. Nitantara toy izao, ohatra, i Marka tao amin’ny filazantsarany: “Namihina ireo zaza [i Jesosy] ka nitso-drano azy, sady nametra-tanana taminy.” (Marka 10:16) Azo antoka fa tena namelombelona an’ireo ankizy ireo izany!

Nanasa ny tongotry ny mpianany i Jesosy, ny alina talohan’ny nahafatesany. Azo inoana fa nanohina ny fon’izy ireo ny fanetren-tenany. Hoy izy tamin’izy ireo: “Modely no nomeko anareo, mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo.” (Jaona 13:1-17) Tena nila nanetry tena koa àry izy ireo. Marina fa tsy tonga dia nazava tamin’ny apostoly ny tian’i Jesosy holazaina. Tamin’io alina io ihany mantsy, dia mbola nifanditra izy ireo hoe iza no lehibe indrindra taminy. Tsy tezitra anefa i Jesosy. Nanam-paharetana kosa izy, ary nampisaintsaina azy ireo. (Lioka 22:24-27) Na dia “notevatevaina [aza] izy, dia tsy mba nanevateva. Rehefa nijaly [tokoa] izy, dia tsy mba nandrahona, fa nanankina ny fiainany hatrany kosa tamin’ilay mitsara araka ny hitsiny.” Namelombelona ny hafa izy, ka mendrika hotahafina.—1 Petera 2:21, 23.

Hoy koa i Jesosy: “Ento ny ziogako ka mianara amiko, fa malemy fanahy aho sady manetry tena am-po, dia ho velombelona ianareo.” (Matio 11:29) Mba eritrereto ange izany hoe ampianarin’i Jesosy izany e! Nitolagaga ny olona tao amin’ny faritra niaviany, rehefa avy nandre azy nampianatra tao amin’ny synagoga, ka nilaza hoe: “Taiza no nahazoan’ilehio fahendrena toy izany sy fahaiza-manao fahagagana toy izao?” (Matio 13:54) Rehefa mamaky momba ny fiainan’i Jesosy sy ny fanompoany isika, dia hiana-javatra betsaka momba izay azontsika atao mba hamelombelomana ny hafa. Nanao teny nampahery i Jesosy, ary vonon-kanampy ny hafa foana, ka namela modely miavaka ho antsika. Handinika an’izany isika izao.

Manaova foana teny mampahery

Mora kokoa ny mandrodana trano noho ny manangana vaovao. Toy izany koa ny teny aloaky ny vavantsika. Samy manana ny kileman-toetrany isika rehetra, satria olombelona tsy lavorary. Hoy i Solomona Mpanjaka: “Tsy misy olona marina ambonin’ny tany izay manao tsara ka tsy manota.” (Mpitoriteny 7:20) Mora ny mahita ny fahadisoan’ny hafa, ka hanao teny manambany sy mandratra fo. (Salamo 64:2-4) Mitaky ezaka kosa anefa ny fanaovana teny mampahery foana.

Nanao teny nampahery ny olona i Jesosy. Nitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana tamin’izy ireo izy, ka namelombelona azy. (Lioka 8:1) Namelombelona ny mpianany koa izy, rehefa nampahafantatra azy ireo ny Rainy any an-danitra. (Matio 11:25-27) Tsy mahagaga àry raha nahasarika olona izy!

Ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo kosa anefa tsy niraharaha izay nilain’ny hafa. Hoy i Jesosy: “Tiany ny toerana mihaja indrindra any amin’ny sakafo hariva, ny toerana eny aloha ao amin’ny synagoga.” (Matio 23:6) Nanambany ny sarambaben’olona mihitsy aza izy ireo, ka nilaza hoe: “Olom-boaozona ireo vahoaka tsy mahalala ny Lalàna ireo.” (Jaona 7:49) Tena tsy namelombelona ny hafa mihitsy izany!

Matetika no hita amin’izay lazaintsika ny eritreritra sy ny fihetseham-pontsika ary ny fiheverantsika ny hafa. Hoy i Jesosy: “Ny olona tsara dia mamoaka zavatra tsara avy amin’ny tahiry tsaran’ny fony, fa ny olona ratsy fanahy kosa mamoaka zavatra ratsy avy amin’ny tahiry ratsy ananany. Fa izay mameno ny fon’ny olona no lazain’ny vavany.” (Lioka 6:45) Inona àry no azo atao, mba ho azo antoka fa hamelombelona ny hafa ny tenintsika?

Mila mieritreritra aloha isika vao miteny. Hoy ny Ohabolana 15:28: “Ny fon’ny marina mihevitra vao mamaly.” Tsy voatery haka fotoana be izany fisaintsainana izany. Raha mieritreritra kely fotsiny isika alohan’ny hitenenana, dia ho fantatsika mazàna izay ho vokatr’ilay zavatra holazaintsika. Tsara raha manontany tena isika hoe: ‘Maneho fitiavana ve aho raha milaza izany? Marina ve ilay izy, sa tsaho fotsiny? Mety tsara ve ny fotoana hilazako azy? Hamelombelona sy hampahery ny olona ve ilay izy?’ (Ohabolana 15:23) Raha tsapantsika fa tsy mampahery ny teny saika holazaintsika, na tsy mety ny fotoana hilazana azy, dia aoka isika hifehy tena tsy hilaza izany. Tsara kokoa aza raha miezaka isika mitady teny mahasoa sy mety kokoa, ho solon’ilay zavatra saika holazaintsika. Toy “ny fanindron’ny sabatra” ny teny tsy voahevitra, fa “fanasitranana” kosa ny teny mampahery.—Ohabolana 12:18.

Afaka manampy antsika koa ny fitadidiana foana hoe nahoana no sarobidy amin’Andriamanitra ny mpiray finoana amintsika. Hoy i Jesosy: “Tsy misy mahay manatona ahy raha tsy taomin’ny Ray izay naniraka ahy.” (Jaona 6:44) Mahita toetra tsara ao amin’ny mpanompony mahatoky tsirairay i Jehovah, eny fa na dia ao amin’ireo heverintsika ho sarotra ifandraisana aza. Hanana antony hilazana zavatra tsara momba azy ireny isika, raha miezaka mamantatra ny toetra tsarany.

Ampio ny hafa

Nahatakatra tsara ny fahorian’ny olona nijaly i Jesosy. “Nangoraka izy nony nahita ny vahoaka, satria nampahorina sady naparitaka toy ny ondry tsy misy mpiandry ireo.” (Matio 9:36) Nanao zavatra hanampiana azy ireo mihitsy anefa izy, fa tsy hoe nahamarika fotsiny ny toe-javatra nampahonena nisy azy. Hoy izy tamin’izy ireo: “Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra miasa mafy sy mavesatra entana, fa hamelombelona anareo aho.” Nanome toky koa izy hoe: “Mora entina ny ziogako, ary maivana ny entako.”—Matio 11:28, 30.

Miaina amin’ny “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” isika izao. (2 Timoty 3:1) Maro no mahatsiaro ho mavesatra entana, noho ny “fanahian’ity tontolo ity.” (Matio 13:22) Misy koa vesaran’ny olana mampitebiteby. (1 Tesalonianina 5:14) Inona no azontsika atao mba hamelombelomana azy ireny? Afaka manamaivana ny entan’izy ireo isika, toy ny nataon’i Kristy. 

Mamboraka ny olana manjo azy ny olona sasany, mba hanamaivanana ny adin-tsainy. Raha misy olona kivy mitady fanampiana amintsika àry, moa ve isika maka fotoana hihainoana azy tsara? Mila mifehy tena isika, raha te hihaino ny hafa sy hiombom-pihetseham-po aminy. Mila mifantoka amin’izay lazainy isika, fa tsy hieritreritra izay havalintsika na izay fomba hamahana ilay olana. Asehontsika fa miahy azy isika, raha mihaino tsara, mijery azy, ary mitsiky rehefa mety ny manao izany.

Betsaka no azo atao mba hampaherezana ny mpiray finoana. Rehefa any am-pivoriana, ohatra, nahoana raha mijery hoe iza no miady mafy amin’ny aretina? Afaka manokana minitra vitsivitsy mba hilazana teny mampahery aminy isika, aloha na aorian’ny fivoriana. Na izay fotsiny aza indraindray dia efa ampy. Azontsika tadidina koa hoe iza no tsy tonga tamin’ny Fianarana Boky. Afaka mitsidika na miantso azy an-telefaonina angamba isika, ary manontany ny fahasalamany na izay fanampiana ilainy.—Filipianina 2:4.

Tsy hadinointsika koa ny anti-panahy, izay miantsoroka andraikitra mavesatra. Tena afaka manamaivana ny entany isika, raha miara-miasa aminy sy manaiky amim-panetren-tena izay asa ampanaoviny antsika. Mampirisika antsika ny Tenin’Andriamanitra hoe: “Aoka ianareo hankatò sy hanaiky an’ireo mitarika eo aminareo, fa izy ireny miaro anareo hatrany toy ny olona mbola hatao ampamoaka, mba hanaovany izany amim-pifaliana fa tsy amim-pisentoana, fa tsy hahasoa anareo izany.” (Hebreo 13:17) Afaka mamelombelona an’ireo ‘mahay mitondra’ isika, raha vonona hiara-miasa aminy.—1 Timoty 5:17.

Manaova foana teny mampahery ary mazotoa manampy ny hafa

Ny ando mamelombelona dia vokatry ny piti-drano maro be toa tsy fanta-piaviana, izay mirotsaka moramora. Toy izany koa ny famelombelomana ny hafa. Tsy asa soa iray monja mazàna no mahatonga izany, fa ny fitambaran’ny zavatra rehetra ataontsika mba hanehoana foana ny toetra kristianina.

Hoy ny apostoly Paoly: “Aoka ianareo hifaneho firaiketam-po lalina raha ny amin’ny fitiavan-drahalahy. ... Ho loha laharana raha ny amin’ny fifanomezam-boninahitra.” (Romanina 12:10) Aoka àry isika hanaraka ny toroheviny. Enga anie ny tenintsika sy izay ataontsika ka tena hamelombelona ny hafa!

[Sary, pejy 16]

Mitondra hamandoana ho an’ny zavamaniry ny ando mamelombelona avy any amin’ny Tendrombohitra Hermona

[Sary, pejy 17]

Mamelombelona ny hafa ny olona mahay mihaino ka miombom-pihetseham-po aminy