Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Mety amin’ny Kristianina ve ny mihaza sy manjono?

Tsy mandrara izany ny Baiboly. (Deoteronomia 14:4, 5, 9, 20; Matio 17:27; Jaona 21:6) Misy toro lalana maromaro anefa tokony hodinihin’ireo Kristianina mihaza na manjono.

Navelan’Andriamanitra hamono biby hatao sakafo i Noa sy ny taranany. Tsy maintsy nalatsa-dra anefa aloha izy ireny. (Genesisy 9:3, 4) Midika izany fa tokony hohajaina ny ain’ny biby satria avy amin’Andriamanitra. Tsy mamono biby noho ny fanatanjahan-tena na fialam-boly fotsiny àry ny Kristianina. Manao tsinontsinona ny aina mantsy izany.—Ohabolana 12:10.

Tokony ho tsara koa ny toe-tsaina rehefa mihaza na manjono. Mpanjono ny apostoly sasany, ary faly izy ireo rehefa nahazo trondro be dia be. Tsy nirehareha momba ny fahaizany manjono na mihaza anefa izy ireo, na nifaninana tamin’ny hafa. Tsy nanao izany koa izy ireo mba hanaporofoana hoe izy no tena lehilahy, na satria hoe mampientanentana ny manenjika sy miady amin’ilay biby ary mamono azy.—Salamo 11:5; Galatianina 5:26.

Mila manontany tena àry isika hoe: ‘Manahaka an’i Jehovah ve aho ka mihevitra ny aina ho sarobidy, ary modely amin’izany? Ny haza na jono ve no mibahana ao an-tsaiko sy ambentin-dresako? Izany ve no loha laharana eo amin’ny fiainako, sa ny fanompoana an’Andriamanitra? Lasa miaraka foana amin’ny olona tsy manompo an’i Jehovah ve aho? Ataoko an-tsirambina ve ny fianakaviako?’—Lioka 6:45.

Misy Kristianina mihaza na manjono mba hahazoana sakafo. Ataon’ny sasany fialan-tsiny mba tsy hanompoana an’Andriamanitra izany, rehefa tonga ny fotoana fihazana sy fanjonoana. Mino sy matoky an’i Jehovah anefa isika, rehefa tsy mamela na inona na inona hanakantsakana ny fanompoana azy. (Matio 6:33) Mankatò ny lalàn’i “Kaisara” rehetra momba ny haza sy jono koa ny Kristianina, na voasazy izay mandika izany na tsia.—Matio 22:21; Romanina 13:1.

Mila manitsy ny fomba fisainany angamba ny sasany, mba hifanaraka amin’ny fihevitr’i Jehovah sy ny fitsipiny momba ny haza sy jono. (Efesianina 4:22-24) Tokony hanaja ny fanapahan-kevitry ny hafa anefa isika. Mifanaraka amin’izany ny torohevitry ny apostoly Paoly hoe: ‘Aoka isika tsy hifampitsara intsony, fa aoka kosa mba ho izao no fanapahan-kevitrareo: Ny tsy hametraka vato mahatafintohina eo anoloan’ny rahalahy.’ (Romanina 14:13) Hisy fiadanana eo anivon’ny fiangonana raha tsy tia tena isika, fa tia sy manaja ny hafa. Mampifaly an’ilay Mpamorona sy Mpanome ny aina koa izany.—1 Korintianina 8:13. *

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Jereo koa ny “Fanontanian’ny Mpamaky” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Aogositra 1990.