Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Hagay sy Zakaria

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Hagay sy Zakaria

Velona ny Tenin’i Jehovah

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Hagay sy Zakaria

TAONA 520 T.K., tamin’izay. Efa tafaverina tao Jerosalema ireo Jiosy babo tany Babylona, ary 16 taona izay no lasa, hatramin’ny nahavitan’izy ireo ny fototry ny tempolin’i Jehovah. Mbola tsy vita tanteraka anefa ilay tempoly, sady voarara ilay asa fanorenana. Nanendry an’i Hagay mpaminany àry i Jehovah mba hitory ny teniny. Naniraka an’i Zakaria koa izy, roa volana taorian’izay.

Nitovy ny tanjon’i Hagay sy Zakaria mpaminany, dia ny hanentana ny vahoaka hanohy ny fanorenana ny tempoly. Nahomby ny ezak’izy mirahalahy, satria vita ny tempoly dimy taona tatỳ aoriana. Ao amin’ny bokin’i Hagay sy Zakaria ao amin’ny Baiboly, no misy ny hafatra notorin’izy ireo. Vita tamin’ny 520 T.K. ny bokin’i Hagay, ary tamin’ny 518 T.K. ny an’i Zakaria. Toa an’ireo mpaminany ireo, dia nanankinan’Andriamanitra asa koa isika ankehitriny. Tsy inona izany fa ny fitoriana sy fampianarana. Tsy maintsy vitaina alohan’ny faran’ny rafitr’ity tontolo ity izy io. Misy fampaherezana ho antsika ao amin’ny bokin’i Hagay sy Zakaria. Andeha hodinihintsika izany.

“HEVERO NY LÀLANAREO”

(Hagay 1:1–2:23)

Nanambara hafatra efatra mampahery i Hagay, nandritra ny 112 andro. Toy izao no voalohany: “Hevero ny làlanareo. Miakara any an-tendrombohitra, ka makà hazo, ary ataovy ny trano, dia hankasitrahako izany, sady hankalazaina Aho, hoy Jehovah.” (Hagay 1:7, 8) Nankatò izany ny olona. Nampanantena toy izao i Jehovah, tao amin’ilay hafatra faharoa: “Hofenoiko voninahitra ity trano ity.”—Hagay 2:7.

Voalaza tao amin’ilay hafatra fahatelo, fa naloto teo anatrehan’i Jehovah ilay ‘firenena sy ny asan’ny tanany rehetra’, noho izy ireo nanao an-tsirambina ny fanorenana ny tempoly. ‘Hitahy’ azy ireo anefa i Jehovah, raha vao manomboka an’ilay asa izy ireo. Araka ilay hafatra fahefatra indray, dia ‘hofoanan[’i Jehovah] ny herin’ny fanjakan’ny firenena’, ka hampiasa an’i Zerobabela Governora ho ‘fanombohan-kaseny’ izy.—Hagay 2:14, 19, 22, 23.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

2:6, 7, 21, 22—Iza no mahatonga ilay fampihorohoroana na fanozongozonana, ary inona no vokany? ‘Mampihorohoro ny firenena rehetra’ i Jehovah, amin’ny alalan’ny fitoriana ny hafatra momba ilay Fanjakana eran-tany. Tonga ao an-tranon’i Jehovah “izay irin’ny firenena rehetra”, vokatr’io fitoriana io, ka feno voninahitra ilay trano. Ho avy ny fotoana hanozongozonan’i “Jehovah, Tompon’ny maro ... ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina sy ny tany maina”, izany hoe handringanany ity tontolo ratsy ity.—Hebreo 12:26, 27.

2:9—Inona no dikan’ny hoe ‘lehibe ny voninahitr’ilay trano tatỳ am-parany noho ny tany aloha’? Lafiny telo, fara fahakeliny, no nahabe voninahitra kokoa an’ilay tempoly tatỳ am-parany: ny faharetan’ny fotoana nisiany, ny olona nampianatra tao, ary ny habetsahan’ny olona nanompo an’i Jehovah tao. Naharitra 420 taona ny tempoly tsara tarehy naorin’i Solomona. Vita tamin’ny 1027 T.K. izy io, ary rava tamin’ny 607 T.K. Ilay ‘trano tatỳ am-parany’ kosa naharitra 580 taona, nanomboka tamin’ny 515 T.K. ka hatramin’ny 70 A.K. Nampianatra tao amin’ilay ‘trano tatỳ am-parany’ koa ny Mesia na Jesosy Kristy, ary maro ny olona tonga tao mba hanompo an’Andriamanitra, raha oharina amin’ny olona tonga tao amin’ilay ‘trano tany aloha.’—Asan’ny Apostoly 2:1-11.

Lesona ho antsika:

1:2-4. Marina fa misy manohitra ny asa fitoriana ataontsika. Ny ‘fikatsahana [ilay] fanjakana’ foana anefa no tokony hataontsika loha laharana, fa tsy ny tombontsoantsika.—Matio 6:33.

1:5, 7. Tsara raha ‘mihevitra ny lalantsika’ isika, ka mandinika ny vokatry ny ataontsika eo amin’ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra.

1:6, 9-11; 2:14-17. Niasa mafy ireo Jiosy tamin’ny andron’i Hagay mba hahazoany izay mahasoa azy. Very maina anefa izany. Nataon’izy ireo an-tsirambina mantsy ny tempoly, ka tsy notahin’Andriamanitra izy ireo. Ny fanompoana an’Andriamanitra àry no tokony hataontsika loha laharana, sady hataontsika amin’ny fo manontolo. Tokony hotadidintsika fa “ny fitahian’i Jehovah no mampanan-karena”, na be na kely ananantsika.—Ohabolana 10:22.

2:15, 18. Nilaza tamin’ireo Jiosy i Jehovah fa tokony hihevitra ny fanorenana ny tempoly izy ireo nanomboka tamin’io fotoana io, fa tsy hifantoka amin’ny an-tsirambina nataony teo aloha. Tsy tokony hifantoka amin’ny lasa koa isika, fa handroso hatrany eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra.

‘TSY AMIN-KERY, FA AMIN’NY FANAHIKO’

(Zakaria 1:1–14:21)

Nanasa an’ireo Jiosy mba ‘hiverina tamin’i Jehovah’ aloha i Zakaria mpaminany. (Zakaria 1:3) Nahazo fahitana valo izy taorian’izay. Nanome toky ireo fahitana ireo, fa manohana ny fanorenana indray ny tempoly Andriamanitra. (Jereo ilay efajoro hoe “Hevitr’ireo Fahitana Valon’i Zakaria.”) “Tsy amin-kery na amim-pahatanjahana” no hahavitana ilay fanorenana, ‘fa amin’ny fanahin’i Jehovah.’ (Zakaria 4:6) “Hanao ny tempolin’i Jehovah” ilay lehilahy atao hoe Rantsana, ary “ho mpisorona eo amin’ny seza fiandrianany Izy.”—Zakaria 6:12, 13.

Naniraka olona ny avy any Betela mba hanontany ny mpisorona, momba ny fifadian-kanina ho fahatsiarovana ny nandravana an’i Jerosalema. Niteny tamin’i Zakaria i Jehovah fa hovana ho andro “fifaliana sy firavoravoana ary fotoana mahafinaritra” ireo andro fifadian-kanina efatra. (Zakaria 7:2, 3; 8:19) Nisy teny faminaniana roa taorian’izay. Voaresaka tamin’izany ny didim-pitsarana ho an’ireo firenena sy ny mpaminany sandoka. Teo koa ny faminaniana momba ny Mesia, ary ny fanadiovana ny vahoakan’Andriamanitra.—Zakaria 9:1; 12:1.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

2:5—Nahoana no nandrefy an’i Jerosalema tamin’ny tady ny lehilahy iray? Mba hanorenana manda hiarovana an’ilay tanàna angamba no anton’ilay fandrefesana. Nilaza tamin’ilay lehilahy ny anjely iray fa hitatra ny tanànan’i Jerosalema ary hahazo ny fiarovan’i Jehovah.—Zakaria 2:7-9.

6:11-13—Nomena satroboninahitra i Josoa Mpisoronabe. Midika ve izany fa lasa mpanjaka koa izy? Tsia, satria tsy taranak’i Davida Mpanjaka izy. Nentina hampisehoana mialoha ny ho anjara asan’ny Mesia kosa ny nanomezana azy satroboninahitra. (Hebreo 6:20) Mpanjaka sady mpisorona any an-danitra i Jesosy Kristy, ka tanteraka aminy ilay faminaniana momba ny “Rantsana.” (Jeremia 23:5) Mpisoronabe ao amin’ilay tempoly ara-panahy any an-danitra izy, toa an’i Josoa izay mpisoronabe tao amin’ilay tempoly naorina indray.

8:1-23—Oviana no tanteraka ireo fanambarana folo ao amin’ireo andininy ireo? Manomboka toy izao ny fanambarana tsirairay: “Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro.” Fampanantenan’Andriamanitra fiadanana ho an’ny vahoakany ireo fanambarana ireo. Tanteraka tamin’ny taonjato fahenina T.K. ny sasany taminy. Nanomboka tanteraka anefa izy rehetra tamin’ny 1919, ary eo an-dalam-pahatanterahana ny sasany ankehitriny. *

8:3—Nahoana i Jerosalema no antsoina hoe “Tanànan’ny fahamarinana”? ‘Tanàna mpampahory’ i Jerosalema talohan’ny nandravana azy tamin’ny 607 T.K. Ratsy fanahy ny mpaminany sy mpisorona tao, ary nivadika tamin’i Jehovah ny vahoaka. (Zefania 3:1; Jeremia 6:13; 7:29-34) Rehefa ho voaorina indray anefa ny tempoly, atỳ aoriana, sady tapa-kevitra hanompo an’i Jehovah ny vahoaka, dia horesahina ao indray ny marina momba ny fivavahana madio, ary hantsoina hoe “Tanànan’ny fahamarinana” i Jerosalema.

11:7-14—Notapahin’i Zakaria ny tehiny roa, izay nantsoina hoe “Fahasoavana” sy “Fikambanana.” Inona no hevitr’izany? Nirahina ‘hiandry ny ondry izay hovonoina’ i Zakaria. Vahoaka nampijalin’ny mpitarika azy, ireo ondry ireo. Mifanitsy amin’ny asan’i Jesosy Kristy ny asan’ny mpiandry nataon’i Zakaria. Nirahina hiandry ny vahoaka nanaovan’Andriamanitra fifanekena i Jesosy, nefa nolavin’izy ireo. Notapahina àry ilay tehina hoe “Fahasoavana”, izany hoe nofaranan’Andriamanitra ny fifaneken’ny Lalàna nifanaovany tamin’ny Jiosy. Tsy nanao soa ho azy ireo intsony izy. Notapahina koa ilay tehina hoe “Fikambanana”, izany hoe noravana ny firahalahian’i Joda sy Israely, izay nisy noho izy ireo samy nanompo an’i Jehovah.

12:11—Inona ilay “fisaonana tao Hadadrimona eo amin’ny lohasaha Megido”? Maty teo amin’ny “lohasaha Megido” i Josia, mpanjakan’i Joda, rehefa niady tamin’ny Farao Neko, mpanjakan’i Ejipta. Nanao hira fisaonana azy ny vahoaka, hatramin’ny taona maro. (2 Tantara 35:25) Mety ho ny fisaonana ny nahafatesan’i Josia àry ilay “fisaonana tao Hadadrimona.”

Lesona ho antsika:

1:2-6; 7:11-14. Rehefa misy mpanota mibebaka sy manaiky fananarana ary miverina amin’i Jehovah, ka manompo azy amin’ny fo manontolo, dia faly i Jehovah ary miverina amin’ilay olona koa. Tsy valiany kosa ny fangatahana fanampiana ataon’ireo ‘tsy mety mihaino [ny teniny] fa mampihemotra ny sorony.’

4:6, 7. Tsy nisy na inona na inona nahasakana ny fanahin’i Jehovah, ka vita soa ny fanorenana indray ny tempoly. Ho voavaha koa ny olana rehetra mety ho hitantsika eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra, raha maneho finoana azy isika.—Matio 17:20.

4:10. Teo ambany fanaraha-mason’i Jehovah, dia vitan’i Zerobabela sy ny vahoakany araka ny hatsarany notakin’Andriamanitra ny tempoly. Tsy sarotra loatra amin’ny olona tsy lavorary àry ny mankatò izay takin’Andriamanitra.

7:8-10; 8:16, 17. Mba hahazoana sitraka amin’i Jehovah, dia tsy maintsy manao ny marina, miantra, mamindra fo, ary milaza ny marina isika.

8:9-13. Mitahy antsika i Jehovah, rehefa ‘manatanjaka ny tanantsika’ hanao ny asa ampanaoviny isika. Anisan’izany fitahiana izany ny fiadanana, filaminan-tsaina, ary fihatsaran’ny fifandraisantsika aminy.

12:6. Tokony ho tahaka ny “fanilo mirehitra” ireo mpiandraikitra eo anivon’ny vahoakan’i Jehovah, izany hoe tokony ho tena be zotom-po.

13:3. Ny tsy fivadihana amin’Andriamanitra sy ny fandaminany no tokony ho zava-dehibe kokoa amintsika noho ny tsy fivadihana amin’olona, na dia tiantsika toy inona aza ilay olona.

13:8, 9. Maro be ireo mpivadi-pinoana tao amin’ilay tany, satria efa ny androatokon’ny mponina. Nolavin’i Jehovah izy ireo. Ny ampahatelon’ny mponina ihany no nanaiky hodiovina, toy ny hoe narendrika tamin’ny afo. Maro amin’ireo mitonona ho Kristianina koa ankehitriny no ao amin’ny Kristianisma Anarana, ary nolavin’i Jehovah. Vitsy kosa ny Kristianina voahosotra. ‘Miantso ny anaran’i Jehovah’ sy manaiky hodiovina izy ireo. Tsy Vavolombelon’i Jehovah anarana fotsiny izy ireo sy ny namany.

Tokony ho be zotom-po isika

Inona no tokony ho vokatry ny hafatr’i Hagay sy Zakaria eo amintsika? Nandrisika an’ireo Jiosy hifantoka tamin’ny fanorenana indray ny tempoly ny hafatr’izy ireo. Moa ve ny fisaintsainana izany tsy mandrisika antsika ho be zotom-po eo amin’ny fitoriana sy fampianarana?

Naminany i Zakaria fa ho avy “mitaingina boriky” ny Mesia, hisy hamadika amin’ny “sekely volafotsy telo-polo”, hisy hamono, ary ‘hihahaka ny ondriny.’ (Zakaria 9:9; 11:12; 13:7) Tena manatanjaka ny finoantsika ny fisaintsainana ny fahatanterahan’ny faminaniana toy izany! (Matio 21:1-9; 26:31, 56; 27:3-10) Vao mainka isika matoky ny Tenin’i Jehovah sy ny fandaharana ataony mba hamonjena antsika!—Hebreo 4:12.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 24 Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Janoary 1996, pejy 9-22.

[Efajoro, pejy 11]

HEVITR’IREO FAHITANA VALON’I ZAKARIA

1:8-17: Antoka fa ho vita ny tempoly, ary hotahina i Jerosalema sy ny tanàna hafa any Joda.

2:1-4: Fanomezan-toky fa horinganina ireo ‘tandroka efatra nampihahaka ny Joda’, izany hoe ireo fanjakana nanohitra ny fivavahana tamin’i Jehovah.

2:5-17: Mampiseho fa hitatra ny tanànan’i Jerosalema, ary ho “mànda afo manodidina azy” i Jehovah, izany hoe hiaro azy.

3:1-10: Hita eo fa anisan’ny nanohitra ny fanorenana indray ny tempoly i Satana. Novonjena anefa i Josoa Mpisoronabe ary nodiovina ho afa-keloka.

4:1-14: Fanomezan-toky fa ho resy ireo sakana toy ny tendrombohitra, ka ho vitan’i Zerobabela Governora ny fanorenana ny tempoly.

5:1-4: Fanozonana ny mpanao ratsy.

5:5-11: Faminaniana fa hifarana ny faharatsiana.

6:1-8: Fampanantenana fanaraha-maso sy fiarovan’ny anjely.

[Sary, pejy 8]

Inona no tanjon’ny hafatr’i Hagay sy Zakaria?

[Sary, pejy 10]

Inona no hevitry ny hoe tahaka ny “fanilo mirehitra” ireo mpiandraikitra?