Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ampianaro ho Tia Fihavanana ny Zanakao

Ampianaro ho Tia Fihavanana ny Zanakao

Ampianaro ho Tia Fihavanana ny Zanakao

Faly erỳ i Nicole, ankizivavy kely valo taona, fa hifindra any an-tanàna hafa ny fianakaviany. Niresaka tsy tapaka momba izany tamin’i Gabrielle, namany akaiky, izy. Nisafoaka tampoka anefa i Gabrielle, indray andro, ka nilaza tamin’i Nicole fa tsy raharahainy izany. Tezitra sy nalahelo be i Nicole, ka niteny tamin’ny mamany hoe: “Tsy hinamana amin’i Gabrielle intsony aho!”

MATETIKA no mila ny fanampian’ny ray aman-dreniny ny ankizy, mba handaminana olana toy izany. Tokony hanampy azy hampitony ny fahatezerany izy ireo sy hampianatra azy hiatrika ilay olana. Manana “toetran-jaza” ny ankizy, sady mazàna no tsy mahatakatra ny voka-dratsin’ny zavatra lazainy sy ataony. (1 Korintianina 13:11) Mila ampiana àry izy ireo, mba hanana an’ireo toetra hanampy azy hihavana tsara amin’ny mpianakaviny sy ny olon-kafa.

Tena irin’ny ray aman-dreny kristianina ny hampianatra ny zanany “hitady fihavanana sy hitandro azy io.” (1 Petera 3:11) Mahasambatra ny fitiavana fihavanana. Tokony hiezaka mafy àry isika tsy hiahiahy olona na ho mora tezitra na hankahala. Raha ray aman-dreny ianao, ahoana no anampianao ny zanakao ho tia fihavanana?

Ampio izy haniry hampifaly an’ilay “Andriamanitry ny fiadanana”

Antsoina hoe “Andriamanitry ny fiadanana” i Jehovah, ary ‘mpanome fiadanana.’ (Filipianina 4:9; Romanina 15:33) Mampiasa tsara ny Tenin’Andriamanitra àry ny ray aman-dreny hendry, mba hanampiana ny zanany haniry hampifaly an’Andriamanitra sy hanahaka ny toetrany. Ampio, ohatra, ny zanakao haka sary an-tsaina ny fahitana miavaka hitan’ny apostoly Jaona momba ny seza fiandrianan’i Jehovah. Voahodidin’ny avana tsara tarehy toy ny emeraoda manopy maitso izy io. * (Apokalypsy 4:2, 3) Hazavao aminy fa ny dikan’ilay avana dia hoe Andriamanitry ny fiadanana sy filaminana i Jehovah, ary omeny izany ireo rehetra mankatò azy.

Mitari-dalana antsika amin’ny alalan’i Jesosy koa i Jehovah. Antsoina hoe “Andrian’ny fiadanana” io Zanany io. (Isaia 9:5, 6) Misy fampianarana mahasoa nomen’i Jesosy ao amin’ny Baiboly, mahakasika ny tsy tokony hifandirana na hiadiana. Vakio sy iaraho midinika amin’ny zanakao izany. (Matio 26:51-56; Marka 9:33-35) Hazavao aminy hoe nahoana i Paoly, izay “mpanambany olona”, no nanova ny toetrany, ka nanoratra hoe: ‘Tsy tokony hiady ny mpanompon’ny Tompo, fa halemy fanahy amin’ny rehetra kosa ary hahafehy tena rehefa misy mahasosotra.’ (1 Timoty 1:13; 2 Timoty 2:24) Mety tsy hampoizinao ny vokatra tsara aterak’izany eo amin’ny zanakao.

Tadidin’i Evan fa nisy ankizilahy nila ady taminy tao anaty bisy, tamin’izy fito taona. Hoy i Evan: “Tezitra be aho ka te hamaly faty! Tadidiko anefa tamin’izay ny zavatra nianaranay tany an-trano momba ny olona mpila ady. Fantatro fa tsy tian’i Jehovah ‘hamaly ratsy ny ratsy, na amin’iza na amin’iza’ aho, sady iriny ‘hihavana amin’ny olona rehetra.’ ” (Romanina 12:17, 18) Nanana herim-po hamaliana tamim-pahalemem-panahy i Evan, ka nilamina ilay toe-javatra. Naniry hampifaly an’ilay Andriamanitry ny fiadanana izy.

Miezaha ho ray aman-dreny tia fihavanana

Anjakan’ny fihavanana ve ny tokantranonao? Raha izany, dia ho tia fihavanana ny zanakao, na dia ny ohatra omenao fotsiny aza no jereny. Hahavita hampianatra ny zanakao ho tia fihavanana ianao, raha miezaka mafy ho tia fihavanana toa an’Andriamanitra sy Kristy.—Romanina 2:21.

Niezaka mafy nampiofana ny zanany roa lahy i Russ sy Cindy, ary nampirisika azy ireo ho tsara fanahy rehefa misy mampahatezitra. Hoy i Cindy: “Nodinihin’izy roa lahy ny fihetsikay taminy sy tamin’ny olon-kafa, rehefa nisy olana nipoitra. Nisy heriny lehibe tamin’izy ireo izany, ka nahafahany niatrika toe-javatra toy izany koa.”

Mbola afaka mampita lesona sarobidy amin’ny zanakao ihany ianao, na dia rehefa manao fahadisoana aza. Tsy misy ray aman-dreny tsy manao fahadisoana mantsy. Niaiky i Stephen hoe: “Nanao zavatra tafahoatra izahay sy Terry vadiko indraindray, ka nanafay azy telo dahy zanakay, talohan’ny nahalalanay izay rehetra nitranga. Niala tsiny izahay rehefa nanao izany.” Hoy koa i Terry: “Tsy afeninay amin’ny zanakay fa tsy lavorary koa izahay, ary manao fahadisoana. Tsapanay hoe anisan’ny nampisy fiadanana tao an-tranonay izany, sady nanampy ny zanakay hitandro fihavanana.”

Mampianatra ny zanakao ho tia fihavanana ve ny fomba ifandraisanao aminy? Hoy i Jesosy: “Koa izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo àry, dia mba ataovy aminy koa.” (Matio 7:12) Matokia fa hahasoa ny zanakao ny fitiavanao sy fiahianao azy ireo, na dia manao fahadisoana aza ianao. Ho vonona kokoa hanaraka ny torohevitrao izy ireo, raha omenao amim-pitiavana izany.

Aza mora tezitra

Hoy ny Ohabolana 19:11: “Ny fahendren’ny olona manindry ny fahatezerany.” Ahoana no anampianao ny zanakao hanana izany fahendrena izany? Nahita fomba mandaitra hanampiana ny zanany mianadahy i David sy Mariann. Hoy i David: “Rehefa sosotra noho izay lazain’ny hafa na ataony aminy ny zanakay, dia ampianay ahafantatra ny antony mety ho nahatonga an’ilay olona hanao izany. Ametrahanay fanontaniana tsotra izy ireo, toy ny hoe: ‘Sao dia niasa saina be ilay olona? Sa be fialonana izy? Sa nisy nanafintohina azy?’ ” Hoy koa i Mariann: “Mampitony azy ireo izany, sady manampy azy tsy hitahiry lolompo na hiady hevitra hoe iza no marina na diso.”

Mitondra vokany tsara izany fampiofanana izany. Nampian’ny reniny hamitram-pihavanana tamin’i Gabrielle i Nicole, ilay voaresaka terỳ aloha. Nanjary nanana toetra tsara hafa koa anefa izy. Hoy i Michelle, reniny: “Novakinay sy Nicole ny toko faha-14 amin’ny boky Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe. * Nohazavaiko taminy ny tian’i Jesosy hambara rehefa niteny izy fa tokony hamela ny heloky ny hafa ‘hatramin’ny impito amby fitopolo’ isika. Namboraka ny tao am-pony izy avy eo, ary nihaino tsara aho. Nampiako izy hahatsapa fa nalahelo sy kivy i Gabrielle, satria hifindra lavitra be ny namany tiany indrindra.”—Matio 18:21, 22.

Lasa takatr’i Nicole ny antony nahatonga an’i Gabrielle hisafoaka, ka niantso an’i Gabrielle izy ary niala tsiny. Hoy i Michelle: “Nanomboka tamin’iny fotoana iny, dia nahay niombom-pihetseham-po tamin’ny hafa i Nicole, ary nanao zavatra tsara mba hahafaly azy ireo. Nahasambatra azy izany.”—Filipianina 2:3, 4.

Ampio ny zanakao tsy hisafoaka noho ny fahadisoan’ny hafa na noho ny tsy fifankahazoan-kevitra. Mety ho faly ianao amin’izay, hahita azy ho tsara fanahy amin’ny hafa sy ho be fitiavana.—Romanina 12:10; 1 Korintianina 12:25.

Ampirisiho hamela heloka izy

‘Voninahitra ny tsy mamaly fahadisoana’, hoy ny Ohabolana 19:11. Nanahaka ny Rainy i Jesosy ka namela heloka, tao anatin’ny fotoana mangidy indrindra teo amin’ny fiainany. (Lioka 23:34) Ho takatry ny zanakao fa tsara ny mamela heloka, rehefa tsapany fa mahasambatra azy ny famelanao ny helony.

Diniho ity tantara ity. Tian’i Willy, zazalahy kely dimy taona, ny mandoko sary miaraka amin’ny renibeny, 80 taona. Indray andro, dia nitrerona azy ny bebeny, sady nirintona nandeha. Nalahelo be i Willy. Hoy i Sam, rainy: “Voan’ny aretin’i Alzheimer ny beben’i Willy. Nohazavainay tamin’i Willy izany.” Nolazainay taminy fa tokony hamela heloka izy, satria matetika ny olona no mamela ny helony. Nahagaga an’i Sam ny fihetsik’i Willy, taorian’izay. Hoy izy: “Nankany amin’ny bebeny i Willy kely, ary nanambitamby azy. Notantanany hiverina teo amin’ny latabatra ny bebeny avy eo. Alao sary an-tsaina ange izay tsapanay mivady rehefa nijery an’izany e!”

Mahafinaritra tokoa ny mahita ankizy mianatra ‘mizaka’ ny fahalemena sy ny fahadisoan’ny hafa, ary mamela heloka. (Kolosianina 3:13) Mety hisy olona hinia hampahatezitra ny zanakao. Omeo toky anefa izy fa hahita soa raha mitandro fihavanana. Hoy mantsy ny Baiboly: “Raha sitrak’i Jehovah ny alehan’ny olona, na dia ny fahavalony aza dia hampihavaniny aminy.”—Ohabolana 16:7.

Ampio hatrany ny zanakao ho tia fihavanana

Tena hitondra soa ho an-janany ny ray aman-dreny raha mampiasa ny Tenin’Andriamanitra hampianarana azy ireo, ary manao izany “amim-pihavanana.” (Jakoba 3:18) Hanampy ny zanany ho tia fihavanana sy hahay handamina tsy fifanarahana izany. Ho sambatra sy ho afa-po eo amin’ny fiainana izy ireo amin’izay.

Manan-janaka tanora telo i Dan sy Kathy. Manompo tsara an’i Jehovah daholo izy telo dahy. Hoy i Dan: “Faly be izahay fa manompo tsara an’i Jehovah ny zanakay, na dia tsy mora aza ny nampiofana azy ireo tamin’izy mbola kely. Mifandray tsara amin’ny hafa izy ireo izao, ary mamela heloka tanteraka rehefa misy olana mety hanimba fihavanana.” Hoy i Kathy: “Tena mampahery anay izany, satria anisan’ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra ny fiadanana.”—Galatianina 5:22, 23.

Tsy tokony ‘halaky kivy’ na ho “reraka” àry ianareo ray aman-dreny kristianina, rehefa mampianatra ny zanakareo ho tia fihavanana, na dia tsy miharihary avy hatrany aza ny vokany. Matokia fa ‘ho [eo] aminareo ny Andriamanitry ny fitiavana sy ny fiadanana.’—Galatianina 6:9; 2 Korintianina 13:11.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Jereo ny sary eo amin’ny pejy 75 amin’ny boky Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 16 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Efajoro/​Sary, pejy 20]

MITONDRA SOA VE?

Mitondra ny lohateny hoe “Fialam-boly Misy Herisetra” ny lahatsoratra iray tao amin’ny Internet. Hoy izy io: “Asongadin’ireo fialam-boly [ao amin’ny tele sy video], fa fomba fandaminana olana ny herisetra. Matetika no samy mampiasa herisetra na ny olona tsara na ny olona ratsy [ao amin’ny filma].” Nisy filma sy raki-tsary ary fandaharana tao amin’ny tele, nanaovana fanadihadiana, ka ny 10 isan-jatony monja no nampiseho ny voka-dratsin’ny herisetra. Hoy koa ilay lahatsoratra: “Aseho amin’ireo filma fa rariny sy ara-dalàna ary tsy azo ialana ny fampiasana herisetra, sady fomba tsara indrindra handaminana olana.”

Misy fanitsiana tokony hataonao ve ao an-tranonao, mahakasika ny fijerena tele? Aza avela hanimba ny ezaka ataonao mba hampianarana ny zanakao ho tia fihavanana ny fialam-boly ao amin’ny tele.

[Sary, pejy 17]

Ampio ny zanakao mba haniry hampifaly an’ilay “Andriamanitry ny fiadanana”

[Sary, pejy 18]

Ampio ny zanakao hanitsy ny fomba fiteniny sy ny fihetsiny manafintohina

[Sary, pejy 19]

Tokony hianatra hiala tsiny sy hamela heloka ny zanakao